13/07/2026
VAVAKA MARAINA
Amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen.
Ry Andriamanitra Ray be fitiavana ô, misaotra Anao aho fa nomenao indray ity maraina vaovao ity. Misaotra noho ny aina, ny fahasalamana, ary ny fahasoavana rehetra omenao ahy isan'andro.
Tompo Jesoa ô, atolotro Anao ny tontolo andro hiainako anio. Tariho ny diako, ny eritreritro, ny teniko ary ny asako rehetra, mba hahafaly Anao sy hahasoa ny namako.
Ry Fanahy Masina ô, fenoy ny foko amin'ny fahendrena, ny faharetana, ny fiadanana ary ny fitiavana. Hazavao ny saiko mba hahafantarako mandrakariva ny sitrapon'Andriamanitra sy hananako hery hanatanteraka izany.
Ry Masina Maria Reninay ô, arovy sy tantano aho mandritra ity andro ity. Sarony amin'ny lambanao masina aho sy ny fianakaviako, ary ento hanakaiky an'i Jesoa isan'andro izahay.
Ry Md Josefa, mpiaro ny Fiangonana sy modelin'ny mpiasa, mivavaha ho anay mba hahatanteraka amim-pahamarinana ny adidinay.
Tompo ô, tahio ny fianakaviako, ny havako, ny namako ary ny olona rehetra hihaonako anio. Omeo fiadanana izao tontolo izao, ary ampio ireo marary, mijaly, mahantra ary kivy.
Izany rehetra izany dia angatahinay aminao amin'ny Anaran'i Jesoa Kristy Tomponay.
Amen.
Rainay any an-danitra...
Arahaba ry Maria...
Voninahitra anie ho an'ny Ray...
Ry Fo Masin'i Jesoa ô ❤️ Mahatoky Anao izahay
Amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen.