Fiangonana Advantista Isada Fianarantsoa

Fiangonana Advantista Isada Fianarantsoa Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fiangonana Advantista Isada Fianarantsoa, Christian church, ISADA Fianarantsoa, Fianarantsoa.

Mofon'Aina talata 26 mai 2026Ampamoahina"Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, d...
26/05/2026

Mofon'Aina talata 26 mai 2026

Ampamoahina

"Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra."1 Jao. 1:6,7.

Araka ny fatram-pahazavana nomena antsika no hampamoahana antsika. Soritana mazava ny lalana mankany an-danitra ho an'izay mampiasa amim-pahatokiana ny fahalalana mety hananany momba ilay fiainana ho avy. (...) Diniho ilay fandikan-dalàna voalohany tao Edena. Nambara mazava tamin'i Adama sy i Eva ny lalàn'i Edena sy ny famaizana raha minia mandika izany izy. Tsy nankatò anefa izy ireo, koa tsy azo nihodivirana ny vokany. Tonga teto amin'izao tontolo izao ny fahafatesana. (...)Raha nohajaina hatrany ireny didy ireny, dia tsy ho nisy ny fahotana. Fahafatesana mandrakariva no vokatry ny fandikan-dalàna. Noho i Kristy nahafoy ny ainy ho an'ny olona no tsy nampiharana avy hatrany ny didim-pitsarana nanameloka antsika ho faty. (...) Takin'ny fahamarinana ny handraisan'ny olona fahazavana, ary takiny koa ny famaizana ho an'izay mandà tsy handeha eo amin'ilay fahazavana avy any an-danitra, izay ain'ny Zanak'Andriamanitra no sandany. Fitsipi-pitsarana marina ny hoe mifamatra amin'ny fahalalana nomena azy, izay tsy nampiasainy na nampiasainy tsy araka ny tokony ho izy, ny fahamelohan'ny mpanota. Ny handehanan'ny olona eo amin'ny mazava no andrasan'Andriamanitra aminy, ny hanaporofony eo anatrehan'ny anjely sy ny olona fa manaiky an'i Kristy izy ireo ho fanavotana noho ny fahotany, ary manan-danja lalina sy fitahiana lehibe indrindra ho azy ny sorona nataony. (...)Manan-kery hanao fitakiana amin'ny olombelona ankehitriny sy mandrakizay, ny sorona nataon'Ilay Zanak'Andriamanitra ho famonjena ny taranaka lavo. Raha tsy niditra an-tsehatra Andriamanitra, raha tsy namelany hanana antony hanaovana ny famonjena lehibe ny olona, dia ho azon'izy ireo natao fialantsiny ny tsy fahalalany. Saingy nataony mazava ny lalana. Tiany ho voavonjy ny olona rehetra. (...) Araka ny fahazavana nomena azy no itsarana ny tsirairay. (...) Nomen'Andriamanitra fahazavana ianao mba hotandremanao sy holalainao toy ny zava-masina.L, 180, 1902.Fitiavana an'i Jesosy

