Église Adventiste du 7ème Jour Ambilanibe

Église Adventiste du 7ème Jour Ambilanibe ✅ A7J Ambilanibe
✅ District Isotry Ampatsakàna
✅ Fédération Madagascar Centre
✅ Union de l'Océan Indien IOUC

23/08/2026

Lesona Sekoly Sabata – Telovolana Fahatelo

Kilasy Tanora Zokiny [19 – 35 taona] Herinandro 9 : HOHOMBOAKO AMIN’NY HAZO FlJALIANA VA NY MPANJAKANAREO?

Alahady – FAMPIDIRANA

Vakio ny: Lio. 23:1-31

Tsianjery: Mifidy andininy 1

MlROAROA SAINA

Tantara mampalahelo ny tantaran’i Heroda Antipasy.

Nanomana ny lalana ho an'ny asa fanompoan’i Jesosy i Jaona mpanao batisa tamin’izany. Nifantoka tanteraka tamin’i Kristy ny asany, ary tsy natahotra nilaza fahamarinana sarotra izy — toy ny rehefa nanome tsiny an’i Heroda noho ny nanambadiany ny vadin’ny rahalahiny. Efa vadin'i Heroda i Herodiasy tamin’izay, ary tezrtra mafy tamin’i Jaona ka niandry ny fotoana mety hamelezana azy. Nosamborina i Jaona, saingy tsy nandraisana fepetra hafa. Nanantena hampitony ny vadiny izy tamin'ny fisamborana an’i Jaona, ary tsy sahy namono ilay mpaminany andrao hisy voka-dratsy ara-politika izany.

Taty aoriana, nandritra ny lanonana iray, dia nandihy teo anatrehan’i Heroda ny zanakavavin’i Herodiasy. Tao anatin'ny hafanam-po feno fanaranam-po, dia nianiana i Heroda fa hanome azy na inona na inona angatahiny. Ny lohan’i Jaona no nangatahiny noho ny fampirisihan-dreniny. Niatrika safidy sarotra i Heroda teo. Natahotra an’i Jaona izy, nefa koa natahotra sao afa-baraka raha nivadika tamin’ny fianianany teo imasom-bahoaka, koa nekeny ny hamono ilay mpaminany ny androtriny ihany.

Nanomboka niely ny lazan’i Jesosy sy ny asany taorian'ny nahafatesan’i Jaona. Rehefa nandre momba ity Raby mpanao fahagagana ity i Heroda, dia nandinika andrao i Jaona nitsangana tamin’ny maty izy. Miharihary fa tsynandrynysainy.Taonavitsytaorian'izay,diaafakanifanatri-tava tamin’i Jesosy ihany i Heroda.

Niezaka nampiresaka an’i Jesosy izy rehefa nihaona Taminy. Tsy niteny na dia teny iray aza anefa i Jesosy. Nanantena hahita fahagagana araka izay efa reny i Heroda, saingy tsy namaly i Jesosy. Nahatezitra azy ny fanginan’i Jesosy, nefa hitany fa tsy tahaka ireo mpanao heloka bevava rehetra efa nentina teo aminy ity Lehilahy ity. Noho izy tsy mbola nandry eritreritra ny amin'ny fahafatesan'i Jaona, dia tsy tao an-tsainy ny hihamo ny fampirisihan'ireo mpitondra Jiosy hanameloka an’i Jesosy ho faty. Koa naveriny tany amin'i Pilato Izy, sady nambarany fa tsy hitany izay helony.

Nahoana tokoa no tsy niteny na inona na inona i Jesosy?

Nangina teo anatrehan’i Heroda i Jesosy satria efa voalazany avokoa izay rehetra tokony ho nolazainy tamin’ny alalan’ny mpaminany Jaona. Mampita lesona goavana izany: rehefa miteny amin’ny alalan'ny mpaminany sy ny Teniny i Jesosy, dia mila henoina sy tandremana izany hafatra izany.

