14/07/2025
ROJOMBAVAKA TALATA 15 JOLAY 2025
Itondrana amim-bavaka ny Herinandrom-bokatry ny Sampana Vondrona Fototra Laika
“Ao amin’ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana”
Joba 12. 12
Ry Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina ô,
Misaotra nanome anay izao fotoana izao ahafahanay miantso, midera, mankalaza ary manome voninahitra ny Anaranao Masina.
Mifona aminao izahay tamin´ireo zavatra nataonay tsy araka ny sitraponao. Diovy amin’ny ràsoanao izahay Tompo ô! Aza mahafoy na mahasaraka anay satria ao aminao ihany no misy ny tena fiainana. Ary dia raisinay sahady amin’ny finoana ny famelan-keloka avy aminao.
Tompo ô! Misaotra noho ny fitantanan´ny tànanao mahery ireo raiaman-dreny sy ireo
zokiolona rehetra tsy an-kanavaka. Misaotra noho ny andro maro sy taona ela niainany ary ny fiadanana avy aminao.
Mangataka aminao izahay hampitoetra hatrany ny fahendrena ananan´izy ireo. Omeo fanahy mahery, fo feno fitiavana sy fiadanana hatrany izy ireo. Ampahatsiahivo azy ireo mandrakariva, fa sarobidy eo imasonao izy na dia efa mandroso taona aza, satria tsy mizaha tavan’olona Ianao fa tia ny olonao tsy an-kanavaka.
Aoka ho toy ny hazo mamoa eo anilan’ny renirano izy ireo, ka na dia efa fotsy volo sy vesaran’ny taona aza dia mbola hitombo finoana , hazoto amin’ny asa tsara sy ny teny tsara, ary ho feno fanantenana hatrany noho ny aminao. Mba ho fitaratra ho an’ireo zanaka, sy ireo taranaka, hampianatra sy hampita amin’izy ireo ny maha olom-boaantso azy ireo ka hitondrana fanantenana sy fahazavana ary hampiorina hatrany ny finoany.
Dia isaoranay sahady Ianao ry Andriamanitra mpamaly vavaka. Ataonay amin’ny finoana izany vavaka izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Ilay Tompo sy Mpamonjy anay.
Amena !
ANDRIAMAHADISON Ndrina
VFL