25/05/2026

Mofon'Aina Alatsinainy 25 Mai 2026

Andro fahafinaretana sy fitahiana

Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasininy Jehovah hoe Miendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin'ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.Isa. 58:13,14.Andron'Andriamanitra ny Sabata, (...) fa tsy androntsika; raha mandika izany isika dia toy ny mangalatra amin'Andriamanitra (...) Henemana manontolo no efa nomen'Andriamanitra antsika hiasana, ary iray monja no natokany ho Azy. Tokony ho andro fitahiana ho antsika io andro io, izay tsy hanaovantsika ny raharahantsika andavanandro fa hifantohantsika amin'Andriamanitra sy ny lanitra kosa.Aoka kosa ny fivavahana sy ny fiankohofantsika amin'Andriamanitra tsy hataontsika toy ny asa manasatra. Tokony ho fitahiana ho an'ny zanatsika ny Sabata. Tokony ho andro fifaliana, andro nohamasininin'Andriamanitra ho azy ireo izany; ary izany tokoa no handraisany azy raha beazina araka ny tokony ho izy izy ireo. (...) Azontsika aseho azy ny voninkazo mamelana sy mivelatra, ny hazo mijoalajoala, ny ahi-maitso mahafinaritra, ka ampianarintsika azy ireo fa henemana no namoronan'Andriamanitra ireny rehetra ireny, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito ka nanamasina azy. (...)Aoka tsy hampianarintsika ny zanatsika fa tsy mahazo mifaly izy ireo rehefa Sabata, na hoe tsy mahazo mivoaka ny trano izy ireo rehefa Sabata. Tsia. Nitondra ny mpianany teny amoron-drano i Kristy tamin'ny andro Sabata, ary nampianatra azy. Tsy voatery tao anaty rindrina efatra mandrakariva no nitoriany teny (...).Maro no milaza fa hitandrina ny Sabata izy ireo raha mety aminy izany. Nefa tsy anao ny Sabata; andron'Andriamanitra izany, ary tsy azonao atao ny maka izany, toy ny tsy fahazoanao mangalatra ny poketrako. Voatokan'Andriamanitra sy nohamasininy izany; adidy ny manokana io fotoana io hanompoana Azy, ny manome voninahitra izany, ny manao izany ho fahafinaretana.Ms, 3, 1879.Fitiavana an'i Jesosy

Andro voalohany ny conférence eto amin'ny fiangonana advantista ISADA izay nampitondraina ny lohahevitra lehibe #"Ho avy...
24/05/2026

Andro voalohany ny conférence eto amin'ny fiangonana advantista ISADA izay nampitondraina ny lohahevitra lehibe
#"Ho avy indray Kristy, mino izany ve ianao"
Mbola mitohy ny conférence koa manasa anao sy ny ankohonanao ho avy hiara-hianatra ny soratra masina.
🕠isan'andro amin'ny 6:30 hariva ny fotoana

Mofon'Aina Zoma 22 may 2026Mahatoky amin' Andriamanitra sa amin'ny olona ?Andriamanitra no "tokony hekena mihoatra noho ...
21/05/2026

Mofon'Aina Zoma 22 may 2026

Mahatoky amin' Andriamanitra sa amin'ny olona ?

Andriamanitra no "tokony hekena mihoatra noho ny olona.Asa. 5:29.
Tsy nisy nanameloka azy teo anatrehan'Andriamanitra ny fieritreretan'i Daniela sy ireo namany. Tsy voahazona anefa izany raha tsy misy ezaka mafy atao. Fitsapana lehibe tokoa no nihatra tamin'ireo naman'i Daniela telo lahy rehefa nasaina niankohoka teo anoloan'ilay sariolona lehibe natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka teo amin'ny tany lemaka Dora izy ireo! Nandrara azy tsy hanome voninahitra ny sampy ny foto-kevitra notanany, satria mandrafy ny Andriamanitry ny lanitra izany. Fantatr'izy ireo fa avy amin'Andriamanitra ny fahaizana amam-pahalalany rehetra, ary na feno hatsaram-panahy sy firaiketam-po tamin'ny olona rehetra aza izy ireo, dia nanam-paniriana lehibe haneho ny fahatokiany tanteraka tamin'ny Andriamaniny. (…)Hoy ny mpanjaka tamin'ireto tovolahy Hebreo telo ireto: "raha (…) miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjiany anareo amin'ny tanako izany?" Dia namaly ireo tovolahy hoe: "Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany. Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjiany amin'ny lafaoro misy afo mirehitra (…). Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay." – Dan. 3:15-18. (…) Natsipy tao anaty afo ireo tovolahy mahatoky ireo, nefa nasehon'Andriamanitra ny heriny nanafaka ny mpanompony. (…)Araka izany, nanambara ny finoany tamin'ny firenena manontolo ireto tovolahy feno ny Fanahy Masina ireto, fa ilay notompoin'izy ireo no hany Andriamanitra marina sy velona. (…) Mba hampiaiky volana ny mpanompo sampy eo anatrehan'ny hery sy ny fahalehibeazan'Andriamanitra velona, dia tsy maintsy asehon'ny mpanompony ny fanajany an'Andriamanitra. Tsy maintsy asehony mazava fa Izy irery ihany no omen'izy ireo voninahitra sy iankohofany, ary tsy misy na inona na inona, na dia ho fiarovana ny ainy aza, mety hampilefitra azy ireo amin'ny fivavahana amin'ny sampy, na kely aza. Misy fiantraikany mivantana sy iankinan'aina eo amin'ny fanandramana iainantsika amin'izao andro farany izao ireo lesona ireo.Ms, 16, 1896.Fitiavana an'i Jesosy

