Christ est là. Vavaka sy Fanantenana

Christ est là. Vavaka sy Fanantenana Jenezy49:22Solofon-kazo mahavokatra amoron-doharano izy;Misandratra tafahoatra ny tamboho ny rantsany

🙏🏽 RAHA MIANDRY HO LAVORARY IANAO VAO HANDEHA ANY AM-PIANGONANA DIA METY TSY HANDEHA MIHITSY 😌👇Raha miandry ny hahatonga...
02/09/2026

🙏🏽 RAHA MIANDRY HO LAVORARY IANAO VAO HANDEHA ANY AM-PIANGONANA DIA METY TSY HANDEHA MIHITSY 😌👇

Raha miandry ny hahatonga antsika ho lavorary vao handeha am-piangonana isika, dia mety tsy handeha mihitsy. 😔
Satria tsy ny olona lavorary no manatona an’Andriamanitra, fa ny olona mahafantatra fa mbola mila Azy. 🙏🏽
Ny fiangonana dia tsy toerana feno olona tsy manana ota. Tsy toeran’ny olona efa tonga lafatra izy, fa toerana ahafahan’ny olona mibebaka, sitrana, mianatra, miova ary manatona an’Andriamanitra.

Indraindray isika miteny hoe:
“Mbola ratsy toetra aho ka aleoko tsy mandeha any am-piangonana.” “Mbola manao fahotana aho.” “Tsy mendrika ny hiditra ao amin’ny fiangonana aho.”
Fa iza no nilaza fa mila mendrika isika vao manatona an’Andriamanitra?

Ny marary no manatona mpitsabo. 🩺
Ny olona very no mila mpitari-dalana.
Ary ny olona mahatsapa fa lavitra an’Andriamanitra no mila manatona Azy bebe kokoa. ❤️‍🩹

👉 Nefa tsy midika akory izany fa hoe azo atao ny manota satria Andriamanitra mamela heloka.
❌Tsia. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia tsy manome alalana antsika hijanona amin’ny fahotana, fa manasa antsika hiova.
Rehefa manatona an’Andriamanitra ianao, dia tsy hoe efa lavorary ianao; fa milaza hoe:
“Tompo ô, fantatro fa mbola misy zavatra mila ovaina ato anatiko. Tsy afaka manova ny tenako irery aho. Raiso aho, diovy aho, ampianaro aho ary ovay ny foko.” 🙏🏽
Mety mbola ho lavo ianao.
Mety mbola hanao fahadisoana ianao.
Mety mbola hisy fahalemena ao aminao.
Fa aza miala amin’Andriamanitra noho izany.
Rehefa lavo ianao, miverena.
Rehefa diso ianao, mibebaha.
Rehefa reraka ianao, mivavaha.
Rehefa malemy ianao, mitadiava Azy.
Satria tsy ny fahalavorariana no mahatonga antsika ho akaiky an’Andriamanitra, fa ny fo manaiky hovainy. ❤️🙏🏽

Aza miandry hoe “rehefa tsara toetra aho vao handeha any am-piangonana.”
Fa mandehana any am-piangonana, manatòna an’Andriamanitra, ary avelao Izy hiasa ao aminao mandra-piovan’ny fiainanao.
✅ Tsy tonga any am-piangonana isika satria efa lavorary. Tonga isika satria mbola mila an’Andriamanitra.
Ary angamba ny fiovana tadiavinao hatry ny ela dia manomboka amin’ilay dingana tsotra hoe:
“Tompo ô, ity aho. Ovay aho.” 🙏🏽❤️

Christella Nomenjanahary , Saint Joseph's daughter♥️🙏





AOKA ISIKA HIVAVAKA 🙏🏽👇ANDRIAMANITRA Ô,Manatona Anao aho androany, satria misy fotoana tena reraka ny foko, mavesatra ny...
01/09/2026

AOKA ISIKA HIVAVAKA 🙏🏽👇

ANDRIAMANITRA Ô,

Manatona Anao aho androany, satria misy fotoana tena reraka ny foko, mavesatra ny saiko, ary toa tsy hitako intsony izay lalana tokony haleha. 😔

Indraindray aho mahatsapa fa be loatra ny fitsapana, be loatra ny zavatra tsy maintsy zakaina, ka manontany tena hoe: “Mandra-pahoviana, Tompo ô?”

