Tanoran'i Faritra Don Bosco MMMIAnkadivato

Tanoran'i Faritra Don Bosco MMMIAnkadivato Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tanoran'i Faritra Don Bosco MMMIAnkadivato, Church, Ankadivato, Antananarivo.

21/02/2024

ALAROBIA 21 FEBROARY 2024

Alarobia Voalohany amin'ny KAREMY
Taona B

Lohahevitra mandritra ny herinandro :
''TE HIHAVANA AMINTSIKA ANDRIAMANITRA'''

FIHOBIANA ny EVANJELY
Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.
Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

EVANJELY MASINA nosoratan’i Md. LIOKA
(Lk. 11, 29-32)

Tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa Mpaminany itý taranaka itý.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ireo vahoaka betsaka nitangorona teo aminy nanao hoe: “Taranaka ratsy itý taranaka itý; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany. Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’itý taranaka itý. Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’itý taranaka itý ny mpanjakavavy avy any atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto. Hiara-mitsangana amin’itý taranaka itý ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy!

16/02/2024

ZOMA 16 FEBROARY 2024

Zoma fahaenina tsotra mandavantaona
Taona B

ZOMA AORIANAN'NY LAVENONA

Lohahevitra mandritra ny herinandro :
''SITRANA NY BOKA'''

FIHOBIANA ny EVANJELY
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

EVANJELY MASINA nosoratan’i Md. MATIO
(Mt. 9, 14-15)

Rahefa miala eo aminy ny mpampakatra vao hifady hanina izy.

Tamin’izany andro izany, dia nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe. “Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao mifady hanina izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy!

Address

Ankadivato
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tanoran'i Faritra Don Bosco MMMIAnkadivato posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category