13/05/2023
Faly mampita sy mizara amintsika ny 3M Publishing, manana isika Kristianina eto Madagasikara manana ity Orinasa fanotam-boky ity! Tsy ampy loatra ny boky Kristianina manampy amin’ny fanaovana mpianatra sy hitomboan’ny Kristianina ara-panahy, ary hianarana ny Tenin’Andriamanitra laindalina kokoa, ka tena harena be ho antsika ny fananantsika sehatra fanotana boky toy izao, izay entina ho Fitahiana sy fampitmboana haingana ny Kristianina manontolo eto Madagasikara! Miarahaba sy Mirary soa ny 3M Publishing sy ny Madagascar 3M amin’izao dingana Lehibe izao! Fitahiana ho anay ianareo! Mahombiaza be zareo a! Mivavaka ho an’ireo asa miandry anareo sahady. Alefa 🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏
Faly izahay manambara ny fisokafan’ny pejy facebook 3M Publishing!
📖 Ny 3M Publishing dia trano famoaham-boky ao anatin'ny vondrona Madagascar 3M, tetikasa efa nanery ny fonay hatry ny ela.
🙏 Isaorana Andriamanitra fa nataony afaka manompo amin'ny alalan'ity sehatr'asa vaovao ity izahay.
👉 Anisan’ny tanjona lehibe indrindra ho an’ny Madagasikara 3M moa ny fiverenan’ny foto-pampianarana mifototra amin’ny Soratra Masina eny amin’ny pilopitra rehetra eraky ny nosy.
🙏 Ny vavaka ataonay dia ny mba hampiasan'ny Tompo ny 3M Publishing ho an’izany tanjona izany.
🤗 Araho ny pejy ahalalanao ny vaovao farany sy ireo hetsika kasaina karakaraina. Tsindriandaona sahady izahay ny hizara ireo vokatra, ny momba ireo mpanoratra sy ny tetikasa eo andalam-pahatontosana.
👍 Asio j'aime ny pejy, zarao amin'ny namanao ary aza misalasala hifandray mivantana amin'ny hafatra miafina.
-----
🇫🇷
Nous sommes ravis de vous annoncer le lancement de la page facebook de 3M Publishing !
📖 3M Publishing est une maison d’édition chrétienne au sein du groupe Madagascar 3M, un projet qui nous tient à cœur depuis longtemps. Grâce à Dieu, nous pouvons enfin vous servir à travers ce nouveau ministère.
👉 Un des premiers objectifs de Madagascar 3M est que la saine doctrine et la prédication de la Parole pure et sans tâche règnent au sein de chaque église de notre île. Nous prions que le Seigneur utilise 3M Publishing pour atteindre ce but.
👉 Suivez-nous pour découvrir les dernières actualités et les événements passionnants que nous préparons. Nous sommes impatients de partager avec vous nos produits, nos auteurs préférés et nos projets.
👍 Aimez la page pour ne rater aucune publication. N'hésitez pas à la partager avec vos amis et à nous faire part de vos commentaires et suggestions.
---
🇬🇧🇺🇸
We are delighted to launch the 3M Publishing page!
📖 3M Publishing is a Christian publisher within Madagascar 3M group. We are grateful God has put this ministry in our hearts, we are excited to serve you 🙏 .
👉 One of Madagascar 3M's goal is that sound teaching will be preached through all of the churches in our island. Our prayer is that 3M Publishing may be used by the Lord for this purpose.
👉 Follow us to discover the latest news and the exciting events we are preparing. We look forward to sharing our products, our favorite authors and our projects with you.
👍 Like the page so you don't miss any posts. Feel free to share it with your friends and send us your comments and suggestions.