Kanefa androany, ampahatsiahivo ahy fa tsy irery aho. Na dia tsy hitako aza Ianao, mino aho fa eo Ianao. Na dia mangina aza ny valinteninao, mino aho fa miasa Ianao. Na dia mihidy aza ny varavarana sasany, mino aho fa mbola manana lalana nomaninao ho ahy Ianao.

🙏Tompo ô, rehefa reraka aho, Ianao no heriko.
Rehefa kivy aho, Ianao no fanantenako.
Rehefa matahotra aho, Ianao no fiarovako.
Rehefa tsy fantatro izay tokony hatao, Ianao no tari-dalako.

Aza avela handresy ahy ny fahasahiranana. Aza avela hahatonga ahy hiala Aminao ny fitsapana. Ampianaro aho hahatakatra fa mety tsy tonga amin’ny fotoana iriako ny valinteninao, nefa tsy midika izany hoe nanadino ahy Ianao.

Omeo fo mahery aho, Tompo ô.🙏
Omeo faharetana aho hiandry.
Omeo finoana aho rehefa tsy misy zavatra hitako.
Omeo fahendrena aho rehefa tsy fantatro izay fanapahan-kevitra horaisina.
Raha misy zavatra tsy maintsy avelako, omeo hery aho hamela azy. Raha misy varavarana tsy nataonao hidirako, omeo fahasoavana aho tsy hanery azy hisokatra. Ary raha misy lalana vaovao nomaninao, omeo herim-po aho handehanana amin’izany. 🙏🏽

Tompo ô, apetrako eo am-pelatananao ny tahotro rehetra, ny ranomasoko, ny ahiahiko, ny nofinofiko ary ny ampitso.
Tsy hangataka aminao aho mba hanala ny fitsapana rehetra, fa hangataka hery Aminao aho mba handresena azy.
Satria fantatro fa izay miaraka Aminao dia tsy very, na dia mandalo amin’ny lohasaha maizina aza.
Ampahatsiahivo ahy fa mbola misy antony iainako, mbola misy zavatra tsara omaninao ho ahy, ary mbola tsy tapitra ny tantarako.

Ka na dia mangovitra aza ny tongotro, dia handroso aho.
Na dia mitomany aza ny foko💔, dia mbola hivavaka aho.
Na dia tsy azoko aza ny zava-mitranga, dia mbola hatoky Anao aho.

Jesoa ô, raiso ny fiainako. Tariho aho. Hamafiso aho. Aza avela hiala Aminao aho. ❤️
Misaotra Anao, Tompo ô, satria mbola eo Ianao. Misaotra Anao satria mbola mitazona ahy. Ary na dia tsy hitako aza ny ampitso, Ianao efa mahita azy.
Koa anio, apetrako Aminao indray ny zava-drehetra.

Matoky Anao aho.
Miandry Anao aho.
Ary hifikitra Aminao aho.
Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tomponay.
Amen. 🙏🏽❤️

✍️ Christella Nomenjanahary , Saint Joseph's daughter♥️🙏




AIZA NO MISY NY TENA FAHASAMBARANA?🤔Vakio kely angeeee....👇Nisy olona iray nivavaka tamin’Andriamanitra ka nanao hoe:“An...
31/08/2026

AIZA NO MISY NY TENA FAHASAMBARANA?🤔

Vakio kely angeeee....👇

Nisy olona iray nivavaka tamin’Andriamanitra ka nanao hoe:
“Andriamanitra ô, raha omenao trano aho, dia ho sambatra.” 🏠
Nomen’Andriamanitra azy ny trano nangatahiny. Kanefa, rehefa azony ilay trano, dia mbola tsy nahita ilay fahasambarana notadiaviny izy.

Hoy indray izy:
“Tompo ô, raha omenao salon complet aho, dia vao tena ho sambatra kokoa.” 🛋️
Nomen’Andriamanitra azy ihany koa izany kanefa dia tsy ela akory nisy zavatra hafa indray notadiaviny ary dia nomen'Andriamanitra azy ihany… tsy nitsahatra ny nangataka izy.

Nangataka izy, ary namaly Andriamanitra. Nahazo izy, nefa mbola tsy afa-po. Nanana izy, nefa mbola nahatsapa fahabangana.

