Fifohazana Tobilehibe Ankaramalaza - Foibe

Fifohazana Tobilehibe Ankaramalaza - Foibe Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fifohazana Tobilehibe Ankaramalaza - Foibe, Religious organisation, Antananarivo.

Tobilehibe Ankaramalaza est l'un des quatre Mouvements de Réveil spirituel malgaches, initié
en 1941 à Ankaramalaza (Côte Sud-Est Madagascar) par VOLAHAVANA Germaine, appelée aussi Nenilava, une
servante de Dieu, décédée en 1998 à l'âge de 80 ans.

26/05/2026

Faly miarahaba antsika indray nahatratra sy niaina ny Pentekosta 2026 izay namarana ny herinandro Fito aorinan'ny P***a. Manana anjara fifaliana lehibe tokoa amin'izao fetim-piangonana izao isika zanaky ny Fifohazana, raha tsy hanamarika fotsiny fa isan'ny teny tafiditra amin'izao perikopa izao ny teny fanorenana ny Asa sy Fampaherezana. Koa dia manasa anao hamaky finaritra izao tari-dalana izao.

---0----

𝐏𝐄𝐍𝐓𝐄𝐊𝐎𝐒𝐓𝐀 𝐈, 𝟑𝟏 𝐌𝐄𝐘 𝟐𝟎𝟎𝟗: 𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀 𝟏𝟒.𝟏𝟓-𝟐𝟏

Ny dikan’ny hoe Pentekosta dia ”fahadimampolo”, dia ny andro faha-50 aorian’ny P***a izany. Natao hoe Fetin’ireo Herinandro, izany hoe ny herinandro fito manaraka ny P***a, ary fety fanateram-bokatra tamin’ny Fanekena Taloha izy io (Eksodosy 23:15-21; Deoteronomia 16.9-12). Izany fety fanateram-bokatra izany dia fitaizana ny Israely mba hisaotra an’Andriamanitra Izay nitahy sy nampahavokatra ny tany, fa tsy hirona amin’ny fivavahan’ny Jentilisa manodidina, izay nanankina izany tamin’ireo andriamanitra tsy izy.
Rehefa tonga ny fotoana dia ny Pentekosta no nofidin’Andriamanitra handrotsahany ny Fanahy Masina tamin’ireo Mino voalohany (Asan’ny Apostoly 2.1-4), ary izany fandrotsahany ny Fanahy Masina izany dia vokatry ny nahavitan’i Jesosy ny fanavotana teo amin’ny hazofijaliana (Asa 2.32-33), izay nifanandrify indrindra koa tamin’ny P***a Jiosy. Hitantsika amin’izany fa na ny P***a jiosy, na ny Pentekosta dia samy nahazo hevitra vaovao amin’ny andron’ny Fanekena Vaovao. Tamin’ny Pentekosta rahateo no nahaterahan’ny Fiangonana kristiana.

𝑵𝒀 𝑻𝑬𝑺𝑻𝑨𝑴𝑬𝑵𝑻𝑨 𝑻𝑨𝑳𝑶𝑯𝑨: 𝑱𝑶𝑬𝑳𝑨 3.1-5

Ny bokin’i Joela dia sokajin’ny atao hoe ”Soratra Apokaliptika”, izay mitovitovy fomba amin’ny bokin’i Daniela sy ny Apokalipsy: Boky faminaniana , izay milaza ny zavatra hitranga mialoha ny farany, dia ny andro fitsarana, alohan’ny hahatongavan’ny tany sy lanitra vaovao.
Ny soratra apokaliptika dia matetika manambara lozan-javaboahary mitranga mialoha ny fitsarana, ary mikendry ny hampibebaka ny olona ireny. Eto amin’ny Joela, izany andro fitsarana ho avy izany dia atao hoe ”ny Andron’i Jehovah” (T1.15; 3.4; jereo koa Amosa 5.18; Zefania), izay hitsarana ny Israely sy ny Jentilisa ka hampiorenan’Andriamanitra ny fanjakany.
Toy izao ny firafitry ny boky:
Toko 1-2: Misy andiam-balala sy hain-tany izay mialoha lalana ny Andron’i Jehovah
T1:2-12: Filazana ny fahasimbana vokatr’izany
T1:13-18 Manainga ny Fiangonana manontolo ny Mpaminany mba hibebaka
T1:19-20 Mitaraina amin’Andriamanitra ny Mpaminany
T2 :1-11 Toa tsy nibebaka ny olona , ka noho izany dia ambaran’ny Mpaminany fa
manakaiky ny Andron’i Jehovah
T2 :12-17 :Noho izany dia mbola manainga ny olona hibebaka ny Mpaminany
T2 :18-27 Nihaino ny fifonana Andriamanitra : Saropiaro ny amin’ny taniny Izy ka
hamonjy ny olony ary hanangana indray ny rava
Toko 3-4 Faminaniana famonjena sy fitsarana
T3:1-5 Handrotsaka ny Fanahiny amin’ny nofo rehetra Andriamanitra
T4:1-17a, Hisy fitsarana ny firenena rehetra
T4:17b-21, Nefa fitahiana be ho an’ny olon’Andriamanitra

Ny teksta
Ny Toko 3:1-5 àry dia milaza ny handrotsahan’Andriamanitra ny Fanahiny amin’ny nofo rehetra.
Mariho, fa ny tokony ho izy araka ny hebreo dia ”Mandrotsaka” fa tsy ”Mandatsaka”. Toy izany koa ny Asan’ny Apostoly 2.17,33. Ny sary an-tsaina amin’izany dia ny firotsahan’ny ranonorambe. Tsy hoe akory misy maro ny Fanahy, fa tokana ny Fanahy Masina, fa ilazana ny fanomezana tsy misy fetra sady mitondra fitahiana, avy amin’Andriamanitra. Mitovy amin’izany koa ny voambolana ao amin’ny Titosy 3.6 (”naidiny betsaka tamintsika”). Indraindray ihany no ilazana hoe ”nilatsaka”, ary tsy midika hoe ”nianjera”, fa tonga tampoka amin’ny olona iray ary ahitana fiovana be ny fihetsik’ilay olona (Mpitsara 14.6; Asa 10:44-46); indraindray koa tsy hoe ”nilatsaka”, fa :” nitafy” an’ilay olona (Mpitsara 6:34). Ary ny Asa 1:8: tsy hoe ”hilatsahan’ny Fanahy aminareo” fa: ”hahatongavan’ny Fanahy aminareo”

