14/05/2026
Mgr Tomasz Grysa voatendry ho nonce apostolique any Ouganda
Notendren’ny Papa Léon XIV ho Nonce Apostolika vaovao any Ouganda i Mgr Tomasz Grysa, izay nisolo tena ny Vatican teto Madagasikara nanomboka ny taona 2022.
Izy ihany koa no :
✅ Nonce Apostolika tany Seychelles sy Maurice
✅ Delegasiona Apostolika tany Comores
🇵🇱 Teratany poloney avy any Poznań izy, 55 taona, ary isan’ireo diplaomaty ambony ao amin’ny Vatican manana traikefa maneran-tany.
🌍 Efa niasa tany :
➡️ Rosia
➡️ Inde sy Népal
➡️ Belgique
➡️ Mexique
➡️ Brésil
➡️ ONU
🗣️ Mahafehy fiteny maro izy : frantsay, anglisy, italiana, espaniola, rosiana, portogey, latinina ary poloney.
📌 Fanendrena lehibe ataon’ny Vatican izao, izay midika fiafaran’ny iraka nataony teto Madagasikara sy fanombohan’andraikitra vaovao any Afrika Atsinanana.
©Vatican News