AFF FJKM Ambatolampy A.F

AFF FJKM Ambatolampy A.F Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from AFF FJKM Ambatolampy A.F, Religious organisation, FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana, Antananarivo.

Natao ho an'ny olona rehetra ity pejy ity, na avy aty Ambatolampy izy na tsia mba ho:
Fitoriana ny filazantsara
Hifampizarana tenin'Andriamanitra
Hifampaherezana
Hampitana ireo vaovao sy ny asan'ny fiangonana atao sy mbola miandry.

Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra ...
24/01/2026

Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra β€” Marka 16 : 15

Finaritra. Roso indray isika amin'ny fanatanterahana ny Tafika Masina isam paritra. Hisantarana izany ny Faritra Andrefana izay hanomboka ny Alatsinainy 26 janoary izao.
Amin'ny 7ora maraina ny fotoana hiaingana eo ampiangonana.

Hisy ny fiofanana ao ampiangonanana ihany ny Alahady 25 janoary amin'ny 4 ora tolakandro.

Samia mifampilaza.

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra.

Finaritra.Tafika masina iarahana amin ny Fjkm Bemasoandro Kristy Fahazavana ny sabotsy 15 sy alahady maraina 16 Novambra...
07/11/2025

Finaritra.Tafika masina iarahana amin ny Fjkm Bemasoandro Kristy Fahazavana ny sabotsy 15 sy alahady maraina 16 Novambra.
Ireo tsara ho fantatra:
- maimaimpoana ny fandraisana anjara fa ny AFF no miantoka ny saran-dalana sy ny saran-dasy rehetra.
- 9 novambra no fara fisoratana anarana any amin'ireo biraon'ny AFF.
- fiofanana omena ireo hiantafika ny alahady 9 novambra amin'ny 3 tolakandro
- mandefa solontena 4 avy ny isan tsampana
- entanina manokana ny mpiandry sy ny katekista
- sabotsy 15 novambra amin ny 7 ora maraina ny fiaingana eo am-piangonana FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana.
Samy mitondra ny kojakoja fatoriana, ny filΓ n'ny tsirairay avy, ny baiboly sy fihirana tsy adino.
Mankasitraka tompoko. Samia mahereza. Mifampilazà 😊

08/09/2025

Finaritra. Aza hadinoina ilay fisoratana anarana ho antsika AFF rehetra izay te hamonjy ny fihaonambe any Morondava. izao no farany ann. Mankasitraka tompoko πŸ™

"Indro havaoziko ny zavatra rehetra. Apok 21:5b"πŸ™ Misaotra an'Andriamanitra lehibe isika noho ny fahatanterahan'ny vavak...
22/07/2025

"Indro havaoziko ny zavatra rehetra. Apok 21:5b"

πŸ™ Misaotra an'Andriamanitra lehibe isika noho ny fahatanterahan'ny vavaka sy fifadian-kanina tamin'ny asabotsy lasa teo.
πŸ™ Misaotra antsika rehetra tonga nanatrika izany fotoana izany ihany koa, naharitra sy niaritra hanoanana.
πŸ™ Misaotra mankasitraka antsika komitin'ny AFF rehetra izay nandray anjara nahafahana nanatanteraka iny fotoana iny; eny fa na ireo izay tsy nandray anjara mivantana koa aza fa kosa nanohana am-bavaka.
πŸ™ Misaotra anareo mpiandry tonga nanatanteraka ny asa sy fampaherezana; ianareo antokom-pihira rehetra nandray anjara ihany koa; ary ianareo FIMPIZ.
πŸ™ Misaotra ny Mpitandrina sy ny biraom-piangonana niara-niasa akaiky hatrany tamin'ny AFF.

Hitondra fanavaozana ny toetsika sy ny fiainam-panahintsika anie iny fotoana iny, hananantsika hery indray hiatrehana ireo adidy maro mbola miandry.
Samia hotahian'Andriamanitra ☺️

08/07/2025

Finaritra! Araka ny fandaminana dia hotanterahina amin'ny 19 Jolay ho avy izao ny fifadian-kanina, koa samia ary miomana, amboary ny fandaharam-potoana.
Tahian'ny Tompo o πŸ™

21/06/2025

Aza hadinoina fa anio amin'ny 9ora30 eny amin'ny FJKM Ambohijafy Fanantenana ny fiofanantsika biraon'ny Sampana, Sampanana, Asa, Fikambanana , Komity rehetra.Tanteraho ny fanompoanao.

14/06/2025

Aza hadinoina ny fotoanantsika anio hariva ry komitin'ny AFF 😊. Mankasitraka tompoko πŸ™

Address

FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when AFF FJKM Ambatolampy A.F posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share