EKAR Md Stanislas Kostka Ambohijanahary Antehiroka

EKAR Md Stanislas Kostka Ambohijanahary Antehiroka "Ny fitiavako ny tranonao no maharïtra ny aiko" Jn 2, 17

FANASANA AVY AMIN'NY FARITRA AMBAVAFITANA
27/08/2026

FANASANA AVY AMIN'NY FARITRA AMBAVAFITANA

Litorjia ao amin’ny misterin’ny Eglizy📖Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny Eglizy ny litorjia. Toerana vo...
25/08/2026

Litorjia ao amin’ny misterin’ny Eglizy

📖Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny Eglizy ny litorjia. Toerana voatokana ihaonan’ny mpino amin’i Kristy velona izy sy hibanjinany azy fa tsy fitambarana fomba amam-panao fotsiny. Ampahatsiahivin’ny foto-pampianaran’ny Eglizy momba ny litorjia (Sacrosanctum Concilium) ao amin’ny Konsily Vatikana II antsika fa ivon’ny misterin’ny Eglizy ny litorjia.

📖Io mistery io dia ny fikasam-pamonjen’Andriamanitra, izay miseho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Ef 3, 3-6). Nanilo ny lalan’ny fiainam-baovao ho an’ny olombelona rehetra i Kristy tamin’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona, izay ankalazaintsika isaky ny litorjia. Ka isaky ny mandray anjara amin’io fankalazana io isika dia mandray anjara ao amin’ny misterin’ny Paka.

📖Tsy mitsahatra ny mandray anjara amin’ny litorjia i Kristy. Hita ao amin’ny Teny toriana, amin’ny Sakramenta sy ao amin’ireo mpisorona ary ao amin’ireo mpiangona izay mivondrona amin’ny anarany Izy fa indrindra ao amin’ny Eokaristia ihany koa (Sacrosanctum Concilium lah. 7). Mampitombo ny fiombonan’ny mpino amin’Andriamanitra ary mahatonga azy ho miha-Jesoa ny fandraisany ny Vatana sy ny Ran’i Kristy.

📖Manambara ny Konsily Vatikana II fa « ny litorjia no zokin-draharaha imasoan’ny Eglizy, sady loharano ipoiran’ny hery rehetra eo amin’ny asany ». (Sancrosanctum Concilium lah. 10). Mamelona ny finoana sy manamafy ireo kristianina ary maniraka azy ireo hiaina ny Evanjely isan’andro ny litorjia. Tsy fomba fotsiny noho izany ireny fombam-pivavahana sy vavaka ary fihetsika amam-pamantarana ireny fa maneho ny finoan’ny Eglizy sy mamolavola ny fiainam-panahin’ireo mpino.

👉Meteza ary isika ho volavolain’ireo fombam-pivavahana sy ireo famantarana ary ireo fihetsika fa indrindra ny fisian’i Kristy velona ao amin’ny litorjia, satria ny litorjia no loharano ipoiran’ny fahasoavana ho antsika.
(Papa Léon XIV, 20 mey 2026) - MirAna

« I KRISTY NO IORENAN’NY FIAINANTSIKA SY NY FAHEFAN’NY EGLIZY »📖Misy lesona lehibe tian’ny Evanjely (Mt 16, 13-20) ampit...
23/08/2026

« I KRISTY NO IORENAN’NY FIAINANTSIKA SY NY FAHEFAN’NY EGLIZY »

📖Misy lesona lehibe tian’ny Evanjely (Mt 16, 13-20) ampitaina amintsika amin’ity alahady ity. Teo amin’ny toerana atao hoe « Sezarean’i Filipo » no niseho ny tantara. Ao amin’ny Soratra Masina, matoa voalaza mazava tsara toy izao ilay toerana dia misy hevitra manokana tian’ny mpanoratra ampitaina.

