21/08/2026
TATITRA MOMBA NY ASA MANERAN-TANY – FIANGONANA ADVANTISTA MITANDRINA NY ANDRO FAHAFITO – HO AN’NY TANORA SY NY LEHIBE
TELOVOLANA FAHATELO 2026 – DIVIZIONA INTER-EOROPEANINA
Sabata 22 Aogositra 2026 NY BOKY TIAN’I SOPHIA INDRINDRA – Sophia, Bulgarie
Fanamarihan’ny tonian-dahatsoratrœ Ny tantara misionera amin’ity herinandro ity dia momba ny sekoly garabola Colorful Hope (Tzventna Nadezhda) ao Sofia, Bulgarie, izay hahazo ampahany amin’ny fanatitra Sabata faha-13 amin’ity telovotana ity.
Zazavavy roa taona avy any Bulgarie i Sopnia, hendry sady mahay mandinika. Tsy mbola naheno momba an’Andriamanitra tao an-trano izy satria tsy liana amin’ny fivavahana ny ray aman-dreniny. Saingy naheno zavatra tsara momba ny sekoly garabola Advantista ao amin’ny renivohitra Sofia ny ray aman-dreniny, ka resy lahatra izy ireo fa tokony hianatra ao i Sophia.
Tena tia avy hatrany ireo tantara ao amin’ny Baiboly henony isa-maraina tao amin’ny garabola i Sophia. Noraisiny tsara ireo tantara ireo ary tsy ela dia maro tamin’izy ireny no efa hainy tsianjery.
Efa nahay nampifandray ireo tantara ao amin’ny Baiboly i Sophia tamin’ny faha-telo taonany. Namaky ny tantaran’i Samsona ilay mpampianatra indray andro ary nilaza fa nosamborin’ny Filistinina ratsy fanahy i Samsona ka nampidiriny am-ponja.
“Ah, ny Filistinina!” hoy i Sophia. “Ny Filistinina no niavian’i Goliata?’
Ary marina izany! Ireo Filistinina nisamootra an’i Samsona ireo ihany no vondron’olona niavian’ilay Goliata goavambe tamin’ny andron’i Saoly mpanjaka sy i Davida.
Gaga ilay mpampianatra tamin’ny nahatakaran’i Sopnia izany. Tena ankizivavy kely manavariana tokoa izy.
Nandefa sarin’i Sophia mijery lesona sekoly Sabata ho an’ny ankizy tamin’ilay mpampianatra ny renin’i Sophia indray andro. Gaga ilay mpampianatra satria tsy izy no nanome ilay boky ho an’ilay ankononana.
“Taiza no nahazoanareo an’io boky io?” hoy ilay mpampianatra nanontany.
Fantatra tatÿ aoriana fa nisy olona tsy fantatra nanome ilay boky an’i Sophia tao amin’ny toeram-pivarotana iray.
Tena tian’i Sophia ilay bokin’ny lesona sekoly Sabata. Saingy ny boky tiany indrindra dia ny Baiboly ho an’ny ankizy izay nomen’ilay mpampianatra azy tao amin’ny sekoly garabola Colorful Hope (Tzventna Nadezhda). Nentiny nody ilay Baiboly ary nojereny isan’andro ireo sary miloko ao anatiny. Eo am-pamadihana ireo pejy izy dia mahatsiaro ireo tantara ao amin’ny Baiboly efa henony tany amin’ilay sekoly garabola.
Avy eo, indray andro, nahatsikaritra ilay mpampianatra fa nitondra Baiboly kely miloko mena teny an-tanany i Sophia rehefa nandehandeha tao am-pianarana. Nentiny nandritra ny tontolo andro izany. Farany, nanontany ilay mpampianatra hoe: “Nahoana no entinao eny rehetra eny ity Baiboly ity?”
“Ity no boky tiako indrindra,” hoy i Sopnia. “Malahelo aho fa tsy mba manana toy ito any an-trano. Handeha any amin’i Bebe aho zao ka tsy maintsy manao veloma an’ito boky ito."
