Nomad Madagascar

Nomad Madagascar Ny zava-drehetra momba ny famoronana media sy fizarana momba an’i Jesosy.

27/08/2026

"Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira; Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina." Salamo 1:1-2

MOFONAINA Alarobia 26 Aogositra 2026MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO« 3 Jaona 1:1-8 »Tsy voatery ho isika rehetra no hivo...
26/08/2026

MOFONAINA Alarobia 26 Aogositra 2026

MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

« 3 Jaona 1:1-8 »

Tsy voatery ho isika rehetra no hivoaka ny tanàna handeha hitory lavitra. Saingy isika kosa dia voaantso ho mahatoky amin'ny fandraisana sy fiahiana an'ireo izay nanao ny asan'Andriamanitra.

Inona no tian'Andriamanitra ampianarina amin'ny alalan'io Soratra Masina io ?
Maneho fankasitrahana feno ho an'i Gaio, rahalahy malala ao amin'ny finoana, i Jaona Apostoly. Tiany ny nandre fa mandeha amin'ny fahamarinana i Gaio. Nefa ny tena nankatoavany azy dia ny asa feno fitiavana sy ny asa fanompoana nataony ho an'ny rahalahy sy ny vahiny (ireo mpitory nandehandeha). Nambaran'i Jaona fa "Koa isika dia tokony handray ny olona toy ireny, mba ho mpiara-miasa aminy ho amin'ny fahamarinana" (And.8). Ny fandraisam-bahiny sy ny fanohanana ny mpanompon'Andriamanitra dia fandraisana anjara mivantana amin'ny famonjena fanahy.

Ahoana ny fomba hampiharako an'io teny io eo amin'ny fiainako ?
Aza hadinoina ny mikarakara, mampiantrano, na manohana ara-bola sy ara-tsakafo an'ireo mpanompon'Andriamanitra izay sahirana amin'ny fanaovana ny asany. Rehefa Mahatoky amin'ny fanohanana ireny mpiasa ireny ianao, dia lasa "mpiara-miasa aminy" eo imason'ny Tompo. Raiso ho adidy masina ny manohana izay mampiely ny fahamarinana.

Ampio aho ry Tompo hanana fo misokatra sy tanana malala-tanana mba hanohana ireo mpanomponao mandeha mitory ny Filazantsara. Amen.

Ho anao izay mamaky :
Araka ny taratasin'i Jaona, inona no tokony hataontsika amin'ireo rahalahy na vahiny izay mandeha mitory ny Filazantsara ?

-- Vatsim-panahy ho anao --

25/08/2026

Jesosy manadio ianao!

25/08/2026

Ny vavaka sy ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra dia anisan’ny fitaovam-piadiana ara-panahy lehibe indrindra ho an’ny Kristianina.
Ny vavaka → fifandraisana sy fifampiresahana amin’Andriamanitra; mitondra ny adintsika eo anatrehany.
Ny Tenin’Andriamanitra → manome fahamarinana, mampahery, mitarika ary manampy antsika handresy ny lainga sy ny fakam-panahy.
Ao amin’ny Efesiana 6:17–18, rehefa miresaka momba ny fiadian’Andriamanitra i Paoly, dia milaza ny “sabatry ny Fanahy, dia ny Tenin’Andriamanitra”, ary avy eo manohy hoe “mivavaha mandrakariva amin’ny Fanahy.”
Noho izany, raha fintinina: Eny, ny Kristianina dia mila mivavaka sy mifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hiatrehana ny ady ara-panahy. 🛡️📖🙏

25/08/2026

MOFONAINA Talata 25 Aogositra 2026

MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

« Nehemia 7:1-3 »

Ao anatin'ny fitantanana na inona na inona rafitra, ny fahendrena dia tsy miankina amin'ny halavan'ny diplaoman'ny olona, ​​fa amin'ny fankatoavany sy ny fahamendrehan'ny fony.