📜Ny hevitr’ilay toerana, Sezarean’i Filipo. Any avaratry Galilea no ahitana io toerana io, izay nalaza tamin’ny fanompoan-tsampy fahiny. Betsaka mihitsy aza tamin’izany ireo trano fanaovan-tsorona ho an’ilay andriamanitry ny grika atao hoe « Pan », mpiaro ny mpiandry ondry sy ny ala. Midika izany fa toeran’ny mpanompo sampy sy ny tsy mpino io faritra io. Fa ankoatr’izay koa dia anisan’ny faritra tena nisehoan’ny herin’ny Amperora izy. Eo anatrehan’izany rehetra izany i Jesoa no maneho ny maha Andriamanitra Azy sy ny fahefany tsy hisy fahataperany. Izy no ambonin’izay heverin’ny olona ho ambony indrindra. Entina hilazana fa tsy diso Andriamanitra isika Kristianina, mpino an’i Jesoa ho Mpamonjy antsika. Koa mifikira tanteraka Aminy. Mbola betsaka anefa ireo karazana Sezarean’i Filipo eo amin’ny fiainantsika ka mila diovina tanteraka.

🫵I Piera filohan’ny Eglizy. Teo afovoan’ny toeran’ny tsy mpino i Piera no nanambara ankarihary fa i Jesoa no Kristy, izany hoe ilay voahosotra, na hoe Mesia (Mpamonjy). Noho io finoany io dia nahazo iraka izy, ho vato fototra iorenan’ny Eglizin’i Kristy. Tokana ihany noho izany ny Eglizy naorin’i Kristy, dia any amin’izay misy an’i Piera. Koa izay manda na manilika an’i Piera sy ny dimbiny dia mitsangan-kanohitra Ilay naniraka azy. Hoy ny fanmpianaran’ny Fiangonana ao amin’ny Konsily Vatikana II : « Ao amin’ny Eglizy Katolika, no misy ny Eglizin’i Kristy ». Ao ilay Eglizy nanankinan’i Jesoa ny fanalahidin’ny lanitra. Koa raha samy ho any an-danitra ihany no tanjona, tsy aleo ve ao amin’izay manana ny fanalahidy. Ny vavahadin’ny afobe aza manko tsy haharesy azy, hoy i Jesoa.
Diakra Randriatsitohaina Emmanuel

FAMINDRANA NY LA CROIX – DISTRIKA IMERINAFOVOANY ✨🙏 Miarahaba antsika tanora rehetra indray e , andao hiara-hanatrika sy...
21/08/2026

FAMINDRANA NY LA CROIX – DISTRIKA IMERINAFOVOANY ✨
🙏 Miarahaba antsika tanora rehetra indray e , andao hiara-hanatrika sy hifanentana amin 'ity Famindrana lakroa ity
📅 ALAHADY 23 AOGOSITRA
📍 Distrika IMERINAFOVOANY
🕐 FANDAHARANA :
01 ora : Fakana ny la croix Imerinafovoany
02 ora : Sorona Masina
💰 Fandraisana anjara : 2 000 Ar
Tsy atao sakana amin’ny fahatongavana anefa ny tsy fananana izany.
❤️ Tongava maro hiara-mankalaza, hiombom-bavaka ary hiaina ny hafalian’ny finoana tsika rehetreee 😍😇

