Inona no marina araka ny Baiboly?

Inona no marina araka ny Baiboly? Tamberina fohy mahakasika ny tena marina araka ny Baiboly mahakasika zavatra anakiray

KRISMASYAhoana no tsy ho tsarovana ? ahoana no valin'izany ? Misy fahamarinan-dehibe natao hotsarovana ao amin'ny Baibol...
25/12/2024

KRISMASY
Ahoana no tsy ho tsarovana ? ahoana no valin'izany ?

Misy fahamarinan-dehibe natao hotsarovana ao amin'ny Baiboly. Izay tena ilaintsika ho amin'ny famonjena antsika.

1. SABATA : tsangambaton'ny famoronana izao tontolo izao , ary ihany koa ho famantarana eo amintsika sy amin'Andriamanitra (Ezek 20:12)
2. P***A : "izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy . . " hoy Jesosy tamin'ny mpianany tamin'izany fotoana. Mampahatsiaro antsika ny asam-pamonjena nataon'i Kristy.

Fantaro ny niandohan'ilay fety ! fa fety Jentilisa io no navadika ho fety Kristianina .
Kanefa na izany aza, fotoana hizarana hafaliana.

EFA NANDRAY AZY HO TOMPO SY MPAMONJY NY TENANAO MANOKANA ve ianao ?
Izao no fotoana mety !! Aza mangatak'andro intsony.

RAHA TSORINA, ILAY FAHAFATESANY NO TOKONY HIFANTOHAN'NY SAINA FA TSY NY FAHATERAHANY

MANOMBOKA RAHARIVA NY RAHAMPITSO 😁😁😁❌❌❌ Tsy miantomboka amin'ny 12 ora alina akory.   Tena izay indrindra no marina. Jer...
19/08/2024

MANOMBOKA RAHARIVA NY RAHAMPITSO 😁😁😁
❌❌❌ Tsy miantomboka amin'ny 12 ora alina akory.

Tena izay indrindra no marina.
Jereo ny Baibolinao.

🔰 Gen 1:5
"Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro, ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina; izany no andro voalohany."
👉Mazava tsara izy eto : dia nisy hariva izay vao nisy maraina => Andro 1 izay

🔰 Levitikosy 23:32b
"amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo."
👉 Rehefa hariva hatramin'ny hariva

🔰 Marka 15:32
"Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan'ny . . . )"
👉 nony hariva
. .
Aza misalasala manoratra amin'ny mp raha misy fanontaniana tianao ho apetraka.
Zaraoa ho hitan'ny namana fa manomboka amin'ny hariva ny ANDRO ANAKIRAY raha ny baiboly no jerena


Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Inona no marina araka ny Baiboly? posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share