Fjkm Malaza Gileada - Pejy Ofisialy

Fjkm Malaza Gileada - Pejy Ofisialy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fjkm Malaza Gileada - Pejy Ofisialy, Christian church, Malaza, Antananarivo.

25/05/2026
Alatsinain ny Pentekosta.  Evasion  Malaza Gileada
25/05/2026

Alatsinain ny Pentekosta.
Evasion
Malaza Gileada

Santionan ny  kilalao ho an ny ankizy  @ Lundi de Pentecote
11/05/2026

Santionan ny kilalao ho an ny ankizy @ Lundi de Pentecote

03/05/2026

Manomboka anio ny fisoratana anarana alatsinainin ny pentekosta eny amin ny espace evasion Amboanjobe.

01/01/2026

Fiadanana Deo. 11.12"Ny mason'i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo anao mandrakariva hatr@ fiandohan'ny taona ka hatr@ fiafarany" MIARAHABA NAHATRATRA NY TAONA VAOVAO 2026.

01/12/2025

FJKM MALAZA GILEADA
SPAA 11

FIFANINANANA SARY FAMANTARANA SY HIRA FANEVA 160 TAONA FJKM MALAZA GILEADA

Mankalaza ny faha 160 taonany ny Fiangonana FJKM Malaza Gileada, noho izany, dia hisy ny fifaninana sary famantarana “Logo” sy hira faneva ho amin’izany.
Toy izao ny andinindininy mahakasika izany:

• Ny teny faneva amin’ny fankalazana, dia ny hoe: “Ary Kristy Jesoa no fehizoro indrindra”. Efes. 2/20b

• Fifaninanana misokatra ho an’ny Kristianina rehetra mivavaka eto amin’ny FJKM Malaza Gileada tsy ankanavaka.

I. FIFANINANANA LOGO FAHA 160 TAONA FIANGONANA FJKM MALAZA GILEADA

a) Ny loko ampiasaina, dia ny lokon’ny FJKM irery ihany (manga, fotsy, mena, maitso). Marihina, fa ny loko fototra kosa, dia ny manga volondanitra.

b) Atao anaty taratasy fotsy A4, atao dika roa mitovy. Afaka ihany koa anefa atao anaty support toy ny CD, Clef USB fa tsy voatery.

c) Fepetra amin’ny mpandray anjara:

o Sanganasa original, tsy nalaina tahaka na nadika avy tany an-kafa
o Lasan’ny Fiangonana tanteraka ho fananany ny sanganasa, ka afaka ampiasainy amin’izay mety ilany izany.

II. HIRA FANEVA FAHA 160 TAONA FJKM MALAZA GILEADA:

a) Miompana amin’ny teny faneva ny tononkira

b) Misy andininy telo, sy fiveranana isan’andininy

c) Feo efatra no mihira azy.

d) Hira migadogadona sy mailaka amin’ny maha hira faneva azy.

e) Tsy mihoatra ny 3 minitra ny faharetany

f) Atao solfa ny sanganasa ary asiana feonkira raha azo atao , tsy misy tonony atao anaty clé USB, ihany koa.


III. FEPETRA SY DATY FARA-FANATERANA NY SANGANASA:

HO AN’NY FIFANINANA LOGO SY FIFANINANANA HIRA FANEVA:

1. Atao anaty valopy A5 iray ny mombamomba ny mpifaninana, anarana, adresse, telephone, dia hidina tsara.

2. Atao anaty valopy A5 iray hafa ny sanganasa :

a. ny logo raha logo no hifaninanana, dia hidina tsara
NA

b. ny solfa sy ny clé USB misy ny hira raha toa ka hira faneva no hifaninanana, dia hidina tsara

3. Ireo valopy roa A5 voalaza eo @ 1. sy 2. roa ireo, dia atsofoka ao anaty valopy lehibe iray A4, ary tsy asiana famantarana ny mombamomba ny mpifaninana akory, dia hidina tsara.

4. Aterina ao amin’ny Sacritstain ny sanganasa, daty farany fandraisana izany, dia ny 04 Janoary 2026

Mankasitra sy misaotra ny rehetra sahady amin’ny fandraisana anjara.

Raha misy fanontaniana, dia afaka manaton ireo ao amin’ny Komisiona ieo izay handray anjara.

NB : REHEFA VITA NY FIFANINANA DIA AVERINA ANY AMIN NY TOMPONY NY CLEF USB

An’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !

Address

Malaza
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fjkm Malaza Gileada - Pejy Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share