Fikambanana Zanaka Ampielezana FJKM Merikanjaka Fanantenana

Fikambanana Zanaka Ampielezana FJKM Merikanjaka Fanantenana Misy ihany koa ireo izay avy any amin'ny faritra.

Fikambanana Zanaka Ampielezana FJKM Merikanjaka Fanantenana dia fivondronan'ireo olona avy any Merikanjaka izay mipetraka sy monina eto andrenivohitra sy ny manodidina.

Fiadanana e!!!"Ary mpivavaka tsara sady matahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra." ASA:10:2a🎉 Ho fank...
23/07/2026

Fiadanana e!!!

"Ary mpivavaka tsara sady matahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra." ASA:10:2a

🎉 Ho fankalazana ny Fetin'ny Taranaka 2026, dia hisy ny hetsika maro samihafa ny Asabotsy 01 Aogositra sy ny Alahady 02 Aogositra.

📅 Toy izao ny fandaharam-potoana amin'izany 👇

Manentana antsika zanaka am-pielezana rehetra ho tonga maro hanotrona izany fotoan-dehibe izany any an-tanindrazana.

Alahady 12 jolay 2026 ✨Alahady natokana ho an'ny Zanaka Ampielezana FJKM Merikanjaka Fanantenana ⛪Ho fankalazana ny andr...
09/07/2026

Alahady 12 jolay 2026 ✨

Alahady natokana ho an'ny Zanaka Ampielezana FJKM Merikanjaka Fanantenana ⛪

Ho fankalazana ny andro natokana ho an'ny Fikambanana dia hisy ny
- Polo sy Casquette (Fikambanana ZA MF)
- Goûter izay jifaina 2000Ar
- Valopy ho atao mandritry ny Rakitra ho Fanohanana hatrany ny Fikambanana.

Ankoatr'izay ihany koa ny fanomanantsika ny Fetin'ny Taranaka ny 01 sy 02 Aogositra 2026 ho avy zao.

Koa manasa antsika zanaka am-pielezana rehetra ho tonga hanotrona izany fotoan-dehibe izany.

21/04/2026
FIKAMBANANA ZANAKA AMPIELEZANA FJKM MERIKANJAKA FANANTENANAFITSANGATSANGANANA(Hiarapaly, hiaraka hilalao, hiaraka hiala ...
21/04/2026

FIKAMBANANA ZANAKA AMPIELEZANA FJKM MERIKANJAKA FANANTENANA

FITSANGATSANGANANA
(Hiarapaly, hiaraka hilalao, hiaraka hiala voly sy haka rivotra isika)

Daty: đź“… Alahady 10 May 2026
Fanombohana: đź•™ 9ora maraina (Fanompoampivavahana)

Toerana: 📍 Vie la Joie Garden (Près tranombitsika, Sabotsy Namehana)

Andinindininy:
🎟️ Fidirana: 3 000 Ariary
đź§ş Sakafo: Samia mitondra ny sahaza azy avy
🚌 Fitaterana: Sarandalana iantohan’ny Fikambanana
(Filankevitra momba ny fitaterana: 034 63 703 69 [Mr Rolland] )

TONGAVA MARO
Samia ho tahian’Andriamanitra ✝️

Finaritra ry havana,Ny Alahady 22 martsa 2026 no daty hametrahana ofisialy araky ny lamina eo anivon’ny synodamparitany ...
20/03/2026

Finaritra ry havana,

Ny Alahady 22 martsa 2026 no daty hametrahana ofisialy araky ny lamina eo anivon’ny synodamparitany antsinanana an’i Mpitandrina vaovao RAZAFIMBOLAMENA Marie Jeanne hitondra indray ny Fitandremana FJKM MERIKANJAKA FANANTENANA.

Koa hanentanana antsika vahoaka an’Andriamanitra hanotrona azy ireo ny Alahady izao.
Ny fotoana dia hanomboka sasany maraina.

Halao hery ary ho fanotronana azy ireo Masina napetrak’Izy Tompo ireo.

Hanohy indray ny fitaizampanahy eo anivon’ny Fitandremana FJKM MERIKANJAKA FANANTENANA.