SORATY

Ataovy kisary ireo hevi-dehibe mandrafitra ny Lio. 23:1-31. Soraty araka ny dikanteny tianao na amin’ny filazanao azy manokana ny and. 13-25.

21/08/2026

Mofon’Aina SABATA 22 Aogositra 2026 ASANDRATR’ANDRIAMANITRA NY MANETRY TENA

Lio. 14:11 « Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. »

Manome voninahitra ireo izay mietry eo anatrehany Andriamanitra. Raha kivy noho ny fitarainana sy ny fimonomononan’ny vahoaka izay notarihiny ho any amin’ny tany nampanantenaina i Mosesy, dia nitalaho tamin’Andriamanitra mba homeny antoka ny amin’ny Fanatrehany (...). Ary hoy ny Tompo: “Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.” – Eks. 33:14.

Nahazo hery avy tamin’ny toky momba ny fanatrehan’Andriamanitra i Mosesy, nefa vao mainka izy nanakaiky kokoa no sady nangataka tamim-pahasahiana fitahiana ambony kokoa: “Mba ampahitao ny voninahitrao aho.” – and. 18. Tsy fahalianana tsy misy tanjona no nanaovan’i Mosesy izany fangatahana izany, hitany fa tsy mahay manao asa hankasitrahan’Andriamanitra izy raha amin’ny heriny samirery. Fantany fa raha mahita mazava ny voninahitr’Andriamanitra izy, dia afaka hanohy ny iraka lehibe napetraka taminy, tsy amin’ny heriny fa amin’ny herin’Ilay Andriamanitra Tsitoha. (...) Tsy fitiavan-tena no nanosika an’i Mosesy hangataka ny hahita ny voninahitr’Andriamanitra; faniriana ny hanome voninahitra bebe kokoa ny Mpanao azy no hany tao anatiny.

Fantatr’Andriamanitra ny fisainana sy ny fikasan’ny fontsika, ary takany ny antony nanosika ity mpanompony mahatoky hanao izany fangatahana izany. (...) “Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.” – Eks. 34:6.

Nanana fanetren-tena marina i Mosesy, ary nankasitraka azy ny Tompo tamin’ny fampisehoany taminy ny Voninahiny. Toy izany koa no hanomezany voninahitra izay rehetra manompo Azy amin’ny fo tsy misy tsiny, tahaka an’i Mosesy. Tsy takiany ny hiasan’ny mpanompony amin’ny herin’izy ireo samirery. Izy no hanome ny fahendrena ilain’ireo izay manana fo mietry sy torotoro. (...) Tsy misy eto amin’izao tontolo izao afaka manisy ratsy ireo olona omem- boninahitra amin’ny firaisany ety amin’Andriamanitra. Mety hihorohoro ny tany, ary mety hihozongozona ireo andry mihazona izao tontolo izao, nefa tsy misy tokony hatahorany. – RH, 11 Mey 1897.

21/08/2026

FANENTANANA FANATITRA SY AMPAHAFOLONY – NY FIFALIANA AVY AMIN’NY FANOLORANA VOARINDRA TSARA

Sabata 22 Aogositra 2026 MANOME DIENY MBOLA VELONA

Efa renareo ve ilay fitenenana feno fahendrena hoe: “Manomeza dieny mbola velona, mba ho fantatrao izay ho vokany” ?

Tsara ny mamela vola sy fananana ho an’ny fianakavianao sy ny asan’Andriamanitra rehefa maty ianao, nefa miantso antsika koa Andriamanitra mba hanome amim-pahalalahan-tanana mandritra ny fahavelomantsika.

Mety efa nandre momba ny didim-pananana notoherin’ny olona ianao, izay nanaovan’ireo mpandova fatra-pitia vola tsinontsinona ny fanirian’ilay nodimandry. Na koa, tantarana Kristianina misionera izay maty ka nolanilanin’ireo mpandova fotsiny ny fananany, noho ny fanirian’ireo hanao fialan-tsasatra feno rendrarendra, na hanan-trano hafa ampanofaina, na zavatra hafa ho an’ny tenany.

Amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesosy Kristy antsika, dia tsy maintsy mandinika tsara ny amin’izay tian’i Jesosy hataontsika amin’ireo harena natolony hotantanantsika isika, na mandritra izao fahavelomantsika izao na rehefa maty. Tokony havelantsika ho an’ny zanatsika ve izany. sa ho an’ny fiangonana, sa ho an’ny fikambanana hafa? Inona no fomba mety indrindra hizarana ny haren’Andriamanitra?

Ary etsy andaniny koa. tokony hifikitra mafy amin’ny harentsika ve isika mandra-pahafatintsika, dia amin’ny fotoana izay tsy misy ilantsika izany intsony? Inona no ho nataon'i Jesosy?

Hoy i EllenG. White ao amin’ny bokiny “ Torolalana ho amin’ny fahaiza-mitantana: "Ny didim-pananana mialoha ny fahafatesana dia Jànoloana mahonena ny fahalalahan-tanana tokony ho natao nandritra ny fahavelomana. Tokony hanatanteraka ny didim-pananany isan'andro ny mpanompon‘Andriamanitra, amin'ny alalan'ny asa soa sy ny fanatitra feno fahalalahan-tanana ho an‘Andriamanitra." – t. 361.

Koa andeha haverintsika ilay fitenenana feno fahendrena hoe: “ Manomeza dieny mbola velona, mba ho fantatrao izay ho vokany” .

ANTSO

Eo am-pamerenantsika ny ampahafolony sy ny fanatitra «Fanoloran-tena» ho an’Andriamanitra, tsarovy fa Andriamanitra no Tompon'ny zava-drehetra, ary manasa antsika isan'andro Izy, raha mbola velona koa isika, mba ho mpitantana mahatoky ny fanomezany rehetra. Andeha hanome isika dieny mbola velona, mba ho fantatsika izay ho vokany. Misaotra anao noho ny fahatokianao.

21/08/2026

TATITRA MOMBA NY ASA MANERAN-TANY – FIANGONANA ADVANTISTA MITANDRINA NY ANDRO FAHAFITO – HO AN’NY TANORA SY NY LEHIBE

TELOVOLANA FAHATELO 2026 – DIVIZIONA INTER-EOROPEANINA

Sabata 22 Aogositra 2026 NY BOKY TIAN’I SOPHIA INDRINDRA – Sophia, Bulgarie

Fanamarihan’ny tonian-dahatsoratrœ Ny tantara misionera amin’ity herinandro ity dia momba ny sekoly garabola Colorful Hope (Tzventna Nadezhda) ao Sofia, Bulgarie, izay hahazo ampahany amin’ny fanatitra Sabata faha-13 amin’ity telovotana ity.

Zazavavy roa taona avy any Bulgarie i Sopnia, hendry sady mahay mandinika. Tsy mbola naheno momba an’Andriamanitra tao an-trano izy satria tsy liana amin’ny fivavahana ny ray aman-dreniny. Saingy naheno zavatra tsara momba ny sekoly garabola Advantista ao amin’ny renivohitra Sofia ny ray aman-dreniny, ka resy lahatra izy ireo fa tokony hianatra ao i Sophia.

Tena tia avy hatrany ireo tantara ao amin’ny Baiboly henony isa-maraina tao amin’ny garabola i Sophia. Noraisiny tsara ireo tantara ireo ary tsy ela dia maro tamin’izy ireny no efa hainy tsianjery.

Efa nahay nampifandray ireo tantara ao amin’ny Baiboly i Sophia tamin’ny faha-telo taonany. Namaky ny tantaran’i Samsona ilay mpampianatra indray andro ary nilaza fa nosamborin’ny Filistinina ratsy fanahy i Samsona ka nampidiriny am-ponja.

“Ah, ny Filistinina!” hoy i Sophia. “Ny Filistinina no niavian’i Goliata?’

