05/05/2026
VAVAKA FANGATAHANA AMPANAOVINโNY PAPA
๐ ๐๐ผ๐ ๐๐๐๐: "๐๐ผ ๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป-๐๐๐ฎ๐ธ๐ฎ๐ณ๐ผ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ ๐ฟ๐ฒ๐ต๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ"
๐๐ฌ๐ป๐บ ๐๐๐๐๐๐๐๐บ ๐๐ ๐ฟ๐บ๐๐บ๐๐๐บ๐-๐๐๐บ๐๐บ๐ฟ๐ ๐ฟ๐บ๐๐บ๐๐บ๐๐ ๐บ๐๐๐พ ๐๐ ๐๐๐๐๐บ๐๐๐บ๐, ๐๐บ๐๐๐บ๐๐ ๐บ๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐บ๐๐๐๐บ๐๐๐บ ๐
๐พ๐๐๐ป๐พ ๐๐บ ๐๐บ๐๐๐บ๐๐ ๐บ๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐บ๐๐๐๐ฟ๐บ ๐๐บ๐ฝ๐๐๐๐๐บ, ๐บ๐๐ ๐๐บ๐๐บ๐๐บ ๐๐บ๐๐บ๐ฟ๐ ๐บ๐๐บ-๐๐บ๐๐บ๐๐บ๐
๐บ๐๐บ๐๐บ ๐๐ ๐๐
๐๐๐บ ๐๐พ๐๐พ๐๐๐บ.
๐ฝ๐ธโ๐ธโค๐ธ๐๐ธโ๐ธ ๐๐ ๐ฝ๐ธโ๐ผโ๐๐ธโ๐ธโ๐ธ:
Mivavaka miaraka aminโny Papa Lรฉon XIV isika mandritra ity volana mey ity ho anโny fananan-tsakafo ho anโny olona rehetra.
๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐บ๐ฏ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ธโ๐ผ๐น๐ผ๐บ๐ฏ๐ฒ๐น๐ผ๐ป๐ฎ mandraka ankehitriny ny hanananโny rehetra sakafo ampy mba hivelaranโny olona manontolo. Ary ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐๐ฎ๐ป๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ด๐น๐ถ๐๐ manoloana izany ny fampitana ny lanjanโireo zavaboary natao ivelomana aminโny maha fanomezanโAndriamanitra azy sy soa natao ho anโny besinimaro, ary ny fanoroana ireo toe-panahy ilaina, mifanaraka aminโny fanajana ny tontolo iainana sy ny fahamendrehana maha olona. ๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐บ-๐ฝ๐ฎ๐ต๐ฎ๐บ๐ฒ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ด๐น๐ถ๐๐ izany ankehitriny manoloana ny fiovan'ny toetr'andro, ny ady, ny rafitra ara-toekarena tsy ara-drariny ary ny fanarian-tsakafo. Ilaina tokoa ny fandraisanโny rehetra anjara aminโny vavaka sy ny fiatrehana izany.
Nanambara ny Papa Benoa XVI, tany aminโny FAO taminโny 2009, fa mifandray aminโny zo fototra hiaina ny zo ara-tsakafo. Ary ao aminโny Ansiklika ๐๐ข๐ณ๐ช๐ต๐ข๐ด ๐ช๐ฏ ๐๐ฆ๐ณ๐ช๐ต๐ข๐ต๐ฆ dia milaza izy fa tsy miankina loatra aminโny tsy fahampiana ara-materialy ny hanoanana fa noho ny tsy fisianโny rafi-piombonana sy ny firaisankina. Henatra sy fanafintohinana ara-mรดraly ny fisianโny hanoanana, hoy Papa Joany Paoly II taminโny fanokafana ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba ny Sakafo taminโny 1996. Ny fanaovana laharam-pahamehana ny soa ho anโny olombelona rehetra, hoy izy ao aminโny Ansiklika ๐๐ฆ๐ฏ๐ต๐ฆ๐ด๐ช๐ฎ๐ถ๐ด ๐๐ฏ๐ฏ๐ถ๐ด, dia mitaky ny fijerena ireo fomba fiainana miteraka ny fandaniam-poana sy ny tsy fijerena ny hafa. Ankoatra izay dia nasongadinโny Papa Lรฉon XIV tany Malabo any Guinรฉe รฉquatoriale, taminโny 21 aprily lasa teo fa mifanipaka ny fandrosoanโny teknรดlรดjia vaovao sy ny fahantrana misy maneran-tany, toy ny tsy fahampianโny tany sy ny sakafo, ny toeram-ponenana mahasalama ary ny asa mendrika ny maha olona. Miparitaka ny saina voatrโolombelona sy ny tambajotra sรดsialy, kanefa mihamahantra ny olona ary mitombo ny tsy fahamarinana sy ny hantsana manasaraka ny olom-bitsy sy ny vahoaka maro anโisa. Ny fanavakavahana sy ny fanilihana izay endrika isehoanโny tsy fahamarinana anefa no nahatonga ny Papa Lรฉon XIII namoaka ny Ansiklika ๐๐ฆ๐ณ๐ถ๐ฎ ๐ฏ๐ฐ๐ท๐ข๐ณ๐ถ๐ฎ taminโny 1891. Adidinโny mpitondra vahoaka sy ny fanaovana pรดlitika ny mandrava ireo sakana aminโny fampandrosoana ny olombelona ary hapetraka ho fitsipika ny fizarana ny soa ho anโny rehetra sy ny fahaizana miray hina. Anisanโny nasongadinโny Papa Lรฉon XIV taminโny fitsidihana tany Douala any Cameroun, taminโny 17 aprily teo, ny tsy fifandanjana eo aminโny sakafo sy ny isanโny mponina. Tokony hobanjinina ny nataonโi Jesoa taminโny namahanany ny olona anโarivony (jr. ๐๐ฐ 6,1-15) hahalalana ๐๐ง๐๐ค ๐ฉ๐ค๐-๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐ฎ ๐ฉ๐ค๐ ๐ค๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ :
1๏ธโฃ Tokony homena lanja ny sakafo misy eo am-pelatanana fa fanomezanโAndriamanitra. Tokony hisaorana Azy, toy ny nataonโi Jesoa rehefa nandray ny m**o sy ny hazandrano, ary tokony hitso-drano ireo namokatra sy nikarakara azy.
