Pejy Fiangonana Shine Vakinakaratra

Pejy Fiangonana Shine Vakinakaratra Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Pejy Fiangonana Shine Vakinakaratra, Christian church, Soamalaza, Antsirabe.

🛑EFA VONONA HANDRAY ANAO IHANY KOA NY FIANGONANTSIKA eny MAHAZOARIVO:Ity volana Aprily ity dia hiresahana manokana ny va...
30/03/2026

🛑EFA VONONA HANDRAY ANAO IHANY KOA NY FIANGONANTSIKA eny MAHAZOARIVO:

Ity volana Aprily ity dia hiresahana manokana ny vanim-potoanan'ny varavarana LEHIBE, (LA SAISON DES GRANDES PORTES)

Izay hinoanay manokana fa hampisokatra ireo varavarana efa nikatona rehetra, sy hanokatra varavarana vaovao goavana.

Tongava ary, isaky ny alahady amin'ny 08h30 -10h30. Ary ny hariva amin'ny 02h30.

Toerana: MAHAZOARIVO PAVE, Ao amin'ny Lycée Fenosoa (ARCADE TALOHA)

Contact 0340871180

🛑Natokana hoan'ny te hitombo ihany ity fotoana ity. Mino aho fa anisany ianao e? Manaova amen dia raiso ny fanasana ao a...
23/03/2026

🛑Natokana hoan'ny te hitombo ihany ity fotoana ity.
Mino aho fa anisany ianao e?
Manaova amen dia raiso ny fanasana ao amin'ny Eglise Évangélique Shin Soamalaza.

Mitomboa amin'ny fahasoavana

19/03/2026
Manasa anao.tanoraAoka tsy hisy olona hanao tsinotsinona anaoAza avela hisy hahasakana anaoMahavita zavatra mahatalanjon...
13/03/2026

Manasa anao.tanora
Aoka tsy hisy olona hanao tsinotsinona anao
Aza avela hisy hahasakana anao
Mahavita zavatra mahatalanjona ianao
Mammpiasa anaoAtra

Aza manaiky ho voafetra izany raha mbola Jesosy no miaraka aminao.I REFUSE TO BE LIMITED (IMPACT 2026)Tsy manaiky ho voa...
13/03/2026

Aza manaiky ho voafetra izany raha mbola Jesosy no miaraka aminao.

I REFUSE TO BE LIMITED
(IMPACT 2026)

Tsy manaiky ho voafetra aho
(Impact 2026)

-Tsy misy teny afaka hilazana hoe hatraiza no faran'ny azonao aleha
-Tsy misy voambolana afaka hanehoana hoe hatraiza no azonao vitaina
-Tsy misy fahavalo manana teny farany raha mbola ny aminao.

Fa elatra no hiakaranao toy ny voromahery
Ary tsy ny rehetra no afaka hiainga toy izany , fa ianao no isan ilay hanidina lavitra, handeha tsy ho reraka ary hihazakazaka nefa tsy sasatra.

Ny fanontanina fotsiny dia hoe:
Fantatrao ve hoe ahoana no ahafahanao ho toy izany ?

Izany no anton ny fotoanan ny tanora
IMPACT 2026

Tanora ianao, adolantsento, na iza na iza , na avy aiza na avy aiza.

Namboarina sy nomanina ary natao ho anao fotsiny ity fotoana ity.

Mivavaka izahay mba ho anao
Mifady hanina izahay mba ho anao
Mihaino ny Tompo izahay mba ho anao
Hampiasa ny talenta sy fahasoavana izahay mba ho anao

Ho anao ny antony.

Sarobidy amin Andriamanitra ny destin anao, ny ho avinao, ny nofinofinao
Dia sarobidy aminay koa izany.

Ento ary ny namana, havana
Tongàva amin ity fotoana lehibe ity

21 Mars 2026
Amin"ny 09 ora
Eo Manampisoa Ambano (ampitan'ny barriere n'ny police)

Miaraka amin ny :

Tanoran ny SHINE

Aza manaiky hoe hotantaraina ny zavanisy ao, fa ianao mihitsy no manatrika higoaka ny tsirony

Ny anay tsy resaka sy teny fotsiny ny baiboly fa fiainana io
Tsy religion fotsiny io fa fiainana iainana. Satria velona Jesosy dia velona koa isika.

God has desinged you the best of your kind. Never settle for less than that.




