01/09/2025
🎯 Ny atao hoe lehilahy mendrika ny hahomby amin'ny fiainana.
Tena mbola betsaka ny lehilahy mahomby azo alain-tahaka amin'izao fotoana izao.
Tsy variana amin'ny fanenjehana vehivavy etsy sy eroa izy ireo fa mifantoka 100% amin'ny tanjony sy ny fampandrosoany ny business-ny.
Tsy voafehifehy amin'ny rafitra efa misy mahazatra ihany koa izy ireo fa mahay mamorona ny rafitra ho azy manokana.
Raha ny sasany be taraina amin'ny zava-misy dia izy ireo kosa miasa mangina amin'ny fanomanana ny hoaviny.
Ny toetra maha-lehilahy mendrika hahomby dia tsy voafetra amin’ny harena na laza fotsiny, fa miankina betsaka amin’ny toe-tsaina sy fomba fiaina ihany koa.
Ireto avy no tena mampiavaka azy:
1. Mazoto sy miasa mafy.
Tsy miandry fahagagana fotsiny izy ireo fa miezaka sy miasa tsy tapaka. Mahay manohitra ny fahasahiranana sy ny fahantrana hatrany.
2. Manana fahavononana hianatra.
Mampiasa ny fahalalana ho fitaovana. Mahay mandray lesona avy amin’ny lesoka sy ny fiainana.
3. Mahazaka andraikitra.
Tsy mitsoaka adidy izy ireo, fa miatrika izany. Miezaka ny ho loham-pianakaviana azo ianteherana.
4. Mahay mitahiry sy mandamina vola.
Tsy mandany vola amin’ny zava-poana ( amin'ny vehivavy) fa mahay mikajy sy mametraka tanjona ara-bola mazava tsara.
5. Mahay mifandray amin’ny hafa.
Manao fifandraisana tsara, mahay mihaino, tsy mirehareha, ary mahay miresaka am-pahendrena.
6. Mampiseho fahatokisana sy fahamatorana.
Ny teny lazainy dia miorina amin’ny asa avokoa. Ny fihetsiny dia maneho fa olona azo itokisana izy.
7. Mahay mandamina ny fotoanany.
Tsy mandany fotoana amin’ny zava-poana, fa manome lanja ny asa, ny fianakaviana ary ny fahasalamana.
8. Manana faharetana sy toe-tsaina tsy miala amin’ny tanjona.
Na misy aza ny sakana dia tsy kivy. Mahay miatrika zava-tsarotra ary tsy mihemotra mihitsy na mafy aza.
Fehiny, ny lehilahy mendrika hahomby dia olona miasa mafy, mahay mandamina fotoana, manana fahendrena sy fahamarinana, manaja ny hafa ary tsy mora kivy.
" VELON'NY FINOANA NY MINO"