Ary marina izany! Ireo Filistinina nisamootra an’i Samsona ireo ihany no vondron’olona niavian’ilay Goliata goavambe tamin’ny andron’i Saoly mpanjaka sy i Davida.

Gaga ilay mpampianatra tamin’ny nahatakaran’i Sopnia izany. Tena ankizivavy kely manavariana tokoa izy.

Nandefa sarin’i Sophia mijery lesona sekoly Sabata ho an’ny ankizy tamin’ilay mpampianatra ny renin’i Sophia indray andro. Gaga ilay mpampianatra satria tsy izy no nanome ilay boky ho an’ilay ankononana.

“Taiza no nahazoanareo an’io boky io?” hoy ilay mpampianatra nanontany.

Fantatra tatÿ aoriana fa nisy olona tsy fantatra nanome ilay boky an’i Sophia tao amin’ny toeram-pivarotana iray.

Tena tian’i Sophia ilay bokin’ny lesona sekoly Sabata. Saingy ny boky tiany indrindra dia ny Baiboly ho an’ny ankizy izay nomen’ilay mpampianatra azy tao amin’ny sekoly garabola Colorful Hope (Tzventna Nadezhda). Nentiny nody ilay Baiboly ary nojereny isan’andro ireo sary miloko ao anatiny. Eo am-pamadihana ireo pejy izy dia mahatsiaro ireo tantara ao amin’ny Baiboly efa henony tany amin’ilay sekoly garabola.

Avy eo, indray andro, nahatsikaritra ilay mpampianatra fa nitondra Baiboly kely miloko mena teny an-tanany i Sophia rehefa nandehandeha tao am-pianarana. Nentiny nandritra ny tontolo andro izany. Farany, nanontany ilay mpampianatra hoe: “Nahoana no entinao eny rehetra eny ity Baiboly ity?”

“Ity no boky tiako indrindra,” hoy i Sopnia. “Malahelo aho fa tsy mba manana toy ito any an-trano. Handeha any amin’i Bebe aho zao ka tsy maintsy manao veloma an’ito boky ito."

Gaga ilay mpampianatra. Fantany tsara fa tena tia ilay Baiboly ho an’ny ankizy tany an-tranony i Sophia, izay nomena tao amin’ny garabola Colorful Hope (Tzventna Nadeznda). Ilay Baiboly mena nefa kely ny soratra ao aminy ary tsy dia nisy sary mahafinaritra toy ilay Baiboly ho an’ny ankizy. Saingy tamin’io andro io dia nilaza i Sophia fa ilay Baiboly mena no tiany indrindra — ary tsy te hisaraka amin’ilay Baiboly izy.

Rehefa nirava tamin’iny tolakandro iny, dia nomen’ilay mpampianatra azy ilay Baiboly kely mena ho fanomezana. Faly be i Sophia. Nentiny nody ilay izy, ary nentiny tany an-tranon’ny renibeny ihany koa tamin’iny faran’ny herinandro iny.

“Faly sahady aho mahita ny fivoaran’i Sophia,” hoy i Maria ilay mpampianatra. “Manana fifandraisana lalina amin’Andriamanitra izy. Androany aza izy dia nivavaka ho an’ny tanànantsika sy ho an’ireo zavamaniry eto amin’ny sekoly nandritra ny fiaraha-mivavaka maraina.”

Ny ampahany amin’ny fanatitra amin’ity telovolana ity dia hanampy ny sekoly garabola Colorful Hope (Tzventna Nadezhda) hiala amin’ny trano hofaina ho amin’ny trano tena azy ireo manokana ao Sofia. Maherin’ny antsasaky ny ankizy mianatra ao no avy amin’ny fianakaviana tsy advantista. Misy aza tsy mino an’Andriamanitra akory. Misaotra ny amin’ny fanohananao am-pahalalahan- tanana ity tetikasa manova fiainana any Bulgarie ity.