Inona no tian'Andriamanitra ampianarina amin'ny alalan'io Soratra Masina io ?
Rehefa voaorina tsara ny mandan'i Jerosalema ary voalamina ny tanàna, dia nila nanendry mpitondra sy mpiambina i Nehemia. Nanankina ny fitantanana an’i Jerosalema tamin'i Hanany rahalahiny sy Hanania izy. Inona no antony manokana nisafidianany an’i Hanania ? Lazain'ny Soratra Masina mazava izany : "Fa lehilahy mahatoky izy sady natahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro" (And.2). Tsy fahaizana politika na hery no notadiavin'i Nehemia, fa ny fahatahorana ny Tompo sy ny tsy fivadihana. Izany no fepetra lehibe indrindra miaro sy mampandroso ny vahoaka.

Ahoana ny fomba hampiharako an'io teny io eo amin'ny fiainako ?
Raha omena fahefana hisafidy olona hiasa miaraka aminao ianao, na hanendry mpitarika vaovao ao amin'ny vondrona misy anao, aza variana loatra mijery ny fahaizana mandaha-teny fotsiny. Katsaho ny olona manana fo matahotra an'Andriamanitra sy tsy mivadika. Ary ho anao manokana : mambolea izany toetra izany ao anatinao, dia ho hitan'Andriamanitra fa mendrika hitantana zavatra lehibe kokoa Ianao.

Tompo ô, voleo ato anatiko ny fahatahorana Anao sy ny fo tsy mivadika, mba ho mendrika itokisana amin'ny asanao aho. Amen.

Ho anao izay mamaky :
Inona no toetra lehibe nampiavaka an’i Hanania ka nahatonga an’i Nehemia nanankina taminy ny fitantanana an’i Jerosalema ?

-- Vatsim-panahy ho anao --

24/08/2026

Jesosy ny panafaka

MOFONAINA Alatsinainy 24 Aogositra 2026MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO« 1 Mpanjaka 2:1-4 »Ny tena lova tsara indrindra a...
23/08/2026

MOFONAINA Alatsinainy 24 Aogositra 2026

MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

« 1 Mpanjaka 2:1-4 »

Ny tena lova tsara indrindra azo apetraka amin'ny taranaka sy ireo mpandimby antsika dia tsy ny harena mandalo, fa ny hafatra hijoro ho mahatoky eo anatrehan'Andriamanitra.

Inona no tian'Andriamanitra ampianarina amin'ny alalan'io Soratra Masina io ?
Talohan'ny nahafatesan'i Davida Mpanjaka, dia nanafatra an’i Solomona zanany lahy izy. Ny tena votoatin-kafatr'ity mpanjaka lehibe ity anefa dia tsy momba ny tetikady ara-tafika na ny fitadiavam-bola, fa izao : « Mahereza, ka misehoa ho lehilahy ; ary tandremo izay asain'i Jéhovah Andriamanitrao hotandremana » (And.2-3). Nanantitrantitra i Davida fa ny fahombiazana amin'ny lalan-drehetra halehan'i Solomona, ary ny fanohizan'Andriamanitra ny teny fikasany amin'ny fianakaviany, dia miankina irery ihany amin'ny fandehanana amin'ny fahamarinana sy ny fitandremana ny didin'ny Tompo amin'ny fo sy Saina Manontolo.

Ahoana ny fomba hampiharako an'io teny io eo amin'ny fiainako ?
Raha raiamandreny ianao, na filoha mitaiza tanora, inona no tena imatimatesanao ho lova ampitaina aminy ? Manaiky ho mpanompo mahatoky ianao rehefa mitaona ny zanakao na ny olona tarihinao tsy ho andevon'ny vola, fa ho sarotiny amin'ny fanarahana ny Tenin'Andriamanitra. Miaraka amin'izany, aoka koa ny tenanao ho modely velona voalohany amin'izany fahatokiana sy fankatoavana izany !

Ray ô, ataovy fitaovana aho hitaiza ny taranako mba ho olona mahatoky sy mpitandrina ny teninao hatrany. Amen.

Ho anao izay mamaky :
Inona no hafatr'i Davida farany ho an'i Solomona zanany mba hahambinina ny lalany rehetra : ny hitady harena sa ny hitandrina ny didin'i Jéhovah ?

-- Vatsim-panahy ho anao --

23/08/2026

Mahita ity Longo!

21/08/2026

“Eny, i Jesosy dia manova ny fiainan’ny olona.”

21/08/2026

Jesosy tia ianao!

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Nomad Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Nomad Madagascar:

Shortcuts

Share