FJKM Ambavahaditokana Kristy Fanilo

FJKM Ambavahaditokana Kristy Fanilo «Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy.» Joba 36: 30a

Pejy Ofisialy- Hanarahana ny tsara ho fantatra sy hitoriana Filazantsara…
👉🏼Suivre👈🏼

📌Ny fotoanantsika ny Alahady izao indray: -Maraina: Voka-paritra-Folakandro: Fampiofanana  Tongavasoa ry havana!
21/08/2026

📌Ny fotoanantsika ny Alahady izao indray:
-Maraina: Voka-paritra
-Folakandro: Fampiofanana

Tongavasoa ry havana!

💰 FAMPIOFANANA 3 ❓Mahay mitantana vola ve ianao???!!! Taorian’ireo Fampiofanana 1 sy 2 nizarana tari-dàlana sy toe-tsain...
18/08/2026

💰 FAMPIOFANANA 3
❓Mahay mitantana vola ve ianao???!!!

Taorian’ireo Fampiofanana 1 sy 2 nizarana tari-dàlana sy toe-tsain’ ny mpandraharaha, indro ny Fampiofanana faha-3 sady farany amin’ity andiany ity, natokana ho an’ny mpandraharaha sy ny olon-tsotra amin’ny sarany 0 Ar hatrany.

📌 FAHALALANA FOTOTRA NY AMIN’NY FITANTANANA NY VOLA
Tsy ampy ny mahazo vola ihany fa mila mahay mitantana, mahay mandamina ary mahay mampiasa azy am-pahendrena koa.

🗓️ Alahady 23 Aogositra 2026
⏰ 2 ora – 3 ora

Miaraka amin’i Seheno RANARISON
Formateur en entrepreneuriat certifié par le Réseau d’Entreprises Développement

Toerana: FJKM Ambavahaditokana Kristy Fanilo

✨Tongavasoa fa fahalalana tena ilaina amin’ny fiainana sy ny fandraharahana ity!
——————————————————
«Ny hevitra rehetra dia arafeto amin’ny fiaraha-misaina ary ny fahaiza-mandamina tsara no entonao miady.»Oha. 20:18

    18 Aogositra 1968 – 18 Aogositra 2026
18/08/2026



18 Aogositra 1968 – 18 Aogositra 2026

Fankalazana :
Faha-58 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM)
18 Aogositra 1968 – 18 Aogositra 2026

FIARAHABANA SY FIRARIAN-TSOA

Ry Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara malala,
“Arahabaina! Arahabaina! Arahabaina avokoa!”

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia miarahaba sy mirary ny fiadanan’Andriamanitra ho an’ny FJKM manontolo isika amin’izao fankalazana izao.

Feno 58 taona androany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, izay nitondra tamin’ny fomba ofisialy izany anarana izany rehefa nitambatra ireo Misiona Protestanta telo: LMS, FFMA ary MPF, ny 18 Aogositra 1968.

Koa tsy fankalazana taona fotsiny izao, fa fotoana hahatsiarovana ny fitarihan’Andriamanitra, hankasitrahana ny fahasoavany, ary hijerena ny andraikitra mbola miandry antsika.

Arahabaina indrindra:
Ny Filohan’ny FJKM;
Ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe;
Ireo Mpiandraikitra Foibe FJKM rehetra;
Ny Sekretera Jeneraly sy ireo mpiara-miasa aminy;
Ireo Tonian’ny Departemanta sy ny mpiara-miasa aminy;
Ireo Tonia sy Tale rehetra, samy amin’ny andraikiny avy;
Ireo Prezida Synodaly sy ny mpiara-miasa aminy rehetra;
Ny Tale sy ireo mpampianatra sy mpanabe eo amin'ny sekoly FJKM
Ireo Mpitandrina mivady amin’ny Fitandremana rehetra, manerana an’i Madagasikara sy maneran-tany;
Ireo Katekista Delege;
Ireo Katekista;
Ireo Mpiandry;
Ireo Mpitoriteny;
Ireo Mpiandraikitra isaky ny Sampana;
Ireo Mpandray ny Fanasan’ny Tompo;
Ireo Katekomena;
Ary ny Kristiana rehetra, isan-tokantrano sy isam-batan’olona, na zokiolona na zandriolona.

Arahabaina avokoa!
Ho an’izay rehetra efa nitondra ny FJKM tamin’ny fotoan-tsarotra sy tamin’ny fotoam-pifaliana, ho an’izay mbola mitondra azy ankehitriny, ary ho an’izay hanohy hitondra azy rahatrizay:
Mankasitraka anareo!

Mampahery anareo! Ary mirary ny fahasoavan’Andriamanitra ho aminareo!

"mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo" I Kor 15, 58b

📝Ireto ny fotoanantsika amin’ny Alahady:-Maraina: Voka-paritra-Hariva: Fampiofanana & Fetim-paritra ✨Samia tonga soa ind...
13/08/2026

📝Ireto ny fotoanantsika amin’ny Alahady:
-Maraina: Voka-paritra
-Hariva: Fampiofanana & Fetim-paritra
✨Samia tonga soa indray!

📌FAMPIOFANANA 2Te hahomby amin’ny fandraharahana ve ianao? Manomboka amin’ny toe-tsaina izany fahombiazana izany. Inona ...
11/08/2026

📌FAMPIOFANANA 2
Te hahomby amin’ny fandraharahana ve ianao? Manomboka amin’ny toe-tsaina izany fahombiazana izany.
Inona avy ireo toe-tsaina tsy maintsy ananan’ny mpandraharaha te-hahomby?