Mofon'Aina Alakamisy 21 May 2026Ilay fenitra ambony indrindra"Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriam...
20/05/2026

Mofon'Aina Alakamisy 21 May 2026

Ilay fenitra ambony indrindra

"Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina." Rôm. 2:13.
Maro amin'ireo olona voasoratra ao amin'ny bokim-piangonana ny anarany no tsy misy fiovana marina ny fiainany. Tavela any ivelany ny fahamarinana. Tsy misy ny fiovam-po marina, tsy misy vokany ny asan'ny fahasoavana ao am-po. (...)

Tokony hitolo-batana tanteraka eo am-pelatanan'i Kristy sy hanokantena ho Azy izay te hanana toetra matanjaka sy mirindra tsara, satria tsy eken'ny Mpanavotra ny hananantsika fo mizarazara. Hianarany isan'andro ny atao hoe mandà tena. Hianarany ny Soratra Masina, hanakarany ny heviny sy hankatoavany ny fitsipiny; amin'izany no hahatrarany ny fahatanterahana kristianiana. (...) Hiara-miasa aminy isan'andro Andriamanitra mba hanamboatra ny toetrany ho tanteraka, ka ho tafajoro izy amin'ny fizahan-toetra farany. (...) Vavolombelona eo anatrehan'ny olona sy ny anjely ny fiainany isan'andro, manambara izay azon'ny filazantsara atao ho an'ny olombelona lavo.

Aoka isika hikely aina, hitozo amim-pahamatorana amin'ny asa fanavaozana izay tsy maintsy atao eo amin'ny fiainantsika. Andeha hohomboantsika ny "izaho". Hiezaka fatratra hifehy antsika ireo fahazarana tsy masina, nefa afaka mandresy izany isika amin'ny anaran'i Jesosy sy ny heriny. Ho an'izay miambina tsara ny fony araka izay azony atao ny teny fikasana hoe: "Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." – Rôm. 8:38,39. Andriamanitra mihitsy no "hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy" – Rôm. 3:26, "ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa." – Rôm. 8:30.

Na lehibe toy inona aza ny henatra sy ny fitotonganana vokatry ny fahotana, dia ho lehibe lavitra ny voninahitra sy ny fisandratana avy amin'ny fitiavan'Andriamanitra manavotra. Omena haren-tsarobidy avy any an-danitra ny olona izay miezaka hanana fiainana araka ny endrik'Andriamanitra, dia hery lehibe hametraka azy ho ambonin'ireo anjely tsy mbola lavo mihitsy aza.
RH, 7 Jolay 1904.

Mofon'Aina Alarobia 20 May 2026Ny sitrapon'Andriamanitra, fa tsy ny ahy"Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampiana...
20/05/2026

Mofon'Aina Alarobia 20 May 2026

Ny sitrapon'Andriamanitra, fa tsy ny ahy

"Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro. "
Sal. 25:4,5.

