26/05/2026
Faly miarahaba antsika indray nahatratra sy niaina ny Pentekosta 2026 izay namarana ny herinandro Fito aorinan'ny P***a. Manana anjara fifaliana lehibe tokoa amin'izao fetim-piangonana izao isika zanaky ny Fifohazana, raha tsy hanamarika fotsiny fa isan'ny teny tafiditra amin'izao perikopa izao ny teny fanorenana ny Asa sy Fampaherezana. Koa dia manasa anao hamaky finaritra izao tari-dalana izao.
---0----
𝐏𝐄𝐍𝐓𝐄𝐊𝐎𝐒𝐓𝐀 𝐈, 𝟑𝟏 𝐌𝐄𝐘 𝟐𝟎𝟎𝟗: 𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀 𝟏𝟒.𝟏𝟓-𝟐𝟏
Ny dikan’ny hoe Pentekosta dia ”fahadimampolo”, dia ny andro faha-50 aorian’ny P***a izany. Natao hoe Fetin’ireo Herinandro, izany hoe ny herinandro fito manaraka ny P***a, ary fety fanateram-bokatra tamin’ny Fanekena Taloha izy io (Eksodosy 23:15-21; Deoteronomia 16.9-12). Izany fety fanateram-bokatra izany dia fitaizana ny Israely mba hisaotra an’Andriamanitra Izay nitahy sy nampahavokatra ny tany, fa tsy hirona amin’ny fivavahan’ny Jentilisa manodidina, izay nanankina izany tamin’ireo andriamanitra tsy izy.
Rehefa tonga ny fotoana dia ny Pentekosta no nofidin’Andriamanitra handrotsahany ny Fanahy Masina tamin’ireo Mino voalohany (Asan’ny Apostoly 2.1-4), ary izany fandrotsahany ny Fanahy Masina izany dia vokatry ny nahavitan’i Jesosy ny fanavotana teo amin’ny hazofijaliana (Asa 2.32-33), izay nifanandrify indrindra koa tamin’ny P***a Jiosy. Hitantsika amin’izany fa na ny P***a jiosy, na ny Pentekosta dia samy nahazo hevitra vaovao amin’ny andron’ny Fanekena Vaovao. Tamin’ny Pentekosta rahateo no nahaterahan’ny Fiangonana kristiana.
𝑵𝒀 𝑻𝑬𝑺𝑻𝑨𝑴𝑬𝑵𝑻𝑨 𝑻𝑨𝑳𝑶𝑯𝑨: 𝑱𝑶𝑬𝑳𝑨 3.1-5
Ny bokin’i Joela dia sokajin’ny atao hoe ”Soratra Apokaliptika”, izay mitovitovy fomba amin’ny bokin’i Daniela sy ny Apokalipsy: Boky faminaniana , izay milaza ny zavatra hitranga mialoha ny farany, dia ny andro fitsarana, alohan’ny hahatongavan’ny tany sy lanitra vaovao.
Ny soratra apokaliptika dia matetika manambara lozan-javaboahary mitranga mialoha ny fitsarana, ary mikendry ny hampibebaka ny olona ireny. Eto amin’ny Joela, izany andro fitsarana ho avy izany dia atao hoe ”ny Andron’i Jehovah” (T1.15; 3.4; jereo koa Amosa 5.18; Zefania), izay hitsarana ny Israely sy ny Jentilisa ka hampiorenan’Andriamanitra ny fanjakany.
Toy izao ny firafitry ny boky:
Toko 1-2: Misy andiam-balala sy hain-tany izay mialoha lalana ny Andron’i Jehovah
T1:2-12: Filazana ny fahasimbana vokatr’izany
T1:13-18 Manainga ny Fiangonana manontolo ny Mpaminany mba hibebaka
T1:19-20 Mitaraina amin’Andriamanitra ny Mpaminany
T2 :1-11 Toa tsy nibebaka ny olona , ka noho izany dia ambaran’ny Mpaminany fa
manakaiky ny Andron’i Jehovah
T2 :12-17 :Noho izany dia mbola manainga ny olona hibebaka ny Mpaminany
T2 :18-27 Nihaino ny fifonana Andriamanitra : Saropiaro ny amin’ny taniny Izy ka
hamonjy ny olony ary hanangana indray ny rava
Toko 3-4 Faminaniana famonjena sy fitsarana
T3:1-5 Handrotsaka ny Fanahiny amin’ny nofo rehetra Andriamanitra
T4:1-17a, Hisy fitsarana ny firenena rehetra
T4:17b-21, Nefa fitahiana be ho an’ny olon’Andriamanitra
Ny teksta
Ny Toko 3:1-5 àry dia milaza ny handrotsahan’Andriamanitra ny Fanahiny amin’ny nofo rehetra.
