Sampana Fifandraisana Advantista Ankofafa

Sampana Fifandraisana Advantista Ankofafa Ny Sampana Fifandraisana dia miahy ny fampandehanana ny sampana rehetra eo anivon'ny Fiangonana �?

21/11/2023
29/05/2023

Mofon'Aina Alatsinainy 29 Mey 2023 MPANDRANTO AVY ANY AN-DANITRA
Mat. 13:45. « Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa. »
Fitahiana mety ho azon’ny rehetra ny filazantsaran’i Kristy. Afaka hikatsaka ny famonjena tahaka ny manan-karena indrindra ny mahantra indrindra, satria tsy misy anton-karen’izao tontolo izao mahavidy izany. Ny tankatoavana an-tsitrapo sy ny fanolorana ny tenantsika ho an’i Kristy no hahazoana azy, satria fananana efa voavidy isika. Ny fanabeazana, na dia eo amin’ny antokon’olona ambony indrindra aza, dia tsy mahatonga samirery ny olona ho akaiky kokoa an’Andriamanitra. (...)
Tokony hitady ny perila sarobidy isika, nefa tsy any amin’ny tsenan’izao tontolo izao. Ny vidiny takina haloantsika dia tsy volamena na volafotsy, fa an’Andriamanitra izy io. Ialao tanteraka ny hevitra milaza fa ahazoana famonjena ny tombontsoa ara-nofo sy ara-panahy. Miantso ny fankatoavanao an-tsitrapo Andriamanitra. Mangataka anao Izy hahafoy ny fahotanao. (...)
Misy olona izay toa tahaka ny mitady mandrakariva ilay perila avy any an-danitra, nefa tsy mampilefitra tanteraka ny fahazaran-dratsiny. Tsy maty ny “izaho” mba hahazoan’i Kristy ho velona ao aminy. (...) Tsy maharesy ny hambom-po tsy masina ao aminy ny fitiavany ny rendrarendran’izao tontolo izao. Tsy nitondra ny hazo fijaliany izy ka nanaraka an’i Kristy eo amin’ny lalan’ny fandavan-tena sy fahafoizan-tena. Saika Kristianina izy, fa tsy Kristianina tanteraka, koa akaiky ny fanjakan’ny lanitra, nefa tsy afaka miditra ao. (...)
Ny fanoharana momba ilay mpandranto nikatsaka perila sarobidy dia misy dikany roa: tsy ampiharina fotsiny amin’ny olona mitady ny fanjakan’ny lanitra izany, fa mampiseho koa an’i Kristy mitady ilay lovany very. I Kristy, Ilay Mpivarotra avy any an-danitra mitady perila tsara (...). Teo amin’ny olombelona voaloto sy simban’ny fahotana, no ahitany ny ho zava-bitan’ny fanavotana. Ny fo izay efa tanim-piadiana nifanatrehana tamin’i Satana, ary efa nafahana tamin’ny herin’ny fitiavana, dia sarobidy kokoa ho an’ny Mpanavotra mihoatra noho ireo izay tsy lavo na oviana na oviana. Nijery ny olombelona Andriamanitra, tsy toy ny maharikoriko sy tsy misy vidiny tsy akory, fa nojereny tao amin’i Kristy ka hitany tamin’izay ny mety ho toetrany amin’ny alalan’ny fitiavana manavotra. (...) – HF, tt. 109,110,111.

29/05/2023

ARAHO NY BAIBOLY
SALAMO 23:1-6
Ny Mpiandry Tsara
1 Salamo nataon'i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
2 Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
5 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.
6 Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho.