Tamin’ny andron’ny Fanekena Taloha mantsy dia olona vitsivitsy ihany no nirotsahan’ny Fanahin’Andriamanitra, na natongavany, dia ny Mpitsara, ny Mpanjaka (I Samoela 10.6; 16.13), Ilay Mpanompon’i Jehovah (Isaia 42:1; 61:3), na dia efa niasa teo amin’ny Israely manontolo tokoa aza ny Fanahy Masina (Isaia 30.1; 48.16; 63.14; Salamo 106.33; 139.7, etc ). Kanefa tsy mbola ny asan’ny Fanahy amin’ny fahafenoany no nomena. Fa rehefa vita ny asam-panavotana nataon’i Jesosy vao ”hirotsaka” ny Fanahy, satria amin’izay Izy no hanambara feno ny asan’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy: Titosy 3:6. Amin’izany fotoana izany vao tanteraka ny Joela 3:1, dia araka ny Asa 2 sy ny Titosy 3:6.
Araka ny Joela 3, dia hirotsaka amin’ny olona rehetra ny Fanahy, izany hoe: Ny olona rehetra ao amin’ny Israely, fa tsy amin’ny Mpanjaka sy ny Mpitsara ihany. Ao anatin’ny hirotsahan’ny koa anefa ny firenena rehetra, izay hiantso ny anaran’i Jehovah

Ny fahatanterahan’ny faminaniana
Araka ny Asa 2 àry dia tanteraka tamin’ny Andro Pentekosta ny Joela 3.
Mariho hatrany ny fahatanterahan’ny faminaniana, fa mandrakariva saiky manao tazan-davitra ny mpaminany ka tsy mahita afa tsy ny fahatanterahany amin’ny ankapobeny izy. Tsy hitany, ohatra ny fahagatongavan’i Jesosy etý an-tany sy ny asany manontolo, fa noheveriny fa raha vao tonga ny firotsahan’ny Fanahy dia ho avy ny fiafaran’izao rehetra izao. Araka ny fahitany azy koa, dia any Joda sy Jerosalema no hivelaran’izany fanjakan’Andriamanitra izany (Joela 4:18-21). Isika anefa mahafantatra fa tany sy lanitra vaovao no hiseho aorian’ny fitsarana (Isaia 66:22; Apok. 21:1; 2Petera 3.13)
Fa tanteraka tokoa tamin’ny Andro Pentekosta ny firotsahan’ny Fanahy ”amin’ny nofo rehetra”: Tsy hoe ny olona rehetra manerana ny tany, na dia ny tsy mino aza, fa ny olona rehetra sy fokompirenena rehetra izay mino an’i Jesosy, dia ny Kristiana izany, araka izay hita ao amin’ny Asa 2:7-11.
”Amin’ny andro farany”: Araka ny Asa 2:17, ny andro farany, na ny vanimpotoana farany amin’ny fitantanan’Andriamanitra ny famonjena, dia efa nanomboka tamin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty sy ny nirotsahan’ny Fanahy Masina. Efa ao anatin’izany vanim-potoana farany izany isika, izay andro iasan’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fitoriana ny Filazantsaran’ny famonjena.

Koa ny Kristiana dia miaina ao anatin’ny vanim-potoana roa na tontolo roa samihafa (grika: Aiona) : ny vanim-potoana na ny Aiona tranainy, izay atao hoe ”izao fiainana izao”, na ”izao tontolo izao”, izay mbola anjakan’ny fahotana sy ny tsy fahatanterahana rehetra, ary mbola iainantsika koa amin’ny maha-nofo antsika; efa an-dalana ho rava izy io, ka izany no ambara amin’ny hoe ”masoandro mihamaizina, volana tonga ra”, izay miseho amin’ny fikorontanana samihafa amin’ny tontolo izay efa an-dalana ho rava : horohorontany, volkano, etc.... Ny Kristiana koa anefa dia efa miaina anatin’ny Aiona na ny vanim-potoana vaovao, izay andraisantsika anjara amin’ny alalan’ny batisa sy ny finoana. Mifampiditra ireo tontolo roa ireo, ka ny Kristiana dia sady zanaky ny fanjakan’Andriamanitra na ny tontolo vaovao, no mbola miaina eto amin’izao fiainana izao.
Koa ny mbola mampaharitra an’izao fiainana izao dia ny hitoriana ny filazantsaran’ny fanjakana amin’ny firenena rehetra: Matio 24:34.

𝑵𝒀 𝑳𝑬𝑲𝑺𝑰𝑶𝑵𝑨: 𝑨𝑺𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑨𝑷𝑶𝑺𝑻𝑶𝑳𝒀 2.32-41

Izany perikopa izany dia ao anatin’ny toritenin’i Petera tamin’ny Pentekosta tao Jerosalema: Nivory tao amin’ny kianjan’ny tempoly noho ny fetin’ny Pentekosta izay mbola niraisany tamin’ny Jiosy ireo Mino an’i Jesosy. Tamin’izany no tonga ny Fanahy Masina ka nisy ny fahagagana izay nanaitra, dia ireo olona samihafa fiteny, avy amin’ny firenena samihafa, izay niteny ny asan’Andriamanitra, dia ny amin’i Jesosy izany, kanefa samy nifankahazo resaka izy rehetra, sady azon’ny mpihaino izay nanatrika teo koa. Mariho fa tsy hoe ”teny tsy fantatra”, fa tena fantatra mazava tsara tokoa izay nolazaina!
Ireo Jiosy izay nanatrika sy nahita izany zava-mahagaga izany dia nihomehy ka naneso, sady nilaza hoe mamon-divay ireo: Noho izany dia nitsangana Petera ka nanambara fa izao zava-mitranga izao dia fahantanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Joela 3.
Maromaro ny zavatra homarihina amin’izany toritenin’i Petera izany, mbamin’ny tantara amin’ny Asa 2 manontolo: :
- Niainga avy tamin’ny Soratra Masina izy, dia ny Joela 3:1-5, kanefa tsy ireo
zava-manaitra ny maso sy ny fahagagana no nifantohan’ny teniny, fa Jesosy, Izay
voahombo tamin’ny hazo fijaliana, maty sy nitsangana ary niakatra any andanitra , ary
naniraka ny Fanahy araka izao hita izao.

– Vavolombelon’izany fitsanganany izany i Petera sy ny Apostoly (And 2.32)
Ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty dia misy vavolombelona nahita maso, dia ny Apostoly: Isika kosa tsy nahita, fa teny vavolombelona nomen’ny Apostoly no itokiantsika fa nitsangana tokoa Jesosy.

