16/08/2026
« NY OLOMBELONA REHETRA NO KENDREN’ANDRIAMANITRA HIDITRA AO AMIN’NY FANJAKANY »
❣️Ny Evanjely (Mt 15, 21-28) amin’ity alahady ity dia maneho tranga miavaka. I Jesoa no indro lasa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna, toeran’ireo tsy mpino. Io fihetsik’i Jesoa io dia maneho sahady fa tsy natokana ho an’ny Jody ihany ny famonjena, fa misokatra ho an’ny olona rehetra vonona handray izany ihany koa. Ndeha mba haka tahaka io toetra nasehon’i Jesoa io isika : tsy hikombona amin’ny tenantsika samirery, fa hisokatra amin’ny hafa, hivelatra bebe kokoa sy hanolo-tanana ireo miandrandra ny famonjena avy amintsika. Izany no toetran’Andriamanitra tokony hisaloran’ny tena kristianina.
✍️Etsy ho dinihintsika manokana ny toetran’ilay vehivavy voalazan’ny Evanjely izay nitalaho tamin’i Jesoa hoe : « Mamindrà fo amiko, ry Tompo zanak’i Davida, fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy ». Tsy ho azy no italahoany fahasoavana fa ho an’ilay akaikin’ny fony, ho an’ilay tiany. Niangavy fatratra izy saingy fahanginana no setriny, tsy namaly i Jesoa. Impiry moa isika no niantsoantso mafy an’Andriamanitra mba hamonjy antsika tamin’ny rofintsika, impiry no niandrandra ny indrafony ho an’ireo mamin’ny fontsika, nefa toa fahanginana no setriny. Ohatra tahafintsika ity vehivavy ity : tsy nikely aina, na nanajanona ny fangatahany fa vao mainka niantsoantso mafy aza. Mila maharitra amin’ny vavaka isika, hampitomboy avo roa heny ny faharetana fa io no mari-drefy handrefesana ny finoantsika. Tsy afaky ny tsy hanasitrana izay matoky Azy manko Andriamanitra, ka ho avy hilaza amintsika hoe : « … lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao ». mampahatsiaro ny tantaran’i Mb Monique ny nanjo ity vehivavy ity. Nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hibebahan’ny zanany, i Augustin, izay variana tamin’ny fiainana ara-nofo fotsiny. Fito ambin’ny folo taona tsy nitsaha-nivavaka tamin-dranomaso, indro fa nivaly ny fangatahany, nibebaka i Augustin izay lasa Eveka taty aoriana, ary tonga olomasina mihitsy aza.
🙏Fehiny : antsoina isika hitafy ny toetran’i Jesoa ka hivelatra amin’ny hafa, ary entanin’ny Evanjely isika hisalotra faharetana ka hazoto hivavaka🙏.
Diakra Randriatsitohaina Emmanuel