Nahoana? 🤔

Satria misy zavatra tsy tokony hotadiavintsika any amin’ny fananana fa ao amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.
❌ Tsy ny trano no manome fahasambarana maharitra.
❌ Tsy ny vola.
❌ Tsy ny fiara.
❌ Tsy ny asa.
❌ Tsy ny olona manodidina antsika.
❌ Tsy ny zavatra rehetra irintsika ho azo.

👉🏽 ANDRIAMANITRA irery no afaka mameno ilay toerana lalina ao am-po izay tsy vitan’ny zavatra eto an-tany fenoina. ❤️🙏🏽

Mety hanana trano lehibe ianao, nefa tsy manana fiadanana.
Mety hanana vola ianao, nefa mbola tsy milamina ny fonao.
Mety ho maro ny olona manodidina anao, nefa mbola mahatsiaro ho irery.
Ary mety ho kely dia kely aza no anananao, nefa afaka matory am-piadanana ianao satria fantatrao fa eo an-tananao ny fiainanao, fa eo an-tanan’Andriamanitra kosa ny ampitso. 🙏🏽

💭 Koa aza manao hoe: “Rehefa manana an’ity aho vao ho sambatra.” “Rehefa mahazo an’io aho vao ho faly.” “Rehefa tonga amin’io toerana io aho vao ho afa-po.”
Satria raha tsy mianatra mankasitraka izay anananao anio ianao, dia mety tsy ho afa-po na dia omena anao aza izay nangatahinao omaly.

🙏🏽 ANATRA HO ANTSIKA:

Aza mandany ny fiainanao manenjika izay mbola tsy anananao ka manadino ny misaotra amin’izay efa nomen’Andriamanitra anao.
Mety ilay zavatra heverinao fa “kely” anananao anio aza no nofinofin’olona iray.
Koa mianara mankasitraka. Mianara miandry. Mianara mitoky. Mianara mivavaka. Ary indrindra, aza mitady fahasambarana lavitra an’Andriamanitra.
❤️ Rehefa eo aminao Andriamanitra, dia mety tsy hanananao izay rehetra irinao… kanefa kosa afaka manana ilay zavatra lehibe indrindra ianao dia ny: FIADANANA AO AM-PO satria tsy ny olona rehetra no manana azy io. 🙏🏽

“Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an'Andriamanitra, amin'ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin'inona na amin'inona."
— Filipiana 4:6 🙏🏽

🙏 Tompo ô, omeo fo mahay misaotra izahay rehefa mahazo, mahay miaritra rehefa sahirana, ary mahay mitoky Aminao rehefa tsy mbola hitanay ny valin’ny vavakay. Amen. ❤️🙏🏽


ALAHADY FAHA-22 MANDAVANTAONA — A 📖 Lohahevitra: NY FAHASAMBARANA NO TAMBIN’NY FIJALIANA📜 Vakiteny Masina I: Jer. 20, 7-...
30/08/2026

ALAHADY FAHA-22 MANDAVANTAONA — A

📖 Lohahevitra: NY FAHASAMBARANA NO TAMBIN’NY FIJALIANA

📜 Vakiteny Masina I: Jer. 20, 7-9
📜 Vakiteny Masina II: Rôm. 12, 1-2
📖 Evanjely: Mt. 16, 21-27

Ny Vakiteny Masina Voalohany anio milaza fa natao mpandainga sy mpamitaka i Jeremia Mpaminany nefa ny teny torìny dia ny Tenin'Andriamanitra ary mahery izany tenin'Andriamanitra izany. 🙏 Ny Taratasin'i Md Paoly ho an'ny Romanina dia miangavy antsika mba hanolo-tena amin'Andriamanitra. Ny Evanjely Masina kosa manohy ny resaka nifanaovan'i Jesoa sy ny Mpianany hany ka hoy i Jesoa ao amin'ny Evanjely anio hoe: "Izay te hanaraka ahy ao izy handà ny tenany, hitondra ny hazofijaliany ary hanaraka ahy" (Mt. 16, 24). ✝️

❤️ Ry Kristianina havana, tena mampatsiahy antsika ireto vakiteny Masina ireto fa misy ny fahasambarana niaretana ny fijaliana miaraka amin'i Jesoa. Hoy ny fomba fitenintsika matetika izay hoe: "Tsy misy Paka tsy mandalo zoma Masina izany". ✝️

Raha tadidintsika moa fa tamin'ny Alahady lasa teo dia nahazo toraka voninkazo i Piera satria niteny araka ny Fanahy Masina. Saingy amin'ny maha vatana sy rà azy kosa anefa dia nangoraka izay zavatra hanjò an'i Jesoa izy. Vokany dia nandrahona azy i Jesoa satria nifanohitra tamin'ny fisainan'Andriamanitra tanteraka ny valin-teniny. 😔

Izany hoe, Andriamanitra mihitsy no mampianatra antsika fa tsy maintsy mijaly isika vao ho sambatra ao Aminy. 🙏 Raha jerena tokoa ny fiainana maha-Kristianina dia toa hazofijaliana mandrakariva satria i Kristy ilay arahintsika mihitsy no milaza amintsika fa mila mahazaka milanja ny hazofijaliantsika tsirairay isika vao tokony sahy hilaza fa Kristianina tena izy. ✝️

Ny hazofijaliana eto mety ho fanabeazana ny zanaka ao an-trano ho an'ny Ray aman-DReny satria te hitarika ny zanany amin'ny finoana izy ireo saingy ilay zaza no sarotra tarihina; mety ho aretina ho an'ny sasany, mety ny vady mihitsy aza ho an'ny sasany... 🙏

Amin'ny faran'ny Evanjely dia efa manambara sahady i Jesoa fa mandray anjara amin'ny fanavotana ny fanahiny izay manara-dia an'i Jesoa ka mizaka ny mangidy ho fanasoavana ny hafa. ❤️‍🩹✝️

Angatahintsika àry ny Fanahy Masina 🕊️ mba ahaizantsika mampiombona ny fijaliantsika amin'ny fijaliana niaretan'i Jesoa tamin'ny nanavotany antsika mba ahazoantsika ilay fahasambarana mandrakizay. 🙏❤️

🌸 Mirary Alahady mahafinaritra ho antsika rehetra o.



📖
✝️

🙏
🕊️

❤️

La fille de Papa Joseph a beaucoup grandi dans la foi🙏🎉🎉 Happy birthday Christella♥️🥰🎁     🙏     ♥️
29/08/2026

La fille de Papa Joseph a beaucoup grandi dans la foi🙏🎉🎉
Happy birthday Christella♥️🥰🎁

🙏
♥️

TSY MITOVY MIHITSY NY FIAINAN’NY OLONA MANDEHA MIARAKA AMIN’ANDRIAMANITRA SY NY OLONA TSY MIANKINA AMINY REHEFA TOJO OLA...
26/08/2026

TSY MITOVY MIHITSY NY FIAINAN’NY OLONA MANDEHA MIARAKA AMIN’ANDRIAMANITRA SY NY OLONA TSY MIANKINA AMINY REHEFA TOJO OLANA EO AMIN’NY FIAINANY.💯✅

Ny miaraka amin’Andriamanitra dia tsy midika hoe tsy hanana olana, fa midika hoe tsy miatrika irery ny olana. Rehefa reraka ianao, misy Ilay mampahery anao. Rehefa lavo ianao , misy Ilay manangana anao. Rehefa very lalana ianao , misy Ilay mitarika anao. Ary rehefa tsy hitanao intsony izay tokony hatao 😔, mbola misy Ilay azonao itokisana. 🙏
Mety hitovy ny ady atrehan’ny olona roa, fa tsy mitovy ny hery ianteherany. Ny iray mety hiantehitra amin’ny heriny ihany, fa ny iray kosa mametraka ny fiainany eo am-pelatanan’Andriamanitra. 🤲❤️
Indraindray aza, mety ho toa tsy misy fahasamihafana ny fiainan’ny olona miaraka amin’Andriamanitra sy ny tsy miaraka Aminy fa samy mandalo ranomaso 😢, fahadisoam-panantenana 💔, fahasahiranana ary fahatarana izy ireo. Fa rehefa tonga ny fotoana izay tsy mahazaka intsony ny herin’olombelona, eo no miseho ny maha-samy hafa azy: ilay manana an’Andriamanitra dia mbola manana fanantenana🙏♥️