Toy izao ny toromarika nomena an'i Mosesy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" – Heb. 8:5. Na dia nafana fo tamin'ny asan'Andriamanitra aza i Mosesy, ary nanana olona maro havanana sy manan-talenta indrindra hanao izay rehetra asainy atao, dia tsy nangano na inona na inona izy, (...) raha tsy araka ny endrika naseho azy, araka ny idealin'Andriamanitra. (...) Nandritra ny efapolo andro no nanomezana azy ny toromarika, ary rehefa nidina avy teo an-tendrombohitra izy, dia vonona ny hanatanteraka ilay endrika marina naseho azy tany an-tendrombohitra. (...)

Maro no diso noho ny tsy fanarahana ny hevitr'Andriamanitra, fa ny an'ny tenany. I Kristy aza dia nilaza hoe: "Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray" – Jao. 5:19. Nofoanany ny Tenany, hanى ka tsy manana fikasana na drafitra ho Azy Izy. Nekeny ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny fiainany, ary nambaran'ny Ray Azy isan'andro ny fikasany. Raha i Jesosy aza niantehitra tanteraka toy izany tamin'ny Rainy ka nanao hoe: "na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa ny ataon'ny Zanaka," tsy mainka ve fa ny olombelona? (...)

Tsy maintsy resena ny sitrapontsika. Tsy maintsy homboana amin'ny hazo fijaliana ny fireharehana sy ny avonavona, ary ny banga hofenoin'ny Fanahy sy ny herin'Andriamanitra. (...) Moa ve i Jesosy Kristy, Mpanjakan'ny lanitra, nanao ny sitrapony manokana? Banjino Izy sy ny fahoriam-panahiny tao Getsemane, nivavaka tamin'ny Rainy. (...) Ny fisainana ny fisarahana tamin'ny fitiavan'ny Ray no nanery ny molony hatsatra sy nangovitra hiantso hoe: "Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity" – Mat. 26:39. Intelo no nanaovany izany, saingy nampiany hoe: "nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao" – Lio. 22:42. Toy izany no tsy maintsy ho toe-tsaintsika koa (...). Izany no fiovam-po marina.
L, 27, 1892.

Mofon'Aina Talata 19 May 2026Fahafahana ao amin'i Kristy"Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera...
19/05/2026

Mofon'Aina Talata 19 May 2026

Fahafahana ao amin'i Kristy

"Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
Gal. 5:1."

Nataon'Andriamanitra teo ambanin'ny lalàna ny olombelona tany am-piandohana, ho fepetry ny fisiany. Teo ambanin'ny fitondran'Andriamanitra izy, ary tsy misy fitondrana raha tsy misy lalàna. (...)

Mahefa ny zavatra rehetra, mahalala ny zavatra rehetra, ary tsy miova Andriamanitra. Mahitsy mandrakariva ny lalany. Fahamarinana ny lalàny — fahamarinana tsy miova, mandrakizay. Mifanaraka amin'ny toetrany ny didiny. Saingy asehon'i Satana amin'ny fomba diso izany (...). Nandritra ny fotoana rehetra nikomiany, dia nitady izay hanehoana an'Andriamanitra ho toy ny tsy marina, sy tsy refesi-mandidy i Satana. (...)

Vokatry ny tsy fankatoavan'i Adama dia mpandika lalàna ny olombelona rehetra, namidy ho andevon'ny ota. Raha tsy mibebaka sy miova fo izy, dia eo ambany fanandevozana'ny lalàna, mpanompon'i Satana, voafandriky ny fitaky ny fahavalo, ary manao fanambarana manohitra ny didin'i Jehovah. Kanefa hamarinina kosa ny olona amin'ny fankatoavany tanteraka ny lalàna. Amin'ny fitakian'ny lalàna. Amin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy irery ihany no mety hahatanteraka ny fankatoavana toy izany. Mety ho takatry ny olona ny maha ara-panahy ny lalàna, mety ho fantany ny fahefany amin'ny maha mpanondro ny fahotana azy, saingy tsy mahatohitra ny hery sy ny fitak'i Satana izy ireo, raha tsy manaiky ny fanavotana atolotra azy ao amin'ilay sorona nataon'i Kristy Famonjena antsika, sy Fampihavanana antsika amin'Andriamanitra.

