CCOI Centre Coranique de L'océan Indien CCOI

CCOI Centre Coranique de L'océan Indien CCOI Jeune Musulman Madagascar

عيدكم مبارك ❤️تقبل الله منا ومنكم صالح الأعمال LAPAAA 😄😍
30/03/2025

عيدكم مبارك ❤️
تقبل الله منا ومنكم صالح الأعمال
LAPAAA 😄😍

RAMADAN 1445 / 2024 – SWALAAT TARAWEEH🌙 Ao anatin'ity volana masin'ny Ramadaan ity, manatanteraka Swalaat Taraweeh ao am...
06/03/2025

RAMADAN 1445 / 2024 – SWALAAT TARAWEEH

🌙 Ao anatin'ity volana masin'ny Ramadaan ity, manatanteraka Swalaat Taraweeh ao amin'ny Masjid As-Salam Zanatany Soafeno ireo mpianatra Kor'any ao amin'ny Centre CCOI (Centre Coranique de l'Océan Indien), miaraka amin'ny Imaam mpanampy sy mpanabe ato amin'ny Centre.

🕌 8 rakaat + Witr
📍 Diego-Suarez, Madagascar

Enga anie hanome fitahiana sy fahasoavana ho antsika rehetra ity Ramadaan ity. Miaraha aminay amin’ny fankatoavana sy fitiavana ny fivavahana!

📖  Ny  CENTRE COR'ANIQUE DE L'OCÉAN INDIEN , CCOI  eto ANTSIRANANA dia manao izao fanambarana manaraka izao .📖 Ho hisy n...
11/10/2024

📖 Ny CENTRE COR'ANIQUE DE L'OCÉAN INDIEN , CCOI eto ANTSIRANANA dia manao izao fanambarana manaraka izao .

📖 Ho hisy ny fandraisana mpianatra vaovao kilasy mody eto amin'ny Centre CCOI izay manomboka rahampitso Asabotsy 12 Octobre 2024 .

🗣️Entanina noho izany isika Raiamandreny mba hitondra ireo zanantsika hisoratra anarana manomboka rahampitso fa zava-poana ny finoana tsy misy ny Kor'any .

🤝 Ho anao izay liana maniry ny ho voaray amin'izany dia tongava eto amin'ny Centre CCOI Rahampitso Sabotsy aminy 08 Ora maraina .

✅ Ahazo vatsi-mpianarana manomboka amin'ny 80.000 Ar hatraminy 100.000 Ar ireo ankizy voaray amin'izany .

⚫ NY CENTRE CCOI izay itanao ao amin'ny MASJID AS-SALAM ZANATANY SOAFENO ANTSIRANANA / Route d'anamakia .

↪ Nosokafana ity Centre Cor'anique ity mba hianarantsika rehetra ny Kor'any.


.
.
.

⚫CENTRE COR'ANIQUE DE L'OCÉAN INDIEN à Antsiranana .🤝🤝  Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan'ireo vahiny manankaja avy ...
13/05/2024

⚫CENTRE COR'ANIQUE DE L'OCÉAN INDIEN à Antsiranana .

🤝🤝 Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan'ireo vahiny manankaja avy amin'ny HIFADHU MAECHA YA DINI avy any amin'ny nosy rahavavy Mayotte raha nandalo teto Antsiranana .

🤝 Nafana dia nafana ny fifaninànana kor'any tsianjery izay nifandonan'ireo mpianatra sy .

✅ Alhamdoulillah , nahafinaritra ny fandraisana azy ireo teto amintsika , ary niaraka niala-sasatra tao @ la plage Ramena isika rehetra niaraka tamin'izy ireo , izany dia mbola tafiditra anatin'ny fandraisana azy ireo eto amintsika .

🔴 Hisany tonga niaraka nifaly tamin'izy ireo ilay Andrareziny mpino islam amin'ny fahaizana mamaky ny boky masina Kor'an i🕋Sheikh Shamsoudine Botralahy 🇲🇬 izay mandalo eto Antsiranana amizao fotoana .

🤲🏻Allaah anie ampiroborobo ny finoana islamo eto Madagasikara.

🌹  CONCOURS COR'AN AU MASJID AS-SALAM ZANATANY SOAFENO à DIEGO-SUAREZ .🇲🇬  MADAGASIKARA vs MAYOTTE .  vs   🌹  Entanina n...
03/05/2024

🌹 CONCOURS COR'AN AU MASJID AS-SALAM ZANATANY SOAFENO à DIEGO-SUAREZ .

🇲🇬 MADAGASIKARA vs MAYOTTE .

vs

🌹 Entanina noho izany isika Mpino Islamo rehetra eto Antsiranana sy ny manodididna mba ho tonga hanotrona ireo zanantsika amin'ny Fifaninana kor'any tsianjery izay hatao ao amin'ny Masjid As Salam Zanatany Soafeno ny Zoma 03 Mai 2024 ho avy izao .

📖 PROGRAMME 📖

⚫ Vendredi le 03 Mai 2024 .

✅ Après-midi : 15 Heur à 18 Heure .

🔴 Samedi le 04 Mai 2024 .

✅ Matin : 08Heure à 11Heure

✅ Ny mpitsara ny Fifaninanana dia i :

- Sheick Shamssoudine Botralahy de France.
- ALI MADI IBRAHIM de Mayotte .
- Rachiad Ali ( Madagascar)

✅ Mpamaky Question :

- JAOSILY MOHAMED .

✅ ANIMATEUR :

- GAMALI Francisco

TONGAVA MARO !!!

