20/04/2026
Talata 21 aprily 2026
Herinandro faha-3 â Fankalazana ny Paka
Boky mitantara ny Asanâny ApĂ´stĂ´ly
Asa 7, 51-59
Jesoa Tompo Ă´, raiso ny fanahiko.
Taminâizany andro izany, hoy i Etiena taminâny vahoaka sy ny loholona ary ny mpanora-dalĂ na: âRy olona mafy hatoka sady tsy voafora fo aman-tsofina, manohitra ny Fanahy Masina ianareo; tahaka ny nataonâny razanareo ihany no ataonareo koa. Zovy moa no mpaminany tsy nenjehinâny razanareo? Novonoiny hatraminâizay nilaza rahateo ny hahatongavanâIlay Marina aza; ary ankehitriny indray ianareo dia namadika sy namono Azy, dia ianareo izay nahazo ny LalĂ na taminâny alalanâny Anjely, kanefa tsy nitandrina azy.â Nony nandre izany izy ireo dia nisafoaka ny fony, ary nihidy vazana taminy izy. Fa i Etiena kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra, ka nahita ny voninahitrâAndriamanitra sy i Jesoa nitsangana teo ankavananâAndriamanitra, ary nanao hoe: âIndro hitako ny lanitra misokatra mbaminâny ZanakâOlona mitsangana eo ankavananâAndriamanitra.â Fa indray nihoraka izy rehetra sady nanentsin-tadĂŽny no niara-niantoraka taminy. Dia notarihiny tany ivelanâny tanĂ na izy, ka notorahany vato; ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. Raha mbola nitora-bato azy izy ireo, i Etiena kosa nivavaka nanao hoe: âJesoa Tompo Ă´; raiso ny fanahiko.â Dia nandohalika izy, ka niantso taminâny feo mahery hoe: âTompo Ă´! aza tanana izao hadisoany izao.â Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo aminâny Tompo. Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy.
â Izany Ă ry ny teninâny Tompo. â Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 30, 3de-4. 6ab sy 7b sy 8a. 17 sy 21ab
Fiv.: Apetrako eo am-pelatananao ny aiko.
Metia, ry Vatolampy fierena! Vonjeo aho ry Trano fiarovana! Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy! Ny Anaranao itarihana sy itantanana ahy!
Apetrako eo an-tananao ny aiko: avoty aho, ry Tompo Andriamanitra! Ianao kosa no ifefeko! Mibitaka sy ravo aho noho ny hatsaram-ponao.
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao! Vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao! Ny fierenâny tavanao no anafenanao azy, lavitry ny tetika ataonâny olona.
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika aminâny mazava; isika izay navotany taminâny Rany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratanâi Md. Joany
Jo. 6, 30-35
Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i MĂ´izy no nanome anareo ny m**o avy any an-danitra, fa ny Raiko.
Taminâizany andro izany, hoy ny vahoaka tao KafarnaĂ´ma taminâi Jesoa: âInona Ă ry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? Ny razantsika nihinana ny mana tany anâefitra araka ny voasoratra hoe: M**o avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny.â Dia hoy i Jesoa taminy: âLazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i MĂ´izy no nanome anareo ny m**o avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny m**o avy any an-danitra izay tena izy tokoa; satria izay m**o midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana anâizao tontolo izao no m**onâAndriamanitra.â Ary hoy izy ireo taminy: âTompo Ă´, omeo anay mandrakariva izany m**o izany.â Dia hoy i Jesoa taminy: âIzaho no m**onâaina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.â
â Izany Ă ry ny teninâny Tompo. â Dera anie ho Anao, ry Kristy