Vatsimpanahy Sy Fampaherezana IV

Vatsimpanahy Sy Fampaherezana IV ... Ho ao ampontsika hatrany anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika . AMENA.

Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina i...
21/06/2026

Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.

— I Korintiana 6 : 11

23/04/2026

Mofon'aina 10/11/25

APOKALYPSY 2 : 1 - 7

MIAHANDRASA , HO AVY NY TOMPO

Fanambarana avy amin'i JESOA KRISTY...
~ NampitondraiNy an'i Jaona ity voambara eto ity...
~ Ho an'ny Fiangonana tany EFESOSY , faritr'i AZIA...
~ Mba hibebahan' ireo izay rehetra nania...

~ Ny zavyanisy tamin'izany fotoana izany...
~ Fantatry ny TOMPO ny hatsaran'ireo mpino tany...
~ Nikely aina sy naharitra tamin'ny , asan'ny TOMPO...
~ Tsy Tia faharatsiana na fitondrantena maloto...

~ Saingy nisy indro kely, hoy ny mpandrafitra...
~ Nisy tsy dia namely araka izay voatatitra...
~ Fa nisy tokoa nihemotra tamin'ny , finoana...
~ Satria ilay Fitiavana tany amboalohany toa , nohadinoana...

~ VoalazaNy koa anefa , F'izay Mandresy...
~ Nahatohitra ny fakampanahin'ilay devoly fetsy...
~ Satria nampiasa sofina nihaino Teny sy anatra...
~ Dia handova paradisa izay fiainana SAMBATRA...


>> Ny HAFATRA ambara sady zaraina ho antsika...
~ Manaova izay marina fa ny TOMPO anie mahita...
~ Mijery ny ataon'ny tsirairay avy...
~ Mahay manavaka ny Azy sy , izay tsy Azy...

>> FANTANY isika izay mikely aina...
~ FANTANY koa ireo asa mampiferin'aina...
~ FANTANY ny faharetantsika amin'ny fanarahana Azy...
~ Ho FANTANY isika any amin'ny fiainan-ko-avy...

>> FANTATRY ny TOMPO ianao izay mitotototo...
~ Manaradia AZY ankitsi-po sy amin-joto...
~ FANTANY izaho sy ianao raha mankahala ny ratsy...
~ FANTANY ka Fadio ireo fahotana mahafaty....


>> Ny HAFATRA manaraka ho ahy sy ho anao...
~ Raha sendra nania , ny lalanao mba ovao...
~ Ny lalana mankany amin'ny fahaverezana aza izorana...
~ Ny lalan-tsara nodiavin'i KRISTY ihany ifotorana...

>> Raha nanao haratsiana mibebaha haingana...
~ Ny fankahalanao ny ratsy asehoy hoe mivaigana...
~ Aza avela ho faty ny fanala na fanilo...
~ Fikiro amin'ny fiainanao ilay fanaovan-jiro...


Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.
AMENA

Address

Alasora
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vatsimpanahy Sy Fampaherezana IV posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Vatsimpanahy Sy Fampaherezana IV:

Shortcuts

Share