Ireo izay mino an'i Kristy sy mankatò ny didiny dia tsy eo ambany fanandevozana'ny lalàn'Andriamanitra; ho azy ireo, ny lalàny dia tsy lalàm-panandevozana, fa fahafahana. Izay rehetra mino an'i Kristy, miantehitra amin'ny hery fiarovana avy amin'ilay Mpamonjy nitsangana tamin'ny maty izay efa nandoa ny sazin'ny mpandika lalàna, manohitra ny fakam-panahy, ary eo anivon'ny faharatsiana nefa maka tahaka ny modelin'ny fiainan'i Kristy, dia ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana ny sorom-panavotana nataon'i Kristy, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay ao amin'izao tontolo izao noho ny filana. Izay rehetra mankatò ny didin'Andriamanitra amin'ny finoana dia ho tonga amin'ny tsy fananan-tsiny, toa an'i Adama talohan'ny fahalavoany.
ST, 23 Jolay 1902.

Mofon'Aina Alatsinaina 18 May 2026Hery manamasina"Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.Jao. 1...
18/05/2026

Mofon'Aina Alatsinaina 18 May 2026

Hery manamasina

"Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.
Jao. 17:17."

Tsy hahasoa antsika velively ny fahamarinana torintsika raha tsy hamasinina amin'ny alalany isika. (...) Raha mbola manjaka toy izao ny fahadisoana eto an-tany, dia ilaintsika ny mahafantatra ny fahamarinana, satria tsy ho azo hamasinina amin'ny alalan'ny fahadisoana isika. Arakaraka ny hahatakarantsika tsara ny fahamarinana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, no hahafantarantsika ny fomba hanamasinana ny fiainantsika amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra.

Eto amin'izao tontolo izao isika mba hozahan-toetra, koa omen'Andriamanitra fotoana hahitany ny fankatoavantsika ny fahamarinany. Sarotra tokoa ny miaina amin'izao vanim-potoana izao, ary tsy tokony ho afa-po isika raha tsy manana fifandraisana velona amin'Ilay Andriamanitry ny lanitra; tokony hahatsapa ny adidintsika eo anatrehany isan'andro isika eo amin'ny fiainantsika. (...)

Ho rentsika manodidina antsika ny feo izay mitaona antsika hiala amin'ny fahamarinana, fa raha mibanjina ny voninahitr'Andriamanitra isika ary miezaka hanao ny sitrapony, dia ho rentsika ny feony ary ho fantatsika fa feon'Ilay Mpiandry Tsara izany. Zava-dehibe tokoa ny fahatakarantsika izay lazain'izany feo izany amintsika. (...)

Samy tojo fakam-panahy isika tsirairay, samy manana toetra ratsy tokony horesena; ahoana no hahafantarantsika fa manao izany asa izany tokoa isika isan'andro? Tsy maintsy mijery amin'ny fitaratra isika — ny lalàna masin'Andriamanitra — ka mahita ireo lesoka amin'ny toetrantsika. Sarotra tokoa ny mahalala tsara ny tenantsika. Tsy maintsy mandinika akaiky isika sao misy zavatra tsy maintsy alantsika, ary rehefa miezaka mampilefitra ny «izaho» isika, dia homen'ny Mpamonjintsika sarobidy ny fanampiana ilaintsika mba ho mpandresy isika. (...)