Mariho, fa ny tokony ho izy araka ny hebreo dia ”Mandrotsaka” fa tsy ”Mandatsaka”. Toy izany koa ny Asan’ny Apostoly 2.17,33. Ny sary an-tsaina amin’izany dia ny firotsahan’ny ranonorambe. Tsy hoe akory misy maro ny Fanahy, fa tokana ny Fanahy Masina, fa ilazana ny fanomezana tsy misy fetra sady mitondra fitahiana, avy amin’Andriamanitra. Mitovy amin’izany koa ny voambolana ao amin’ny Titosy 3.6 (”naidiny betsaka tamintsika”). Indraindray ihany no ilazana hoe ”nilatsaka”, ary tsy midika hoe ”nianjera”, fa tonga tampoka amin’ny olona iray ary ahitana fiovana be ny fihetsik’ilay olona (Mpitsara 14.6; Asa 10:44-46); indraindray koa tsy hoe ”nilatsaka”, fa :” nitafy” an’ilay olona (Mpitsara 6:34). Ary ny Asa 1:8: tsy hoe ”hilatsahan’ny Fanahy aminareo” fa: ”hahatongavan’ny Fanahy aminareo”
Tamin’ny andron’ny Fanekena Taloha mantsy dia olona vitsivitsy ihany no nirotsahan’ny Fanahin’Andriamanitra, na natongavany, dia ny Mpitsara, ny Mpanjaka (I Samoela 10.6; 16.13), Ilay Mpanompon’i Jehovah (Isaia 42:1; 61:3), na dia efa niasa teo amin’ny Israely manontolo tokoa aza ny Fanahy Masina (Isaia 30.1; 48.16; 63.14; Salamo 106.33; 139.7, etc ). Kanefa tsy mbola ny asan’ny Fanahy amin’ny fahafenoany no nomena. Fa rehefa vita ny asam-panavotana nataon’i Jesosy vao ”hirotsaka” ny Fanahy, satria amin’izay Izy no hanambara feno ny asan’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy: Titosy 3:6. Amin’izany fotoana izany vao tanteraka ny Joela 3:1, dia araka ny Asa 2 sy ny Titosy 3:6.
Araka ny Joela 3, dia hirotsaka amin’ny olona rehetra ny Fanahy, izany hoe: Ny olona rehetra ao amin’ny Israely, fa tsy amin’ny Mpanjaka sy ny Mpitsara ihany. Ao anatin’ny hirotsahan’ny koa anefa ny firenena rehetra, izay hiantso ny anaran’i Jehovah
Ny fahatanterahan’ny faminaniana
Araka ny Asa 2 àry dia tanteraka tamin’ny Andro Pentekosta ny Joela 3.
Mariho hatrany ny fahatanterahan’ny faminaniana, fa mandrakariva saiky manao tazan-davitra ny mpaminany ka tsy mahita afa tsy ny fahatanterahany amin’ny ankapobeny izy. Tsy hitany, ohatra ny fahagatongavan’i Jesosy etý an-tany sy ny asany manontolo, fa noheveriny fa raha vao tonga ny firotsahan’ny Fanahy dia ho avy ny fiafaran’izao rehetra izao. Araka ny fahitany azy koa, dia any Joda sy Jerosalema no hivelaran’izany fanjakan’Andriamanitra izany (Joela 4:18-21). Isika anefa mahafantatra fa tany sy lanitra vaovao no hiseho aorian’ny fitsarana (Isaia 66:22; Apok. 21:1; 2Petera 3.13)
Fa tanteraka tokoa tamin’ny Andro Pentekosta ny firotsahan’ny Fanahy ”amin’ny nofo rehetra”: Tsy hoe ny olona rehetra manerana ny tany, na dia ny tsy mino aza, fa ny olona rehetra sy fokompirenena rehetra izay mino an’i Jesosy, dia ny Kristiana izany, araka izay hita ao amin’ny Asa 2:7-11.