Tongava maro.
Samia hotahian’Andriamanitra

Finaritra ry HAVANA,Alahady 8 martsa 2026, Alahady natokana hanaovana veloma ary indrindra Irariana soa ny Mpitandrina R...
05/03/2026

Finaritra ry HAVANA,

Alahady 8 martsa 2026, Alahady natokana hanaovana veloma ary indrindra Irariana soa ny Mpitandrina RAMAMONJISOA Ndretsaharivelo mianakavy eto anivon’ny FJKM Merikanjaka Fanantenana.

Isaorana Andriamanitra, isaorana ny Mpitandrina mianakavy nizara, nampianatra ary nitaiza ny fiangonana nandritr’izay 9 taona izay.

Tongava maro @ Alahady 8 martsa 2026 izao sady ho valimpitia ho azy ireo, ary hanohanana azy ireo ihany koa Masina izay nanendren’ny Tompo azy!

Araky ny lamina napetraky ny synodamparitany moa dia eny @ FJKM Betsizaraina indray no hanohizan’izy mianakavy ny asa masina nanendrena azy ireo!

Mirary soa Pasitera Ndretsa

Samia ho tahian’Andriamanitra.


Finaritra!!Alahady 11 Janoary 2026Fifampiarahabana Tratry ny Taona eo anivon’ny Zanaka Ampielezana FJKM Merikanjaka Fana...
08/01/2026

Finaritra!!

Alahady 11 Janoary 2026

Fifampiarahabana Tratry ny Taona eo anivon’ny Zanaka Ampielezana FJKM Merikanjaka Fanantenana

Fotoampivavahana manomboka maraina
Toerana: Collège Marthe Hervé (Route Ankasina)

Hisy Sakafo Fiombonampo toy ny Isa taona 10 000Ariary (Laoka + Vary + Lasary) hoentina iatrehana ny adidy kitapo iombonana any @ reny fiangonana any an-tanindrazana. Aza adino ny mitondra Lovia + Sotro + Kaopy

Hisy ihany koa ny fiarahabana ireo Ray amandreny nahatratra ny taona vaovao 2026, fiarahabana ihany koa ireo mpianatra afaka fanadinana arapanjakana t@ taondasa.

Samia mifampilaza
Tahian’Andriamanitra

Alahady 14 desambra 2025Alahady natao itondrana am-bavaka ny Mpitandrina  Ndretsa mianakavyFotoambavaka Zanaka am-pielez...
10/12/2025

Alahady 14 desambra 2025

Alahady natao itondrana am-bavaka ny Mpitandrina Ndretsa mianakavy

Fotoambavaka Zanaka am-pielezana FJKM Merikanjaka Fanantenana isaky ny Alahady Faharoa.
Collège Marthe Hervé Route Ankasina (Boulevard)
Manomboka maraina

Hanentanana ihany koa ny SLK (Sampana Lehilahy Kristianina) rehetra ho tonga maraina.

Tongava maro ary samia mifampilaza

Tahian’Andriamanitra
Ny Birao ZA FJKM Merikanjaka Fanantenana

Finaritra!!!Isaorantsika Andriamanitra satria tontosa soamantsara ny Fetin’ny Taranaka izay natao ny 02 sy 03 Aogositra ...
09/08/2025

Finaritra!!!
Isaorantsika Andriamanitra satria tontosa soamantsara ny Fetin’ny Taranaka izay natao ny 02 sy 03 Aogositra 2025 teo.
Ankasitrahana ihany koa isika Zanaka am-pielezana rehetra tonga tany Merikanjaka indrindra ireo avy lavitra any .

Sary vitsivitsy voaraiko. Angatahana alalana rehetra.

Aza adino ny fiarahamivavaka isaky Alahady faha-2 ao Marthe Hervé Ankasina.

Izany hoe ny Alahady 10 Aogositra 2025 no fivoriana manaraka. Salle 13 Institution Marthe Hervé Ankasina

Samia hotahian’Andriamanitra.

Fetin’ny Taranaka FJKM Merikanjaka Fanantenana02 sy 03 Aogositra 2025Hanasana antsika rehetra.Tongava maro ary samia mif...
24/07/2025

Fetin’ny Taranaka FJKM Merikanjaka Fanantenana
02 sy 03 Aogositra 2025
Hanasana antsika rehetra.
Tongava maro ary samia mifampilaza!!!
Hervé RakEva NadineRamamonjisoa NdretsaChantal BodoharilalaoHarimalala ClaireHarilanto Mbolatiana Razafindrakoto

Address

Merikanjaka
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fikambanana Zanaka Ampielezana FJKM Merikanjaka Fanantenana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share