29/07/2026
HIRA FANEVA FAHA 150 TAONA NY EKAR NOTRE DAME DU MONT CARMEL SOAVINIMERINA MAHITSY
1- Ry Tompo 'Zanahary Andriamanitra ô!
Indreto izahay Fiangonana e
Midera, Misaotra ny Anaranao
Amin'izao taon-jaobily izao (x2)
Tsy foinao hisy ho avy anie izahay
Fa zanakao malalanao ry Ray ô!
Nirahinao ho anay, ireo mpanomponao
Hitondra ho anay ny TENINAO
Fiv:
150 taona lasa izay anie
No nisokatra ho antsika ny lanitra
Mitandremà sao variana
Tano mafy ka aza ariana ny Fahasoavan'Andriamanitra
Mitandremà sao variana
Tano mafy ka aza ariana ny Fahasoavan'Andriamanitra
2- Tafio ny Herinao izahay ry Jesoa ô!
Fa mbola ho lavitra ny dianay e
Miandrandra Anao izahay Fanahy Masina ô!
Fa Ianao no hankahery anay e! (x2)
Haharitra mivavaka izahay
Ry Tompon'ny fifankatiavanay e
Ka ho hita taratra amin'ny asa izay atao
Ny finoana izay anananay
Fiv:
150 taona lasa izay anie
No nisokatra ho antsika ny lanitra
Mitandremà sao variana
Tano mafy ka aza ariana ny Fahasoavan'Andriamanitra
Mitandremà sao variana
Tano mafy ka aza ariana ny Fahasoavan'Andriamanitra
3- Ry Masina Maria, Reny maminay
Ianao 'Lay tsy mba mahafoy anay e
Nantsoinao izahay hiverina Amin'ny Ray
Hibebaka amin'ny ota vitanay (x2)
Mivavaha ho anay ry Maria ô!
Arovinao ny Fiangonanao e!
Ka izahay anie mba ho todisoa
Ho sambatra miaraka Aminao