29/05/2023

Lesona Sekoly Sabata – Telovolana Faharoa
Kilasy Lehibe [36 taona +] Herinandro 10 : NY FAMITAHANA FARANY ATAON’I SATANA
Hodinihina mandritra ny herinandro : Apôk. 12:9; Apôk. 16:13, 14; 1 Tes. 4:16, 17; Ezek. 8:16; Ezek. 20:1-20; Apôk. 18:4,5.
Tsianjery : « Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. » – Jao. 17:17.
Fizaràna Alatsinainy ILAY LAINGA HATRIZAY MOMBA NY TSY FAHAFATESANA
Vakio ny Apôk. 16:13,14 sy ny Apôk 18:2, 23. Inona avy ireo firesahana ankolaka momba ny filalaovana angatra hitanao ao amin'ireo andininy ireo?
Ny fitenenana toy ny hoe “fonenan’ny demonia” na “ny fanahin’ny demonia” sy “ny ody ratsy” dia milaza ny asan’ny devoly rehetra. Tsy mahagaga raha efa nampitandremana isika fa ny “tsy fahafatesan’ny fanahy” no iray amin’ireo famitahana roa lehibe amin’ny andro farany (jereo ny HM, t. 613).
Mazava loatra fa mora hita izany ankehitriny. Na dia ao anatin’ny tontolo kristianina aza dia fototry ny fampianarana ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Kristianina maro no mino fa rehefa maty ny olona dia miakatra ho any an-danitra ireo voavonjy ary midina mankany amin’ny helo kosa ireo very. Impiry moa taorian’ny nahafatesan’i Billy Graham, ilay evanjelisitra malaza, no nahenoantsika fa “any an-danitra i Billy Graham izao, eo amin’ny sandrim-pitiavan’i Jesôsy”, na ny zavatra toy izany? Ampianarina mandrakariva avy eny amin’ny polipitra sy any an-tsekoly ary indrindra mandritra ny fotoam-pandevenana ny zavatra toy izany.
Vakio ny Mpitt. 9:5; Jôba 19:25-27; 1 Tes. 4:16,17 ary ny Apôk. 14:13. Inona ny torolalana mazava omen’Andriamanitra ny vahoakany momba ny fialnana aorian'ny fahafatesana ary aiza no ahitantsika ny fanantenantsika?
Iray amin’ireo fototry ny famitahana babilônianina ny fahatakarana diso momba ny fahafatesana, izay mifantoka amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ary manomana ny toerana ho amin’ny fitaomana mamitaky ny filalaovana angatra. Raha mino ianao fa ny maty dia mbola velona, amin’ny endrika iray na amin’ny endriny hafa, ary afaka mifanerasera amintsika, dia inona ny fiarovana anananao hiadiana amin’ireo famitahana maro ataon’i Satana? Raha ny olona izay heverinao ho reninao efa maty na ny zanakao, na ny olona hafa izay tianao, no miseho tampoka ary miresaka aminao, manao ahoana no hahatonga anao ho voafitak’ireo retsi-pandrenao mora foana? Efa nitranga izany tamin’ny lasa, misy izany ankehitriny ary azo antoka fa mbola hitranga indray arakaraka ny hanakaikezantsika ny farany. Ny hany fiarovana ho antsika dia ny hijoro tsara eo amin’izay ampianarin’ny Baiboly ary ny hifikitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fahafatesana amin’ny maha- torimaso izany mandra-piavian’i Jesôsy fanindroany.
Inona ny ohatra môderin’ny filalaovana angatra eo amin’ny kolontsaina misy anao ankehitriny? Ny fifikirana mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra no hany fiarovana ho antsika, nahoana?