”Amin’ny andro farany”: Araka ny Asa 2:17, ny andro farany, na ny vanimpotoana farany amin’ny fitantanan’Andriamanitra ny famonjena, dia efa nanomboka tamin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty sy ny nirotsahan’ny Fanahy Masina. Efa ao anatin’izany vanim-potoana farany izany isika, izay andro iasan’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fitoriana ny Filazantsaran’ny famonjena.
Koa ny Kristiana dia miaina ao anatin’ny vanim-potoana roa na tontolo roa samihafa (grika: Aiona) : ny vanim-potoana na ny Aiona tranainy, izay atao hoe ”izao fiainana izao”, na ”izao tontolo izao”, izay mbola anjakan’ny fahotana sy ny tsy fahatanterahana rehetra, ary mbola iainantsika koa amin’ny maha-nofo antsika; efa an-dalana ho rava izy io, ka izany no ambara amin’ny hoe ”masoandro mihamaizina, volana tonga ra”, izay miseho amin’ny fikorontanana samihafa amin’ny tontolo izay efa an-dalana ho rava : horohorontany, volkano, etc.... Ny Kristiana koa anefa dia efa miaina anatin’ny Aiona na ny vanim-potoana vaovao, izay andraisantsika anjara amin’ny alalan’ny batisa sy ny finoana. Mifampiditra ireo tontolo roa ireo, ka ny Kristiana dia sady zanaky ny fanjakan’Andriamanitra na ny tontolo vaovao, no mbola miaina eto amin’izao fiainana izao.
Koa ny mbola mampaharitra an’izao fiainana izao dia ny hitoriana ny filazantsaran’ny fanjakana amin’ny firenena rehetra: Matio 24:34.
𝑵𝒀 𝑳𝑬𝑲𝑺𝑰𝑶𝑵𝑨: 𝑨𝑺𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑨𝑷𝑶𝑺𝑻𝑶𝑳𝒀 2.32-41
Izany perikopa izany dia ao anatin’ny toritenin’i Petera tamin’ny Pentekosta tao Jerosalema: Nivory tao amin’ny kianjan’ny tempoly noho ny fetin’ny Pentekosta izay mbola niraisany tamin’ny Jiosy ireo Mino an’i Jesosy. Tamin’izany no tonga ny Fanahy Masina ka nisy ny fahagagana izay nanaitra, dia ireo olona samihafa fiteny, avy amin’ny firenena samihafa, izay niteny ny asan’Andriamanitra, dia ny amin’i Jesosy izany, kanefa samy nifankahazo resaka izy rehetra, sady azon’ny mpihaino izay nanatrika teo koa. Mariho fa tsy hoe ”teny tsy fantatra”, fa tena fantatra mazava tsara tokoa izay nolazaina!
Ireo Jiosy izay nanatrika sy nahita izany zava-mahagaga izany dia nihomehy ka naneso, sady nilaza hoe mamon-divay ireo: Noho izany dia nitsangana Petera ka nanambara fa izao zava-mitranga izao dia fahantanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Joela 3.
Maromaro ny zavatra homarihina amin’izany toritenin’i Petera izany, mbamin’ny tantara amin’ny Asa 2 manontolo: :
- Niainga avy tamin’ny Soratra Masina izy, dia ny Joela 3:1-5, kanefa tsy ireo
zava-manaitra ny maso sy ny fahagagana no nifantohan’ny teniny, fa Jesosy, Izay
voahombo tamin’ny hazo fijaliana, maty sy nitsangana ary niakatra any andanitra , ary
naniraka ny Fanahy araka izao hita izao.
– Vavolombelon’izany fitsanganany izany i Petera sy ny Apostoly (And 2.32)
Ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty dia misy vavolombelona nahita maso, dia ny Apostoly: Isika kosa tsy nahita, fa teny vavolombelona nomen’ny Apostoly no itokiantsika fa nitsangana tokoa Jesosy.
