Yeshua Emet Thierry

Yeshua Emet Thierry Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Yeshua Emet Thierry, Baptist church, Antananarivo.

Matio 28:19–20
“Koa mandehana hianareo, ka ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina; mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo..."

👉Iza i Jesosy Kristy araka ny soratra Masina (Baiboly)?1.I Jesosy dia Andriamanitra tonga nofo, porofon'izany,Araka ny B...
09/04/2026

👉Iza i Jesosy Kristy araka ny soratra Masina (Baiboly)?

1.I Jesosy dia Andriamanitra tonga nofo, porofon'izany,
Araka ny Baiboly:
Ao amin’ny Filazantsaran'i Jaona 1:11,
"Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny."
•Ny “Teny” eto dia i Jesosy, fanazavana bebe kokoa ao amin’ny Filazantsaran'i Jaona 1:14 :
"Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika."
🤲Midika izany fa:
Efa Andriamanitra i Jesosy talohan’ny nahaterahany ary dia tonga olombelona Izy (teraka teto an-tany).

2. I Jesosy dia mitovy amin’Andriamanitra
Ao amin’ny Filazantsaran'i Jaona 10:30,
"Izaho sy ny Ray dia iray ihany."
Fanazavana bebe kokoa ao amin’ny Epistily ho an'ny Kolosiana 2:9,
"Fa ao aminy no itoeran’ny fahafenoan’ny maha-Andriamanitra."
❤️‍🔥 Mazava tsara fa tsy mpaminany i Jesosy, fa tena Andriamanitra mihitsy.
3. I Jesosy no Mpamonjy
Ao amin’ny Filazantsaran'i Jaona 3:16,
"Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany lahitokana…"
🤔 Antony nahatongavany:
👉Hamonjy ny olona amin’ny ota.
👉Hanome fiainana mandrakizay.
Manaza azy bebe kokoa ao amin’ny Asan'ny Apostoly 4:12,
"Tsy misy famonjena amin’ny hafa…"

✅ Midika fa i Jesosy irery no lalana ho any amin’ny famonjena.
4. Ohatra mazava amin’ny fiainany:
a) Naneho fa manana fahefana avy amin’Andriamanitra izy, nanasitrana marary, nanangana maty (oh: Lazarosy)
✓Ao amin’ny Filazantsaran'i Jaona 11,
b) Namela heloka,
✓Ao amin’ny Filazantsaran'i Marka 2:5–7,
Niteny i Jesosy hoe: "Voavela ny helokao"
➡️ Ny Jiosy dia nilaza hoe: "Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra?"
➡️ Jesosy dia manao zavatra izay Andriamanitra irery ihany no mahavita.
5. Ny fitsanganany tamin’ny maty (porofo lehibe indrindra)
Ao amin’ny Filazantsaran'i Matio 28,
➡️ Nitsangana tamin’ny maty i Jesosy taorian’ny 3 andro.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Yeshua Emet Thierry posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category