Izany indray no lohahevitra velabelarintsika amin’ny Alahady 16 Aogositra 2026 izao.⏰ 2 ora – 3 ora
Miaraka amin’ny Mpampiofana
Ravo RAMBELOMANITRA - Coach en entrepreneuriat


Fandraisana anjara: 0ar (Maimaimpoana)

Toerana: FJKM Ambavahaditokana Kristy Fanilo
———————————————
«Ny tànana tsy miasa no mampahantra; fa ny tànana mazoto kosa mampanan-karena.» Ohabolana 10: 4

✅Vita soa ny Alahady teo ny   momba ny: "Fananganana orinasa miainga amin'ny tsy misy"Isaorana indrindra ny mpandray anj...
10/08/2026

✅Vita soa ny Alahady teo ny momba ny: "Fananganana orinasa miainga amin'ny tsy misy"
Isaorana indrindra ny mpandray anjara rehetra. 🙏🏼

Mbola mitohy ny fampiofanana ny Alahady 16 Aogositra izao hiresahana indray ny
lohahevitra: «Ireo toe-tsaina tsy maintsy ananan'ny mpandraharaha te-hahomby»

Amboary dieny izao indray ny fandaharam-potoana ry havana!
———————————————
«Ny tànana miraviravy no mampahantra; fa tànan’ny mazoto no mampanan-karena.» Ohabolana 10:4

📍J-1 ⏲️ 09.08.2026🌱Maraina: Vokam-paritra (Faritra 3-5)Vahiny manokana: VLM Ambavahaditokana ⬆️Hariva:   iarahana amin’A...
07/08/2026

📍J-1 ⏲️ 09.08.2026
🌱Maraina: Vokam-paritra (Faritra 3-5)
Vahiny manokana: VLM Ambavahaditokana

⬆️Hariva: iarahana amin’Atoa Dimbiarimalala RAKOTOARISOA
Chargé de parcours de formation –
🕙Manomboka amin’ny 2 ora

Fiadanana!

📌FAMPIOFANANA 1: Alahady 9 Aogositra 2026 - 2 ora MANONOFY HANANA ORINASA VE IANAO? Nefa tsy manana renivola sady tsy fa...
05/08/2026

📌FAMPIOFANANA 1:
Alahady 9 Aogositra 2026 - 2 ora

MANONOFY HANANA ORINASA VE IANAO? Nefa tsy manana renivola sady tsy fantatrao hoe aiza no hanombohana azy? Taridalana ho amin’izany ity fampiofanana ity, hizarana ireo dingana fototra raha hanomboka fandraharahana.

LOHAHEVITRA: « Fananganana orinasa miainga amin’ny tsy misy»

Fandraisana anjara: 0Ar (Maimaimpoana)

Samia tongasoa ry havana! Asao ihany koa ny namana mpanonofy hanangana orinasa sao ity no dingana hanova ny ho avy! 🙏🏼
———————————————
«Ny tànana miraviravy no mampahantra; fa ny tànan’ny mazoto no mampanan-karena.» Ohabolana 10:4

📌FAMPIOFANANA MANOKANA MOMBA NY FIHARIANA SY FANDRAHARAHANA HO AN’NY KRISTIANA 🗓️9 • 16 • 23 AOGOSITRA 2026Ho fankalazan...
04/08/2026

📌FAMPIOFANANA MANOKANA MOMBA NY FIHARIANA SY FANDRAHARAHANA HO AN’NY KRISTIANA
🗓️9 • 16 • 23 AOGOSITRA 2026

Ho fankalazana ny faha-20 taona, ny Mpitandrina ANDRIANARIVO Solondraibe mivady dia faly manolotra momba ny fihariana sy fandraharahana ho an'ny kristiana rehetra, indrindra ny mpandraharaha.

Lohahevitra 3 mandritra ny Alahady 3:
🔹 9 Aogositra : «Fananganana orinasa miainga amin'ny tsy misy»
🔹 16 Aogositra : «Ireo toe-tsaina tsy maintsy ananan'ny mpandraharaha te-hahomby»
🔹 23 Aogositra : «Fahalalana fototra ny amin'ny fitantanana ny vola»
⏰ 2 ora - 3 ora
(Mialohan’ny fety harivan’ny isam-paritra)

Fampianarana sy fizarana ataon’ny Mpampiofana Matihanina avy ao amin’ny
_______________________________
« Ny tànana miraviravy no mampahantra; fa ny tànan’ny mazoto no mampanan-karena.» Ohabolana 10:4

Samia tongasoa ry havana!

« Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ny fivavahanay…»1 Tes. ...
03/08/2026

« Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ny fivavahanay…»
1 Tes. 1:2

Amin-kafaliana no isaorana ny kristiana rehetra tamin’ny fiombonana noho ny ny Alahady lasa teo.
Indro ny tohin’ny fandaharam-potoana ny volana Aogositra dia ny VOKAM-PARITRA:
-09 Aogositra: Faritra 3-5
-16 Aogositra: Faritra 2-6
-23 Aogositra: Faritra 1-4

-Ny Alahady 30 Aogositra 2026 kosa dia hiara-hankalaza an’Andriamanitra noho ny 20 taona maha Mpitandrina an’Atoa ANDRIANARIVO Solondraibe isika.

An’ Andriamanitra ny voninahitra tamin’izay efa vita, apetraka eo an-tànany kosa ny fikasantsika ho avy. 🙏🏼

Ny Mpitandrina Mivady
Ny Biraon’ny Fitandremana

Address

Ambavahaditokana Itaosy
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Ambavahaditokana Kristy Fanilo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share