Vaovao mahafaly
19/08/2026

Vaovao mahafaly

Notendren'ny Papa Léon XIV, ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Maruisz Kasperski.
Curé-n’ny Paroasy Saint Eugène de Mazenod ao Tsarahonenana, Toamasina, izy hatramin’izao fanendrena azy izao.
Teraka ny 15 aogositra 1963 tany Wolsztyn, ao amin'ny Diosezin'i Poznan, any Pologne, i Mompera Mariusz Kasperski, O.M.I.
Ny 8 septambra 1987 no nanonona ny voady voalohany.
Nanao ny fiofanana filozofia sy teolojia tao amin’ny SEminera zokiny an’ny Fikambanana O.M.I. any Obra, Pologne, ny taona 1987 hatramin’ny 1993.
Ny 21 jona 1993 izy no nohamasinina ho pretra tany Obra.
Ireto avy ny iraka efa nampanaovina azy taorian’ny fanamasinana azy ho pretra :
• 1993-1994 Vikera tao amin’ny Paroasy Saint-Stanislas Kostka ao Lubliniec, Pologne
• 1995-1996 Tonga teto Madagasikara ary niofana momba ny teny sy ny kolontsaina malagasy,
• 1996-1997 Misionera tany Ambinanindrano, Toamasina
• 1997-2002 Talen’ny Pré-Noviciat O.M.I. any Toamasina
• 1997-2012 Curé-n’ny Paroasy Saint-Jean-Baptiste ao Analakininina, Toamasina
• 2003-2012 Mpikambana tao amin’ny filan-kevitry ny Delegasiona O.M.I. eto Madagasikara
• 2012-2015 Curé-n’ny Paroasy Saint-Jean-Paul II ao Tsimahavaobe, Diosezin’i Morondava
• 2015-2022 Lehiben’ny Delegasiona O.M.I. eto Madagasikara
• Ny taona 2022 taona sabatika tany Poznan (Pologne) sy Canada
• Hatramin’ny taona 2023, Lehiben’ny Ankohonam-piainana O.M.I. ao Toamasina sady curé-n’ny Paroasy Saint-Eugène de Mazenod ao Tsarahonenana, Toamasina.

LOKO LITORJIKA (TOHINY) : LOKO FOTSY AMIN’NY FANDEVENANA✝️Nambara teo aloha fa azo ampiasaina amin’ny fandevenana ny lok...
19/08/2026

LOKO LITORJIKA (TOHINY) : LOKO FOTSY AMIN’NY FANDEVENANA

✝️Nambara teo aloha fa azo ampiasaina amin’ny fandevenana ny loko fotsy. Tahirin-kevitra telo amin’ny fampianaran’ny Eglizy no manazava ny fampiasana ireo loko amin’ny fandevenana ireo.

✝️Ny Institutio Generalis Missalis Romani (IGMR/GIRM), ao amin’ny laharana faha-346 dia milaza fa azo ampiasaina ny volomparasy na ny mainty amin’ny lamesa ho an’ny maty. Azo ampiasaina ko any fotsy any amin’ny toerana manana fomba amam-panao an’izany. Izany no manamafy ara-dalàna fa ny « violet » no mahazatra, ny maintsy mbola ekena. Tsy iombonana amin’ny ankapobeny ny fotsy, fa ara-dalàna raha efa fomba eo an-toerana.

✝️Mamerina izany fitsipika izany ny Missale Romanum, taorian’i Vatican II, ao amin’ny toko miresaka ny loko litorjika, mifanaraka tanteraka amin’ny IGMR 346 : volomparasy na mainty ny loko ampiasaina amin’ny fandevenana. Misy fototra teolojika ny fampiasana ny loko mazava, toy ny fotsy ho azo ampiasaina amin’ny fandevenana dia ny fitsanganan-ko velona sy ny fanantenana ny fiainana mandrakizay. Mifantoka amin’ireo ny toriteny sy ny vavaka araka ny fombam-pivavahana ho an’ny maty (Ordo Exsequiarum).

✝️Manome ny fototra ara-teolojika ny Sacrosanctum Concilium ao amin’ny Konsily Vatikana II. Manazava ny momba izany ny laharana faha-81 : « Aoka ny fomba fandevenana kristianina haneho mazava kokoa ny endriky ny Paka amin’ny fahafatesan’ny mpino iray… ». Tsy fisaonana fotsiny, noho izany, ny fandevenana fa mampiditra any amin’ny fanantenana ny fitsanganan-ko velona, izany hoe, fankalazana mitodika any amin’ny hazavan’ny Paka. Manokatra lalana teolojika ahafahan’ny Eglizy mampiasa loko maneho hazavana, toy ny fotsy, amin’ny kolontsaina sasany izany.

✝️Famantarana hita maso manazava ny mistery tsy hita maso ny loko raha ny hevitra fonosin’ny teolojia litorjika, antsoina hoe : « signasensibilia ». Manampy amin’ny fampidirana ny vatana sy ny maso hifantoka amin’ny vavaka sy ny anton’ny fankalazana izy ary mampianatra ny vahoaka hahatakatra ny misterin’ny finoana iombonana manerana ny tany, izany hoe amin’ny maha katolika azy. Mampiray sy mampifandrindra ny litorjia sy ny taona litorjika ny loko.
P. Ndriana

Manomboka sy tanteraka ao aminy ny zava-drehetra🖊️Mifantoka amin’ny anjara toeran’i Maria ao amin’ny Misterin’ny Eglizy ...
17/08/2026

Manomboka sy tanteraka ao aminy ny zava-drehetra

🖊️Mifantoka amin’ny anjara toeran’i Maria ao amin’ny Misterin’ny Eglizy araka ny foto-pampianarana « Eglizy fahazavan’izao tontolo izao » ny katesizy omen’ny Papa Léon XIV eto.

🖊️Tsy kisendrasendra no nanokanan’ny Konsily ny toko farany amin’io foto-pampianarana momba ny Eglizy io ho an’i Masina Maria. Aseho ao i Maria amin’ny lafiny telo mifameno : ohatra ho an’ny Eglizy amin’izay iantsoana azy ho tonga, mpikambana ambony indrinra ao amin’ny Eglizy amin’ny finoany feno sy lavorary, ary reny izay ahafahan’ny mpino rehetra manatona azy amin’ny fahatokiana toy ny zanaka.

🖊️Mba handravonana izany rehetra izany, dia antsoin’ny Ray Masina hoe « vehivavy endriky ny Mistery » i Maria. « Vehivavy » izay maneho ny tantara marina niainan’ilay zanakavavin’Israely, nanana traikefa-piainana niavaka ho tonga renin’i Mesia, sady maneho ny fifandraisan’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny valin-kafatra malalaky ny finoan’ny olombelona. Ao aminy no isehoan’ny fikasam-pamonjen’Andriamanitra tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy.

🖊️Nampahatsiahivin’ny Papa Léon XIV ihany koa fa i Jesoa irery no Mpanalalana amin’ny famonjena. Tsy manaloka na manolo ny asan’i Kristy i Maria, fa miara-miasa aminy amim-pinoana, amin’ny fankatoavany ary ny fitiavany. Noho izany dia tonga Renin’ny Eglizy izy eo amin’ny ara-pahasoavana. Ao amin’i Maria no ahitan’ny Eglizy ny misteriny manokana : ny fiandohany, ny ohatra arahiny ary ny fiafarany.

🖊️Ny fandinihina momba an’i Masina Maria ao amin’ity foto-pampianarana « Lumen gentium » ity ho tia ny Eglizy sy hanompo ao aminy ho fahatontosan’ny fanjakan’Andriamanitra, izay ho avy sy ho tanteraka amim-boninahitra tokoa.

🖊️Manasa ny mpino tsirairay ary ny Papa Léon XIV mba handini-tena : moa ve aho miaina amim-panetren-tena sy amin’ny finoana mavitrika ny maha mpikambana ahy ao amin’ny Eglizy sy maha zanak’Andriamanitra ahy ? Moa ve aho mijery an’i Maria ho Reny sy ohatra hanampy ahy hanaraka amim-pahatokiana an’i Kristy Zanany ?
(Papa Léon XIV, 13 mey 2026) – Fanap_soa

« NY OLOMBELONA REHETRA NO KENDREN’ANDRIAMANITRA HIDITRA AO AMIN’NY FANJAKANY »❣️Ny Evanjely (Mt 15, 21-28) amin’ity ala...
16/08/2026

« NY OLOMBELONA REHETRA NO KENDREN’ANDRIAMANITRA HIDITRA AO AMIN’NY FANJAKANY »

❣️Ny Evanjely (Mt 15, 21-28) amin’ity alahady ity dia maneho tranga miavaka. I Jesoa no indro lasa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna, toeran’ireo tsy mpino. Io fihetsik’i Jesoa io dia maneho sahady fa tsy natokana ho an’ny Jody ihany ny famonjena, fa misokatra ho an’ny olona rehetra vonona handray izany ihany koa. Ndeha mba haka tahaka io toetra nasehon’i Jesoa io isika : tsy hikombona amin’ny tenantsika samirery, fa hisokatra amin’ny hafa, hivelatra bebe kokoa sy hanolo-tanana ireo miandrandra ny famonjena avy amintsika. Izany no toetran’Andriamanitra tokony hisaloran’ny tena kristianina.

✍️Etsy ho dinihintsika manokana ny toetran’ilay vehivavy voalazan’ny Evanjely izay nitalaho tamin’i Jesoa hoe : « Mamindrà fo amiko, ry Tompo zanak’i Davida, fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy ». Tsy ho azy no italahoany fahasoavana fa ho an’ilay akaikin’ny fony, ho an’ilay tiany. Niangavy fatratra izy saingy fahanginana no setriny, tsy namaly i Jesoa. Impiry moa isika no niantsoantso mafy an’Andriamanitra mba hamonjy antsika tamin’ny rofintsika, impiry no niandrandra ny indrafony ho an’ireo mamin’ny fontsika, nefa toa fahanginana no setriny. Ohatra tahafintsika ity vehivavy ity : tsy nikely aina, na nanajanona ny fangatahany fa vao mainka niantsoantso mafy aza. Mila maharitra amin’ny vavaka isika, hampitomboy avo roa heny ny faharetana fa io no mari-drefy handrefesana ny finoantsika. Tsy afaky ny tsy hanasitrana izay matoky Azy manko Andriamanitra, ka ho avy hilaza amintsika hoe : « … lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao ». mampahatsiaro ny tantaran’i Mb Monique ny nanjo ity vehivavy ity. Nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hibebahan’ny zanany, i Augustin, izay variana tamin’ny fiainana ara-nofo fotsiny. Fito ambin’ny folo taona tsy nitsaha-nivavaka tamin-dranomaso, indro fa nivaly ny fangatahany, nibebaka i Augustin izay lasa Eveka taty aoriana, ary tonga olomasina mihitsy aza.

🙏Fehiny : antsoina isika hitafy ny toetran’i Jesoa ka hivelatra amin’ny hafa, ary entanin’ny Evanjely isika hisalotra faharetana ka hazoto hivavaka🙏.
Diakra Randriatsitohaina Emmanuel

EGLIZY MPIVAHINY, MANKANY AMIN’NY FANJAKAN’NY LANITRA🔱Mandinika miaraka amin’ny Papa Léon XIV ny foto-pampianaran’ny Fia...
14/08/2026

EGLIZY MPIVAHINY, MANKANY AMIN’NY FANJAKAN’NY LANITRA

🔱Mandinika miaraka amin’ny Papa Léon XIV ny foto-pampianaran’ny Fiangonana « Eglizy fahazavan’izao tontolo izao » ao amin’ny Konsily Vatikana II isika. « Ny Eglizy eto an-tany dia santatry ny any am-parany any » ; manohy ny lalana sy ny tantara ary mitodika mandrakariva any amin’ny tanjona farany dia ny fanjakan’ny lanitra.

🔱Toerana ahafahana miombona akaiky indrindra amin’i Kristy ihany koa ary ao aminy no ahitana ny famonjena hita maso ho an’izao tontolo izao, izay famantarana entina manatanteraka ny fahafenoan’ny fiainana sy ny fiadanana nampanantenain’Andriamanitra, omena ny voary rehetra rehefa tonga ny farany.

🔱« Iray ihany ny Eglizy na ny eto an-tany na ny any an-danitra » satria mifandray ny Kristianina manatanteraka iraka (Eglizy miady) sy ireo efa namarana ny azy tety an-tany ao anatin’ny Eglizy mijaly (afo fandiovana) na ny Eglizy sambatra. Ankasitrahantsika ireo aban’ny Konsily, niasan’ny Fanahy Masina ka afaka mampatsiahy antsika mandrakariva ny lafiny lehibe sy tena kanto ny amin’ny fiainana maha-kristianina.
(Papa Léon XIV, 06 mey 2026) - Mirindra

Address

Ambohijanahary
Antehiroka
105

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when EKAR Md Stanislas Kostka Ambohijanahary Antehiroka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share