- Ny fanambarany fa: “Jesosy izay nohomboanareo tamin’ny
hazofijaliana, no nasandratr’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”, izany no
nanindrona ny fon’ny mpihaino = nanindrona ny fieritreretany = nahatsiarovany ny
fahotany, ka nanontany izay tokony hatao.
- Ny And 38: ny fibebahana , dia ny manenina ny fahotana ka mino an’i
Jesosy Ary amin’ny batisa no ahazoana famelankeloka sy andraisana ny Fanahy
Masina.
Tsy mitovy amin’ny nandraisan’ireo Apostoly ny Fanahy Masina àry ny fandraisan’ny Mino aty aoriana, fa isika dia amin’ny alalan’ny batisa no nandraisantsika.
Mariho ny filazan’i Petera ny batisa: “…ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy hianareo…”. Tsy milaza izany fa tamin’ny anaran’i Jesosy fotsiny ny batisa nataony, satria, araka ny tantara ao amin’ny Asa 8.16, dia ireo olona izay natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy fotsiny, dia tsy mbola nandray ny Fanahy Masina. Fa izay nandidian’i Jesosy antsika, dia ny hanao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ry ny Fanahy Masina.
- “Izay nandray tsara ny teny dia natao batisa”. Tsy nisy fampianarana
sahala amin’izay ataontsika amin’ny Katekomena, satria ireo olona rehetra ireo dia Jiosy, mahalala tsara ny Soratra Masina, ka tsy misy izay notakina taminy afa-tsy ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy araka ny toritenin’i Petera.
Fehiny:
Ny fanambarana an’i Jesosy, voahombo, maty sy nitsangana tamin’ny maty, ary niakatra any an-danitra, no iasan’ny Fanahy Masina amin’ny olona, fa tsy izay mety ho fihetsiketsehana ataon’ny olona indraindray.
Ny nandraisantsika ny Fanahy Masina dia tamin’ny batisa, fa tsy mitovy amin’ireo Apostoly fahiny isika. Ny batisa natao tamintsika kosa dia mitaky fibebahana isan’andro sy finoana.
𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑨𝒁𝑨𝑵𝑻𝑺𝑨𝑹𝑨: 𝑱𝑨𝑶𝑵𝑨 14.23-31
Ato amin’ny Jaona 14-17 no mivelatra mazava indrindra ny firaisana mahagaga ao amin’ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, ary ny firaisana ananan’ny Mino amin’i Jesosy. Mifampiankina tanteraka izany rehetra izany. Noho izany dia tandrify tokoa ny Andro Pentekosta ireo teksta ireo, na dia mbola talohan’ny Zoma Masian aza no nitenenan’i Jesosy azy.
Marihina koa, fa ny teksta dia tsy manonona firy ny Fanahy Masina, fa ny firaisan’i Jesosy amin’ny Mpianatra, izay hilaozany no misongadina.:
- Ny fitiavan’ny Mpianatra an’i Jesosy, izay hiseho amin’ny fitandremany ny teniny
- Ny firaisana ao amin’i Jesosy sy ny Ray Izay naniraka Azy, ka ny fitandremana ny tenin’i Jesosy dia fitandremana ny tenin’ny Ray
- Ny hanirahan’i Jesosy ny Mpananatra mba hampianatra sy hampahatsiaro ny zavatra rehetra izay nolazain’i Jesosy
- Ny fiadanana izay avelan’i Jesosy ho an’ny Mpianatra
- Ny tsy hamelan’i Jesosy ny Mpianatra ho irery, fa ho avy faingana Izy
- Ny tokony hifalian’ny Mpianatra amin’ny fiakaran’i Jesosy ho amin’ny voninahitra
- Ny fanomezan’i Jesosy voninahitra ny Ray amin’ny alalan’ny firosoany ho amin’ny fahafatesana (and 31).
Na dia tsy voatonona firy aza ny Fanahy Masina, dia ao mandrakariva Izy, tsy misaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. Fifanomezana voninahitra, fifanajana, fifampiankinana sy fitiavana tanteraka ao anatin’ny Trinité no hitantsika ao. Ny ivon’ny teskta manontolo dia ny fanolorantenan’i Jesosy ho amin’ny fahafatesana, ho an’ny Mpianatra, sy ho fankatoavana ny Ray : Miandry ny hahatongavan’ny Fanahy Izy, mba hanazava amin’ny Mpianatra ny zavatra rehetra izay efa noteneniny sy nataony.