29/05/2023

Lesona Sekoly Sabata – Telovolana Faharoa
Kilasy Tanora Zokiny [19 – 35 taona] Herinandro 10 : NY FAMITAHANA FARANY ATAON’I SATANA
Vakio ny Apôk. 16:13,14 sy 18:2,3
Tsianjery: Mifidy andininy 1
Alatsinainy Hazavao – NY HEVITRY NY SORATRA MASINA MOMBA NY FIANKOHOFANA AMIN’NY MASOANDRO
Rehefa avy namaky izay nosoratanao sy nomarihinao ianao dia inona ireo hevitra ankapobeny misongadina manokana avy amin'izany?
• Inona avy ireo fanontaniana mipetraka avy amin’ny fandinihanao ny andininy fototra? Ampahany inona no sarotra?
• Inona avy ireo fitsipika sy fehin-kevitra hafa hitanao ao?
• Vakio ny Ezek. 20:1-20. Inona ireo lesona azontsika raisina ho an’ny tenantsika manokana avy amin’izay voalaza ao? (Jereo koa ny 1 Kôr. 10:11)
Nanjaka ny fiankohofana tamin'ny masoandro tany Egipta, sy Asiria ary Persia, ary azo antoka fa tany Babilôna koa. Mety hahagaga, fa nisy fotoana izay niasan’ny hery miasa manginan’ny fiankohofan'ireo Babilônianina tamin’ny masoandro teo amin’ny fivavahan’ny vahoakan’Andriamanitra tao amin’ny TT.
Ny mpaminany Ezekiela izay niaina tamin'ny andron’i Daniela dia naneho ny sasany tamin’ireo vahoakan’Andriamanitra niamboho ny tempolin’Andriamanitra ka niankohoka niantsinanana nanandrify ny masoandro (Ezek. 8:16; 2 Mpanj. 23:5,11). Raha tokony ho niankohoka tamin’ilay Mpamorona ny masoandro izy ireo dia ny masoandro indray no niankohofany.
I Jaona dia milazalaza ny amin’ny fotoana iray ao amin’ny Apôk.17, izay hidiran’ny foto-kevitra babilônianina (ao anatin’izany ny fiankohofana amin’ny masoandro) ao amin’ny fiangonana kristianina mandritra ny fotoan’ny marimaritra iraisana. Niteraka hafaliana lehibe teo amin’ny fanjakana rômanina, tamin'ny fiandohan’ny taonjato fahefatra, ny fiovam-po tsy nampoizina niseho tamin’i Constantin. Tian’i Constantin fatratra anefa ny fivavahana tamin’ny masoandro. Tamin’ny taona 321 TrK no nandanian’i Constantin ny “lalàna momba ny Alahady” voalohany. Izao no voalazan’io didy io: “Amin’ny andro mendri-kajan'ny Masoandro, dia aoka hitsahatra ny Mpitsara sy ny mponin'ny tanàn-dehibe rehetra ary hakatona ny toeram-piasana rehetra.” — Edict of Constantine, 321 TrK.
Am-polo taona maro taorian’izany no nanohizan’ireo amperora sy ireo papa, tamin’ny alalan’ny didim-panjakana sy ny filan-kevitry ny fiangonana, ny fampiorenana ny Alahady ho hany andro natao hivavahana, izay mitoetra ho an’ny ankamaroan’ny Kristianina ankehitriny. Ohatra mahery vaika tokoa izany, maneho izao fahamarinana lehibe izao: tsy ny finoan’ny ankamaroan’ny olona ny zavatra iray na ny fanaovany izany no mahatonga izany ho marina na mety.
Izao no hafatry ny anjely faharoa ao amin’ny Apôk. 14: “Rava! Rava Babylona lehibe!” Ao amin’ny Apôk. 17, ilay vehivavy lazaina hoe Babilôna ara-panahy, izay miakanjo volomparasy sy jaky dia mitaingina ny bibidia mivolon-jaky ary mampisotro an’izao tontolo izao ny kapoakany feno divay ka mahamamo azy amin’ny fahadisoan-kevitra. Mikambana ny fiangonana sy ny fanjakana. Manjaka ny fahadisoan-kevitra. Manao fahagagana maro mba hamitahana ny demonia.
Eo anatrehan'izany dia endrikendrehina, esoina, ampahorina ary enjehina ny vahoakan’Andriamanitra, kanefa mijoro tsy azo hozongozonina amin’ny fanoloran-tenany izy ireo ao amin’i Kristy sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny Masina. Vakio ny Sal. 46:1.
Ao amin’ny hafatry ny anjely telo dia mandefa antso mba “hiankohofana amin’ny Mpamorona" Andriamanitra satria “rava Babylôna”. Ary, araka ny fantatsika, ny Sabata sy ny fahatokiana amin’izany dia mitana anjara toerana lehibe eo amin’ireo toe-javatra hiseho amin’ny farany.

