REAL MISSION MOVEMENT

REAL MISSION MOVEMENT ... fa miovà amin ny fanavaozana ny saina (Romana 12.2)

29/06/2026

Miova mba hanova.....Mihavao mba hanavao ....Manoratra Tantara ✨

Eny! manangana olona tokoa Andriamanitra ho mpitondra teny soa mahafaly eny anivon'ny fiarahamonina eny 🙏

Misaotra an'Andriamanitra lehibe izahay noho ny androany 🙏🙏🙏

Marina hatrany ny teniny hoe " Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra." Matio 9 : 38

3 no mpitarika noeritreretina , 28 no namaly ny antso 🤝😀

Mangataka amin'ny Tompo isika mba Izy no hitahiry ny Vokatra 🙏

Miova mba hanova...Mihavao mba hanavao ...Manoratra Tantara ✨Eto ampiandrasana an'ireo hatsangana ho Mpitarika ( Leader)...
29/06/2026

Miova mba hanova...Mihavao mba hanavao ...Manoratra Tantara ✨

Eto ampiandrasana an'ireo hatsangana ho Mpitarika ( Leader) eto Maintirano 🤝

"Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon'Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin'ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan'ny finoana," II Tesaloniana 1 : 11

Mankasitraka hatrany ny fiaraha-miasa amin'ny MAF Madagascar momba ny fitaterana.

27/06/2026

Miova mba hanova...Mihavao mba hanavao ...Manoratra Tantara ✨

"Mandehana any amin'izao tontolo izao ka mitoria ny Filazantsara amin'ny olombelona rehetra " Marka 16:15

" ...ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany" Salamo 105 : 1

Mission MAINTIRANO miaraka amin'ny MAF Madagascar

Nantsoin'ny Tompo handeha hanambara ny hatsarany sy ny asany ny olony ✨

"Miova mba hanova... Mihavao mba hanavao... Manoratra tantara" ✨8 taona lasa izay, 26 Aprily 2018, dia tsaroantsika ny n...
26/04/2026

"Miova mba hanova... Mihavao mba hanavao... Manoratra tantara" ✨

8 taona lasa izay, 26 Aprily 2018, dia tsaroantsika ny niantsoan'ny Tompo ny misionera kelintsika - Princy - hody any Aminy 🤍🕊️

Fotoana iray izay nitsirian'ny hevitra, sy nitarihan'ny Tompo tamin'ny lalana vaovao, hivelaran'ny asa misiona, hanefana ny Iraka lehibe, dia ny fanokafana ny - School for the Real Mission - 🙏🏽✨
Sehatra iray izay ahafahana mampitao, mamolavola sy hanomezana tari-dalana maro samy hafa ho an'ireo olona nahare antso ho amin'ny asa misiona 🤗✨

8 taona lasa izay, miverina manao jery todika indray ankehitriny. Betsaka ny asa efa vita, be ny vokatra, fa tena hita sy tsapa anefa fa vitsy tokoa ny mpiasa. Izany indrindra no namerenana sy nampahatsiahivana indray, fa misy asa, iraka lehibe izay nampanaovin'ny Tompo antsika ! 🙏🏽✨🤗

Androany, 26 Aprily 2026 dia misaotra ny Tompo fa tanteraka soamantsara ny fandraisana,ny fitondrana am-bavaka, ary ny fitsofan-drano ireo mpianatra vaovao andiany fahatelo nanolo-tena, sy naharay antso eto anivon'ny School for the Real Mission ✨🤗🙏🏽

Ny Tompon'ny iraka anie hitahy sy homba anareo,ary hitahiry izany fanoloran-tenanareo izany mba haharetanareo hatramin'ny farany! 🤍✨

Ianao koa, raha mahatsapa fa nantsoin'ny Tompo ho amin'izany, dia mbola misokatra hatrany ny fisoratana anarana hatramin'ny 16 Mai ho avy izao☺️✨

"... Useful to the Master, and prepared to do any good work" - II Timoty 2.21 🕊️✨


"Miova mba hanova... Mihavao mba hanavao... Manoratra tantara" ✨Indraindray isika mahatsapa fa misy zavatra miantso ants...
20/04/2026

"Miova mba hanova... Mihavao mba hanavao... Manoratra tantara" ✨

Indraindray isika mahatsapa fa misy zavatra miantso antsika…
Fa tsy fantatsika hoe aiza no hanombohana. Mety ho ity no valiny tadiavinao 🫴🏽✨

Miverina indray ny fiofanana ho Misionera eo amin'ny School For the Real Mission ☺️

