Maintimolaly Ambohitantely Cma

Maintimolaly Ambohitantely Cma Antoko mpihira mankalaza an'Andriamanitra ary mitory teny soratra masina amin’ny alalan’ny hira.

Manao ny asa manerana an'i Madagasikara na any ampitan-dranomasina koa arakaraka ny fanasana voaray.

He nisava ny aizim-pito mankalao He maraina ny ao am-po...🕊Ny Fanahy Masina mirotsaka amintsika tsirairay avy mitondra f...
24/05/2026

He nisava ny aizim-pito mankalao
He maraina ny ao am-po...

🕊Ny Fanahy Masina mirotsaka amintsika tsirairay avy mitondra fo vaovao, fanahy vaovao.

Mirary Pentekosta feno fiadanana.

17/05/2026

Nahafinaritra ny fiarahana nidera tamin’ireo mpianakavin’ny finoana nandritra ny Antsan-kira Bessa sy Rado andiany 2026.

Jesoa no Mpanavotra, ©️BESSA.
FJKM Ambohitrarahaba, 17 May 2026.

"Jehovah o! Aza izahay no omena voninahitra, fa ny Anaranao ihany." Sal.115 :1aAnisan'ny fototra hiorenan'ny asa fanompo...
17/05/2026

"Jehovah o! Aza izahay no omena voninahitra, fa ny Anaranao ihany."
Sal.115 :1a

Anisan'ny fototra hiorenan'ny asa fanompoana ny fanetren-tena sy fanafoanan-tena. Izahay dia mivohy izany eo anivon’ny mpikambana izay mijoro mampamirapiratra ny voninahitr'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitoriana an-kira.

🎼45 taona aty aoriana dia mitazona izany hatrany ny Chorale Maintimolaly Ambohitantely Cma.

Misaotra Anao Ray o!
Ho Anao Irery ny voninahitra 🙏

Aoriana ny fotoampivavahana maraina ety Ambohitantely dia hiaraka hanotrona ny STK sy ny Sokajy Kanto ary ny Antoko mpih...
16/05/2026

Aoriana ny fotoampivavahana maraina ety Ambohitantely dia hiaraka hanotrona ny STK sy ny Sokajy Kanto ary ny Antoko mpihira ao amin’ny FJKM Ambohitrarahaba isika anatin’ny
« ANTSAN-KIRA BESSA SY RADO » andiany 2026. 🎶

J-2🙏Amin’ny alalan’ny fanompoampivavahana fangataham-pitahiana no hisantarana ny fankalazana ny faha-45 taonanay 😇Fotoan...
15/05/2026

J-2
🙏Amin’ny alalan’ny fanompoampivavahana fangataham-pitahiana no hisantarana ny fankalazana ny faha-45 taonanay

😇Fotoana tsotra nefa hafonja no hiarahantsika.

Misaotra anao sahady manotrona anay amin’ny vavaka sy ny fanatrehana.

Sady manomana Tantely an’ala sy Gaufre hanandramanareo azy izahay ☺️☺️
13/05/2026

Sady manomana Tantely an’ala sy Gaufre hanandramanareo azy izahay ☺️☺️

📣🙏 Ny fanompoam-pivavahana no hanombohantsika ny fiarahana amin'ny Andro Niakarana 14 May 2026.

"Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra" Lio. 24:53

-------
Karazana lalao (fanatanjahan-tena, hira, dihy, loto...) sy ody ambava-fo (lasopy, gaufres, tantely, masikita, yaourt,voakazo) sahaza miandry antsika ho atolotr'ireo sampana.

🍽Samy mivatsy ny fitaovana fisakafoana sy ny vary masaka.

30/04/2026

Manolotra ny Hira Faneva ho an'ny FJKM Vohitsara Jesoa Mofonaina izahay amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana ananan'ny mpitarika Hery Ramamonjisoa. Ny volana Oktobra 2025 no efa nanomboka nampianarana ny vahoakan'Andriamanitra ny hira tany an-toerana nandritra ny tafika masina notanterahana.

Ampatsiahivina fa ny FJKM Ambohitantely no nanao ezaka nanorenana ny trano vaovao.

An'Andriamanitra Irery ny voninahitra 🙏

-------

Daniela 12 and 3,b
(Hira faneva FJKM Vohitsara Jesoa Mofonaina)

Izay mamerina ny maro
Ho amin’ny fahamarinana
(Dia hamirapiratra)
Dia hamirapiratra toy ny kintana
Mandrakizay doria

Azon-toky ny fanahy
Fa Jesoa mahery ny nitahy
Ka ny hazo fijaliana; toriana

Ambarao ny fitiavany
Fa ianao Jesoa no havany
Havako o! Ndeha torio anio

Voninahitra anie ho Anao Andriamanitra
Ka hamirapiratra tokoa re
Vohitsara Jesoa Mofon’Aina

©️Tonony sy feony : Hery Ramamonjisoa
Chorale Maintimolaly Ambohitantely

07/01/2026

😇Ny Andriamanitra inoako, Izy Ilay Fitiavana.
Taona vaovao 2026, firariantsoa no atolotra antsika hamakivakiana ny taona. Ny Tompo no aoka hitaridalana amin’ny fikàsana rehetra. Mirary soa ho anao sy ny ankohonanao ary ireo olona akaikin’ny fonao. 🍀

———
ILAY INOAKO
Chorale Maintimolaly Ambohitantely, Janvier 2026.
Rindran-kira Taona fankasitrahana andiany faha-3.
Auteur / Compositeur ©️BESSA

06/01/2026

🙏Misaotra ny Tompo fa tsy diso anjara amin’ny asa fanompoana Azy.
🎤RINDRAN-KIRA TAONA FANKASITRAHANA andiany FAHATELO 🎶

Hisantaranay ny anjara fitoriana ity taona 2026 ity dia manasa antsika ho tonga ny amin’ny FJKM Isotry Fitiavana hiaraka amin'ireo mpanakanto hafa hidera an'Andriamanitra.

Sambatra choir
FOIBE FJKM - Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara .

Address

Ambohitantely
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Maintimolaly Ambohitantely Cma posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Maintimolaly Ambohitantely Cma:

Share