Tsara ho fantatra

• Asehoy eo amln’ny sarlntany i Bulgarie. Avy eo, tondroy ny renivohitra, Sofia, izay misy ny sekoly garabola Colorful Hope (Tzventna Nadezhda).
• Tonony toy tzao ny Tzventna Nadezhda: tsvet-na na-dezh-da_
• Fantaro fa ny sary ao amln’ny pejy ambadika dia mampiseho an’i Maria (mpampianatra) miaraka amin'i Sophia.
• Jereo ao amin'ity rohy ity ny horonantsary misy an’i Maria mandeha miaraka amin’i Sophia sy ankizy iray hafa rehefa avy nitsidika kianja filalaovana akaikin’ny akanin- jaza izy ireo: bitly/Sophia-EUD.

Momba ny firenena

> Nifanandrina tamin'ny ady antsoina hoe “Adin’ny alika mpirenireny” i Grèce sy i Bulgarie tamin’ny 1925.
> Manana harena voajanahary isan-karazany maro i Bulgarie, anisan’izany ny valan-javaboary nasionaly 3, valan-javaboary voajanahary 11, tahiry biosfera 10, ary faritra voaaro 565.
> I Bulgarie no mpamokatra menaka lavandy sy raozy lehibe indrindra eran-tany, izay ampiasaina amin’ny ranomanitra frantsay.
> Manana feo miavaka ny mozika nentin-drazana bolgara, ary mampiasa zavamaneno toy ny gadulka, gaida, kaval, ary tupan. Ny gaida dia sodina toy ny kitapo feno rivotra ary izy no zavamaneno nasionalin’i Bulgarie.
> Mitovy amin’ny an’ny firenena Balkan sasany ny sakafo bolgara ary somary maka tahaka ny an’i Turquie sy Grèce koa. Anisan’ny sakafo malaza ny lukanka (karazana salami), ny banitsa (mofomamy), ny shopska (salady), ny lyutenitsa (legioma matsiro), ary ny kozunak (mofomamy).
> Ny reniranon’i Danube no mandrafitra ny ankamaroan’ny sisintanin’i Bulgarie miaraka amin’i Roumanie avy eo Avaratra.
> Anisan’ny firenena tranainy indrindra any Eorôpa i Bulgarie ary izy ihany no hany tsy nanova ny anarany hatramin’ny nanorenana azy.
> Ny teny filamatra bolgara dia hoe: “Ny firaisan-kina no hery.”

20/08/2026

Mofon’Aina Zoma 21 Aogositra 2026 RENIRANO ANY AN'EFITRA

Sal. 92:12 « Ny marina hamololona tahaka ny rofia; hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy. »

Alao sary an-tsaina ny mpandeha sasatra iray, miezaka mamakivaky ny fasika mafanan’ny tany efitra, tsy misy fialofana hiaro azy amin’ny hafanan’ny masoandro migaina. Lany ny tahirin-dranony (...). Maina ny lelany ary mivembena toy ny mamo izy. Mandalo ao an-tsainy ny sarin’ny ankohonany sy ireo havany, raha mihevitra izy fa efa ho faty. Tampoka eo anefa, dia tazany avy lavitra ny hazo rofia iray mitsangana eo afovoan’ny fasika mangadihady, maitso sady velona tsara. Velombelona indray ny fanantenany; mandroso izy, satria fantany fa ny hery sy ny fahavelomana ao amin’io hazo rofia io (...) dia afaka hanome azy aina vaovao indray.

Tahaka ny hazo rofia any an’efitra (...) no tokony hataon’ny Kristianina ho an’izao tontolo izao. Izy no tokony hitarika ireo fanahy sasatra sy feno ahiahy, izay efa ho faty any an’efitry ny ota, hankeo amin’ny rano velona. Izy no tokony hampitodika ny olona rehetra hijery Ilay manao ny fanasana hoe: “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro." – Jao. 7:37

Na dia mihantona aza ny orana, ary mety hamely ny fakan’ny hazo rofia ny fasika mahamay ary handrakotra ny vatany, dia mbola ho velona hatrany ilay hazo, maitso sy matanjaka. Esory ny fasika dia ho hitanao ny tsiambaratelon’ny fahavelomany: midina lalina any amin’ireo rano miafina any ambanin’ny tany ny fakany.

