05/04/2026
πππ
ππππ πππππ 2026
πΈππ πππ‘π ππππππ π‘ππππ'ππ¦ πππ‘π¦ π‘ππππ π πΎπππ π‘π¦! ππππππ ππ¦ πππππ.
Ry Kristiana malala,
Arahabaina isika rehetra tratry izao P***a 2026 izao.
Anisanβny teny voalohany nambaranβi Kristy taminβny mpianany rehetra taorianβny nitsangany taminβny maty ny hoe βππππ
πππππ ππ ππππππβ.
Tsy hoe fahatsiarovana zava-nitranga fotsiny na fitadidiana, fa zava-misy velona izay fototry ny fanantenantsika, ny fijoroantsika ho vavolombelona, ary ny antso mampiray antsika aminβny maha-Kristianina antsika ny Fitsangananβi Jesosy taminβny maty.
Fahamarinana azontsika ifikiranana izany, entinβizao fotoan-dehibenβny P***a ankalazaintsika izao, hihavaozantsika sy hivelomantsika ny fanantenana ary ny fiadanana ao aminβi Kristy Jesoa tafatsangana.
Koa enga anie hitarika antsika ny Fanahy Masina mba hiainantsika fiainana feno fanantenana ny aminβny ho avy, aminβny alalanβny fanatanterahana ny asa tsara nomaninβIzy Tompo ho antsika tsirairay avy (Jaona 20.15) ! Fa voatendry ho aminβizany ny fiainantsika (Efesiana 2.10)
Homba anareo anie ny Tompo!
Ny Eveka,
Mgr RANARIVELO Samoela Jaona
Evekan'ny Diosesin'Antananarivo
Filohan'ny FEEM
Foibe Eklesia Episkopaly Malagasy - FEEM - Pejy Ofisialy
Departemantan'ny Serasera Diosesin'Antananarivo - DSDA
Mothers'Union-Diocese of Antananarivo