- Ny fanambarany fa: “Jesosy izay nohomboanareo tamin’ny
hazofijaliana, no nasandratr’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”, izany no
nanindrona ny fon’ny mpihaino = nanindrona ny fieritreretany = nahatsiarovany ny
fahotany, ka nanontany izay tokony hatao.

- Ny And 38: ny fibebahana , dia ny manenina ny fahotana ka mino an’i
Jesosy Ary amin’ny batisa no ahazoana famelankeloka sy andraisana ny Fanahy
Masina.

Tsy mitovy amin’ny nandraisan’ireo Apostoly ny Fanahy Masina àry ny fandraisan’ny Mino aty aoriana, fa isika dia amin’ny alalan’ny batisa no nandraisantsika.
Mariho ny filazan’i Petera ny batisa: “…ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy hianareo…”. Tsy milaza izany fa tamin’ny anaran’i Jesosy fotsiny ny batisa nataony, satria, araka ny tantara ao amin’ny Asa 8.16, dia ireo olona izay natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy fotsiny, dia tsy mbola nandray ny Fanahy Masina. Fa izay nandidian’i Jesosy antsika, dia ny hanao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ry ny Fanahy Masina.

- “Izay nandray tsara ny teny dia natao batisa”. Tsy nisy fampianarana
sahala amin’izay ataontsika amin’ny Katekomena, satria ireo olona rehetra ireo dia Jiosy, mahalala tsara ny Soratra Masina, ka tsy misy izay notakina taminy afa-tsy ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy araka ny toritenin’i Petera.

Fehiny:
Ny fanambarana an’i Jesosy, voahombo, maty sy nitsangana tamin’ny maty, ary niakatra any an-danitra, no iasan’ny Fanahy Masina amin’ny olona, fa tsy izay mety ho fihetsiketsehana ataon’ny olona indraindray.
Ny nandraisantsika ny Fanahy Masina dia tamin’ny batisa, fa tsy mitovy amin’ireo Apostoly fahiny isika. Ny batisa natao tamintsika kosa dia mitaky fibebahana isan’andro sy finoana.

𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑨𝒁𝑨𝑵𝑻𝑺𝑨𝑹𝑨: 𝑱𝑨𝑶𝑵𝑨 14.23-31

Ato amin’ny Jaona 14-17 no mivelatra mazava indrindra ny firaisana mahagaga ao amin’ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, ary ny firaisana ananan’ny Mino amin’i Jesosy. Mifampiankina tanteraka izany rehetra izany. Noho izany dia tandrify tokoa ny Andro Pentekosta ireo teksta ireo, na dia mbola talohan’ny Zoma Masian aza no nitenenan’i Jesosy azy.
Marihina koa, fa ny teksta dia tsy manonona firy ny Fanahy Masina, fa ny firaisan’i Jesosy amin’ny Mpianatra, izay hilaozany no misongadina.:

- Ny fitiavan’ny Mpianatra an’i Jesosy, izay hiseho amin’ny fitandremany ny teniny
- Ny firaisana ao amin’i Jesosy sy ny Ray Izay naniraka Azy, ka ny fitandremana ny tenin’i Jesosy dia fitandremana ny tenin’ny Ray
- Ny hanirahan’i Jesosy ny Mpananatra mba hampianatra sy hampahatsiaro ny zavatra rehetra izay nolazain’i Jesosy
- Ny fiadanana izay avelan’i Jesosy ho an’ny Mpianatra
- Ny tsy hamelan’i Jesosy ny Mpianatra ho irery, fa ho avy faingana Izy
- Ny tokony hifalian’ny Mpianatra amin’ny fiakaran’i Jesosy ho amin’ny voninahitra
- Ny fanomezan’i Jesosy voninahitra ny Ray amin’ny alalan’ny firosoany ho amin’ny fahafatesana (and 31).

Na dia tsy voatonona firy aza ny Fanahy Masina, dia ao mandrakariva Izy, tsy misaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. Fifanomezana voninahitra, fifanajana, fifampiankinana sy fitiavana tanteraka ao anatin’ny Trinité no hitantsika ao. Ny ivon’ny teskta manontolo dia ny fanolorantenan’i Jesosy ho amin’ny fahafatesana, ho an’ny Mpianatra, sy ho fankatoavana ny Ray : Miandry ny hahatongavan’ny Fanahy Izy, mba hanazava amin’ny Mpianatra ny zavatra rehetra izay efa noteneniny sy nataony.

Raha ataontsika indray milaza ny zava-miafin’ny Trinité, araka izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra sy izao perikopa izao, dia toy izao:
- Ny Ray no maniraka ny Zanaka mba hanambara Azy amintsika, ary mba hanatanteraka ny fanavotana antsika
- Ny Zanaka no tonga olombelona tety an-tany ka nanatanteraka ny fanavotana teo amin’ny hazo fijaliana, ho antsika, ary ho fankatoavana ny Ray, ary noho izany dia afaka maniraka ny Fanahy Masina Izy hanazava ny Tenin’i Jesosy sy ny asany amintsika
- Ny Fanahy Masina dia irahin’ny Ray ho antsika, amin’ny anaran’i Jesosy (and 26), izany hoe, noho ny fahavitan’ny asa fanavotana nataon’i Jesosy, ary noho isika miankina amin’izany asa vitan’i Jesosy izany. Izy no manazava amintsika ny zavatra rehetra momba ny Ray sy ny Zanaka, mananatra, mampahery, mampionona, mitari-dalana antsika
- Ny asan’ny Fanahy amintsika dia tsy misaraka amin’ny fanambarana sy ny fiankinana amin’ny asa sy ny tenin’i Jesosy
- Ary indrindra: Ny Fanahy Masina dia Fanahin’Andriamanitra, irahin’Andriamanitra
amin’ny anaran’i Jesosy, fa tsy fanahin’olombelona, ka noho izany dia tsy azontsika baikoina amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana samihafa ataontsika. Fa miasa amintsika Izy eo amin’izay andrenesantsika na hanambara amintsika an’i Jesosy.

𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐍𝐘 𝐇𝐎𝐓𝐎𝐑𝐈𝐍𝐀: 𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀 𝟏𝟒:𝟏𝟓-𝟐𝟏

Izay rehetra voalaza momba ny Filazantsara (Jaona 14:23-31) dia tandrify ny perikopa toriteny avokoa. Kanefa tandremana tsy hivelatra loatra amin’ny fotokevitry ny Toko 14-17 manontolo araka izay nataontsika ao amin’ny fanazavana ny Filazantsara, fa izay asongadin’ny teksta hotorina dia ny fitiavan’i Jesosy ny Mpianatra, ary ny fitiavan’ny Mpianatra an’i Jesosy amin’ny fitandremana ny didiny. Amin’izany rehetra izany anefa dia ao ny Fanahy Masina na dia tsy voatonona firy aza Izy. Manambara izany, araka ny tenin’ny mpanompon’Andriamanitra iray, fa ny Fanahy Masina dia manetry tena: Manome voninahitra ny Ray sy ny Zanaka Izy. Ary marina izany.