🛑MIFALIA RY ZATOVO🛑Tena sitrapon'Atra ianao hanana fifaliana. Izany no nanomezany ny Fanahy izay manana vokatra "fifalia...
13/03/2026

🛑MIFALIA RY ZATOVO🛑
Tena sitrapon'Atra ianao hanana fifaliana. Izany no nanomezany ny Fanahy izay manana vokatra "fifaliana" (Galatiana 5:22).

Manasa anao izahay hanandrana izany fifaliana miaraka amin'i Jesosy izany.

TANORA VE IANAO? Ndao ary hiaraka e!!!!

📘Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany. — Mpitoriteny 11 : 9

👉Tsy misy vidim-pidirana

🛑FOTOANA MIAVAKA HOAN'NY TANORA🛑Manana hoavy tsara ianao tanora io. fa mila ianao toromarikamila ianao laminasns snsFa i...
07/03/2026

🛑FOTOANA MIAVAKA HOAN'NY TANORA🛑

Manana hoavy tsara ianao tanora io.
fa mila ianao toromarika
mila ianao lamina
sns sns

Fa indrindra mila namana ianao hiaraka hanantontosa izany hoavinao izany.
Hafa mihintsy ny namana manohana anao, mivavaka ho anao,

TANORA IANAO? Ndao hiaraka

📘 Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina — Salamo 133 : 1

🛑MAHATSAPA VE IANAO FA TAVELA TANTERAKA ANATY FANADINOANA? 👉Toa tsy nisy nahatsiaro anao ny olona, eny fa na ireo nasian...
06/03/2026

🛑MAHATSAPA VE IANAO FA TAVELA TANTERAKA ANATY FANADINOANA?
👉Toa tsy nisy nahatsiaro anao ny olona, eny fa na ireo nasianao soa aza?
👉 Toa adino ny tsara efa nataonao ?
👉 Angamba ny anaranao efa natao ohatra ratsy mihintsy?

🚨RAVEHIVAVY!
Hahatsiaro anao Andriamanitra...

Fotoana izao hitsimbadihan'ny fiainanao tahaka ny an'i Estera. Afaka mino izany ve ianao ?

Tongava ary amin'ity fotoana miavaka ity. Ao amin'ny fiangonantsika eto Betafo, ampita'ny Accès Banque. Misy plaque eo.

Mandresy be ianao
Mitomboa amin'ny fahasoavana

🛑 Hiavaka ihany koa ny fotoan'ny Vehivavy, ao amin'ny Fiangonana AMBANO Manampisoa 🥰Manasa anao manokana ho avy amin'ire...
05/03/2026

🛑 Hiavaka ihany koa ny fotoan'ny Vehivavy, ao amin'ny Fiangonana AMBANO Manampisoa 🥰
Manasa anao manokana ho avy amin'ireto fotoana roa ireto fa azo antoka fa "Hijery anao manokana Andriamanitra, ary hanisy soa anao Izy"

Amen 🔥

ANDRON'NY VEHIVAVYFAHASOAVANA BE IZANYARARAOTY HITROHANAO ZAVA -PANAHYVOATAHY SAMY VEHIVAVY IANAOMANASA ANAO ARY.TONGAVA...
05/03/2026

ANDRON'NY VEHIVAVY

FAHASOAVANA BE IZANY

ARARAOTY HITROHANAO ZAVA -PANAHY

VOATAHY SAMY VEHIVAVY IANAO

MANASA ANAO ARY.TONGAVA SOA AMIN'ITY
FOTOANA ITY
🤝🏻🤝🏻🤝🏻🤝🏻🤝🏻

🚨Indraindray mety mihevitra ny vehivavy iray fa tsy dia ilaina loatra izy fa fameno fotsiny ihany. Ny asan'ny tanan'Andr...
03/03/2026

🚨Indraindray mety mihevitra ny vehivavy iray fa tsy dia ilaina loatra izy fa fameno fotsiny ihany.
Ny asan'ny tanan'Andriamanitra anefa dia efa nasiany antony avokoa ary tena misy tombam-bidy aminy.
Indrindra fa ny vehivavy. ❤️‍🔥
Hita fa tena nampiasa ireo vehivavy tamin'ny fomba mahery vaika Andriamanitra, raha jerena ny Baiboly.

Ianao koa, tena sarobidy loatra Aminy ary malala eo imasony...

Tongava amin'ity fotoana ity fa hikasika anao manokana Andriamanitra.

ALAHADY 08 MARS 2026 @ 14H30 ao amin'ny Eglise Evangelique Shine Ambohimena, Akaikin'ny SOBA Mandaniresaka.

INFOLINE : 0330800303

Address

Soamalaza
Antsirabe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Pejy Fiangonana Shine Vakinakaratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share