23/11/2025
đź“–Dinihonareo ny Soratra Masina ..." ( Jaona 5 : 39).
Ry namako isany. na lahy hianareo na vavy , antomotra ny faran' ny zavatra rehetra. Ny vaovao eto an- toerana sy ny maneran- tany dia samy toa miantsoantso avokoa mampandre antsika fa tena efa akaiky mby eo am-baravarana ny Tompo. Samy mba maniry ny ho mpiara- miasa amin' ny Tompo isika tsirairay avy hitory ny Filazantsara kanefa inona moa ny Filazantsara ho toriantsika raha tsy mahafantatra izany isika ?
Tsy afaka ny hampiasa antsika ny Tompo raha tsy mianatra Soratra Masina isika. Mila manana fahalalĂ na ny Fahamarinana ho an' ny tenantsika manokana isika vao afaka ny hizara sy ho mpiara- miasa amin' ny Kristy.
Mila mandray ny " fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena antsika ".( 2 Tesaloniana 2 : 10).) isika vao hazoto ny hianatra ny Soratra Masina eo an- tongotry ny Tompo.
Hianaro tahaka ny mbola tsy nianaranao iny mihitsy ny Baibolinao. Hianaro mihoatra noho ny tamin' ny lasa ny Baibolinao. Mila mandray ny hetaheta sy ny hanoanana ny hahalala ny Fahamarinana hianao.
Hoy ny Tompo hoe : " Diniho ny teny izay renareo ".( Marka 4 : 24)
Mipetraka amin' ny isam- batan' olona ihany koa ny fanontaniana hoe :" Fantatrao ve izay vakìnao ? "( Asa 8 : 30).
Fantatrao tokoa ve io tenin' ny Soratra Masina izay vakìnao io ?
Ho ahy manokana dia nianatra ny Baiboliko za. Tena nianatra tokoa. Tsy nianatra fotsiny za fa nikaroka sy nandalina mihitsy . Efa ela za no nanao izany ary mbola mitohy mandraka ny ankehitriny. Tiko ny Fahamarinana. Fahasambarako sy fifaliako ny nanomezan' ny Tompo ahy ireo Fahamarinana sarobidy izay vitsy dia vitsy ny olona nahita sy nahalala azy. Maivan- danja avokoa amiko ny zavatra rehetra mihoatra ny harena sarobidin' ny Soratra Masina izay omen' ny Tompo ahy.
Ampiasaiko avokoa na ny teny Hebreo na ny teny Grika na ny teny Anglisy sy ny teny Frantsay ary indrindra moa fa ny teny Malagasy mba hitrandrahana ny Filazantsara. Ary dia nasehon' ny Tompo ahy tokoa ary mitombo fatra mandrakariva ny fahazavĂ na omen' ny Tompo.
Rehefa ho tonga ao alohaloha ao hianao raha eo am- pitrandrahana ny Soratra Masina dia ho tojo sehatra iray hianao , izay tsy ho lazaiko anao aloha izao , hitenenanao hoe tena maivana ireny zavatra nampianatina antsika hatrizay ireny.
Mampahery sy mampirisika anao ny tenako hoe " Raiso ny Baibolinao. Mandoaleha mivavaka eo anatrehan, ny Tompo mba hanokafany ny sainao ka hampahalalĂ ny anao ireo harena miafin' ny Filazantsara".
Hisy tokoa ny valisoa homen' ny Tompo ho an' ireo izay tia mianatra eo an- tongony.
Hoy ny Tompo hoe : " Ho fantatrareo ny marina , ary ny marina no hahafaka anareo tsy ho andevo ".( Jaona 8 : 32).
Mahereza mandrakariva.. Ny Tompo anie omba sy hitahy anareo.
Mirary ny soa ho anareo ihany koa.🙏🙏🙏
Ny namanao R.D. Israel.