26/08/2026
๐ค 3 Jn and 1-8
FINARITRA!
Ny teny hoe *vahiny* dia azo faritana ho rehetra ivelan'ny tena, miditra ao amin'ny saina๐ง na oa amin'ny fo๐ซ=> mamolavola toe-tsaina sy toe-po ny fifandraisana aminy
Misy mpandray vahiny ao anatintsika, dia Ilay vahiny Taloha (avy any ivelan'ny saina sy ny fo), efa tonga tompon-trano, dia I JESOA KRISTY izany. Efa nanaiky Azy mantsy isika. Na ny marina kokoa EFA NEKENY๐๐คฉ. Dia manjary manaiky volavolain'ny Tenin'Andriamanitra sy ny fiainam-bavaka ny fisainana sy ny fiheverana rehetra ary ny fanapahan-kevitra.
๐ฏ and 2 : Salama = mandeha amin'ny fahamarinana= mandeha amin'ny Finoana sy ny Fankatoavana an'i KRISTY= manaiky hotarihin'Ilay Tompon-trano vaovao, dia i JESOA KRISTY ILAY FAHAMARINAN'ANDRIAMANITRA.
Izany tokoa ve isika ๐?
๐ I Gaio, zanaka ara-panahin'i Jaona, dia nampirehareha azy fa nandeha araka izany fahamarinana izany (and 3,5). Tsy moraly, fa fiainan'olona Salama amin'ny fifandraisana amin'i Kristy no lazaina eto
๐ Nandray vahiny noho ny **Anarana** (i JESOA izany), izany hoe vahiny irahin'Ilay **Anarana**. Noho izany tsy mba vahiny tsy fantatra aloha ny eto. Olona mitovy tadin-dokanga, samy Salama, samy mino Ilay Anarana no resaka eto amin'ny 3Jaona eto #
๐ Tsy navelany hankany amin'ny tsy mino/jentilisa/mpankahala Ilay **Anarana** ny vahiny satria te-hanome voninahitra an'ilay **Anarana** Izay nampianatra hoe "didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo"๐๐ค (and 6,7)
๐ฏ Azo sainina :
๐ Raha vahiny tsy mino no mifanerasera aminao matetika kokoa (olona, fisainana, hevitra, fampianarana, foto-kevitra, sns...) mety hitondra fisainana hivahavaha tokoa ve izany ka hitarika hiala amin'i Kristy sy ny toe-panahy **Salama** ?
๐ Mbola asain'ny Tompo mifamonjy sy mifanampy ve ny kristianina, fa tsy hitady vonjy any amin'ny jentilisa aloha ? Sa efa niova ny fampianaran'ny Baiboly, ka tokony samy maka ho azy?
Samia Salama sy hambinina amin'ny zavatra rehetra ary o!