Ziona FMFOI - Antandrokomby Edena

Ziona FMFOI - Antandrokomby Edena Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ziona FMFOI - Antandrokomby Edena, Christian church, Antandrokomby, Antananarivo.

05/05/2026
25/10/2025
29/12/2024
Andro manokana ny rahampitso, dia ny Sabatan’i JEHOVAH.🗣️ Vonona ve ianao hanararaotra izany fotoana izany mba hanaisotr...
01/11/2024

Andro manokana ny rahampitso, dia ny Sabatan’i JEHOVAH.
🗣️ Vonona ve ianao hanararaotra izany fotoana izany mba hanaisotra izay manavesatra anao?

📖 Tompo dia manolotra ny tanany feno fitiavana aminao ka manao hoe: “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Torotoroy ao am-ponao io tenin'Andriamanitra io amin’izao alin’ny Sabata izao.

* Nandreraka anao ny rotorotom-piainana sy ny ady nentin'ny asa nandritry ny fotoana lava izay?
* Nanelingelina anao ny fiovaovan'ny fiainana na ny manodidina anao?
✨ amin'Andriamanitra amin'izao andro fitsaharana izao ary fa hanome anao fiadanana sy fanohanana ilainao.

Amin’izao Sabatan’i izao, aza ny tenanao fotsiny ihany no atolotrao AZY fa izay manavesatra anao na ny fiainanao rehetra mihitsy dia ho tsapanao fa hofenoin'Andriamanitra fanafahana, fitsaharana sy fiadanan-tsaina ianao.

Manatòna Azy amim-pinoana sy fanantenana, dia hahita fiadanana sy fanafahana ara-panahy ianao. 🙏

📣 Enga anie ity Sabata ity ho fotoana fanavaozana sy fitomboana am-panahy ho anareo.

🔰Anisan'ny filamatra ato amin'ny Ziona FJTSa7 izay tarihin'ny Raiamandreny Apostoly Benjamina ny hoe : "RAHA HIVAVAKA IH...
11/10/2024

🔰Anisan'ny filamatra ato amin'ny Ziona FJTSa7 izay tarihin'ny Raiamandreny Apostoly Benjamina ny hoe :
"RAHA HIVAVAKA IHANY dia ALEO IZAY VOASORATRA SY ARAKA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA no TANTERAHINA. "

🔰Ary rehefa hivavaka ihany dia aleo tena mivavaka tsy asiana fiatsaram-belatsihy.

🔰Ao anatin'izany ny fankatoavana ny DIDY FAHA-4 ao amin'ny DIDY FOLO NOMEN'I JEHOVAH.

👉« Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy.
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. » (Eksodosy 20:8-11)

👉« Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. » (Eksodosy 20:8)

🔥 MANASA ANAO ary ny FIANGONANA FMFOI - Antandrokomby Edena
📣 'NDAO HIARA-HIVAVAKA AMINAY, FA MILA AN'ANDRIAMANITRA MARINA IO FIAINANAO IO.

⏰ Sabotsy 12 Octobre 2024, manomboka amin'ny 09ora maraina.
🔰Trano Fivavahana FMFOI Antandrokomby Edena


Address

Antandrokomby
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ziona FMFOI - Antandrokomby Edena posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share