13/02/2019
TANTARA MARINA MIFONO LESONA
Nividianan'i DADANY Telephone vaovao ny zanany vavy fa feno 18 taona.
RAVEHIVAVY: Misaotra Dada a! Mbola afaka mividy housse ve ?
DADA: Eny anaka, fa inona aloha no tena ilainao ilay housse ?
RAVEHIVAVY: Mba hiarovana ny téléphone tsy haloto ary koa mba tsy ho mora simba.
DADA: Anaka, sarobidy aminao ny téléphone-nao ka arovanao. Nefa sarobidy lavitra noho iny téléphone iny ny vatanao, Ka nahoana no tsy mba arovanao ?
RAVEHIVAVY: Tsy nahateny ilay zanany vavy izay nanao zipo fohy kely sy akanjo mampiseho fotra.
DADA: Anaka, diniho ity: Raha mahita Bombon latsaka @ tany ianao ka tsy misy fonosana intsony na zara haha mifono;
Handray izany ve ianao ka hihinana izany? Ary mety mbola ho tianao ve ilay bombon?
RAVEHIVAVY: Tsia Dada, tsy nandray aho no tsy nihinana ary tsy tiako mihintsy.
DADA: Tahaka ilay Bombon ny vatanao io, ka raha tsy tafianao tsara dia tsy sarobidy intsony.
Mety ho tsiriritin'ny lehilahy fotsiny ianao, nefa fitiavana ivelany ihany izany.
Tsy ny zipo fohy sy mini short ary akanjo hatreny amin'ny fotra sy mampiseho nono akory no ahazoana vady fa jiolahimboto sy olona hanimba anao no azonao amin'izany.
Tsy etam-barotra akory ianao ka hampiratiana etsy sy eroa.
Tsy misy lehilahy haka vady maditra mihintsy ho reninjanany.
Tsarovy fa mbola ho reny ianao ary hipetraka ho tantara izay afafinao izao ary tsy maintsy hisy hitantara @ zanakao.
«Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.»(1 Timoty 4:12)
«Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.»(Ohabolana 31:30)
Raha tena tianao ilay torohevitra dia zarao fa mahasoa ny namanao koa...
https://www.facebook.com/ilayvoatsaranafafy777/