Raha ataontsika indray milaza ny zava-miafin’ny Trinité, araka izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra sy izao perikopa izao, dia toy izao:
- Ny Ray no maniraka ny Zanaka mba hanambara Azy amintsika, ary mba hanatanteraka ny fanavotana antsika
- Ny Zanaka no tonga olombelona tety an-tany ka nanatanteraka ny fanavotana teo amin’ny hazo fijaliana, ho antsika, ary ho fankatoavana ny Ray, ary noho izany dia afaka maniraka ny Fanahy Masina Izy hanazava ny Tenin’i Jesosy sy ny asany amintsika
- Ny Fanahy Masina dia irahin’ny Ray ho antsika, amin’ny anaran’i Jesosy (and 26), izany hoe, noho ny fahavitan’ny asa fanavotana nataon’i Jesosy, ary noho isika miankina amin’izany asa vitan’i Jesosy izany. Izy no manazava amintsika ny zavatra rehetra momba ny Ray sy ny Zanaka, mananatra, mampahery, mampionona, mitari-dalana antsika
- Ny asan’ny Fanahy amintsika dia tsy misaraka amin’ny fanambarana sy ny fiankinana amin’ny asa sy ny tenin’i Jesosy
- Ary indrindra: Ny Fanahy Masina dia Fanahin’Andriamanitra, irahin’Andriamanitra
amin’ny anaran’i Jesosy, fa tsy fanahin’olombelona, ka noho izany dia tsy azontsika baikoina amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana samihafa ataontsika. Fa miasa amintsika Izy eo amin’izay andrenesantsika na hanambara amintsika an’i Jesosy.
𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐍𝐘 𝐇𝐎𝐓𝐎𝐑𝐈𝐍𝐀: 𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀 𝟏𝟒:𝟏𝟓-𝟐𝟏
Izay rehetra voalaza momba ny Filazantsara (Jaona 14:23-31) dia tandrify ny perikopa toriteny avokoa. Kanefa tandremana tsy hivelatra loatra amin’ny fotokevitry ny Toko 14-17 manontolo araka izay nataontsika ao amin’ny fanazavana ny Filazantsara, fa izay asongadin’ny teksta hotorina dia ny fitiavan’i Jesosy ny Mpianatra, ary ny fitiavan’ny Mpianatra an’i Jesosy amin’ny fitandremana ny didiny. Amin’izany rehetra izany anefa dia ao ny Fanahy Masina na dia tsy voatonona firy aza Izy. Manambara izany, araka ny tenin’ny mpanompon’Andriamanitra iray, fa ny Fanahy Masina dia manetry tena: Manome voninahitra ny Ray sy ny Zanaka Izy. Ary marina izany.
Azontsika atao ny mandray ireo andininy tsirairay ato amin’ny perikopa:
- And 15-16 Ny fahatongavan’ny Fanahy Masina dia miankina amin’ny Teny fikasan’Andriamanitra, Izay hanatanteraka izany amin’ny fotoany: Kanefa koa miankina amin’ny firaisan’ny Mino amin’i Jesosy, dia ny fitandremany ny didiny. Ny didin’i Jesosy: Ny finoana sy ny fitiavana araka ny didy vaovao: Ny Didy vaovao, izay mahafaoka ny didy rehetra, nefa amin’ny fanahy vaovao izay omen’i Jesosy ny Mino (Jaona 13:34-35)
Noho izany fitandreman’ny Mpianatra ny Didiny izany dia mangataka ny Fanahy amin’ny Ray Jesosy!
Mahagaga antsika izany rehetra izany! Mifamatotra tanteraka ny fitiavan’i Jesosy ny Ray, ny fitiavany antsika ka nanolorany ny ainy noho ny amintsika, ary izay vokatr’izany, dia ny fitiavantsika Azy, noho Izy tia antsika! Izany rehetra izany anefa dia efa asan’ny Fanahy ao amintsika avokoa!
- And 17 Fanahin’ny fahamarinana Izy. Manambara ny marina rehetra, ny marina manontolo. Izay ambaran’ny olona dia marina tapatapany ihany sady mifangaroharo tsy marina matetika. Fa ny Fanahy Masina dia manambara ny marina feno, izay avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Jesosy Kristy.
