31/12/2025
ðð ðððððððð : ððððð ð
ðððð
ððð ððððâðð ððððððððâððððð ð
ðððððððððð ðð ððððð
ð ððŒð®ð»ð ð®,ððŽ-ð®ð
ðŠð®ð¹ð®ðºðŒ ðµð±
ð ð± ððŒð®ð»ð ð,ð-ððŽ
Mifarana ny taona fa mitohy ny fiainana. Ary izay no hafatrafaranâny vavaky ny Fiangonana aminâny lamesa anio. Ny fahaterahanâi Jesoa, ny Noely ankalazaintsika, izany hoe ny Misterinâny Teny Tonga nofo, izay lazainâi Joany ao aminâny Evanjely, no nataonâAndriamanitra ho fototra iorenanâny fivavahana ary mitondra azy aminâny fahalavorariana, aminâny maha-vahoakanâAndriamanitra antsika (vavaka fangatahana). Izy Andriamanitra no loharano ipoiranâny fitiavam-bavaka sy ny fiadanana marina (vavaka fanolorana) ka mitantana antsika hahazo fanafody avy aminâny fitiavany, ka rahefa ankahereziny sy alany alahelo ety an-tany dia miezaka bebe kokoa amim-pitokiana ho tody any aminâny fonenana mandrakizay (vavaka aorianâny kÃŽmonio).
Fanao ny jery todika rehefa mifarana ny zavatra iray. Ary ny jery todika hanentananâny Fiangonana antsika aminâny Taona diavina dia hoe, i Kristy tokoa ve no niandohanâny fiainantsika, ny niandohanâny fanisà na ny androntsika, misy fahatsiarovana Azy izay ivonâny tantara ve ny taona vaovao andrasantsika?
Na ny kristianina na ny tsy mpino dia mankalaza io taona io, saingy vitsy no mahatsiaro fa i Kristy no ivo ankalazaina eo. Ilay teny tonga nofo no hifaliantsika satria na ny taona 2026 idirantsika aza ohatra, dia taona faha-2026 âaorianâi Kristyâ. Dia atao ahoana moa fa dia tavoahangy sy alim-pandihizana no hiandrasantsika azy. Hafaliana ao Aminy ve izany? Hafaliana mampiombona ve? Dia hampiova ny fiainantsika ho tsara ve ny âmanala azy indray alinaâ, ary raha sanatria anâizany diso tafahoatra, na diso bosaka dia mihevitra ve isika fa mba mikÃŽnfesy kely dia vita?
Ny lainga rehetra dia tsy avy aminâny marina, hoy i Md Joany, ary indraindray tsy lainga avy aminâny olona ihany no mahavoa antsika fa lainga avy aminâny lamaody, avy aminâny fanjakanâilay andriamanitra âmamÃŽnaâ, ka mahasondriana vetivety, fa avy eo mamela mangidy tsy hay tohaina ho anâny fiainana manontolo. Ny teny no manavaka antsika aminâny biby hafa: natao hampitana fahalalana sy hifandraisana, hampivoarana ny asa sy ny fiaraha-monina, hampitomboana ny firaisan-kina sy ny fahafahana, saingy mety koa ampiasanâny olona hamitahana sy hampiadiana, hitsikerana mba hamotehana, hiarovana ny tombontsoa manokana sy hanandevozana ny hafa. Ny teny, tokony ho fiainana dia mbola lozaloza kokoa noho izany, raha tsy mifanaraka aminâizay lazaina ny atao.
Ahoana ny fiheveranâny tsy mpino ny fihetsiky ny kristianina, mitory ny fitiavanâAndriamanitra sy ny fitiava-namana, kanefa mandany misimisy kokoa aminâny fiandrasana ny taona vaovao noho izay mba rakitra na fanomezana mba omena ny mahantra ny andro Noely? Azo inoana ve fa ny fitiavanâAndriamanitra sy ny fitiavanâi Kristy tokoa no manjaka ao aminâizy ireo?
Isika no noharianâAndriamanitra mba haneho ny endriny ary hibanjina ny fitiavany ka hanahaka Azy. I Adama moa efa niafina tsy te hijery ilay endrika fitiavana nahary azy satria menatry ny nataony, taminâny tsy fitokisana ny teniny. Ilay Adama vaovao kosa anefa nanaiky ho tonga olombelona, mba hampamirapiratra indray ilay endrikâAndriamanitra. Izy no ilay Teny nahariana ny zavatra rehetra, ilay Teny nahariana antsika, Andriamanitra nahary antsika, tonga nofo toa antsika mba hahatonga antsika koa ho zanakâAndriamanitra.
Izay mandray ny Teny ho fahazavana ihany anefa no omena ny fahazoana ho tonga zanakâAndriamanitra. Tsy manery ny fitiavana: isika no misafidy na âtso-drano na ozonaâ (Dt 11,27), na fiainana na fahafatesana (Dt 30,15). Ny fibanjinantsika ny voninahitrâilay Teny tonga nofo ka hakantsika tahaka azy manao soa hatraiza hatraiza no lalana miditra mankaminâny fahasambarana. Ny lalanâi MÃŽizy dia mitondra antsika ho aminâizany hafenoanâny fitiavana izany. i Jesoa no ilay MÃŽizy vaovao hitondra antsika any aminâny tany nampanantenaina.
Ny Fanahy Masina no mahatonga nofo ao amintsika ny Teny, ary afaka mampiboiboika ao am-pontsika ny fitiavam-bavaka sy ny fiadanana marina (vavaka fanolorana) izay mifototra aminâny fahatongavanâi Kristy ho nofo. Hitalahoantsika izy mba hanilo ny fiainantsika ka tsy ho resinâny lainga afitsoky ny rivomaherinâny rendrarendra sy ny ankoso-bolamenanâizao tontolo mandalo izao.
Mirary ho anao taona vaovao isaina manana anâi Jesoa Kristy ho ivony.