Toy izany koa ny Kristianina. Miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainany. (...) Ny finoany dia tahaka ny fakany madinika amin’ny hazo rofia, izay midina lalina any amin’izay tsy hitan’ny maso ka mandray aina avy amin’ilay Loharanon’aina. Ary na dia eo anivon’ny fahalotoan’izao tontolo izao aza, dia marina sy mahatoky amin’Andriamanitra izy. (...)

Misoritra eo amin’ny endrik’ireo lehilahy sy vehivavy miara-mandeha sy miara-miasa amin’Andriamanitra ny fiadanan’ny lanitra. (...) Manana ny fifalian’i Kristy izy ireo — fifaliana avy amin’ny maha-fitahiana ho an’ny olombelona azy. Voninahitra ho azy ny aneken’ny Tompo hampiasa azy (...). – Wm, 5 Mey 1908 (ST, 6 Aogôsitra 1902).

20/08/2026

Lesona Sekoly Sabata – Telovolana Fahatelo

Kilasy Tanora Zokiny [19 – 35 taona] Herinandro 8 : FANITSIANA, FANENENANA ARY FIBEBAHANA

Vakio ny: Mat. 26:57—27:10

Tsianjery: Mifidy andininy 1

Zoma Takaro – ILAY FIJERY MITORY FANGORAHANA SY FAMELAN-KELOKA

“Niezaka i Petera tsy hiseho ho liana tamin'ny fitsarana ny Tompony, nefa rotidrotiky ny alahelo ny fony raha nandre ny fanesœsoana feno habibiana izy, ka nahita ny herisetra nampijaliana Azy. Ankoatran'izany dia gaga sy tezitra izy fa nampietry ny tenany sy ny mpanaraka Azy Jesosy tamin'ny fileferany tamin’ny fitondrana toy izany. Mba hanafenany ny tena fihetseham-pony, dia niezaka nanatona ny mpanenjika an’i Jesosy izy nanao vazivazy tsy ara-potoana. Nefa namboamboarina ny fahitana ny fihetsiny. Lainga no nasehony koa raha niezaka ny tsy ho rototra izy tamin’ny resaka nataony, dia tsy azony natao kosa ny nisakana ny tsy haneho ny fahatezerana tamin'ny herisetra niantonta teo amin'ny Tompony.

(...) Raha mbola teo amin’ny molotr’i Petera ny ozona manambany azy, ka mbola naneno tao an-tsofiny ny fikiririokan’ny fanenon'ny akoho, dia nitodika ny Mpamonjy, niala tamin’ ireo mpitsara miketrona handrina noho ny hatezerana, ny fijeriny ka nifantoka tanteraka teo amin'ilay mpianany mahantra. Tamin'izay fotoana izay kosa dia voatarika ho eo amin'ny Tompony ny mason'i Petera. Fangorahana sy alahelo lalina no hitany teo amin'ilay endrika malemy fanahy, fa tsy nisy hatezerana.

Nanindrona ny fony toy ny zana-tsipika ny fahitany ity endrika hatsatra, nijaly, ireto molotra nipararetra, ity fijery feno fangorahana sy famelan-keloka. Nifoha ny feon’ny fieritreretany. Velona ny fitadidiany. Tadidin'i Petera ny fampanantenany ora vitsivitsy talohan'izao fa hiaraka amin'ny Tompony ho any an-tranomaizina sy ho amin'ny fahafatesana izy. Tsaroany ny alahelo raha nilaza taminy ny Mpamonjy tao amin’ny efitrano ambony fa handà ny Tompony irrtelo izy tamin'iny alina iny. Vao nanambara i Petera fa tsy fantany Jesosy, nefa tsapany izao tao amin'ny ngidin'ny alahelo, fa tena mahalala azy tsara ny Tompony, ary marina dia marina ny namakiany tao am-pony, ny toetra mandainga izay tsy fantatr'izy tenany akory.

