ECAR Andraikiba 50 TAONA

ECAR Andraikiba 50 TAONA Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from ECAR Andraikiba 50 TAONA, Catholic Church, Antsirabe Andraikiba, Antsirabe.

Toy izao indray ary ny programme mahakasika ny ivon'ny fankalazana ny taon-Jobily faha 50 taona eto amin'ny ECAR Md Fran...
14/05/2026

Toy izao indray ary ny programme mahakasika ny ivon'ny fankalazana ny taon-Jobily faha 50 taona eto amin'ny ECAR Md François d'assise Andraikiba amin'ny andron'ny pentecôte hoavy izao.

01/05/2026

Ho fankalazana ny ivon'ny taon- Jobily faha 50 taona ny EKAR Masindahy François d'assise Andraikiba .Ny lundi de pentecôte hoavy izao ny église dia mikarakara artiste goavambe izay hiarahana amin'ny tarika MARIO .
Toerana : EKAR Andraikiba
Daty: Lundi de pentecôte 25 Mai 2026
Vidim-pidirana : 5000Ar ny billet raha mividy mialoha, 6000Ar raha amin'ny andron'ny fampisehoana.
Mivoha: @ 9 ora maraina ny vavahady
Fanamarihana : Ny billet iray dia sady fidirana no billet TOMBOLA, izay mety hazahoanao toy ny bicyclette, téléphone, Sns.

Manentana antsika rehetra ary mba hifanentana sy hanotrona ny hetsika fa ny vola azo dia Hanorenana ny Tsangambato faha 50 taona ny Église. Mirary soa antsika rehetra. Samy hotahian'Andriamanitra." Maty ny vatana raha tsy misy Fanahy, Maty ny Finoana raha Tsy misy asa"

Tongava maro ary.

Teto dia nisy ny fitsofandrano ny toerana nataon'ny Pretra  talohan'ny nanalana ny tany  .Mbola fanomanana hatrany ny to...
21/04/2026

Teto dia nisy ny fitsofandrano ny toerana nataon'ny Pretra talohan'ny nanalana ny tany .Mbola fanomanana hatrany ny toerana fametrahana ny Tsangambato alohan'ny hanaovana ny première pose Pierre. Mbola tonga mavitrika hatrany ny Kristianina manao ny adidiny.

Toy izao ny hetsika efa nataon'ny Kristianina teo anivon'ny ECAR Andraikiba mahakasika ny Fanomanana sy fanarenana ny to...
21/04/2026

Toy izao ny hetsika efa nataon'ny Kristianina teo anivon'ny ECAR Andraikiba mahakasika ny Fanomanana sy fanarenana ny toerana hametrahana ny podium mitafo. Mavitrika dia mavitrika tokoa ny Kristianina rehefa misy ny asa iombonana ka mety ho vitan'ny heritsandry .6 volana eo sisa no fotoana hananana hametrahana io Tsangambato faha 50 taona io ka samy miara- mietana daholo ny rehetra.

Amizao fankalazana ny taon-jobily faha 50 ny EKAR Md François d'assise Andraikiba izao dia manana vina goavana ny fiango...
20/04/2026

Amizao fankalazana ny taon-jobily faha 50 ny EKAR Md François d'assise Andraikiba izao dia manana vina goavana ny fiangonana izay tarihin'ny komity faha 50 taona sy ny FFVA ny fiangonana ny hametraka Tsangambato hanamarihana izany.Indro ifampizaraiko amitsika eto ny plan .

20/04/2026

Ny EKAR Andraikiba eo ambany fiarovan'ny olomasina Md François d'assise dia mankalaza ny taon-Jobily faha 50 taona. Ny église dia niorina tamin'ny taona 1976 .Talohan'io taona io dia teny amin'ny église Md Joseph Ambohijafy ny Kristianina tety amin'ny faritra manodidina no namonjy fotoam-pivavahana.Nohon'ny halaviran'ny toerana sy nohon'ny fitombon'ny Kristianina dia nanapan- kevitra ireo filan-kevitry ny fiangonana tamin'izany fa hanorina fiangonana vaovao manakaiky ny Kristianina. Tapaka tamin'izany ary fa ety amin'ny faritra Andraikiba no hanorenana ny fiangonana vaovao. Vita ary notokanana tamin'ny taona 05 octobre 1976 ny fiangonana ka natao église eo ambany fiarovan'ny olomasina Masindahy François d'assise ary natao renivohitry ny distrika. 22 ny zanampiangonana mandrafitra azy amin'izao fotoana. Feno 50 taona amin'ity taona 2026 ny église ka nisokatra tamin'ny 05 octobre 2025 ny fankalazana ny taon-jobily ary hifarana amin'ny 05 octobre 2026 ho avy izao.Manentana antsika manaraka ny page rehetra ary mba hifanohana sy hitondra am-bavaka ka ho tontosa soamatsara ny hetsika rehetra hanamarihana izany mbà ho voninahitr'Andriamanitra.

Address

Antsirabe Andraikiba
Antsirabe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ECAR Andraikiba 50 TAONA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share