TILY Afomanga XXIIIe

TILY Afomanga XXIIIe Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from TILY Afomanga XXIIIe, Religious organisation, Alarobia Amboniloha, Antananarivo.

« Amboniloha midoboka aponga, misondrosondrota ry maro kilonga…💜 🤍 »
-Synodam-paritany antananarivo Andrefana ( SPA10)
-Faritany tily analamanga avaratra
-FJKM Amboniloha Jerosalema-Ko

🕊️ Herinandron’ny Fanahy Masina🕊️Eo am-piomanana amin’ny Pantekoty isika izao, fotoana iray hanavaozana ny finoana sy ha...
21/05/2026

🕊️ Herinandron’ny Fanahy Masina🕊️

Eo am-piomanana amin’ny Pantekoty isika izao, fotoana iray hanavaozana ny finoana sy hanokafana ny fontsika handray ny Fanahy Masina. 🙏

Enga anie ity herinandro ity ho fotoana:
✨ hivavahana bebe kokoa
✨ hifampaherezana sy hifankatiavana
✨ hanamafisana ny finoana sy ny firaisankina

📖 “Fa handray hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo.” (Asa1:8)

⚜️ Amin’ny maha-tily dia adidy ny manentana ny rehetra hiaina am-pinoana sy hitondra hazavana sy fanantenana manodidina azy amin’izao fiomanana amin’ny Pantekoty izao.


🌍 Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tany.Ny Tany no iainantsika, ka andraikitsika rehetra ny miaro azy 💚Anisany miresaka n...
22/04/2026

🌍 Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tany.

Ny Tany no iainantsika, ka andraikitsika rehetra ny miaro azy 💚
Anisany miresaka ny ODD°13 ihany koa izahay Tily, sady manentana ny rehetra hiaraka aminay hianatra hanomboka amin’ny zavatra tsotra isan’andro :
💧 Mitsitsy rano
⚡ Mitsitsy angovo
♻️ Mampihena ny fako ampiasaina
🌳 Mamboly hazo

Ny fiovana lehibe dia miainga amin’ny ezaka kely ataontsika tsirairay


Tily Analamanga Avaratra
Tily eto Madagasikara

🟢 M’LAY 2026 🟢Hisaorana ny Tompo fa tontosa soa ny 20-21-22 martsa teo ny lalao faritany Analamanga Avaratra. Nisongadin...
22/03/2026

🟢 M’LAY 2026 🟢

Hisaorana ny Tompo fa tontosa soa ny 20-21-22 martsa teo ny lalao faritany Analamanga Avaratra.

Nisongadina sy mendrika tamin’izany ny Antoko Ala, izay nosoloin’ny Sokajy Domoina tena 🕊️ ka nahazo ny laharana voalohany. 💜🤍

Hisaorana manokana ianareo niaraka nisalahy, nikaon-doha ary nitondram-bavaka azy ireo na tamin’ny fanomanana na nandritra ny lalao.🙏🏽

Tily Analamanga Avaratra
Fivondronana Afomanga
📷 Faresa Mahavita

📢Mianatra - Miheritreritra - Mamorona. 📢Fampiofanana natao hanampy hahay mieritreritra vahaolana sy hamolavola tetikasa,...
09/03/2026

📢Mianatra - Miheritreritra - Mamorona. 📢

Fampiofanana natao hanampy hahay mieritreritra vahaolana sy hamolavola tetikasa, satria tanora tokony ho mpamorona hevitra sy mpanatanteraka.

Lucky Andrianirina , tanora mpandraharahara sy miady amin'ny fiarovana ny tontolo iainana no nitarika ny atrikasa momba ny "Design Thinking" sy nifampizara traikefa ho an' ny Sampana Mena sy Menafify omaly 8 martsa.


Tily eto Madagasikara Tily Analamanga Avaratra

🌹Journée mondiale de la droit des femmes. Amin’izao Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy izao dia manolotra f...
08/03/2026

🌹Journée mondiale de la droit des femmes.
Amin’izao Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy izao dia manolotra fiarahabana sy fankasitrahana manokana ho an’ireo Cheftaine Louveteaux sy ireo vehivavy rehetra mpitarika ato anivon’ny fikambanana Tily izahay.

Ireo vehivavy ireo dia manolo-tena amin’ny fanabeazana sy fitarihana ny anakizy ho tompon’andraikitra sy vonona hanompo ny fiarahamonina.

Mirary soa sy fahombiazana ho anareo ary ho an’ny vehivavy rehetra izay mitondra fanantenana sy fahazavana eo amin’ny fiarahamonina.

