28/03/2024
🙂Tenenina foana hoe: vakio ny baiboly, mamakia baiboly … fa misy amin’ny olona sy ny tanora anie tia hamaky fa tsy hainy hoe aiza no hanomboana azy e, misy ihany koa tia hamaky fa tsy mety mahazo fihany satria ilay baiboly mihintsy tsy itany izay andraisana azy. Hany ka mamaky ihany izy fa izay verset tiatiany no vakiany dia ataony ampy azy.
Zaraiko eto ity mba hahafahanao mitia mamaky baiboly, lavalava izy ity fa mino aho fa hanampy anao. Ataoko antsoratra fa raha vidéo mety kamo hijery ianao.
✅Voalohany, mila ovaina ny fomba fijerinao ny baiboly. Ny mahakamo antsika mamaky azy io matetika dia diso ny fijeritsika azy heverintsika fa boky tantara toy ny boky rehetra izy io ary tantaran’olona efa taloha ka tsy misy idiran’ny antsika aty aorina. Eny boky tantara tokoa izy saingy ny tantara rehetra ao anatiny dia tsy mijanona ho tantara mila ho fantatra fotsiny ihany fa azo hitsoahana lesona ho amin’ny fiainana ankehitriny avokoa satria ny olana nisy rehetra tao dia mbola olana hiainan-tsika ankehitriny ka mampiseho antsika ny fiasan’Andriamanitra amin’ny fiainan’ny olona tsirairay sy ny fomba famahan’Andriamanitra olana izany. Satria izy tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay.
✅ Faharoa , tsy zavatra nilatsaka avy any an-danitra ny baiboly fa nosoratana, izany hoe ny baiboly dia tsy mahalaza feno ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra, mety hisy ho tezitra ny sasany fa izay no izy, samy nanoratra ny tantarany niaraka tamin’Andriamanitra ireo tao amin’ny baiboly saingy mamporisika antsika foana hiara dalana amin’Andriamanitra isan’andro satria ny fiarahan-tsika manokana amin’Andriamanitra no hahalan-tsika azy « miandalana » mandritrin’ny andro piainan-tsika manontolo fa tsy ny fahavitan-tsika hamaky ny baiboly manontolo… dikany tari-dalana ho antsika ny baiboly, fangalana hevitra sy lesona manoloanan’ny olana ary fampaherezana raha misy manjo sy fitoriam-pitiavana ho antsika avy amin’ilay Ray any an-danitra ihany koa.
✅Fahatelo, misy teny mifanohitra ao amin’ny baiboly, misy « contradiction » izay hanenjehan’ny maro azy hoe tena marina ve ny baiboly nefa misy zavatra tsy mifanaraka, eny raha mpitsindroka verset tokoa ianao dia tojo izay matetika ary mety ho tafalatsaka anatin’ireo lasa tsy tia hamaky baiboly intsony. Fantaro anefa fa amin’ny maha tantara nosoratana azy, dia samy nanana ny zavatra niainany tamin’Andriamanitra ireo olona, olombelona tahakantsika no nanoratra azy izany hoe misy imperfection, ary samy nanana ny fomba fisehoany tamin’ny tsirairay koa Andriamanitra ka izay no maha samy hafa ny voasoratra mety mifanohitra mihintsy azy selon ny perception-ny tsirairay azy eny na zavatra mitovy aza no niseho sy nozaina. Ohatra mety hahalaza azy ny hoe na samy zanakin’ny iraiamandrenao azy ianao sy rahalahy na rahavavinao dia tsy mitovy ary tsy hitovy mihintsy ny fahitanareo sy ny ho fintantaranareo ny moban’ny raiamandreninareo amin’olona satria tsy mitovy na samy zanaka azy ny fifandraisanan’ny tsirairay amin’ny raiamandreny dia tahak’izany mihintsy io.
😌Ary ny fahalalako izay ny ahy manokana vao may napahazoto ahy hamaky satria « réaliste » amiko ilay izy fa tsy angano angano.
✅ Fahaefatra ny baiboly dia tsy liste ny zavatra tokony atao na tsia azonao atao eto amin’ity tany ity mety misy ao ny « commandement nomen’Andriamanitra » fa ny tena votoatiny dia fanehoana hoe hatraiza ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona ka eny na inona na inona zavatra miseho dia tiany foana ny olony. Nasehoan’ny tamin’ny alalan’ny Jesoa Kristy izany. Ary io fitiavana io no tiana aseho manomboka ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalipsy amin’ny alalan’ny tantara rehetra misoratra ao fa tsy hoe inona no didin’Andriamanitra mila arahiko. Ary io fitiavana io no didy iray tokana sy lehibe mila arahin-tsika ankehitriny ambonin’ny zavatra rehetra.
Ary eo no ilana ilay mamaky ny boky rehetra satria mahita hoe ahoana ireo fomba samy hafa nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany ny olona isakin’ny tantara miseho. Rehefa miandrandra fitiavana ianao izany no mamaky baiboly dia hahita tsirony.
✅ Fahadimy, velona mandrakankehitriny ny teniny ao amin’ny baiboly, tsy hoe vao mamaky ianao dia hahatsapa fitiavana, na fiovam-po fa eny ampamakiana eny ianao dia itanao fa hanamarina ny teniny aminao Andriamanitra. Ianao mifanena amin’ny teneniny no ilainy satria ny mamaky baiboly dia toy ny andeha hiresaka amin’Andriamanitra. Mila mihaino azy fotsiny ianao eny na mbola tsy mino ary fa mihaino azy dia itanao fa izay voasoratra ao na kely finoana azy ianao dia tanterahiny.
Teny tsy ampoizinao fa efa novakinao mety tsy tadidinao dia hamarininy aminao ary rehefa tanteraka ilay izy dia matetika eo ny fanahy masina no mampatsiahy anao fa efa nifanena taminao tokoa io teniny io.
Ny fahalalako izany dia napahazoto ahy hamaky ny baiboly eny na dia tsy azoko aza anio ny tantara vakiko sy ny teny vakiko.
✅ Fahaenina farany, tsy azo atao ny mamaky ny baiboly toy ny mamaky boky rehetra hoe mahavita firy pejy anatin’ny ray andro fa ho leo ianao , mila maka fotoana kely mamaky azy ary atomboka amin’ireo « évangiles » izany :Matio , Marka , Lioka, Jaona … satria ireo no mampiseho ilay Mesia, ary rehefa mamaky azy dia mamaky milamina dia mijanona rehefa misy verset entre parenthèse soratany, dia vakiana ireny verset amin’ny référence ireny izay mitarika anao ho azy hamaky ny testamenta taloha, ohatra tamin’ny Jesosy nalain’ny devoly fanahy dia itanao ao fa misy fotoana Jesosy dia manonona ny teny izay efa voasoratra tany am Eksodosy sy deotoronomia dia misoratra eo ny toko sy andininy izay voalazany.
Mampiseho aminao fa na Jesosy ary dia namaky sy nifikitra tamin’izay voasoratra.
Izay aloha no momba iny, raha misy fanontaniana momba io dia ezahiko valiana hatrany, Ho resahantsika amin’ny manaraka ny hoe : maninona no misy boky tsy napidirina tao anatin’ny baiboly.
Izay fa mino aho fa nahazara zavatra taminao aho anio na dia kely aza. Mazotoa ary mamaky. Samia ho tahian’Andriamanitra ♥️