04/08/2026
04 Aogositra
Md Jean-Marie Vianney ( Mpiaro ny pretra Diosezanina)
I Masindahy Jean-Marie Vianney dia teraka tao Dardilly akaikin’i Lyon, tamin’ny 08 mey 1786. Jean-Marie Baptiste Vianney moa no tena anarany ary fantatsika amin’ny hoe Curé d’Ars izy, noho izy nitondra ny fiangonana nandritra ny 41 taona tao Ars-en-Dombes, lasa Ars-sur-Formans ankehitriny.
Zanaka tantsaha i Jean-Marie Vianney, teo amin’ny faha-13 taonany izy no nandray ny Kômonio voalohany. Tsy nahay namaky teny sy nanoratra ny ankizy tao an-tanana tamin’izany satria efa hatramin’ny fanombohan’ny Revolisiona Frantsay no tsy nisy mpampianatra tao. Ny taona 1803, efa 17 taona i Jean-Marie Vianney tamin’izay vao nisy mpampianatra tao ka izay izy vao nankany an-tsekoly. Ny 1806 hatramin’ny 1807 no niditra tao amin’ny sekoly anankiray nahorin’ny Abbé Charles Balley izy. Na dia tsy nahomby loatra aza izy tamin’ny fianarana ankapobeny dia tsapan’ity pretra mpanabe azy ity ny fitiavam-bavaka, sy ny famolahan-tena nataony ary ny fahatsapany izany fiantsoan’Andriamanitra azy izany. Ny 1809 raikitra ny ady nifanaovana tamin’ny Espagne ka voaantso hanampy ny tafika i Jean-Marie Vianney. Nikomy anefa izy ka lasa niafina tany ambanivohitra ary nanova anarana. Nosazian’ny fanjakana ny rainy ka ny zandriny no nandeha nisolo toerana azy.
Ny taona 1812 àry, niverina tao amin’ny sekolin’ny Abbé Charles Balley indray izy, ary io pretra io no nanolotra azy tao amin’ny seminera zandriny tao Virrières, tsy naharaka mihitsy i Jean-Marie Vianney na dia efa nianarany tamin’ny teny frantsay aza izany, satria fiteny latinina moa no nampianarana io taranja io tamin’izany fotaoana izany. Avy hatrany izy dia nalefa nandalina ny teôlôjia tao Lyon tao amin’ny seminera zokiny tao amin’i Saint-Irenée. Tsy nety nandoha ny saram-pianarana tany ny rainy ka dia ny sekoly no niantoka azy, noho ny tsy fahombiazany teo amin’ny fianarana indray dia naverina tany amin’ny Abbé Charles Balley, curé ny fiangonany i Jean-Marie Vianney. Nambaran’ity pretra ity tamin’ny Vicaire général fa na dia tsy mahay fianarana aza i Jean-Marie Vianney dia manana ny fitiavam-bavaka, ary noho io fiangavian’io pretra io no nanamasinana ho pretra an’i Jean-Marie Vianney ny 13 aogositra 1815 ka i Monseigneur Simon no nanamasina azy tao amin’ny seminera zokiny tao Grenoble. Nalefa tany Écully izy avy eo ary nanampy ny Abbé Charles Balley. Rehefa maty io pretra io ny 1818 dia nalefa nitantana ilay fiangonana kely tao Ars izy, ary tamin’izay dia efa nantsoin’ny kristianina tao hoe Curé d’Ars, na dia mbola zanam-piangonan’i Misérieux aza i Ars tamin’izany fotoana izany. Ny taona 1821 moa io fiangonana io vao lasa paroasy.
Toetra nahalalan’ny olona sy ny kristianina tao Ars an’i Jean-Marie Vianney ny fahatsorany, ny fifadian-kanina, ary ny fanampiana sy ny fitiavana ny mahantra, ka izay eo am-pelatanany no omeny amin’izany, indrindra indrindra fa ny fitiavam-bavaka, ora maro izy no hitan’ny olona mivavaka ao am-piangonana, ka ny fihetsiny dia toa manambara amin’ireo mpitazana fa hoe mahita an’i Kristy izy. Izany no nahatonga azy ireo hilaza avy hatrany fa olomasina ity pretra ity. Tian’izy ireo ny hafaliana entiny, ny hatsaram-pony sy ny fitiava-namana nasehony, ary ny fifadian-kanina sy ny fiaretan-tory andro aman’alina ataony dia vetivety dia nihely eran’ny tanana. Nanorina sekoly ho an’ny zazavavy tao Ars i Jean-Marie Vianney ; sekoly kely tsy zarizary izay manko no novantaniny tao, ary nitambatra ny fianaran’ny zazalahy sy ny zazavavy. Tsy nankasitrahany loatra ny fitondra-tena niainan’izy ireo ka naleony nampiofana tovovavy mpanabe ireo zazavavy ireo, ka vantany vao afaka nisahana sekoly i Catherine Lassagne sy i Benoîte Lardet dia efa nosokafany ny sekoly, ka i Catherine Lassagna no nitantana izany ary i Benoîte Lardet kosa nampianatra ny asa tanana. Maro ireo mpanao asa soa no nanohana io asa pastoraly nataon’i Jean-Marie Vianney io. Niitatra tsikelikely àry izany sekoly izany ka nahafahana nandray ireo zazavavy sahirana sy kamboty hatramin’ny 20 taona. Omena sakafo ireo, nampianarina, nokarakaraina ary nantsoina hoe “Maison de la Providence” io trano fanabeazana io. Nanomboka ny taona 1827 dia niverina nivavaka tsikelikely ny olona tao Ars, ary maro ireo manam-boninahitra tonga any Ars mba handray ny Sakramentan’ny fampihavanana, ary izany no nantsoina hoe fivahinianana masina tao Ars. Nahazo vahana io fivahinianana masina io ny taona 1830-1835, ary mandram-pahafatin’i Jean-Marie Vianney dia nisy hatrany ireo mpivahiny masina. Noho ny hamaroan’ny olona dia nangataka pretra hanampy azy i Jean-Marie Vianney ka nahazo ny Abbé Raymond ny 25 septambra 1845. Taty aorina dia tsy maintsy natolotra ny fikambanan-drelijiozy ireo fikambanana ireo, na ilay ho an’ny zazavavy na ilay ho an’ny zazalahy.
Md Marie Vianney ,mivavaha ho anay !❤🙏🏻