Mirary Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy sambatra ho anareo rehetra! 🌷


Tily eto Madagasikara Tily Analamanga Avaratra

📸✨ Indro indray ary ny sary vitsivitsy nalaina nandritra ny hetsika notanterahin’ireo zanatsika ny Zoma 20 – 21 – 22 Feb...
23/02/2026

📸✨ Indro indray ary ny sary vitsivitsy nalaina nandritra ny hetsika notanterahin’ireo zanatsika ny Zoma 20 – 21 – 22 Febroary 2025.
Fotoana iray niainana tanteraka, nianarana ary nampivelatra ny maha-Tily ny tsirairay.
🔶 Sampana Mavo (Haza lehibe)
Nanao lalao ati-ala sy senety maro izy ireo, niaraka tamin’ny fiovan’endrika maneho ny tantaran’ny aty ala. Nampiseho famoronana sy fahasahiana izy ireo, nianatra niara-niasa, nandray andraikitra ary niaina tanteraka ny tontolon’ny ala sy ny hafatra entiny.
🟢 Sampana Maitso(Lalao fifaninana tekinika tily)
Nanatanteraka teknika tily, sehosehatra, azakazaka, ary recyclage plastique ho fiarovana ny tontolo iainana. Nisy ihany koa ny lalao ara-batana toy ny volley tongotra, izay nampiseho tanjaka, firaisankina ary fahaiza-miara-mientana.
🔴 Sampana Mena(Rodorodo)
Nanao azakazaka maneho ny maha-piandalana azy ireo ny sampana mena 4trano,ary lalao natao tamim-po sy fanahy, isan’izany ny base chat. Hita mazava ny fahamatorana, ny faharetana ary ny hafaliana niainany nandritra ireo hetsika.
💛 Tena hita fa niaina sy nankafy tanteraka ny fotoana ny tsirairay.
Tsy hetsika fotsiny, fa fananganana toetra sy fanamafisana ny maha-Tily.
Izany no maha-izy antsika…
Miroso. Matanjaka. Mifampatoky.
🔥 WE ARE AFOMANGA EHHH! 🔥


🕊️ "MOP" Messenger Of Peace ☮️ Un séminaire a été organisé par l'Organisation nationale des scouts et Tily Analamanga Av...
16/02/2026

🕊️ "MOP" Messenger Of Peace ☮️

Un séminaire a été organisé par l'Organisation nationale des scouts et Tily Analamanga Avaratra à l'IMATEP Ivandry le 14 février 2026. 54 jeunes y ont participé, dont deux (2) membres de TILY Afomanga XXIIIe 😉

La formation, d'une durée totale de huit heures, comprenait quatre modules en direct et abordait les thèmes suivants :

👉 Événements et programmes mondiaux
👉 Le rôle des scouts dans la réalisation des Objectifs de développement durable (ODD)
👉 Le programme Messager de la Paix
👉 Les plateformes de l'Organisation mondiale du mouvement scout (OMMS)

🇲🇬-🕊️ "MOP" Mpitondra Hafatrin'ny Fandriapahalemana ☮️

Nisy seminera nokarakarain'ny Tily eto Madagasikara tao amin'ny IMATEP Ivandry tamin'ny 14 Febroary 2026. Tanora miisa 54 no nandray anjara, anisan'izany ny mpikambana roa (2) ato amin'ny Fivondronana Afomanga XXIII 😉

Ny fiofanana, izay naharitra adiny valo, dia nahitana môdely mivantana efatra ary nandrakotra ireto lohahevitra manaraka ireto:

👉 Hetsika sy Fandaharan'asa Manerantany
👉 Ny Anjara Asan'ny Scouts amin'ny Fanatanterahana ny Tanjona Fampandrosoana Maharitra (SDGs)
👉 Ny Fandaharan'asa Iraka ho an'ny Fiadanana
👉 Ny Sehatra ao amin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Hetsika Scouts (WOSM)


"Tily iray andro, tily isan’andro, tily mandramaty"   Ireo Lalana Folo ny Tily. Fototra iorenan’ny toetra, ny fanompoana...
09/02/2026

"Tily iray andro, tily isan’andro, tily mandramaty"
Ireo Lalana Folo ny Tily. Fototra iorenan’ny toetra, ny fanompoana ary ny firaisankina.
Lalana iainana isan’andro, fa tsy vakiana fotsiny. ⚜️
Iza amin'ireo no tena nanamarika an'ise?
Tily eto Madagasikara
Tily Analamanga Avaratra

« Fa toy izao no nitiavana an’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra ...
25/12/2025

« Fa toy izao no nitiavana an’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, … » (Jaona 3:16a)

Tahaka ny nataon’i Ray ho antsika, ny tena fahasambarana dia avy amin’ny fanomezana hafaliana ho an’ny hafa ❤️

🎄 Amin’ity Noely ity, zarao hafaliana ny manodidina an’ise, ampifalifalio i Dada sy Neny, i Zoky sy Zandry fa ise manko Tily tsara andrin’ny fianakaviana.

Mirary Noely feno fifaliana ho an’ise sy ny ankohonan’ise .❤️

22/12/2025

🎉Indro zaraina amin'ise ny hafatra avy amin'ny Filoha Foibe Tily, ho an'ny Noely sy ny Taom-baovao 🎄

Address

Alarobia Amboniloha
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TILY Afomanga XXIIIe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share