28/05/2023

Mofon'Aina Alahady 28 Mey 2023 SAKAIZA AVY ANY AN-DANITRA
Mat. 28:20. « Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. »
Mitondra ny fahafatesan’i Jesôsy ao amin’ny tenantsika isika (2 Kôr. 4:10), izay fiainana sy famonjena ary fahamarinana ho antsika. Na aiza na aiza alehantsika dia tsaroantsika hatrany Ilay Malalantsika. Mitoetra ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny finoana velona isika. Momba antsika ny fanatrehan’Andriamanitra, ary rehefa tsapantsika izany dia manjary babon’i Jesosy Kristy ny fisainantsika. Mifandrindra amin’ny fahatsapantsika tsara izany fanatrehany izany ny fiainam-panahintsika. Toy izany no niarahan’i Enôka nandeha tamin’Andriamanitra; ary mitoetra ao am-pontsika amin’ny alalan’ny finoana i Kristy rehefa dinihintsika lalina ny hoe: Iza moa izy ho antsika? Manao ahoana ny halehiben’izay nataony ho antsika ao amin’ny drafi-panavotana? Ho faly indrindra isika eo am-pisaintsainana ny amin’io fanomezana lehibe nataon’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao sy ho antsika manokana io.
Manana hery mifehy ny toetra manontolo izany fisainana izany. Tiako hiraikitra ao an-tsainao fa manana Sakaiza avy any an-danitra ianao, Izay homba anao mandrakariva raha tianao. “Ary inona no ikambanan’ny tempolin'Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: ‘Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko’." – 2 Kôr. 6:16. Araka ny isaintsainana momba an’i Kristy no hahatonga ny toetra ho voavolavola tahaka ny an’Andriamanitra. Mameno ny fisainana ny fahatsapana ny fahatsarany sy ny fitiavany. (...) Rehefa mijery ny masoandro ao anatin’ny famirapiratany be voninahitra isika, na vetivety ihany aza, rehefa miala aminy ny masontsika dia mbola hitantsika eo amin’izay rehetra jeren’ny masontsika hatrany ilay masoandro.
Toy izany koa rehefa mibanjina an’i Jesôsy isika; izay rehetra jeren’ny masontsika dia ahitantsika ny endriny, Izy Ilay Masoandron’ny fahamarinana. Tsy hisy zavatra hafa mety ho hitantsika, na lohahevitra hafa ankoatra izany mety horesahintsika. (...) Maneho ny tara-pahazavan’ny fahamarinany izay mamiratra sy feno fifaliana isika amin’izay rehetra mifanerasera amintsika. Manjary voaova ny toetrantsika satria vonton’ny fahazavan’Ilay tia antsika sy nanolotra ny Tenany ho antsika ny fontsika sy ny fanahintsika ary ny saintsika. – TMGW, tt. 388,389.

28/05/2023

ARAHO NY BAIBOLY
SALAMO 22:1-31
Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan'ny fanjakan'Andriamanitra
1 Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako.
2 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
3 Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.
4 Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
5 Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
6 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.
7 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
8 Ankino amin'i Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy]
9 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko;
10 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
11 Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
12 Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin'i Basana manemitra ahy.
13 Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
14 Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
15 Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
16 Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy* [Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy]
17 Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
18 Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
19 Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
20 Vonjeo amin'ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin'ny herin'ny amboa.
21 Vonjeo amin'ny vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka amin'ny tandroky ny ombimanga*. [Na: teo amin'ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho]
22 Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao.
23 Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra.
24 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
25 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah.
26 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
27 Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.
28 Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.
29 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo* rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.[Heb: matavy]
30 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy.
31 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.