Gaga ilay mpampianatra. Fantany tsara fa tena tia ilay Baiboly ho an’ny ankizy tany an-tranony i Sophia, izay nomena tao amin’ny garabola Colorful Hope (Tzventna Nadeznda). Ilay Baiboly mena nefa kely ny soratra ao aminy ary tsy dia nisy sary mahafinaritra toy ilay Baiboly ho an’ny ankizy. Saingy tamin’io andro io dia nilaza i Sophia fa ilay Baiboly mena no tiany indrindra — ary tsy te hisaraka amin’ilay Baiboly izy.
Rehefa nirava tamin’iny tolakandro iny, dia nomen’ilay mpampianatra azy ilay Baiboly kely mena ho fanomezana. Faly be i Sophia. Nentiny nody ilay izy, ary nentiny tany an-tranon’ny renibeny ihany koa tamin’iny faran’ny herinandro iny.
“Faly sahady aho mahita ny fivoaran’i Sophia,” hoy i Maria ilay mpampianatra. “Manana fifandraisana lalina amin’Andriamanitra izy. Androany aza izy dia nivavaka ho an’ny tanànantsika sy ho an’ireo zavamaniry eto amin’ny sekoly nandritra ny fiaraha-mivavaka maraina.”
Ny ampahany amin’ny fanatitra amin’ity telovolana ity dia hanampy ny sekoly garabola Colorful Hope (Tzventna Nadezhda) hiala amin’ny trano hofaina ho amin’ny trano tena azy ireo manokana ao Sofia. Maherin’ny antsasaky ny ankizy mianatra ao no avy amin’ny fianakaviana tsy advantista. Misy aza tsy mino an’Andriamanitra akory. Misaotra ny amin’ny fanohananao am-pahalalahan- tanana ity tetikasa manova fiainana any Bulgarie ity.
Tsara ho fantatra
• Asehoy eo amln’ny sarlntany i Bulgarie. Avy eo, tondroy ny renivohitra, Sofia, izay misy ny sekoly garabola Colorful Hope (Tzventna Nadezhda).
• Tonony toy tzao ny Tzventna Nadezhda: tsvet-na na-dezh-da_
• Fantaro fa ny sary ao amln’ny pejy ambadika dia mampiseho an’i Maria (mpampianatra) miaraka amin'i Sophia.
• Jereo ao amin'ity rohy ity ny horonantsary misy an’i Maria mandeha miaraka amin’i Sophia sy ankizy iray hafa rehefa avy nitsidika kianja filalaovana akaikin’ny akanin- jaza izy ireo: bitly/Sophia-EUD.
Momba ny firenena
> Nifanandrina tamin'ny ady antsoina hoe “Adin’ny alika mpirenireny” i Grèce sy i Bulgarie tamin’ny 1925.
> Manana harena voajanahary isan-karazany maro i Bulgarie, anisan’izany ny valan-javaboary nasionaly 3, valan-javaboary voajanahary 11, tahiry biosfera 10, ary faritra voaaro 565.
> I Bulgarie no mpamokatra menaka lavandy sy raozy lehibe indrindra eran-tany, izay ampiasaina amin’ny ranomanitra frantsay.
> Manana feo miavaka ny mozika nentin-drazana bolgara, ary mampiasa zavamaneno toy ny gadulka, gaida, kaval, ary tupan. Ny gaida dia sodina toy ny kitapo feno rivotra ary izy no zavamaneno nasionalin’i Bulgarie.
> Mitovy amin’ny an’ny firenena Balkan sasany ny sakafo bolgara ary somary maka tahaka ny an’i Turquie sy Grèce koa. Anisan’ny sakafo malaza ny lukanka (karazana salami), ny banitsa (mofomamy), ny shopska (salady), ny lyutenitsa (legioma matsiro), ary ny kozunak (mofomamy).
> Ny reniranon’i Danube no mandrafitra ny ankamaroan’ny sisintanin’i Bulgarie miaraka amin’i Roumanie avy eo Avaratra.
> Anisan’ny firenena tranainy indrindra any Eorôpa i Bulgarie ary izy ihany no hany tsy nanova ny anarany hatramin’ny nanorenana azy.
> Ny teny filamatra bolgara dia hoe: “Ny firaisan-kina no hery.”