Mampahery anao

Mampahery anao Mampahery anao amin'ny tenin'Andriamanitra, tantara fohy, fijoroana vavolombelona.

Araho ny pejy 👍 Ary tsidiho fa misy vavaka maro sy torohevitra mety ilainao ao 🙏
Aza misalasala koa manoratra aminay raha misy zavatra tianao entina am-bavaka.

Fiadanana e! 🙏💗Ho anareo rehetra izay te hiaraka hivavaka aminay na hangataka vavaka dia afaka mandefa ny antom-bavaka n...
02/02/2026

Fiadanana e! 🙏💗

Ho anareo rehetra izay te hiaraka hivavaka aminay na hangataka vavaka dia afaka mandefa ny antom-bavaka na vavaka aminay ato rohy ity

Samia mahery.
Tahin'Tompo isika rehetra

Share your prayer requests and pray for others. Join a community of believers supporting each other through prayer.

13/01/2026

Fijoroana vavolombelona 1.

Fiadanana.
Mba atao anonyme tompoko.
Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Tompo.
Te hijoro vavolombelona aho t@ nanasitranin'i Jesosy Kristy ny zanako t@ aretina Otite (aretina ao amin'ny sofina izay mety hamparenina mihintsy raha tsy voatsabo, tsitongadronono)
Efa aretina mahazo azy foana izy io matetika Ary miverina foana indrindra rehefa misy sery.
5 volana Téo izy no voa dia niverina sahady ilay aretina, nefa tsy tsara hoy ny Dokotera Raha toa ka matetika loatra no voan'izy io.
Nitaraina tsentsina ny sofiny Ary marary ao anatiny ao, efa kivy zahay mivady hoe tsy maintsy ihinana fanafody be indray izany, fa ny tena mampanahy foana dia hoe Mbola hiverina vé ilay ao anaty sofina ao Raha toa ka misy infection foana?
Niteny tamiko ny zanako hoe t@farany ozy nametrahan'ny dadabe tanana ny sofiko dia tsy narary tsony. Izaho moa tao anaty tebiteby dia tsy norarahiko ny teniny, nanomboka narary ny Alina dia mba nanandrana fotsiny aho nivavaka ho azy, tena tsy nisy hoe finoana na inona fa hoe sao mba mety ihany na dia mba hapitsahatra ilay marary fotsiny anio Alina fa sao tsy mahita tory eo ilay zanako. Akory anefa ny hatairako fa tsy nisy minitra firy akory, dia niteny izy oe otrany afaka ozy ilay tsentsina Sady tsy marary intsony. Tsy tena Mbola tany vavaka natao no neritreretiko fa hoe mety mitsahatra Kely Satria efa Alina ny Andro dia tsy miasa bé ilay sofina. Efa natory aho vao Tonga saina hoe sao mba le vavaka Ary?! Menatra an'i Jesosy aho Satria tsy nino, Sady tsy nahatsiaro nisaotra Azy akory Téo no ho eo. Nivavaka aho tsinona fa tsy nisy finoana fa nitsapatsapa fotsiny, hany ka na nivaly Ary izany dia tsy hitako akory hoe efa nivaly.

Tiako hampaherezana antsika hoe matetika isika mivavaka dia efa eo ilay valimbavaka fa tsy tsapatsika sy tsy hitantsika fa lasa manao tsianjery fotsiny hoe ento ambavaka na hoe andao hivavaka.
Tena Mbola mamaly vavaka Jesosy Kristy fa mila mino isika, aza kivy raha mandalo sedra ianao, Ary aza manaiky tototry ny olana fa apetraho foana aloha ny olanao fa Izy hanome vaha olana tsy takatry ny sainao.

Mahereza daolo samy ho tahin'Andriamanitra.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mampahery anao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share