Teny Fiainana

Teny Fiainana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Teny Fiainana, Church of Christ, Alakamisy, Antananarivo.

MOFON'AINAZoma 24 Aprily 2026AO ANATIN'NY FAHORIANA, MATOKIA Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary a...
24/04/2026

MOFON'AINA

Zoma 24 Aprily 2026

AO ANATIN'NY FAHORIANA, MATOKIA

Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao. Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.
Sal. 63:5,6

[Nosoratana
tao anatin'ny fotoana lava niatrehana aretina sy fanaintainana, raha tany Aostralia ny mpanoratra].

Ora maro no laniko tao anatin'ny tsy fahitan-tory sy ny fanaintainana, nefa novelombelomina tao an-tsaiko indray (…) ireo teny fikasan'Andriamanitra sarobidy. Akaiky ahy tokoa ny Mpamonjy malala, ary tiako ny fitiavan'i Jesosy. Ny indrafony feno fitiavana sy ireo lesona nampianariny ny mpianany dia mazava sy manan-danja ka manolotra ny manan'ny lanitra ho sakafon'ny fanahy. (…) Rehefa hitan'ny Tompo fa mety ny hilazana hoe: "Miandrasa eto, amim-paharetana, ary mandiniha", ary rehefa mampahatsiahy ahy zava-tsarobidy maro (…) ny Fanahy Masina, dia tsy mahita antony himonomononana aho. (…) Mitamberina ao an-tsaiko ireo andalanteny izay nampahery ahy imbetsaka raha tao anatin'ny fahoriana aho:

"Tsy hitako izay eo alohako, raha miditra amin'ny taona vaovao aho;

nefa ny lasa dia teo ambany fitantanan'Andriamanitra, ary ny hoavy hohazavain'ny famindrampony.

Izay toa maizina eny lavitra dia hihamazava rehefa manatona aho.

"Ry tsy fahalalana feno fiadanana sy fifaliana; mahasoa ny tsy mahalala;

mampitony ahy eo amin'ireo sandry mahery izay mamihina ahy izany,

ary manankina ny fanahiko malahelo eo an-tratran'Ilay tia ahy fatratra.

"Koa tsy mampaninona ahy ny tsy mahalala,

aleoko mandeha ao amin'ny haizina miaraka amin'Andriamanitra, toy izay mandeha irery ao amin'ny mazava.

Aleoko mandeha miaraka Aminy amin'ny finoana, toy izay mandeha irery amin'ny fahitana.

"Mihorohoro ny foko eo anatrehan'ny fitsapana izay mety hiseho amin'ny hoavy,

Nefa tsy misy zava-mahory hanjò ahy izay tsy efa nofidin'ny Tompo malala.

Koa tsy hitomany aho fa hibitsibitsika hoe: 'Izy no mahalala.'"
Ms 40, 1892.

Address

Alakamisy
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Teny Fiainana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share