EKAR Distrika Ambohimena Antsirabe

EKAR Distrika Ambohimena Antsirabe Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from EKAR Distrika Ambohimena Antsirabe, Catholic Church, Ambohimena, Antsirabe.

✨Tirage TOMBOLA amin'ny Alakamisy Ascension 14 Mai 2026.🕑Manomboka amin'ny 2 ora.👉Mbola misy ny billet ho an'izay te hah...
11/05/2026

✨Tirage TOMBOLA amin'ny Alakamisy Ascension 14 Mai 2026.
🕑Manomboka amin'ny 2 ora.
👉Mbola misy ny billet ho an'izay te hahazo.

Md Josefa! Mivavaha ho anay
01/05/2026

Md Josefa! Mivavaha ho anay

🙏✨ 𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐉𝐎𝐒𝐄𝐅𝐀 ✨🙏

🤍 Ry Masindahy Josefa, Rain’ny mpiasa sy mpiaro ny fianakaviana masina, mitalaho aminao izahay amin’izao fotoana izao. 🙌

🌿 Iantrao sy tsimbino ny mpiasa rehetra, indrindra ireo miady amin’ny fahasarotana eo amin’ny asa aman-draharaha, sy ireo tsy an’asa mitady fahafahana vaovao.

💼 Ampianaro izahay hiasa amin’ny fahazotoana, amin’ny fahamarinana, ary amin’ny fanajana an’Andriamanitra amin’ny asa rehetra ataonay.

🏡 Aoka ny asanay ho loharanon’ny fiainana mendrika ho anay sy ny fianakavianay, ary ho fitaovana hanasoavana ny hafa ihany koa.

🙏 Ry Masindahy Josefa ô, miaro anay amin’ny fahakiviana sy ny tsy fananan-toky, ary ampio izahay hatoky an’Andriamanitra amin’ny lalana rehetra.

✨ Amin’ny alalanao sy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, aoka ny asanay ho voatahy sy hahavokatra.

🙏 Amen. 💕



Zandrin'i Jesoa

Fandaharam-potoana lehibe ato ho ato eto amin'ny Distrika.👉FÊTE PATRONALE - FI-MPI-KRI Vikaria Afovoany🗓️ Alahady 10 Mai...
25/04/2026

Fandaharam-potoana lehibe ato ho ato eto amin'ny Distrika.

👉FÊTE PATRONALE - FI-MPI-KRI Vikaria Afovoany
🗓️ Alahady 10 Mai 2026
🕘8 ora hatramin'ny 4 ora hariva
📍Paroisse Sainte Famille Ambohimena

👉FIHAONAMBE VOALOHANY ho an'ny VOVONAN'NY LEHIBE Distrika Ambohimena
🗓️Sabotsy 16 Mai 2026
🕗Manomboka amin'ny 8 maraina
📍Grande salle Distrika Ambohimena

22/04/2026

𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐀𝐈𝐍𝐀

Tompo ô, amin’ity andro vaovao ity, mifoha eo anatrehanao aho, mitondra fo feno fanantenana.

Isaorako Anao ny aina sy ny hery vaovao omenao,
na dia eo aza ny tsy fahalavorariako sy ny fahalemeko.

Ampianaro aho hibanjina ny tsara, hiteny amin’ny fitiavana, ary hanao ny marina amin’ny asa rehetra ataoko.

Raiso ny eritreritro, ny foko, ny teniko ary ny diako,
mba ho tonga fitahiana ho an’izay rehetra hihaonako anio.

Aza avela hanalavitra Anao aho, fa tariho mandrakariva amin’ny fahazavanao.

Amen 🙏🙏🙏

21/04/2026

IZA ISIKA MPINO KATOLIKA ?
Araka ny lazain'ny code de droit canonique (CIC 83)

Can 207 - § 1. Par institution divine, il y a dans l'Église, parmi les fidèles, les ministres sacrés qui en droit sont aussi appelés clercs, et les autres qui sont aussi appelés laïcs.

