05/08/2026
⏩Ny teny hoe Franc-maçonnerie dia avy amin'ny teny frantsay :
🔹Franc = "afaka", "malalaka" (free).
🔹Maçon = "mpanao trano" na "mpanao tano vato" (mason.. Cathédrale)
⏩Maro ny tsaho sy hevitra samihafa momban'ny franc maçonnerie,misy mihevitra azy ho fikambanana miafina manana hery lehibe, misy kosa mihevitra azy ho fikambanana ara-pirahalahiana mifototra amin'ny fitondran-tena sy ny fahendrena...Ka anio isika dia hijery ny tena momba azy..
1. NY NIANDOHAN'NY FRANC MAÇONNERIE TAMIN'NY MOYEN ÂGE.
Tamin'ny Moyen Âge (manodidina ny taonjato faha-5 ka hatramin'ny faha-15), mbola tsy nisy ilay Franc-maçonnerie maoderina fantatsika ankehitriny. Ny nisy tamin'izany fotoana izany dia ireo fikambanan'ny mpanao trano (guildes de bâtisseurs), indrindra ireo mpanao trano vato (stone masons) izay nanana fahaiza-manao manokana tamin'ny fanorenana katedraly, lapa ary trano lehibe.
Ireo mpanao trano ireo dia olona tena nohajaina satria sarotra ny asany: nahay nandrefy, nanamboatra vato, nikajy rafitra ary namorona trano avo sy matanjaka. Noho ny fivezivezen'izy ireo avy amin'ny toerana iray mankany amin'ny toerana hafa dia nanana rafitra sy famantarana manokana izy ireo mba hahafantarana ny mpikambana ao amin'ny fikambanany.
⏩Nanana fitsipika momba ny asa sy ny fitondran-tena;fianarana miafina momba ny teknikan'ny fanorenana;famantarana sy teny fanekena hoenti-mamantatra ireo mpikambana.
⏩Tamin'izany vanim-potoana izany anefa, ireo fikambanana ireo dia fikambanan'ny mpanao asa tanana fa tsy fikambanana ara-pilozofia na ara-panahy toy ny Franc-maçonnerie ankehitriny.
2. FIOVAN'NY FRANC MAÇONNERIE TAMIN'NY FANORENANA KATEDRALY HO FIKAMBANANA ARAM-PIRALAHIANA.
🔹Nanomboka niova ny endriny tamin'ny faran'ny Moyen Âge sy indrindra tamin'ny taonjato faha-17. Nihena ny fanorenana katedraly lehibe, ka nihena koa ny herin'ireo fikambanan'ny mpanao trano nentim-paharazana.
Nanomboka niditra tao amin'ireo fikambanana ireo kosa ireo olona tsy mpanao trano intsony, toy ny manam-pahaizana, mpanoratra, mpanao politika ary olona liana amin'ny filozofia sy ny fanatsarana ny fiaraha-monina.
Avy amin'izany no nivoahan'ilay antsoina hoe Franc-maçonnerie spéculative: tsy ny fanorenana trano ara-batana intsony no tena ifantohana, fa ny "fanorenana" ny olona amin'ny alalan'ny fahendrena, ny fitondran-tena ary ny fahaizana mieritreritra.
3. NY FRANC MAÇONNERIE MAODERINA.
Ny fiandohan'ny Franc-maçonnerie maoderina dia matetika ampifandraisina amin'ny taona 1717, rehefa natsangana tany Londres ny Grand Lodge of England, izay iray amin'ireo hetsika lehibe nametraka rafitra maoderina ho an'ilay fikambanana.
Nanomboka niparitaka tany Eoropa sy tany amin'ny faritra hafa izy. Nisy rafitra vaovao, ambaratonga samihafa (degrés), fombafomba, marika ary fampianarana ara-moraly.
🔹Ny marika malaza ampiasain'ny franc maçonnerie dia :
👉ny efamira sy ny kompà (équerre et compas);
👉ny litera "G" amin'ny sampana sasany;
👉ny sary an'ohatra momba ny fanorenana.(Tandindona)
4. NY FRANC MAÇONNERIE SY NY FINOANY AN' ANDRIAMANITRA.
🔹Tsy fivavahana ny Franc-maçonnerie . Tsy manana Baiboly na boky masina tokana arahina, tsy manana mpitondra fivavahana, ary tsy mitaky fomba fivavahana iray.
🔹Na izany aza, misy sampana sasany, indrindra ireo antsoina hoe "régulières", izay mitaky ny mpikambana hino ny fisian'ny Mpamorona na Hery Ambony, antsoiny hoe "Grand Architecte de l'Univers".
5.AFAKA HO FRANC MAÇONNERIE VE NY KRISTIANINA.
🔹 Sarotra ny hiteny hoe :"ENY" na "TSIA" avy hatrany fa mba ahafantsika misafidy ny finoana tokony harahintsika dia andeha hijery indray isika ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo mpikambana niala.
⏩ i Serge Abad-Gallardo sy Maurice Caillet, dia franc maçonnerie nandritry ny taona maro :
🔹Araka ny fijoroana vavolombelon'i Serge Abad-Gallardo, izay mpikambana taona maro tao amin'ny Franc-maçonnerie dia nanoratra boky izy mitantara ny zavatra niainany tao amin'ny franc maçonnerie, anisan'ny nolazainy taminy boky iray nosoratany fa ny fikambanana franc maçonnerie dia nitondra azy hanompo an'i Losifera nefa tsy fantany.
Izay no nahatonga azy nanome ny lohatenin'ilay boky hoe "Je servais Lucifer sans le savoir".Ao amin'io boky io, ary koa ao amin'ny "Le Secret maçonnique ou vérité catholique", dia manazava izy fa ny rites (fombafomba), ny symboles (marika), ary ny fampianarana sasany tao amin'ny loge dia ahitana fomba2 satanika sy okilta ary manana heviny ara-panahy tsy mifanaraka amin'ny finoana kristiana ny ankamaroany.
👉Toy izany koa i Maurice Caillet, nanoratra ny boky "J'étais franc-maçon", izay nitantara ihany koa izy fa fahendrena sy fahamarinana no saika ho karohina tany kinanjo tsy izany no hitany fa zavatra mifanohitra amin'ny evanjely sy ny maha Kristianina,..nilaza ihany koa izy ireo fa enjana ny ady aram panahy nolalovany tamin'izireo niala....ka izany no nanosika azy niala ho Franc maçonnerie ka niverina ho katolika ...
👉Ao amin'ny commentaires ny tohiny 🙏🙏