Nibosesika tao an-tsainy ny fahatsiarovana ny famindrampo feno fitiavana nasehon'ny Mpamonjy, ny fahalemem-panahiny sy ny fahari-pony, ny hatsaram-panahy sy ny faharetana nasehony tamin’ny mpianany nania— tsaroany avokoa izany rehetra izany. Tadidiny ny fampitandremana hœ: ‘Ry Simona, ry Simona, indro Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao. ' Naharikoriko azy ny nitaratra ny tsy fahaizany mankasitraka, ny fitaka teo aminy, ny fianianana mandainga nataony. Nijery ny Tompony indray izy, ary hitany ny tanana mpanevateva natsangana namely ny tavany. Tsy zakan'i Petera intsony izany fisehoan-javatra izany, ka torotoro ny fony, nihazakazaka nivoaka ny efitra." – IFM, tt. 762,763.

19/08/2026

Mofon’Aina Alakamisy 20 Aogositra 2026 ONJAM-PITAHIANA

Mat. 5:13 « Hianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahan’ny olona. »

Mpanarato vitsivitsy mahantra sady tso-piaina no nilazana ireo teny ireo. Anisan’ny nanatrika teo sy nandre izany ireo mpisorona sy raby, saingy tsy ho azy ireo no nanaovana izany teny izany. (...) Avy amin’ireo tenin’i Kristy ireo no ahazoantsika tsara ny lanjan’ny hery miasa mangina avy amin’ny olona. Tsy inona izany fa fiarahana miasa amin’ny hery miasa manginan’i Kristy, (...) fampitana foto-kevitra marina (...). Fanapariahana ny fahasoavana koa izany, fahasoavana izay Kristy ireiy ihany no manome azy. (...) Ny vahoakan’Andriamanitra dia tokony hanohitra ny hery miasa mangina manimba sy mandoza avy amin’ilay ratsy. – RH, 22 Aogôsitra 1899.

Hihaona amin’olona maro mandia lalan-tsarotra ianao eo amin’ny fiainana. Mahatonga azy havesatra entana ny asa mafy sy ny fahantrana, ka tsy manana fanantenana momba ny hoavy tsara kokoa izy. (...) Feno ahiahy sy ampahoriana izy ireo, ary tsy mahalala izay tokony hitodihana mba hahazoany fitsaharana. Aoka ianao hiasa amin’ny fonao manontolo ho fanampiana azy ireo. Tsy sitrak’Andriamanitra raha miolonolona ny zanany. Tsarovy fa maty ho an’ireny olona ireny koa i Kristy. Tolory tanana manampy izy ireo. (...) Aoka hataonao fitsipi-piaina ny tsy hanonona teny mitory fisalasalana na fahakiviana. Betsaka no azonao atao mba hitondrana fahazavana eo amin’ny fiainan’ny hafa amin’ny teny feno fampaherezana masina.

Azon’ny mpianatra tso-piaina sy mahantra indrindra atao ny ho tonga fitahiana ho an’ny hafa.

Angamba tsy tsapan’izy ireo fa manao soa manokana izy, nefa amin’ny hery miasa mangina avy aminy no hitosahan’ny onjam-pitahiana izay hihamitombo sy hihalalina, ka ny vokatr’izany dia mety tsy ho fantany raha tsy amin’ny andron’ny famaliana farany. Tsy asaina manasatra ny tenany amin’ny fitebitebena momba ny fahombiazana izy ireo, ny hany tokony hataony dia ny mandroso moramora sy manatanteraka amim- pahatokiana ny asa nankinin’ny fahasoavan’Andriamanitra taminy, dia tsy ho zava-poana ny fiainany amin’izany. (...) – Wm, 5 Mey 1908 (ST, 6 Aogôsitra 1902).

19/08/2026

Address

Ambilanibe Andavamamba
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Église Adventiste du 7ème Jour Ambilanibe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share