Tsy lanitra izao tontolo izao, fa toerana fiomanana; eto no toeram-piasan'Andriamanitra, izay andrantsanany sy anefeny antsika mba ho vonona ho any amin'ny fonenana any an-danitra isika. Koa aza afa-po amin'ny fahafantarana fotsiny ny fahamarinana; mitaky fanavaozana isaky ny indray mandingana Andriamanitra. Toy izany no hahatafiditra antsika any amin'ny fonenana izay efa nomanin'i Kristy ho antsika. Ary raha manaiky ny ho isan'ny ankohonan'ny lanitra ao amin'ny fanjakan'ny voninahitra isika, dia handray valisoa mandrakizay. Andriamanitra anie hanampy antsika handresy amin'ny alalan'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy.
Ms, 1886.

🫶🏼"MANDEHA  MIARAKA AMIN'I JESOSY" 🫶🏼🎉Andro manerantany ho an'ny mpisantatra teto amin'ny fiangonana advantista ISADA.🎉 ...
16/05/2026

🫶🏼"MANDEHA MIARAKA AMIN'I JESOSY" 🫶🏼
🎉Andro manerantany ho an'ny mpisantatra teto amin'ny fiangonana advantista ISADA.🎉
#16/15/16

Mofon'Aina Sabata 16 May 2026"Mifandray amin'ny mandrakizayIzao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'...
16/05/2026

Mofon'Aina Sabata 16 May 2026

"Mifandray amin'ny mandrakizay
Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, Ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny; fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etý ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah."
Jer. 9:22,23.

Misy fanabeazana tena araka izao tontolo izao. Ny tanjony dia ny fahombiazana eto an-tany, ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian'ny olona feno fitiavan-tena. Mpianatra maro no mandany fotoana sy harena amin'izany fianarana izany, nefa mba hamenoana ny sainy amin'ny fahalalana tsy mahasoa akory. Avara-pianarana no iantsoan'izao tontolo izao azy ireo; saingy tsy ao an-tsainy Andriamanitra. (...)

Misy karazana fanabeazana izay hafa tanteraka. Ny foto-kevitra ijoroany, araka ny voalazan'ilay Mpampianatra lehibe indrindra tsy misy toa Azy eo amin'izao tontolo izao, dia ity: "Katsaho aloha ny fanjakan'[Andriamanitra] sy ny fahamarinany" – Mat. 6:33. Tsy misy fitiavan-tena ny tanjony; ny hanome voninahitra an'Andriamanitra no kendreny. (...) Andriamanitra no loharanon'ny fahendrena rehetra. Tsy misy fetra ny fahendreny, sady marina no tsara Izy. Raha misaraka amin'i Kristy, na dia ny olon-kendry indrindra eto an-tany aza tsy hahatakatra ny momba Azy. Mety hilaza ny tenany ho hendry izy ireo, mety hirehareha ny amin'ny zava-bitany, nefa ny fahalalana ara-tsaina fotsiny, raha tsy misy ireo fahamarinan-dehibe izay i Kristy no ivony, dia tsinontsinona ihany. (...)

Raha azo esorina vetivety ny sakana eo amin'ny fijerin'ny olombelona voafetra, mba hahitany ny Mandrakizay indray mitopy maso, dia ho tampina avokoa ny vava mpirehareha rehetra. Olombelona voafetra no miaina eto amin'ity tontolo bitika toy ny atoma ity; manana tontolo maro tsy voaisa Andriamanitra, izay mankato ny lalàny sy tarihiny araka ny voninahiny. Rehefa lasa lavitra amin'ny fikarohana ara-tsiansa ataony ny olombelona, araka izay tratry ny fahaizany voafetra, dia mbola misy fahalalana tsy misy fetra any ankoatra izay farany takatry ny sainy.