28/05/2023

Lesona Sekoly Sabata – Telovolana Faharoa
Kilasy Lehibe [36 taona +] Herinandro 10 : NY FAMITAHANA FARANY ATAON’I SATANA
Hodinihina mandritra ny herinandro : Apôk. 12:9; Apôk. 16:13, 14; 1 Tes. 4:16, 17; Ezek. 8:16; Ezek. 20:1-20; Apôk. 18:4,5.
Tsianjery : « Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. » – Jao. 17:17.
Fizaràna Alahady NY LALANA IZAY TOA MAHITSY EO IMASON'NY OLONA
Ao amin’ny tontolon-kevitry ny andro farany dia manao fampitandremana mahery vaika i Jesôsy: “Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.” – Mar. 13:22. Iza ireo “olom-boafidy” ireo? Avy eo dia miteny Izy hoe: “Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin 'ireo ny olom-boafidy avy amin 'ny vazan-tany efatra hatramin 'ny faravodilanitra rehetra.” – Mat. 24:31. Somary mampatahotra, sa tsy izany? Rehefa ho lehibe loatra ny famitahana amin’ny andro farany ka na dia ireo olona mahatoky aza dia mety ho tandindomin-doza ho voafitaka.
Vakio ny Apôk. 12:9. Iza no voafitak'i Satana? Ahoana no fahatakarantslka ireo teny ireo?
Mazava loatra fa hanana olona mahatoky Andriamanitra amin’ny andro farany tahaka ny nananany olona mahatoky nandritra ny taonjato maro. Na izany aza, ny fanambarana eto dia maneho fa miely tokoa ny famitahana ataon’i Satana.
Vakio ny Ohab. 14:12. Inona ny fampitandremana mahery vaika aseho eto?
Matetika ny olona no asaina manaraka ny feon’ny fieritreretany mba hahafahany mamantatra ny marina na ny diso, ny tsara na ny ratsy, ary hiainany araka izany avy eo. Ambaran’ny Soratra Masina anefa fa mpanota avokoa isika rehetra ary tsy misy tonga lafatra (Jer. 17:9, Rôm. 3:9-18); noho izany dia fomba iray azo antoka hahatonga antsika ho voafitaka na hanao ratsy mihitsy aza, na ho ela na ho haingana, ny fitokiana amin’ny fihetseham-pontsika. Faharatsiana maro no nataon’ireo olona resy lahatra tanteraka ny amin’ny fahamarinan’ny asany nandritra ny taonjato maro. Izany hoe nanaraka ny “lalana izay ataony ho mahitsy” izy ireo.
Eo amin’ny toeran’izany dia tokony handalina fatratra ny Tenin’Andriamanitra isika, ary rehefa milefitra eo ambany fiasan’ny Fanahy Masina isika dia hanavaka ny fahamarinana amin’ny fahadisoana, hanavaka ny mahitsy amin’izay tsy mety, ary hanavaka ny tsara amin’ny ratsy. Ho mora foana ny hahatonga antsika ho rembin’ny famitahan’i Satana raha ny drafitsika na koa ny fahatsapantsika manokana no arahintsika.
Eritrereto ny amin'ireo olona izay nanao araka izay ninoany ho marina, na koa izay ninoany ho sitrapon'Andriamanitra, kanefa nanao ny ratsy. Inona no azontsika ianarana avy amin'ireo toe-javatra mampalahelo ireo?