👉 Iay olona tsy miaraka amin’Andriamanitra kosa dia tsy voatery hoe olona ratsy, mety ho olona tsara ihany izy, saingy mitondra irery ny fiainany.
Rehefa tonga ny fotoan-tsarotra dia mety hiantehitra amin’ny vola 💰, olona 👥, fahefana, fahombiazana na ny herin’ny tenany fotsiny izy ary rehefa mihozongozona ireny zavatra ireny, dia mety hihozongozona miaraka aminy koa ny fiainany.
Tsy midika izany hoe tsy hahomby mihitsy ny olona tsy miaraka amin’Andriamanitra.
Mety hanana vola 💰, asa 💼, laza ⭐ ary fahombiazana izy fa rehefa tonga ny ady tsy voavidin’ny vola, rehefa tsy afaka manampy intsony ny olona, ary rehefa tsy ampy intsony ny herin’ny tena… aiza no ianteherany? 😔

Koa aza miandry ny fotoana hahapotika anao vao mitady an’Andriamanitra. 🙏❤️
Mankanesa Aminy dieny mbola afaka ianao, dieny mbola misy ny fotoana.
Mivavaha Aminy dieny mbola milamina ny fiainanao.
Matokia Azy dieny mbola tsy tonga ny tafio-drivotra.
Ataovy fototry ny fiainanao Izy, fa tsy “vahaolana farany” ihany. ✅
Na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainanao, aza miala Aminy noho ny olana. Aza manary vavaka noho ny fahataran’ny valiny. Aza misaraka Aminy noho ny fahadisoam-panantenana. 🙏
Mety tsy ho hitanao izao izay ataon’Andriamanitra, fa ny tsy fahitanao ny asany dia tsy midika hoe tsy miasa Izy.
🔥 Ny olona miaraka amin’Andriamanitra dia mety handalo afo, fa tsy mandeha irery ao anatin’ilay afo, tahaka an’i Sadraka, Mesaka ary Abednego. Tao anatin’ilay afo, Andriamanitra dia naniraka ny Anjeliny hiaraka tamin’izy ireo sy hiaro azy ireo, ka tsy nisy na dia volon-dohany aza may.

🌊 Mety handalo ranomasina, fa tsy irery ao anatin’ny onja.

🌑 Mety handalo alina, fa mbola manana Ilay mitondra azy ho amin’ny maraina. 🌅

Aza misaraka amin’Andriamanitra, satria mety ho very zavatra maro ianao, fa aza very Ilay LOHARANON’NY ZAVATRA REHETRA. ❤️🙏

✍️ Christella Nomenjanahary , Saint Joseph's daughter♥️🙏
Christ est là. Vavaka sy Fanantenana

25/08/2026

Hotrany Karismatika zany🥰😁
Bonne nuit oh🥰
Christ est là. Vavaka sy Fanantenana ♥️


VAVAKA HARIVARIVA🙏♥️Jesoa ô, apetrakay eo am-pelatananao ilay aretinay tia mifanina amin’ny hafa, nefa tsy mahasoa anay....
24/08/2026

VAVAKA HARIVARIVA🙏♥️

Jesoa ô, apetrakay eo am-pelatananao ilay aretinay tia mifanina amin’ny hafa, nefa tsy mahasoa anay.
Mahatonga anay hialona, hampitaha tena, ary hanadino fa samy manana ny lalany sy ny fitahiany avy ny olona tsirairay.
Ampio izahay hahatakatra fa tsy mihena ny fitahianay rehefa mahita ny fahombiazan’ny hafa izahay.
Esory ao am-ponay ny fialonana, ny fampitahana ary ny fifaninanana tsy masina.
Ampianaro izahay hifaly amin’ny fahasoavana azon’ny hafa, ary hatoky fa manana ny anjaranay manokana avy Aminao izahay.
Avereno aminay ny fiadanana, ny fahatokiana ary ny fo mahay misaotra.
Jesoa ô, ataovy izay hahafahanay mijery ny hafa tsy ho mpifaninana, fa ho rahalahy sy anabavy tokony hifankahery raha sendra ady sarotra.
Amen ❤️🙏

✍️Christella Nomenjanahary , Saint Joseph's daughter♥️🙏
Christ est là. Vavaka sy Fanantenana

MIAMPANGA TENA🙏Miampanga tena amin'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra aho ary koa amintsika mianakavy fa nanota tok...
24/08/2026

MIAMPANGA TENA🙏

Miampanga tena amin'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra aho ary koa amintsika mianakavy fa nanota tokoa tamin'ny hevitro, tamin'ny teniko, sy tamin'ny nataoko ary tamin'ny adidy tsy vitako: fahotako izany, fahotako, fahotako lehibe.