👉 Tianao ve ny ho olona ampiasain’Andriamanitra?
Misokatra izao arak'izany ny fisoratana anarana ho an’ny fiofanana ho Misionera – Andiany faha-3

📅 Fisoratana anarana : 20 Avril – 14 Mai 2026
📅Fidirana: 16 Mai 2026

📌Efa voasoratra ao anatin'ny sary famantarana eo ambany avokoa ny andinindininy rehetra sy izay tsara ho fantatra amin'izany 🤗☺️

Raha misy fanontaniana na raha mila fanampim-panazavana dia afaka manoratra aminay ao amin'ny hafatra miafina ianao, na miantso mivantana avy hatrany ireo laharana efa voasoratra eo ambany ireo 🤗

“…useful to the Master, and prepared to do any good work.”
— II Tim.2:21 🤍

Ho an'ny filazantsara✨

19/04/2026
"Miova mba hanova...Mihavao mba hanavao...Manoratra tantara." ✨📌Ireto indray ny fandaharantsika ao amin'ny radio. Koa mi...
17/04/2026

"Miova mba hanova...Mihavao mba hanavao...Manoratra tantara." ✨

📌Ireto indray ny fandaharantsika ao amin'ny radio. Koa mihaino finaritra. Aza adino manao partage azy amin'ny namantsika.☺️✨

hifanome tanana ho an'ny firenentsika

Homba anao mandrakariva i Jesoa Kristy!

✍️Mandehana any amin'izao Tontolo Izao ianareo Ka mitoria ny Filazantsara amin'ny Olombelona Rehetra  :_15 ✍️Ataovy mpia...
07/04/2026

✍️Mandehana any amin'izao Tontolo Izao ianareo Ka mitoria ny Filazantsara amin'ny Olombelona Rehetra :_15

✍️Ataovy mpianatra ny Firenena rehetra 28:19

🙏 Eny, ianao no antsoina , Ianao no antsoin'i Tompo hanefa ny Iraka lehibe
🙏 fa hoy Izy >
Manasa anao izahay amin'ity fotoana ity , ndao isika hiaraka hiombona
hiaraka hianatra ny tenin'Andriamanitra
hiaraka hivavaka ary hifampitondra am-bavaka ho an'ny marary sy ireo izay mila fampaherezana manokana 🔥
Fotoana ihany koa hifampizarantsika an'ireo asa misiona ( ny vokatra , ny asa miandry)

Manasa anao ary izahay Ndao hanoratra Tantara miaraka ho an'ny Filazantsara ✍️🔥🙏

Ity no solon'ny Fotoanantsika isakin'ny alarobia izay fanaontsika Misaotra Tompoko


Miova mba hanova.....Mihavao mba hanavao....Manoratra TantaraAnisany tena ministère iray lehibe ny fitoriana ny Filazant...
06/04/2026

Miova mba hanova.....Mihavao mba hanavao....Manoratra Tantara

Anisany tena ministère iray lehibe ny fitoriana ny Filazantsara amin'ny ankizy 🤗

Misaotra ny Tompon'ny iraka hatrany izahay mbola homeny fahafahana Manefa izany FiantsoaNy izany 🙏🤗

ny fahaveloman'i Tompo dia mampiorina ny Finoantsika sy hanantenantsika hatrany ny fiainana izay homeny antsika  " Ao an...
05/04/2026

ny fahaveloman'i Tompo dia mampiorina ny Finoantsika sy hanantenantsika hatrany ny fiainana izay homeny antsika " Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho." Jaona 14 : 2 🙏
Ny fijaliana sy ny fangirifiriana izay niaretan'i Jesosy Kristy teo ambony hazo fijaliana dia maneho amintsika ny asam-pananavotana izay mbola miandry antsika ary indrindra nanirahany Antsika ,( Marturia) Tsy ho mora ny asa fa Izy no efa nandresy izany ka izay manaiky sy mino Azy dia miaraka mandresy aminy "Indro,
Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia*; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà** tahaka ny voromailala" Mat : 10 : 16

Fa ny fotoana izay hankalazantsika ny P***a dia maneho hatrany hoe mbola misy asa hanirahaNy antsika matoa mbola homeny Tombon'andro ahavelomana ,

***a_Finaritra_Ho_anao
miara mandresy amin'i Kristy izay Rehetra mino azy ka mino izahay fa ianao koa anisan'izany ✝️




Address

Nanisana
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when REAL MISSION MOVEMENT posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to REAL MISSION MOVEMENT:

Shortcuts

Share