🔴 CENTRE COR'ANIQUE DE L'OCÉAN INDIEN  à ANTSIRANANA .📖  Ny CENTRE CCOI  dia miasa ho fampandrosoana ny Finoana Islamo e...
24/03/2024

🔴 CENTRE COR'ANIQUE DE L'OCÉAN INDIEN à ANTSIRANANA .

📖 Ny CENTRE CCOI dia miasa ho fampandrosoana ny Finoana Islamo eto Antsiranana sy maneranan'i Nosy .

🔴 RAMADAN feno fahasoavana 2024 / 1445 .

👳 Toy ny mahazatra isan-taona dia Mpianatra mahay kor'any tsianjery mihoatran'i 50 no halefan'i Centre CCOI any amin'ny nosy Maurice mitarika ny fanompoam-pivavahana na ny Soalatou Taraweh amin'izao volana feno fahasoavana Ramadan izao .

⚫ NY CENTRE CCOI izay itanao ao amin'ny MASJID AS-SALAM ZANATANY SOAFENO ANTSIRANANA / Route d'anamakia .

✅ Madrassah CCOI izay eo ambany fiahin'ny SHEICK ISMAEL BOTRALAHY .

↪ Nosokafana ity Centre Cor'anique ity mba hianarantsika rehetra ny Kor'any.

👉 Izay hita ao avokoa ny fampianarana amin'ny sokajinolona rehetra na olon-dehibe , zaza lahy , na vavy ary ny olona vao niditra ny finoana islamo.

🗣️Entanina noho izany isika Raiamandreny mba andefa ireo zanantsika hianatra sy hijoro fa zava-poana ny finoana tsy misy ny Kor'any .

🤝 Ho anao izay liana maniry ny hianatra na ampiditra zanakao hanao kilasy mandry ao amin'ny Centre CCOI ANTSIRANANA dia manasa anao hifandray mivantana amin’ny laharana WhatsApp : +261 32 27 349 93 .

04/02/2024

قا رىء إسماعيل

🔴CENTRE COR'ANIQUE DE L'OCÉAN INDIEN [ C.C.O.I ] à Antsiranana .🎗 Ny centre C.C.O.I dia miasa ho fampandrosoana ny finoa...
04/11/2023

🔴CENTRE COR'ANIQUE DE L'OCÉAN INDIEN [ C.C.O.I ] à Antsiranana .

🎗 Ny centre C.C.O.I dia miasa ho fampandrosoana ny finoana Islamo eto Madagasikara sy eto Antsiranana .

☑ Mampianatra sy mitory ny finoana islam ho any sokajin'olona rehetra.

☑ Manofana manokana ireo tanora mba ahavita hanao tsianjery ny boky masina kor'an .

☑ Mampianatra ireo vehivavy sy lehilahy kor'an isanandro izay manomboka amin'ny 5ora sy sasany maraina .

➡ NY Centre Cor'anique de L'océan Indien .

✍️ Mampijoro ireo zanantsika lahy sy vavy isanandro izay manomboka amin'ny Alif ka hatramin'ny Kor'an.

🎗 NY CENTRE C.C.O.I izay itanao ao amin'ny Masjid Soafeno eto antsiranana , /Route namakia .

✅ CENTRE C.C.O.I izay eo ambany fiahin'ny Sheikh Ismaël Botralahy .

↪ Nosokafana ity Madrassah ity mba hianarantsika rehetra ny Kor'an ,
👉 Izay hita ato avokoa ny fampianarana amin'ny sokajinolona rehetra na olon-dehibe , zaza lahy , na vavy ary ny olona vao niditra ny finoana islamo.

🗣️Entanina noho izany isika raiamandreny mba andefa ireo zanantsika hianatra sy hijoro fa zava-poana ny finoana tsy misy ny Kor'an.

☑ Tongava manatona ny 'anique ao amin'ny masjid Salam Zanatany Soafeno izay misokatra ho antsika rehetra isanandro .

🔴CENTRE COR'ANIQUE DE L'OCÉAN INDIEN [ C.C.O.I ] à Antsiranana .

🇰🇼 MADAGASCAR , ANTSIRANANA .💘 Nampiseho fitiavanay an'i Palestine izahay androany , Koa satria ny tena marina izahay Ma...
14/10/2023

🇰🇼 MADAGASCAR , ANTSIRANANA .

💘 Nampiseho fitiavanay an'i Palestine izahay androany , Koa satria ny tena marina izahay Maratra fo , ary manana fo mitempo amin'ny fanagedrana sy fampijaliana mahazo ireo vahoaka Mpino Islamo any Palestine io no teny heno miverimberina taorian'ny Soalat joum'an omaly nataon'ireo tanora Mpianatra kor'any tao amin'ny Centre Cor'anique de l'Océan Indien "CCOI" eto Antsiranana .

👳🏼‍♀🧕Mpino islamo ianao, fantaro fa manan-jo aminao ireo rahalahinao sy rahavavinao ao Palestine .

🤲🏻 Mba manaova Douah ho an’ireo mpino islamo ao Palestine 🇵🇸 ianao

🤲🏽🤲🏻🤲Ô Allah arovy ireo anabavinay sy rahalahinay mpino silamo ao PALESTINE 🤲🏽🤲🏿🤲🏻🇯🇴

🕌Arovy ny Masjid AL Aqsa , Ary ekeo ny fangatahanay 🇯🇴❤️Amine.

Address

Route Nationale Diego-Suarez
Diego

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CCOI Centre Coranique de L'océan Indien CCOI posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share