Izao tontolo izao: Ny tsy mino, ny tsy miraharaha ny tenin’Andriamanitra, dia tsy afaka mandray ny Fanahy Masina.
Momba ny hoe “Izao tontolo izao”, jereo ny fanazavana tamin’ny Alahady fah-6
manaraka ny P***a
“Hianareo no mahafantatra Azy satria mitoetra eo aminareo Izy sady ho ao anatinareo” Tsaroana fa ny Mpianatra, mbola amin’ny Alakamisy Masina, no itenenana izany: Hay efa teo aminy ny Fanahy Masina – satria tsy misaraka amin’i Jesosy Izy! - ary ho ao anatiny: Manomboka amin’ny Pentekosta no hitoeran’ny Fanahy ao anatin’ny Mpianatra, ka hahafantarany ny zavatra rehetra.
And 18-19
Tsy kamboty tokoa ny Mpianatra, satria, amin’ny fahatongavan’ny Fanahy Masina aminy dia vao mainka ho akaiky azy kokoa Jesosy, noho ny tamin’Izy mbola hita maso tety an-tany.
Vetivety foana dia hahita Ahy hianreo… Milaza ny hisehoany afaka telo andro izany, mandritra ny 40 andro. Ary tamin’izany dia tsy nisy nahita an’i Jesosy tokoa raha tsy ny Mpianatra ihany.
Rehefa afaka efapolo andro anefa dia tsy ho hita maso intsony Izy. Nahazo toky tanteraka anefa ny Mpianatra fa velona Izy. Noho izany dia velona koa ny Mpianatra: velona ny finoany, ny fitiavany, ny fanantenany
And 20-21 Ny Fanahy Masina no hampahafantatra ny Mpianatra fa Jesosy no manana firaisana tanteraka amin’Andriamanitra Ray, ary hananany toky fa ao aminy Jesosy, ary Jesosy no ao aminy. Izany toky izany koa no ananantsika amin’ny alalan’ny fitandremana ny tenin’i Jesosy.
Ny fitandremana ny Tenin’i Jesosy no nanomboka sy mamarana ny perikopa. Manambara izany fa ny asan’ny Fanahy Masina dia tsy misaraka amin’ny fitandremana ny tenin’i Jesosy .
Tsara marihina koa, fa tsy mitovy tanteraka amin’ireo Mpianatra fahiny isika:
Ny Mpianatra 11-lahy sy ireo vehivavy namany dia nahita maso an’i Jesosy velona, fa isika tsy mahita maso Azy, fa matoky ny tenin’ireo izay nahita maso Azy.
Ny Mpianatra 11-lahy koa dia niandry ny Andro Pentekosta vao nandray ny Fanahy Masina, ary tsy mba natao batisa tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka , tahaka antsika izy, satria, efa nanana ny firaisana amin’ny Ray sy ny Zanaka izy (Jaona 14:9; 15:3), fa ny batisan’ny Fanahy Masina ihany no noraisiny tamin’ny Pentekosta.
Isika kosa dia tamin’ny batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, araka ny didin’i Jesosy, no nandraisantsika ny Fanahy Masina (Matio 28:18-20), ary Jesosy tsy nanome didy ny Fiangonana hanao ”batisan’ny Fanahy Masina”, fa ny batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ihany.
Fa, araka ny Jaona 14 koa anefa, dia miankina amin’ny firaisantsika amin’i Jesosy no itoeran’ny Fanahy Masina amintsika. Na dia efa nandray ny Fanahy Masina tamin’ny batisa aza isika, dia mangataka ny fitarihany mandrakariva koa, satria Fanahin’Andriamanitra Izy, fa tsy fanahintsika olombelona ka ho azontsika ”ampiasaina ” na baikoina, ary fanomezana mandrakariva ihany koa izany fitarihany izany.
Ny Fanahy Masina àry dia fanomezana tokoa avy amin’Andriamanitra. Efa nandray Azy tamin’ny batisa isika, fa amin’ny fitandremantsika ny Didin’i Jesosy, ny finoana, ny fibebahana no itoerany amintsika rehetra na dia tsy ho hitan’ny masony intsony aza Jesosy.
Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany!