Finoana +

Finoana + 📽️

28/05/2026

TORITENY + 003 Efa tafiditra lalina ao amin'ny fiangonana ny fahotana nefa manana hery handresena izany isika. Partageo hifampaherezana. Aza adino ny suivre, ny j'aime, ny commentaire ary ny Partage.

26/05/2026

Fiderana + Ndao apetraka amin'Andriamanitra indray ity herinandrontsika ity. Ndao ankinina aminy hatrany ny fiainantsika amin'ity hira vavaka izay kaloin'ny tarika Ambasadora ity. Zarazarao hifampaherezana 🎼🙏 Asio 🎧 hatrany.

22/05/2026

TORITENY + 002 Tonga indray ny sabata. Ndao hiaraka hanovo hery. Hery izay azontsika eo antongotr'i Kristy araka ity hafatr'i Pasteur Micka ity. Aza adino ny suivre, ny j'aime, ny commentaire ary ny Partage.

20/05/2026

FIJOROANA + 003. 🔥Fa ny tanora koa ve manana fanandramana niaraka tamin'i Jesosy e. Aleo i Miantsa hilaza ny nahafahany BEPC sy ny sedra niainany tamin'izany. Aza adino ny réaction, commentaire, partage ary ny mi"suivre" ny pejy.

18/05/2026

Toriteny + Tena mahery ny vavaka fa mila mazoto mitolona am-bavaka isika. Fampianarana nataon'ny RAD Alfred. Mivavaha ka aza mitsahatra.
Zarazarao hifampaherezana ary tsindrio ny "Suivre" hahitanareo tsy tapaka ireo fandaharana maro eto amin'ny Pejy.

Zava-dehibe tokoa izany hoe hendry eo imason'Andriamanitra. Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena. Fanabe...
10/05/2026

Zava-dehibe tokoa izany hoe hendry eo imason'Andriamanitra. Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena. Fanabeazana ny fo izany, ary manan-danja lavitra noho ny fanabeazana azo avy amin'ny boky fotsiny. Tsara sy ilaina ny mandranto fahalalana momba izao tontolo izao misy antsika, nefa raha ahilitsika tsy ho ao amin'ny kajintsika ny mandrakizay, dia ho latsaka amin'ny fahadisoana tsy azo arenina intsony isika. Ho toy ny fahalalana azo avy tamin'ny fihinanana ny voan'ilay hazo voarara izany (...).

Maro no latsaka amin'ny fahotana noho tsy fianarana ny Soratra Masina. Tsy niambina izy ireo ary nanjary haza mora azon'...
09/05/2026

Maro no latsaka amin'ny fahotana noho tsy fianarana ny Soratra Masina. Tsy niambina izy ireo ary nanjary haza mora azon'i Satana. – L, 1904.

Zava-mahagaga maro no mety ho vitan'ireo izay mifikitra amin'ny toky omen'ny tenin'Andriamanitra. Fahamarinana be voninahitra maro no hiseho eo anoloan'ny vahoakan'Andriamanitra. Hivelatra eo anatrehany ireo tombontsoa sy adidy izay tsy noheveriny velively ho hita ao amin'ny Baiboly. Hitombo hatrany ny fahalalany ny tenin'Andriamanitra arakaraka ny izorany eo amin'ny lalan'ny fanetren-tena sy ny fankatoavana. (...)

Nomen'Andriamanitra antsika ny Teniny ho fanilon'ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika. Iankinan'ny fahombiazan'izay...
08/05/2026

Nomen'Andriamanitra antsika ny Teniny ho fanilon'ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika. Iankinan'ny fahombiazan'izay rehetra mety ho fifandraisantsika amin'ny hafa eo amin'ny fiainana ny fampianarany. Na dia eo amin'ny raharaha ara-nofo ataontsika eto an-tany aza, dia ho mpitari-dalana hendry kokoa noho ny mpanolo-tsaina hafa rehetra izany. (...)

07/05/2026

FIJOROANA + 002. 🔥Raha maniry hizara ny fanandramanao miaraka amin'ny Tompo ihany koa ianao dia mandefasa Mp aty aminay. I Madame Tahiana indray no nizara izany tato amin'ny fandaharana faharoa ity. Aza adino ny réaction, commentaire, partage ary ny mi"suivre" ny pejy.

Feon'Andriamanitra miteny amintsika, azo antoka toy ny hoe mandre Azy mihitsy ny sofintsika, ny Baiboly. Ny tenin'Andria...
07/05/2026

Feon'Andriamanitra miteny amintsika, azo antoka toy ny hoe mandre Azy mihitsy ny sofintsika, ny Baiboly. Ny tenin'Andriamanitra velona dia tsy voasoratra fotsiny, fa voalaza. Raisintsika toy ny tenin'Andriamanitra ve ny Baiboly? Raha tsapantsika ny lanjan'io Teny io, dia amin'ny fanajana lalina no hanokafantsika azy, ary amim-pahazotoana fatratra no andinihantsika ny foto-keviny. Ny famakiana sy ny fandinihana ny Soratra Masina dia tokony ho fihaonana manokana amin'ny Avo Indrindra.

18/03/2025

🔥🙏Indro ary ny horonantsary fohy mamintina ny nataon'ny Fiangonana Advantista Ambohimanarina tamin'ny Global Youth Day ny 15 martsa 2025 teo. 🔥🙏 Aza adino ny partage.

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Finoana + posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share