§ 2. Il existe des fidèles appartenant à l'une et l'autre catégorie qui sont consacrés à Dieu à leur manière particulière par la profession des conseils évangéliques au moyen de vœux ou d'autres liens sacrés reconnus et approuvés par l'Église et qui concourent à la mission salvatrice de l'Église; leur état, même s'il ne concerne pas la structure hiérarchique de l'Église, appartient cependant à sa vie et à sa sainteté.

Ity Canon 207 ao amin'ny Code de droit canonique (1983) ity dia anisan'ny fampianarana fototra momba ny Eglizy (Ecclesiologie de base). Famaritana araka ny lalàna ny fahitana ny Eglizy novolavolaina nandritra ny Konsily Vatikana II izy io, indrindra ao amin'ny Constitution " Lumen Gentium."

​1. Ny fototra: Ny « VAHOAKAN'ANDRIAMANITRA »
​Manasongadina ity can. 207 ity fa ny rehetra dia mpino (christifideles). Izany fitoviana fototra izany dia miorina amin'ny batemy. Ny Eglizy dia tsy jerena ho toy ny pyramide ka ny ambany (ny lahika) no mankatò ny ambony (ny clercs), fa ho toy ny vatana mirindra izay iarahan'ny rehetra mandray anjara amin'i Kristy.

​2. Ny fanavahana roa sosona (§ 1): Clercs sy Lahika
​Antsoin'ny lalàna hoe "avy amin'ny fanorenan'Andriamanitra" (ex institutione divina). Midika izany fa ho an'ny Eglizy dia ny fanavahana ny mpitondra fivavahana sy ny lahika dia tsy fandaminana nataon'olombelona fotsiny, fa avy amin'i Kristy.

​Ireo izay nandray ny Sakramentan'ny Filaharana (diakra, pretra, eveka), dia atokana ho amin'ny FITANTANANA - FANAMASINANA - FAMPIANARANA ny vahoakan'Andriamanitra.

​Ny Lahika: Ny ankamaroan'ny vita batemy izay manana iraka manokana hampiditra ny fanahin'ny Evanjely eo amin'ny fiainana andavanandro (fianakaviana, asa, politika).

​3. Ny fiainana voatokana (§ 2):
​Ny paragraphe faharoa dia mampiditra "lalana fahatelo" izay tsy manampy fotsiny ny fanavahana voalohany, fa mameno azy kosa.
​Ny fiainana voatokana (frera, masera....) dia tsy sokajy eo anelanelan'ny clercs sy ny lahika. Ny olona voatokana dia mety ho lahika (toy ny "frera" na "masera") na mety ho clercs (toy ny pretra zezoita na dominikanina....).

Hiérarchie - Antanatohatra:
​Rafitra ambaratongam-pahefana: Tsy isan'izany ny fiainana voatokana. Ny ambaratongam-pahefana dia miorina amin'ny Filaharana (Ordre).

​Fiainana sy Fahamasinana: Ny fiainana voatokana dia ampahany manan-danja amin'ny fiainan'ny Eglizy. Izy io dia fisinana dieny ety antany ny fiainana any an-danitra amin'ny alalan'ny fanarahana ny Evanjely (VOADY MASINA : fahantrana, fahadiovana, fanekena).

Tsy mora azo, tsy mandeha hoazy, fa rafitra iainana sy tokony ho fantatra !

Mirary soa !

15/04/2026

🥁🎻Hira gasy be @ Alahady 19 Avril izao🎻🎺
✨Tarika RAZAKASON sy✨ Tarika RAPAULSON
📍Kianja EKAR Sainte Famille Ambohimena
👉Manomboka amin'ny 10 maraina🕙, mitohy mandram-paharivan'ny andro
➡️Tapakila: 2000 Ariary (toerana tsotra)
➡️Toerana voatokana: 10 000 Ar (mahazo rano na jus)
👉Misy sakafo, zava-pisotro sy tsakitsaky isan-karazany koa eny an-toerana.
TONGAVA DAHOLO FA SADY MANANDRATRA NY KANTO MALAGASY ISIKA NO MAMITA NY ADIDY ATO .

12/04/2026

Address

Ambohimena
Antsirabe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when EKAR Distrika Ambohimena Antsirabe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share