08/04/2026
AZA MANAIKY MATY TSY MAMELA JESOSY HOAN'NY ANKOHONANAO
Lioka 16 : 27 Dia hoy izy : Mangataka aminao ary aho ry raiko, mba iraho Lazarosy hankany amin' ny tranon' ny raiko
Fa manana rahalahy dimy aho, mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tonga aty koa izy
Nenenina mafy ilay mpanankarena
satria tsy namela Jesosy hoan'ny ankohonany izy
fa namela toetra ratsy sy fitondran- tena tsy tsara
Ka ho antsika androany mbola velona
Andao hamela Jesosy hoan'ny taranantsika