๐™‘๐™š๐™๐™ž๐™ซ๐™–๐™ซ๐™ž๐™ฃ'๐™ฃ๐™ฎ ๐™ƒ๐™š๐™ง๐™ฎ

  • Home
  • Madagascar
  • Antsirabe
  • ๐™‘๐™š๐™๐™ž๐™ซ๐™–๐™ซ๐™ž๐™ฃ'๐™ฃ๐™ฎ ๐™ƒ๐™š๐™ง๐™ฎ

๐™‘๐™š๐™๐™ž๐™ซ๐™–๐™ซ๐™ž๐™ฃ'๐™ฃ๐™ฎ ๐™ƒ๐™š๐™ง๐™ฎ Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from ๐™‘๐™š๐™๐™ž๐™ซ๐™–๐™ซ๐™ž๐™ฃ'๐™ฃ๐™ฎ ๐™ƒ๐™š๐™ง๐™ฎ, Avenu des thermes, Antsirabe.

Romana 13:14
18/08/2026

Romana 13:14

17/08/2026

Manao ahoana ny fifandraisanao @ i Jesosy ao ?
Manao ahoana ny fiainam-panahinao ?
Mbola tamana tsara ve ? Mbola mirehitra tsara ve ?
Mbola babo ohatrinโ€™ilay taminโ€™ny voalohany ihany ve ? Mbola mahavita mamaky baiboly isanโ€™andro ? Ny finoana ? ny fankatoavana ?, ny fanompoana ?
Fanontaniana tokony apetratsika aminโ€™ny tenantsika isanโ€™andro ireo โ€ฆ

15/08/2026

" Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy "
Salamo 89:22

Eny Tompoko,
Misy ny fahavalo aram-panahy ary tena misy,
Misy ny fanahy ratsy sy fanahy maloto
Izay hahatonga anao ho ratsy sy maloto no tanjony...
Mila miaina miaraka @ ny fahatongavan-tsaina ny amin'izany isika
Fa miankina amin'ny fahatakara-ntsika izany no fomba hitondrana ny fiainana ho avy.
Sy hitondran-tsika ny tenantsika sy ny manodidina antsika.
Ary ny fomba hiadivantsika aminy.

Misy fahavalo miezaka ny hamotika ny fiainanao
Misy fahavalo mitady ny fomba rehetra handravana anao ,
Misy fahavalo mikasa ny handetika ny masoandronao tsy hiposaka intsony...
Satria mierona tahaka ny liona mitady izay harapany izy.
Ary izy ireo tsy hoavy raha tsy hamono ,hangalatra , handringana...
Mety Fiainam-panahy , asa , tokatrano , fahasalamana, fifandraisana, fanompoana

Misy karazan'olona ratsy fanahy ihany koa anefa , izay tsy faly @ fahombiazanao.
Tsy faly amin'ny fisondrotanao
Tsy faly amin'ny fandrosoanao
Mitady ny fomba rehetra hamosaviana sy higafiana.
Mitady hamono sy hamotika anao
Tahaka an'i Kaina teo anatrehan'i Abela
Tahaka an'i Saoly teo anatrehan'i Davida.
Tahaka an'i Hamana teo anatrehan'i mordekay sy Estera.

Maro ny tokatrano rava satria tsy nahalala sy tsy nahay niambina
Maro ny asa simba satria nihevitra izy hoe tahaka azy , tsotra , marina , be fitiavana ilay mpiara-miasa taminy...
Maro ny olona lany vola tamin'ny fitsaboana satria nihevitra hoe aretina ara-nofo ilay mitranga aminy...
Kay tany amin'ny tontolo tsy hita maso ilay fahavalo no nanafika voalohany...

Eo indrindra ilay ilaintsika an'i Jesosy
Eo indrindra ilay ilaintsika fahendrena
Eo indrindra ilay ilaintsika masom-panahy misokatra
Eo indrindra ilay ilaintsika fiainam-panahy mahery sy matanjaka
Mba hanoherana izany rehetra izany...
Eo indrindra ilay ilaintsika fiarovana.
Eo indrindra ilay ilaintsika ny Fanahy Masina...

Tsy afaka vitaina @ hery sy ny diplaoma sy ny fahafataran'olona ny fiainana
Tsy afaka vitaina @ vola sy ny zava-misy maro isan-karazany toa ohatrin'ny hoe
" Mahavonjy izany "
Tsy afaka vitaina amin'ireo
"Soso-kevitrin'olona" toa tahaky ny
"Mety izany".
Ilaina daholo ireny , saingy zava-poana ihany raha tsy eo Jesosy ilay tena "LALANA , FAHAMARINANA, FIAINANA "

Mpitoriteny 9:11
" Ary hitako atแปณ ambanin'ny masoandro indray fa tsy ho an'ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an'ny mahery ny ady, ary tsy ho an'ny hendry ny hanina, ary tsy ho an'ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an'ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra"

๐Ÿ‘‰ Ny tanan'i Jehovah anie hamely sy hanaparitaka ny fahavalo manodidina anao rehetra.
Ny Fanahiny anie hitarika anao amin'izao fiainana izao.
Ny fahoriana izay mety hiainanao androany anie hampisehoany ny fahaiza-manaony.
Izy anie hiaro anao amin'ny tetidratsin'ny ratsy fanahy rehetra...
Tsy hamitaka anao ny fahavalo
Ary tsy hampahory anao ireo ratsy fanahy....

Mahereza ,
Hanavaka anao Andriamanitra

.

07/08/2026

Rahavavy o!
Afantohy amin'i Jesosy ny masonao,ny finoanao, ny fanantenanao...fa
โ—aza afantoka amin'izay mety ho fampanantenan'ny olona androany
โ—Aza afantoka amin'izay mety ho zavatra tsara mandalo hitan'ny masonao androany
โ—Aza afantoka amin'izay mety ho dokadokan'ny manodinina
โ—Aza afantoka amin'izay mety ho soson-kevitra aroson'ny olona toa tahaky ny hahatafita rahampitso...
โ—Aza afantoka amin'izay mety ho fitiavan'ny olona mandalo...sns

Eny afantohy amin'i JESOSY Tomponao irery ihany ny masonao fa mandalo izao rehetra izao fa Izy ihany no maharitra mandrakizay.Ny fitiavany ,ny famindrampony ,ny fahaiza-manaony,ny asany ,...tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay...

Josoa 1:9
07/08/2026

Josoa 1:9

Salamo 20:4
06/08/2026

Salamo 20:4

05/08/2026
05/08/2026

Mahatsiaro reraka ve ianao ?
Miatrika fahoriana mitady tsy ho zaka ?
Mandalo tafiotra , ony , afo , ranonoram-baratra ?

Mahereza fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo !

Isaia 25:4
Fa fiarovana mafy ho an'ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo amin'ny fahoriany, fierena amin'ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin'ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy

Romana 12:12
03/08/2026

Romana 12:12

Address

Avenu Des Thermes
Antsirabe
110

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ๐™‘๐™š๐™๐™ž๐™ซ๐™–๐™ซ๐™ž๐™ฃ'๐™ฃ๐™ฎ ๐™ƒ๐™š๐™ง๐™ฎ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share