π™Žπ™π™† π˜Όπ™’π™—π™€π™π™žπ™Ÿπ™–π™£π™–π™ π™– π™π™žπ™«π™€π™–π™§π™–π™£π™– - π™‹π™–π™œπ™š

  • Home
  • Madagascar
  • Antananarivo
  • π™Žπ™π™† π˜Όπ™’π™—π™€π™π™žπ™Ÿπ™–π™£π™–π™ π™– π™π™žπ™«π™€π™–π™§π™–π™£π™– - π™‹π™–π™œπ™š

π™Žπ™π™† π˜Όπ™’π™—π™€π™π™žπ™Ÿπ™–π™£π™–π™ π™– π™π™žπ™«π™€π™–π™§π™–π™£π™– - π™‹π™–π™œπ™š Takelaka seraseran'ny Sampana Tanora Kristianina avy ao amin'ny fitandremana FJKM Ambohijanaka Fivoarana SPAA10

Finaritra eee 😊😊 Volana vaovao πŸ₯° Lohahevitra vaovao indray no entina ho antsika πŸ˜ŠπŸ˜‡Mofon'aina anio 1SeptambraMETEZA HIASA...
01/09/2026

Finaritra eee 😊😊
Volana vaovao πŸ₯° Lohahevitra vaovao indray no entina ho antsika πŸ˜ŠπŸ˜‡

Mofon'aina anio 1Septambra
METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA πŸ₯°πŸ˜‡

Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy.Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona?Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an'i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an'i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo?Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen'ny Tompo azy avy.Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy.Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo.

β€” I Korintiana 3 : 1 - 9


πŸ’ŸπŸ™Famaranana ny Fihaonambe STK Nosy be omaly faha 30Aogositra  2026πŸ™πŸ’ŸIreo vokatra andrasana amintsika STK -STK mamokatra...
31/08/2026

πŸ’ŸπŸ™Famaranana ny Fihaonambe STK Nosy be omaly faha 30Aogositra 2026πŸ™πŸ’Ÿ

Ireo vokatra andrasana amintsika STK
-STK mamokatra Maharitra
-STK mamokatra Toetra
-STK mamokatra Olona
-STK mamokatra Asa

Ho an'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra πŸ˜‡βœ¨



Finaritra 😊😊 Mofon'aina anio 31AogositraMAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO πŸ˜‡ Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamΓ΄na tsy mar...
31/08/2026

Finaritra 😊😊
Mofon'aina anio 31Aogositra

MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO πŸ˜‡
Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamΓ΄na tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be.Koa raha tsy mahatoky amin'ny mamΓ΄na tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin'ny tena harena?Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamΓ΄na ianareo.

β€” Lioka 16 : 9 - 13


30/08/2026

Finaritra 😊😊
Mofon'aina anio 30Aogositra

MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO πŸ˜‡
Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.Ny fahabetsahan'ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.Ny fo mionona no fiainan'ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalΓ  ny taolana.Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.

β€” Ohabolana 14 : 26 - 31


Fitsangatsanganana iraisana tany AndilanaSPAA10πŸ™πŸ’Ÿ STK Ambohijanaka Fivoarana  miara-mamindra amin'i Kristy πŸ’ŸπŸ™ Kol 2:6b  ...
29/08/2026

Fitsangatsanganana iraisana tany Andilana
SPAA10

πŸ™πŸ’Ÿ STK Ambohijanaka Fivoarana miara-mamindra amin'i Kristy πŸ’ŸπŸ™ Kol 2:6b



Finaritra ee 😊 😊 Mofon'aina anio 29AogositraMAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO πŸ˜‡ Ary hoy Jesoa tamin'ny mpianany: Tsy maint...
29/08/2026

Finaritra ee 😊 😊
Mofon'aina anio 29Aogositra

MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO πŸ˜‡
Ary hoy Jesoa tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan'izay olona mahatonga izany!Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza. Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana?Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany?Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.

β€” Lioka 17 : 1 - 10


Finaritra ee 😊😊 Mofon'aina anio 28Aogositra MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO πŸ˜‡ Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'n...
28/08/2026

Finaritra ee 😊😊
Mofon'aina anio 28Aogositra

MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO πŸ˜‡
Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesoa.Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesoa.Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalΓ na.Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.

β€” II Timoty 2 : 1 - 7


Plage ambatoloka Nosy be hell ville 🌊❀️2026
27/08/2026

Plage ambatoloka Nosy be hell ville 🌊❀️
2026


Finaritra 😊😊 Mofon'aina anio 27AogositraMAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO πŸ˜‡ Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe...
27/08/2026

Finaritra 😊😊
Mofon'aina anio 27Aogositra

MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO πŸ˜‡
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda;ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa:dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahinasy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.Ary, indro, Izaho efa nanome an'i Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, ho namany; ary ny fon'izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.sy ny latabatra mbamin'ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitrasy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona,ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin'ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon'ireo.

β€” Eksodosy 31 : 1 - 11


Fihaonambe STK 2026 Nosy be hell ville"STK Voafidin'i Kristy miasa Amin'ny faharetana , mamokatra tsara"   Jaona 15/16  ...
26/08/2026

Fihaonambe STK 2026 Nosy be hell ville
"STK Voafidin'i Kristy miasa Amin'ny faharetana , mamokatra tsara" Jaona 15/16



Address

42FM Morondava Antehiroka
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when π™Žπ™π™† π˜Όπ™’π™—π™€π™π™žπ™Ÿπ™–π™£π™–π™ π™– π™π™žπ™«π™€π™–π™§π™–π™£π™– - π™‹π™–π™œπ™š posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share