Azontsika atao ny mandray ireo andininy tsirairay ato amin’ny perikopa:

- And 15-16 Ny fahatongavan’ny Fanahy Masina dia miankina amin’ny Teny fikasan’Andriamanitra, Izay hanatanteraka izany amin’ny fotoany: Kanefa koa miankina amin’ny firaisan’ny Mino amin’i Jesosy, dia ny fitandremany ny didiny. Ny didin’i Jesosy: Ny finoana sy ny fitiavana araka ny didy vaovao: Ny Didy vaovao, izay mahafaoka ny didy rehetra, nefa amin’ny fanahy vaovao izay omen’i Jesosy ny Mino (Jaona 13:34-35)
Noho izany fitandreman’ny Mpianatra ny Didiny izany dia mangataka ny Fanahy amin’ny Ray Jesosy!
Mahagaga antsika izany rehetra izany! Mifamatotra tanteraka ny fitiavan’i Jesosy ny Ray, ny fitiavany antsika ka nanolorany ny ainy noho ny amintsika, ary izay vokatr’izany, dia ny fitiavantsika Azy, noho Izy tia antsika! Izany rehetra izany anefa dia efa asan’ny Fanahy ao amintsika avokoa!

- And 17 Fanahin’ny fahamarinana Izy. Manambara ny marina rehetra, ny marina manontolo. Izay ambaran’ny olona dia marina tapatapany ihany sady mifangaroharo tsy marina matetika. Fa ny Fanahy Masina dia manambara ny marina feno, izay avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Jesosy Kristy.
Izao tontolo izao: Ny tsy mino, ny tsy miraharaha ny tenin’Andriamanitra, dia tsy afaka mandray ny Fanahy Masina.
Momba ny hoe “Izao tontolo izao”, jereo ny fanazavana tamin’ny Alahady fah-6
manaraka ny P***a
“Hianareo no mahafantatra Azy satria mitoetra eo aminareo Izy sady ho ao anatinareo” Tsaroana fa ny Mpianatra, mbola amin’ny Alakamisy Masina, no itenenana izany: Hay efa teo aminy ny Fanahy Masina – satria tsy misaraka amin’i Jesosy Izy! - ary ho ao anatiny: Manomboka amin’ny Pentekosta no hitoeran’ny Fanahy ao anatin’ny Mpianatra, ka hahafantarany ny zavatra rehetra.

And 18-19
Tsy kamboty tokoa ny Mpianatra, satria, amin’ny fahatongavan’ny Fanahy Masina aminy dia vao mainka ho akaiky azy kokoa Jesosy, noho ny tamin’Izy mbola hita maso tety an-tany.
Vetivety foana dia hahita Ahy hianreo… Milaza ny hisehoany afaka telo andro izany, mandritra ny 40 andro. Ary tamin’izany dia tsy nisy nahita an’i Jesosy tokoa raha tsy ny Mpianatra ihany.
Rehefa afaka efapolo andro anefa dia tsy ho hita maso intsony Izy. Nahazo toky tanteraka anefa ny Mpianatra fa velona Izy. Noho izany dia velona koa ny Mpianatra: velona ny finoany, ny fitiavany, ny fanantenany

And 20-21 Ny Fanahy Masina no hampahafantatra ny Mpianatra fa Jesosy no manana firaisana tanteraka amin’Andriamanitra Ray, ary hananany toky fa ao aminy Jesosy, ary Jesosy no ao aminy. Izany toky izany koa no ananantsika amin’ny alalan’ny fitandremana ny tenin’i Jesosy.

Ny fitandremana ny Tenin’i Jesosy no nanomboka sy mamarana ny perikopa. Manambara izany fa ny asan’ny Fanahy Masina dia tsy misaraka amin’ny fitandremana ny tenin’i Jesosy .

Tsara marihina koa, fa tsy mitovy tanteraka amin’ireo Mpianatra fahiny isika:
Ny Mpianatra 11-lahy sy ireo vehivavy namany dia nahita maso an’i Jesosy velona, fa isika tsy mahita maso Azy, fa matoky ny tenin’ireo izay nahita maso Azy.
Ny Mpianatra 11-lahy koa dia niandry ny Andro Pentekosta vao nandray ny Fanahy Masina, ary tsy mba natao batisa tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka , tahaka antsika izy, satria, efa nanana ny firaisana amin’ny Ray sy ny Zanaka izy (Jaona 14:9; 15:3), fa ny batisan’ny Fanahy Masina ihany no noraisiny tamin’ny Pentekosta.
Isika kosa dia tamin’ny batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, araka ny didin’i Jesosy, no nandraisantsika ny Fanahy Masina (Matio 28:18-20), ary Jesosy tsy nanome didy ny Fiangonana hanao ”batisan’ny Fanahy Masina”, fa ny batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ihany.

Fa, araka ny Jaona 14 koa anefa, dia miankina amin’ny firaisantsika amin’i Jesosy no itoeran’ny Fanahy Masina amintsika. Na dia efa nandray ny Fanahy Masina tamin’ny batisa aza isika, dia mangataka ny fitarihany mandrakariva koa, satria Fanahin’Andriamanitra Izy, fa tsy fanahintsika olombelona ka ho azontsika ”ampiasaina ” na baikoina, ary fanomezana mandrakariva ihany koa izany fitarihany izany.


Ny Fanahy Masina àry dia fanomezana tokoa avy amin’Andriamanitra. Efa nandray Azy tamin’ny batisa isika, fa amin’ny fitandremantsika ny Didin’i Jesosy, ny finoana, ny fibebahana no itoerany amintsika rehetra na dia tsy ho hitan’ny masony intsony aza Jesosy.

Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany!

11/05/2026

Faly miarahaba antsika amin'ny anaran'i Jesosy, nomeny herinandro vaovao ka isaorana ny Anarany. Zaraina amintsika indray izao ny arsiva tamin'ny 10 Mey 2010 izay mifanandrify amin'ny Alahady faha-V manaraka ny P***a, koa mamakia finaritra tompoko.

ALAHADY FAHADIMY MANARAKA NY P***A, 9 MEY 2010:
JAONA 16.23-28

Ny foto-kevitra anin’ity Alahady fahadimy ity dia ny vavaka: Ny fahazoantsika mivavaka dia asan’ny Fanahy Masina ao anatintsika. Izy no mampahatsiasro antsika hivavaka

NY TESTAMENTA TALOHA: JEREMIA 29:11-14

Indray mijery ny asan’i Jeremia: (konteksta ankapobe)
Jeremia dia nandre ny fiantsoana ho mpaminany tamin’ny taona 626, tal JK (Jer 1:2), fa efa natokan’Andriamantra ho mpaminany izy na dia tsy mbola ary akory aza (Jer 1:4-10), izany hoe efa ankatoky ny fahatongavan’ny Babyloniana izay nandrava an’i Jerosalema sy nitondra ny olona ho babo: Izany fanafihana sy fandavana an’i Jerosalema izany dia nanomboka tamin’ny taona 597 tal JK (2 Mpanjaka 24-25; Jeremia 52), ary vokatry ny ditran’ny Isarely nandritra ny taona maro (2 Mpanjaka 24.20; Jeremia 52:1-4). Naharitra folo taona ny nanaovana fahirano an’i Jerosalema (597-587), ary tanatin’izany dia intelo no nisy fandefasana olona ho babo. Nahita izany rehetra izany I Jeremia, satria tsy niala tao Jerosalema izy. Nandritra ny 40 taona mahery ny niasany, nanomboka tamin’ny 626: Tsy nitsahatra izy nananatra ny olona mba hibebaka, ary nanambara koa ny fiavian’ny loza: Rehefa potika Jerosalema, dia nampisafidianan’ny Babyloniana izy , na ho any Babylona na hijanona, dia nisafidy hijanona izy. Tsy tafajanona anefa izy, fa nisy Jiosy nandositra ho any Ejipta ka nitondra azy tany : Araka ny lovantsofina dia tany izy no maty.
Tanatin’izany fotoana sarotra izany dia nambaran’i Jeremia fa ny famonjena dia ny manaiky tsotra ny Babyloniana fa tsy manohitra azy, ary manaiky entiny any Babylona. Noho izany dia nampangaina ho mpamadika tanindrazana izy ka niaritra fijaliana, hatramin’ny fonja aza, Ireo mpaminany sandoka rahateo nitory fa ho resy faingana ny Babyloniana ka ho avy ny fahafahana, ary namporisika ireo olona efa lasa tany Babylona mba hikomy. (Jeremia 27-28). Lainga anefa izany fa tsy teny avy amin’Andriamanitra. Noho izany Jeremia dia nanoratra taratasy ho any amin’ireo babo mba hilamina tanteraka, hanao trano, hamboly, hampaka-bady sy hiteraka mba ho maro, hanaja ny mpitondra sady hivavaka ho azy satria:
Andriamanitra tsy mihevitra loza ho an’ny olony fa fiadanana, ary hihaino azy rehefa miantso Azy sy mitady Azy amin’ny fo tokoa.

Araka izany, ny fahababoana, na dia tsapa ho loza tokoa aza, dia nampianatra ny olon’Andriamanitra mba hitady an’Andriamanitra na dia lavitra ny tany masina aza, sady tsy misy ny tempoly sy ny fisoronana, ary izany dia firosoana ho amin’ny fivavahana amin’ny fanahy sy fahamarinana, araka ny Jaona 4;23-24.

NY TENY HOTORINA: JAONA 16.23-28

Foto.-kevitra: Amin’ny anaran’i Jesosy no ahazoantsika manatona an’Andriamanitra sy mivavaka Aminy, satria Jesosy no Mpisoronabe Izay namaky ny efitra lamba , tamin’ny alalan’ny fahafatesany izay sorona noho ny fahotantsika.
Noho izany fahafesan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana izany dia afaka miantso an’Andriamanitra ho ray tokoa isika, sady noraisina ho izany tokoa.
“Homen’ny Ray amin’ny anarako” : “Omen’ny Ray noho ny Amiko”

Ny And 24 dia tsy fanomezan-tsiny ny Mpianatra fa fanambarana fa manomboka hatramin’izao dia amin’ny anarako, hoy Jesosy no hangatahanareo
Tsy sahy nanao izany mantsy ny Mpianatra satria tsy mbola tena natoky an’i Jesosy ho tena Andriamanitra izy.
Rehefa tonga ny Fanahy Masina amin’ny Andro Pentekosta dia hanana ny toky tanteraka izy ireo fa manana an’Andriamanitra ho Izay mihaino azy tokoa, ary dia hangataka amin’ny anaran’i Jesosy.

Tena mahazo alalana mivantana amin’Andriamantra tokoa ny Mino, amin’ny anaran’i Jesosy, Hitantsika hatrany fa tsy misaraka mihitsy ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy : Andriamanitra Rain’I Jesosy Kristy dia tia antsika , noho ny anaran’i Jesosy : Ny Ray dia tia antsika satria isika tia an’i Jesosy, mino Azy, miankina Aminy, ary mino fa Jesosy dia mivoaka avy amin’ny Ray tokoa

Mino isika fa Jesosy tokoa no nirahin’Andriamanitra ho eto amin’izao tontolo izao, maty hanavotra antsika ka niakatra any an-danitra (=hiala amin’izao tontolo izao), ary mitoetra amim-boninahitra: Tsy fampianarana an-tsaina fotsiny izany fa fahatokiantsika ny maha-Mpamonjy sy Tompo an’i Jesosy, ary izany rehetra izany no inoantsika dia noho ny Fanahy Masina Izay miteny amintsika amin’ny alàlan’ny tenin’Andriamanitra.

NY FILAZANTSARA. MATIO 6:5-13

Ny toko faha -6, izay ao anatin’ny Toriteny tao an-tendrombohitra (Matio 5-7), dia manomboka amin’ny fampitandreman’i Jesosy ny Mpianany tsy hanahaka ny fomban’ny Jiosy maro izay nanao ny asa fiantrana ho filan-dera amin’ny olona. Tohin’izany fampitandremana izany ny perikopa izay mampianatra ny Mpino ny fivavahana marina.
Mizara roa ny perikopa, dia ny fampitandremana tsy hanao vavaka amin’ny fihatsarambelatsihy, ary koa tsy hanao ny vavaka ho toy ny fanaovana sikidy na majia (And 5-8), ary ny fampianarana ny Hataky ny Tompo, izay modelin’ny vavaka hataontsika
Ny foto-kevitra dia ny hanatonantsika an’Andriamamnitra amin’ny fahatokiana fa Raintsika Izy, noho Jesosy, ary tsy hanao ny vavaka ho fisehoana eo amin’ny olona

And 5-8. Araka izao perikopa izao dia nisy tokoa ny mpihatsaravelatsihy izay nivavaka mba ho hitan’ny olona.
Tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao dia Intelo no nisy fotoana fivavahana, dia: Tamin’ny 9 ora maraina teo ho eo, tamin’ny fanaovana fanatitra maraina; ny faharoa dia tamin’ny telo tolakandro teo ho eo, tamin’ny fanaterana ny fanatitra hariva, ary ny fahatelo dia tamin’ny milenti-masoandro. Koa raha sendra nandeha teny amin’ny arabe teny ny Mpivavaka ka tratry ny ora fivavahana, dia niditra tao amin’izay synagoga akaiky teo izy, na koa nivavaka teo amin’ny arabe teo. Koa tsy ny fivavahana teny andalambe dia ho fitiavana fisehoana avokoa. Fomban’ny Jiosy raha nivavaka no tsy dia niteny mafy loatra fa somary nibitsibitsika ihany, fa raha tena nila dera tamn’ny olona dia natao mafy izany, mba ho hita hoe tena mpivavaka mazoto. Izany anefa dia fihatsarambelatsihiny ary tsy mampitodika ilay mpivavaka amin’Andrimanaitra akory fa amin’ny olona.
Tsy izany fomba fivavahana ankalamanjana izany no ampianarin’i Jesosy ny Mpianany fa ao an’efitrano mangina.
Tsy hoe lalàna henjana izany ka tsy hahazo hiara-mivavaka amin’ny toeran-kafa, fa ho setrin’ny fisehoana eny amin’ny arabe. Izany fivavahana ao an’efitrano mangina izany dia manambara fa ny vavaka dia tena fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny fo tokoa, fa tsy ho fisehosehoana amin’olona. Manerana ny baiboly dia misy ny vavaka amin’ny efitrano mangina, ary koa ny vavaka iraisana amin’ny Mpino maromaro na ny Fiangonana manontolo: Matio 18.:19-20. Ary indrindra, ny Hataky ny Tompo dia natao hiarahan’ny Mino manao miaraka
Afa-tsy izany, Jesosy dia mampianatra antsika koa tsy hanahaka ny Jentilisa, izay tsy manana fitokisana an’Andriamanitra fa mampiasa ny vavaka ho toy ny majia, ka heverina hanan-kery amin’Andriamanitra izany raha maro ny teny hatao. Ary raha maro ny teny hatao dia manjary teny tsy misy dikany, ary izany rehetra izany dia mihevitra an’Andriamanitra ho azon’ny olombelona terena., ka tsy misy hafa noho ny andriamanitry ny Jentilisa.
Ny Mpino kosa dia hanatona an’Andriamanitra ho Ray izay mahafantatra izay ilain’ny zanany na dia tsy miteny maro aza,
Ny Hataky ny Tompo rahateo dia tsy lava velively, indrindra raha ampitahaina amin’ny vavaka fanaon’ny Jiosy

And 6-13: Ny Hataka nampianarin’ny Tompo
Ny Hataka nampianarin’ny Tompo, amin’ny lafiny rehetra., dia setrin’ny fomba fanaon’ny Jentilisa, ary izy io no maneho indrindra ny maha samihafa ny Mpianatra amin’ny Jentilisa sy ny mpihatsaravelatsihy.
Ny Hataky ny Tompo koa dia tsy hoe tsy maintsy ho ara-bakiteny araka an’io ka tsy hahazo hanao vavaka hafa isika, fa: “Mivavaha toy izao hianareo”, izany hoe ny Hataky ny Tompo dia ho modelin’ny vavaka hataontsika.

Ny Hataky ny Tonpo dia vavaka natao hiraisana, ka manomboka amin’ny hoe Rainay: Omen’i Jesosy zo ny Mino Azy, hiantso an’Andriamanitra ho Ray. Ny Jiosy koa dia efa niantso an’Andriamanitra hoe “Rainay, Izay any an-danitra”, saingy mbola nisy fanononana Azy ho “Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’Isaka sy Jakoba, Andriamanitra Avo indrindra, Mpahary ny lanitra sy ny tany, ampinganay sy ampingan’ny razanay”. Izany vavaka izany indrindra no efa kilasin’ny vavaka lavareny ihany.

Modely amin’ny lafiny rehetra ny Hataky ny Tompo:
Ny fanatonana an’Andriamanitra amin’ny fahatokiana, noho ny maha Ray be fitiavana Azy, ary ny maha-zanaka antsika noho Jesosy, ny laharan’ny zavatra hangatahintsika.
Tsara ny mamerina ny fanazavana nataon’i Martin Lotera momba ny Hataky ny Tompo ao amin’ny Fotopianarana Kely

10/05/2026

Andron'ny Toby Betesda Ambohibao
Alahady Tolakandro

Ho famaranana ny Andron'ny Toby Betesda Ambohibao dia manasa anao hanatrika ny fotoam-pivavahana anio tolakandro manombo...
10/05/2026

Ho famaranana ny Andron'ny Toby Betesda Ambohibao dia manasa anao hanatrika ny fotoam-pivavahana anio tolakandro manomboka amin'ny 2 ora. Hisy ny fandefasana mivantana ny fotoana.

10/05/2026

Alahady faha-V manaraka ny P***a

10/05/2026

Alahady faha-V manaraka ny P***a
Andron'ny Toby Betesda Ambohibao

08/05/2026
ANDRON'NY TOBY AMBOHIBAO 2026📅 09 - 10 Mey 2026📍 Toby Betesda Ambohibao📖"Halalaho ny itoeran'ny lainao. Ary aoka hoenjan...
07/05/2026

ANDRON'NY TOBY AMBOHIBAO 2026

📅 09 - 10 Mey 2026
📍 Toby Betesda Ambohibao

📖"Halalaho ny itoeran'ny lainao. Ary aoka hoenjanina ny ambain- dainao, ka aza avela hisy hiketrona: Halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima- dainao." (Isaia 54:2)📖

🙏Amin-kafaliana lehibe no anasana antsika zanaky ny Fifohazana hiara-hankalaza ny Andron’ny Toby Ambohibao
Fotoana hiombonantsika amin’ny vavaka, fiderana ary fianarana ny Tenin’Andriamanitra, sady hanamafisana ny firaisam-po amintsika mpianakavin'ny finoana.🙏

✨ Fandaharam-potoana :
✔️ Fampianarana Soratra Masina, Lahateny ary Toriteny
✔️ Asa sy fampaherezana
✔️ Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo (Alahady maraina)

💒 Tongavasoa eny amin'ny Toby Betesda Ambohibao !

Miarahaba antsika amin'ny anaran'i Jesosy. Manasa antsika rehetra kristiana eto Antananarivo sy ny manodidina hiara-miva...
08/04/2026

Miarahaba antsika amin'ny anaran'i Jesosy. Manasa antsika rehetra kristiana eto Antananarivo sy ny manodidina hiara-mivavaka ho Fangataham-pitahiana @ fanomanana ny Isan-Kerintaona any Ankaramalaza (27 Jolay - 02 Aogositra), Jobily faha-85 taona, hatao ny Sabotsy 11 Aprily 2026 manomboka @ 8 ora 30 ao @ FLM Toby Fanantenana 67ha. Hisy Fampianarana Soratra Masina sy Toriteny ary fanentanana samihafa. Ilazao ny havana amantsakaiza.

31/03/2026

𝐀𝐋𝐀𝐇𝐀𝐃𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐒𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐎𝐅𝐈𝐀, 𝟐𝟗 𝐌𝐀𝐑𝐒𝐀 𝟐𝟎𝟎𝟗 : 𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀 𝟏𝟐.𝟐𝟎-𝟑𝟑 (𝐓𝐨𝐡𝐢𝐧𝐲 2 )

𝑵𝒀 𝑻𝑬𝑵𝒀 𝑯𝑶𝑻𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨: 𝑱𝑨𝑶𝑵𝑨 12.20-33

Ny konteksta: Ny herinandro masina na ny herinandron’ny P***a.
Ao anatin’ny Herinandro Masina indrindra izao tantaran’ny fihaonan’ny Grika amin’i Jesosy izao. Araka ny Toko 12.12-19, izay konteksta akaiky, dia vao niditra an’i Jerosalema Jesosy, nanao ilay fihetsika araka ny Zakaria 9.9-10, ary nankalazain’ny vahoaka ho Mpanjaka. Araka ny T12.19 dia tsy faly velively noho ny laza nomen’ny vahoaka Azy ny Fariseo ka hitarika fanoherana izay hiafara amin’ny fisamborana, fitsarana sy famonoana an’i Jesosy.
Tsara ho fantatra koa, fa nandritra ny herinandro masina, dia tsy nitsahatra ny nampianatra tao amin’ny tempoly Jesosy, fa nony hariva dia nakany amin’ny tendrombohitra Oliva Izy, tany Betania, tao amin-dry Lazarosy sy Marta sy Maria (Jaona 2.1); fa isa-maraina Izy dia midina ny tendrombohitra Oliva, mamaky ny lohasaha Kidrona, miakatra ao amin’ny tempoly hampianatra (Lioka 21.37-38; jereo koa Jaona 8.1-2)

(Ny dikan’ny “Betania” dia: “Tananan’ny mahantra”,
“Kartien’ny mahantra”

Ny teksta: Ny fankalazan’ny Ray ny Zanaka, ny fanomezan’ Andriamanitra voninahitra ny Zanaka dia amin’ny alalan’ny hazofijaliana

And 20-22 Ny fanirian’ireo Grika ta-hahita an’i Jesosy. Ireo Grika ireo dia naman’ireo Jentilisa izay atao hoe Prozelita, izay mba voasinton’ny fivavahana jiosy ka nanaraka ny fitsipika sasany, na dia tsy nilatsaka ho mpanaraka tanteraka ny fivavahana jiosy aza.
Izany fanatonan’ny Grika an’i Jesosy izany dia raisin’ny Mpianatra ho fambara fa tonga izao ny fotoana mba hisokafan’i Jesosy ho amin’izao tontolo izao. Ny Grika no azo lazaina ho tampony amin’ny fahendrena, ny filozofia, ny teknika, ka raha mankany Gresy miaraka amin’ireo Grika ireo Jesosy dia hitombo haingana ny lazany. Jerosalema rahateo dia toa tsy misy antenaina firy intsony, satria mitombo isan’andro ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana ao. Jesosy rahateo efa nankalazaina ho Mpanjaka.

Izany fiheveran’ny Mpianatra izany anefa dia mbola mitovy amin’ny fihevitr’ireo rahalahin’i Jesosy, fony izy ireo tsy mbola nino, izay nilaza fa:
“ tsy misy olona manao zavatra amin’ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao dia misehoa amin’izao tontolo izao” (Jaona 7.4).
Tsy izany anefa ny lalana, hoy ny valitenin’i Jesosy, fa tsy maintsy mandalo ny fahafatesana Izy vao hamokatra ny asany.

And 23-24 Tonga tokoa ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona, nefa amin’ny alalan’ny fahafatesana sy ny fitsanganany amin’ny maty.
Tsarovy mandrakariva ny hevitra mifono amin’ny anarana hoe “Ny Zanak’olona”, dia ny faminaniana ao amin’ny Daniela 7.13-14, izay manambara fa hiseho amim-boninahitra ny Zanak’olona, avy eny amin’ny rahon’ny lanitra ka handray ny fanjakana. Mbola tsy izay anefa no ho fisehoan’i Jesosy, fa ny fankalazan’Andriamanitra Azy amin’izao P***a izao ka hahitan’izao tontolo izao ny voninahiny, dia ny fahafatesana sy ny fitsanganany amin’ny maty. Koa:
Ny voninahitr’Andriamanitra, ny voninahitr’i Jesosy, izay tiany ho hitan’izao tontolo izao, dia ny fanoloran-tenany eo amin’ny hazofijaliana, izay famonjena ho an’izao tontolo izao.

Ambarany amin’ny fanoharana izany, dia ny voambary izay alatsaka amin’ny tany vao hamokatra be. Fanoharana ihany anefa ny hoe “voambary maty”, satria ny voambary afafy, raha ny marina, dia mbola mitahiry tsirin’aina izay tsy maty. Fa Jesosy kosa dia tena maty, fa nitsangana tamin’ny maty tamin’ny herin’Andriamanitra.

Fa ny ambara dia ny lalana tsy maintsy hizoran’i Jesosy, fa tsy izay naha-liana ny Mpianatra momba ireo Grika.
Ny lalana hidiran’ny Jentilisa ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia ny fisoloan’i Jesosy ny fahotan’izao tontolo izao, fa raha tsy izany dia ho ny firenena Israely, izay tratrany nandritra ny taona vitsivitsy ihany no hahazo anjara tamin’ny famonjena.

And 25 Lalàna ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra izany. Fakam-panahy nataon’ny devoly tamin’i Jesosy hatramin’ny voalohany ny handositra ny lalan’ny hazofijaliana, kanefa notoheriny hatrany izany, ka izany no nahatanterahany ny fanavotana an’izao tontolo izao. Tsy Jesosy ihany, fa isika koa, raha ta-hamonjy ny aintsika amin’izao fiainana izao, dia tsy hahazo ny fiainana mandrakizay, fa “izay mankahala ny ainy” amin’izao fiainana izao no hiaro azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Ny hoe “mankahala”, dia tsy famonoan-tena na fampijalian-tena, fa: Ny tsy fametrahana ny aina ho loha-laharana, fa izay ho loha-laharana dia ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany: Matio 6.33.
And 26 Ny fanompoana an’i Jesosy dia tsy hisy voninahitra araka izay tian’izao tontolo izao, fa araka ny fanompoana ataon’i Jesosy koa, dia amin’ny hazofijaliana izay mba anjaran’ny Mino. Mahagaga fa ny fitondran’Andriamanitra an’izay manaraka an’i Jesosy dia mitovy amin’ny fitondrany ny Zanany: “…hankalaza azy ny Ray!”. Ary izany fankalazana izany dia amin’ny alalan’ny hazofijaliana! Jereo Marka 10.29-3O. Sahala amin’ny fankahalana sy fanoheran’ny Jiosy an’i Jesosy ao Jerosalema izao no hanjo ny Mpianatra koa.
And 27 Tsy sarintsary, fa tena adim-panahy mafy no manjo an’i Jesosy, sahala amin’ny nofo aman-dra rehetra izay manatrika fahafatesana. Mihoatra noho ny an’ny olona rehetra anefa izany adim-panahin’i Jesosy izany, satria Izy Andriamanitra masina, Tompon’ny aina, no tsy maintsy hanandrana fahafatesana sy ny fasana.
Tsy takatry ny saintsika izany adim-panahy izany, fa raisintsika amim-pinoana sy fisaorana izany: Jesosy manaiky hiditra amin’ny adin-tsaina sy adim-panahy izay manjo antsika. Fitondrana ny fahotantsika sy ny helotsika izany.
Tsy nijanona tamin’ny adim-panahy anefa Jesosy fa nivavaka: Mangataka Izy mba ho afaka amin’ity ora ity, kanefa avy hatrany dia mandresy Izy ka mandroso hanatanteraka ny nanirahana Azy.

And 28a Manaiky tanteraka Jesosy ny hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fijaliana sy ny fahafetesana. Ny fijaliana sy fahafatesan’i Jesosy ary ny fitsanganany dia fankalazana ny anaran’Andriamanitra. Izany no mampiharihary ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahamasinany.
Izany vavaka nataon’i Jesosy izany koa dia fianarana ho antsika: Hamboraka ny fo sy ny adim-panahy eo amin’Andriamanitra, nefa koa manaiky tanteraka ny sitrapony:
Ny Hataky ny Tompo.

And 28b Toy ny tamin’ny batisan’i Jesosy, dia nisy feo re avy tany an-danitra manamafy ny fanomezan’Andriamanita voninahitra an’i Jesosy. Tamin’ny batisa dia niditra teo amin’ny toeran’ny mpanota Jesosy, ary toy izany koa amin’ny fizorany ho amin’ny hazofijaliana. Tena maka ny toeran’ny mpanota, mandray ny fanamelohana noho ny fahotantsika.
Ahariharin’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao, amin’ilay feo avy any an-danitra, fa ao anatin’izany fietrena sy fahafahambaraka izany dia tsy misaraka amin’i Jesosy Zanany Izy.

Izany fanambarana avy any an-danitra izany dia tsy azon’ny vahoaka fa noheveriny ho anjely na kotrokorana. Tsy azony ny fanehoan’Andriamanitra ny voninahiny.
Voasoratra anefa izany ka azontsika ankehitriny!

And 30 Na dia tao aza ny adim-panahy natrehin’i Jesosy, ary miha manatona ny ora, dia manana fiadanana tanteraka Izy satria tsy misaraka amin’Andriamanitra, ary afaka mampahery ny Mpianatra.

And 31 Ny fahafatesan’i Jesosy dia fitsarana an’izao tontolo izao, satria nesorina taminy ny fahazavana! Miseho miharihary ny maha-fahotana ny fahotana. Kanefa izany fitsarana izany no fisehoan’ny fahasoavana koa: Nandresy ny andrian’ny izao tontolo izao Jesosy satria tsy misy anjarany ao Aminy na dia kely aza: Jaona 14.30.
Noho izany fandresen’i Jesosy izany koa, amin’ny firaisana sy fiankinana Aminy, no ananantsika ny fandresena, ka amin’izany fiankinantsika amin’i Jesosy izany dia azera avy tany an-danitra ny devoly tsy hahazo hiampanga antsika: Lioka 10.18; Apokalipsy 9.9-12.

And 32-33 Ny fankalazan’ny Ray an’i Jesosy: Ny fahafatesany amin’ny hazofijaliana sy ny fiakarany any an-danitra.

“Asandratra miala amin’ny tany”. Milaza mivantana ny fanomboana amin’ny hazofijaliana: Ny olona izay homboana amin’ny hazofijaliana dia adaboka amin’ny tany, ka rehefa voafantsika dia atsangana ny hazo, ka toy ny mihantona eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra eo ilay olona.

Fampijaliana faran’izay mangiridifiry izany, ara-tena, saina, fanahy, miampy ny fahafahambaraka. Ny hoe asandratra anefa dia mifono hevitra roa:
Ny fanandratana amin’ny hazo, ary ny fanandratana an’i Jesosy ho any an-danitra

Ny fanoloran-tenan’i Jesosy ho amin’ny fahafatesana no mandresy lahatra ny mpanota hanatona Azy satria eo no hita miharihary ny fitiavan’Andriamanitra.
Rehefa tafakatra any an-danitra koa Jesosy dia haniraka ny Fanahy Masina Izay homba ny fitoriana ny Filazantsara ka hanintona ny olona hanatona sy hino Azy. Jaona 14,15,16.

Ao anatin’ny herinandro masina isika, ka ireo teny rehetra voatendry ireo dia manampy antsika handinika izany voninahitr’i Jesosy izany, ka hanainga antsika koa hatoky Azy sy hanaraka Azy.

Address

Antananarivo
LOT015EBISAMBOHIBAOANTEHIROKA,105ANTANANARIVO

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fifohazana Tobilehibe Ankaramalaza - Foibe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share