28/05/2023

Lesona Sekoly Sabata – Telovolana Faharoa
Kilasy Tanora Zokiny [19 – 35 taona] Herinandro 10 : NY FAMITAHANA FARANY ATAON’I SATANA
Vakio ny Apôk. 16:13,14 sy 18:2,3
Tsianjery: Mifidy andininy 1
Alahady Saintsaino – NY HEVITRY NY SORATRA MASINA MOMBA NY TSY FAHAFATESAN’NY FANAHY
Ivereno ny andalan-teny nosoratanao ary diniho izany.
• Farito ireo teny, na andian-teny, na fehezanteny, na hevitra miverimberina.
• Asio tsipika eny ambanin’ireo teny na fehezanteny manan-danja na manana heviny manokana ho anao.
• Mampiasà —> hampifandraisana ireo teny na fehezanteny mifandraika amin’ny teny na fehezanteny hafa.
• lanaro tsianjery ny andininy tianao indrindra. Soraty imbetsaka izany mba hahamora ny fitadidianao azy.
• Inona avy ireo ohatra filalaovana angatra môderina hitanao eo amin’ny kolontsaina misy anao?
• Ny fifaharana mafy amin’ny tenin’Andriamanitra no hany fiarovana ho antsika. Na dia tsy iadian-kevitra aza izany, nahoana?
Vakio ny Mat. 24:31 sy ny Mar. 13:22 ao anatin’ny tontolon-kevitry ny andro farany. Somary mampatahotra, sa tsy izany? Rehefa ho lehibe loatra ny famitahana amin’ny andro farany, na dia ireo olona mahatoky aza dia mety hotandindomin-doza ho voafitaka.
Matetika ny olona no asaina manaraka ny feon’ny fieritreretany mba hahafahany mamantatra ny marina na ny diso, ny tsara na ny ratsy, ary hiainany araka izany avy eo. Ambaran’ny Soratra Masina anefa fa mpanota avokoa isika rehetra ary tsy misy tonga lafatra (Jer. 17:9, Rôm. 3:9-18); noho izany dia fomba iray azo antoka hahatonga antsika ho voafitaka na hanao ratsy mihitsy aza, na ho ela na ho haingana, ny fitokiana amin’ny fihetseham-pontsika. Faharatsiana maro no nataon’ireo olona resy lahatra tanteraka ny amin’ny fahamarinan’ny asany nandritra ny taonjato maro. Izany hoe nanaraka ny “lalana izay ataony ho mahitsy” izy ireo.
Ny mandalina fatratra ny Tenin’Andriamanitra kosa no tokony hataontsika, ary rehefa milefitra eo ambany fiasan'ny Fanahy Masina isika dia hahay hanavaka ny fahamarinana amin’ny fahadisoana.
Ao amin’ny Apôk. 16:13,14 sy ny Apôk. 18:2,23, ny fitenenana toy ny hoe “fonenan’ny demonia” na “ny fanahin’ny demonia” sy “ny ody ratsy” dia milaza ny asan’ny devoly rehetra; ny “tsy fahafatesan’ny fanahy” no iray amin'ireo famitahana roa lehibe amin’ny andro farany (jereo ny HM, t. 613).
Mazava loatra fa mora hita izany ankehitriny. Na dia ao anatin’ny tontolo kristianina aza dia fototry ny fampianarana ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Ampianarina mandrakariva avy eny amin’ny polipitra sy any an-tsekoly ary indrindra mandritra ny fotoam-pandevenana ny zavatra toy izany.
Iray amin'ireo fitaka lehibe avy ao Babilôna ny fahatakarana diso momba ny fahafatesana, izay mifantoka amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ary manome vahana ny fitaomana mamitaky ny filalaovana angatra. Raha mino ianao fa ny maty dia mbola velona, amin’ny endrika iray na amin’ny endriny hafa, ary afaka mifanerasera amintsika, dia inona ny fiarovana anananao hiadiana amin’ireo famitahana maro ataon’i Satana? Efa nitranga izany tamin’ny lasa, misy izany ankehitriny ary azo antoka fa mbola hitranga indray arakaraka ny hanakaikezantsika ny farany. Ny hany fiarovana hoantsika dia ny hijoro tsara eo amin'izay ampianarin'ny Baiboly ary ny hifikitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fahafatesana amin’ny maha-torimaso izany mandra-piavian’i Jesôsy fanindroany.

28/05/2023

ARAHO NY BAIBOLY
SALAMO 21:1-13
Fisaorana atao rehefa miverina avy any an-tafika ny mpanjaka
1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao!
2 Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao.
3 Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
4 Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
5 Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
6 Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy.
7 Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
8 Ho azon'ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
9 Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
10 Ny zanany* haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona;[Heb: vokany]
11 Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
12 Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.
13 Misandrata amin'ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.

Address

Ankofafa Fianarantsoa
Fianarantsoa
301

Telephone

+261344190812

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sampana Fifandraisana Advantista Ankofafa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share