Mba hahatongavan'ny olona ho hendry marina, dia tsy maintsy manaiky ny fiankinany amin'Andriamanitra aloha izy ireo, ary hofenoina amin'ny fahendreny. Andriamanitra no loharanon'ny hery ara-tsaina sy ara-panahy. Ny olona malaza indrindra nahatratra izay heverin'izao tontolo izao ho faratampon'ny fahaizana ara-tsiansa, dia tsy azo ampitahaina akory amin'i Jaona malala na i Paoly apostoly. Rehefa mitambatra ny hery ara-tsaina sy ara-panahy vao tratra ny fenitra ambony indrindra amin'ny maha olona.
CPTS, tt. 64-66.

Mofon'Aina Zoma 15 May 2026Ny lalan'ny mpanjaka"Iza no ahy any an-danitra? Ary tsy misy etý ambonin'ny tany iriko tahaka...
15/05/2026

Mofon'Aina Zoma 15 May 2026

Ny lalan'ny mpanjaka

"Iza no ahy any an-danitra? Ary tsy misy etý ambonin'ny tany iriko tahaka Anao."
Sal. 73:25.
Ny fanahy izay mandala ny fitiavan'i Kristy dia feno fahafahana, fahazavana, ary fifaliana ao amin'i Kristy. Ao amin'ny fanahy toy izany dia tsy misy fisainana mizarazara. Maniry an'Andriamanitra ny momba azy manontolo. Tsy mankany amin'olombelona izy mba hila saina, fa manatona ny Tompo Jesosy, Ilay loharanon'ny fahendrena rehetra. Mandinika ny Tenin'Andriamanitra izy mba hahafantarany izay fenitra napetraka ao.

Hahita mpitari-dalana azo antoka kokoa noho ny Tompo Jesosy ve isika? Ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fivavahana marina, izay midika hoe: eo ambany fitarihan'Ilay Masina isika amin'ny eritreritra sy ny teny ary ny asantsika. Mandray ny mpikatsaka manetry tena sy mazoto Ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, ka manao hoe: Avia hanaraka Ahy. Tarihiny ho eo amin'ny lalana etý mankany amin'ny fahamasinana sy ny lanitra ary ny fiainana io izy. I Kristy no nanokatra io lalana io ho antsika tamin'ny vidiny lafo. Tsy avela hiraparapa ao amin'ny haizina isika (...) Ary izay rehetra tapakevitra hanaraka tanteraka ny Tompo dia hotarihina eo amin'ny lalan'ny mpanjaka, eny, eo amin'ny lalana ho an'ny nosoritan'Andriamanitra ho an'ny voavotra. – Ms, 130, 1897.

Arakaraka ny ianarantsika amin'i Kristy amin'ny alalan'ny Teniny no hahatsapantsika kokoa ny filantsika Azy eo amin'ny fiainantsika. Tsy tokony ho afa-po isika mandra-pahitantsika fitsaharana amin'ny fitondrantsika ny ziogan'i Kristy sy ny entany. Arakaraka ny fahatokiantsika eo am-panompoana Azy no hampitombo ny fitiavantsika Azy, sy ny hankalazantsika Azy. (...) – Ms, 13, 1897.

Manambara amin'izao tontolo izao ny herin'ny fahasoavan'i Kristy isika ankehitriny, eo amin'ny fiovantoeran'ny olombelona, avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra, avy amin'ny toetra ho amin'ny toetra. Miomana ho amin'ny fiaraha-monina amin'ny anjely any an-danitra isika rehefa mibanjina an'i Kristy, Ilay modelintsika madio, masina, sy tsy misy tsiny. Raha i Kristy no ho lohantsika sy Mpanjakantsika rehefa any an-dapan'ny lanitra, dia aoka isika hametra-panontaniana hoe: Iza moa i Kristy ho antsika ankehitriny? Afaka milaza ve isika eo am-pibanjinana ny Mpamonjintsika hoe: "Manana an'iza moa aho any an-danitra? Ary tsy misy mahafinaritra ahy eto an-tany, afa-tsy ianao." (DIEM)
Ms, 13, 1897.

Address

ISADA Fianarantsoa
Fianarantsoa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fiangonana Advantista Isada Fianarantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share