2๏ธโฃ Misoroka ny fanarian-tsakafo fahatany izany toe-panahy izany ; ary ny fananana fo mangoraka no ialana aminโny fandaniam-poana sy hanananโny rehetra sakafo satria ifehezana ny filร na sy entina miahy bebe kokoa ny hafa.
3๏ธโฃ Tokony horefesina ny sakafo sahaza ary harindra mifanaraka aminโizany ny fanjifana atao. Tokony hampiasaina ara-potoana ihany koa ireo ambin-tsakafo. Saika ny antsasaky ny sakafo vokarina no lanilany foana, hoy ny Papa Fransoa ao aminโny Ansiklika ๐๐ข๐ถ๐ฅ๐ข๐ต๐ฐ ๐๐ชโ, kanefa an-tapitrisany ireo matinโny hanohanana. Nohamafisiny tany aminโny FAO taminโny 16 oktobra 2019 fa ny ady aminโny hanohanana dia mitaky ny fandresena ny toe-tsainโny fandaniam-poana sy ny fanjifana tafahoatra. Tsy ny mpanjifa madinika ihany no voakasikโizany fa hatrany aminโny mpamokatra lehibe izay baikoinโny pรดlitikam-pitantanana.
4๏ธโฃ Manaraka izany, anisanโny toe-panahy ilaina ny fandanjalanjana ny vokatra hojifaina. Matetika isika voasariky ny fampirantiana sy ny fahazarana. Tokony homena lanja manokana ireo sakafo novokarina tao anatinโny fanajana ny tontolo iainana sy vokatry ny asa mendrika ataonโny olombelona.
5๏ธโฃ Ankoatra izay, ilaina ny fahaizana mizara amin'ireo sahirana. Toy ny nataonโi Jesoa, rehefa avy nivavaka izy dia nasainy nozaraina taminโny olona ny sakafo. Miteraka fahagagana ny fifampizarana izay kely ananana. Ny toe-po tia manompo ny hafa toy ny anโi Jesoa no ahafahana manome sakafo na manasa hisakafo fa tsy ny fisehosehoana sy ny fitiavam-pahefana.
6๏ธโฃ Farany, toe-panahy tokony hananana ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora hanana fahazarana miahy sy mitandrina, hahalala fa tsy fanary ny sakafo ary hahay hijery ny manodidina. Ny fizarana sakafo aminโny hafa mantsy dia asa maneho fahamarinana satria manome azy ny anjarany.
Ny olana ara-tsakafo lavareny dia miampanga ny tsy fahombiazanโny olombelona sady maneho ny lalanโny fanafahana, toy ny niainanโny vahoaka hebrio ningonongonona tany anโefitra (jr. ๐๐ฌ๐ด 16,3). Nanomana sakafo ho anโny vahoakany anefa Andriamanitra ary i Jesoa mihitsy no manome ny tenany ho sakafo (jr. ๐๐ฐ 6,49-50). Ny โfahazotoan-komanaโ renโny vatana dia misarika antsika hankafy indrindra ny Eokaristia, ilay M**o zaraina sy mitombo ao aminโny Eglizy mihavana sy miara-dia. Notsiahivinโny Papa Lรฉon XIV tany Saurimo any Angola taminโny 20 aprily teo ny teninโi Jesoa hoe: โMiasร ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin'ny fiainana mandrakizay, dia izay homen'ny Zanak'olona anareoโฆโ (๐๐ฐ 6,27). Tsy hoe manamaivana ny sakafo akory i Jesoa aminโizany. Izy aza moa nampitombo m**o ho anโolona maro sady mbola nampianatra hangataka ny hanina sahaza isanโandro. Saingy mitarika antsika Izy haniry ilay Hanina mahavelona mandrakizay sy mahafa-po ireo noana sy mangetaheta ny fiadanana sy ny fahafahana ary ny fahamarinana. Haka tahaka ny mpianatrโi Jesoa koa anie isika hilaza Aminy hoe: โTompo รด, omeo anay mandrakariva izany m**o izany...โ (๐๐ฐ 6,34). Arakaraka ny haniriantsika ilay Sakafo mahavelona mandrakizay no hanova ny fiaraha-monina sy hanananโny olona rehetra sakafo sahaza ny tsirairay.
P. ZAKAVELO Josรฉ Christophe, sj
๐๐ข๐ญ๐ฆ ๐ฏ๐ข๐ด๐ชรด๐ฏ๐ข๐ญ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฎ๐ฃ๐ข๐ซ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข๐ฎ-๐๐ช๐ท๐ข๐ท๐ข๐ฉ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฑ๐ข ๐๐ข๐ฏ๐ฆ๐ณ๐ข๐ฏ-๐ต๐ข๐ฏ๐บ (๐๐๐๐)