🌸Koa mihanta amin'i Masina Maria Virjiny mandrakizay aho, amin'ny anjely sy ny olomasina rehetra ary koa amintsika mianakavy mba hivavaka ho ahy amin'ny Tompo Andriamanitsika.🙏


🙏 ALAHADY FAHA-21 MANDAVANTAONA — A🌿 Lohahevitra: I KRISTY NO IORENAN’NY FIAINANTSIKA SY NY FAHEFAN’NY EGLIZY📖 Vakiteny ...
23/08/2026

🙏 ALAHADY FAHA-21 MANDAVANTAONA — A

🌿 Lohahevitra: I KRISTY NO IORENAN’NY FIAINANTSIKA SY NY FAHEFAN’NY EGLIZY

📖 Vakiteny Masina I: Iz. 22, 19-23
📖 Vakiteny Masina II: Rôm. 11, 33-36
📖 Evanjely: Mt. 16, 13-20

✨ Ny Vakiteny voalohany dia mitantara ny fifidianan’Andriamanitra izay olona tiany hitondra ny Vahoakany. Ny Vakiteny faharoa indray dia mampahatsiahy antsika fa Andriamanitra dia lehibe sy tsy hay faritana ny fahendreny, ary avy Aminy sy amin’ny alalany ary ho Azy ny zavatra rehetra. 🙏

✝️ Ny Evanjely kosa dia miresaka momba ny andraikitra lehibe nankinin’i Jesoa tamin’i Md. Piera, dia ny fitarihana ny Fiangonana.

❤️ Ry Kristianina havana, ity Evanjely ity no iray amin’ireo fototra ara-Baiboly iorenan’ny Fiangonana Katolika, satria i Jesoa Kristy mihitsy no nanorina ny Fiangonana ary nanankina izany tamin’i Md. Piera.
🔑 Zavatra roa no azontsika ifampizarana:

1️⃣ Fahefana avy amin’i Jesoa Kristy no mitondra ny Fiangonana. ⛪
Tsy fahefan’olombelona fotsiny izany, fa fahefana nankinin’i Kristy tamin’ny Fiangonany. Izany no nilazan’i Jesoa hoe:
📖 “Na ny vavahadin’ny afobe aza tsy haharesy azy.” (Mt. 16,18)
🙏 Koa matokia ny Fiangonana ary mivavaha ho azy, satria Kristy no fototra iorenany ary Izy no mitarika azy.

2️⃣ I Jesoa Kristy no Tompon’ny Fiangonana sy Tompon’ny fiainantsika. ❤️✝️
Izy no tokony ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika. Rehefa mivavaka isika, dia Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina no antsointsika sy iankinantsika. 🙌
🎶 Izany ihany koa no antony tokony hitodihan’ny hira fidirana amin’ny Sorona Masina amin’Andriamanitra — Ray, Zanaka ary Fanahy Masina — satria Izy no ivon’ny Sorona Masina sy Tompon’ny Fiangonana. ✝️⛪

🕊️ Koa amin’ity Alahady ity, andeha isika hivavaka ho an’ireo mpitondra ny Fiangonana: ho an’ny Papa, izay dimbin’i Md. Piera, sy ho an’ireo mpitondra ary mpanao raharaha masina rehetra. 🙏
🔥 Enga anie ny Fanahy Masina hanazava sy hitarika azy ireo, mba hitondrany ny Fiangonana araka ny sitrapon’Andriamanitra, Ilay Mpamorona sy Mpanorina azy. 🕊️

❤️ Aoka i Kristy hatrany no ho fototry ny finoantsika, ivon’ny fiainantsika ary Tompontsika.

Mirary Alahady feno fitahiana, fiadanana ary fifaliana ho antsika rehetra! 🙏❤️

✍️ Lę P'tįt Åndrønìć
Christ est là. Vavaka sy Fanantenana









Address

Fort-Dauphin
614

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Christ est là. Vavaka sy Fanantenana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share