03/08/2026
5️⃣ minitra MANGA
📖 I Timoty 1 / 12 – 16 📖
“NY FAHASOAVAN’ ANDRIAMANITRA DIA MAHAY MANOVA FIAINANA”
Hiarahantsika mahalala fa i Paoly dia olona nanana lasa ratsy. Nefa tsy nolazain’ Andriamanitra hoe: “Tsy misy ilàna anao intsony.” Fa nomeny fahasoavana izy ary novainy ny fiainany.
Ho anao izay voafatotry ny zava-mahadomelina ankehitriny.
🔺 Mety efa imbetsaka ianao no niteny hoe: “Hiala aho.”
🔺 Mety efa niezaka ianao, saingy niverina indray.
🔺 Mety efa very fahatokisana amin’ny tenanao ianao ka mieritreritra hoe: “Tsy afaka miova intsony aho.”
🚫 Aza mino izany!
Raha nahavita nanova an’i Paoly Andriamanitra, dia mbola mahavita manova anao koa.
Ny zava-mahadomelina mety hanome fahafinaretana vetivety, saingy mangalatra tsikelikely ny fahasalamanao, ny volanao, ny fahatokisan’ny fianakaviana anao, ny ho avinao, ary indrindra ny fahafahanao.
FA HENOY TSARA IZAO:
Tsy izany no anjaranao.
Tsy izany no hiafaran’ny tantaranao.
Tsy noforonina ho andevon’ny zava-mahadomelina ianao.
🗨️ Hoy Paoly ao amin’ny andininy faha-15: “Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ ny tany Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota"
Midika izany fa misy famonjena, misy famelan-keloka, ary misy fiainam-baovao.
Koa raha mbola mifoka, misotro, na mampiasa zava-mahadomelina ianao, aza miandry hoe: “Rehefa afaka aho vao hanatona an’Andriamanitra.”
Manatòna an’Andriamanitra dieny izao, ary avelao Izy hanomboka hanova anao.
Ary raha misy olona efa tafavoaka tamin’izany, aza manambany ilay mbola sahirana.
Ny olona voafatotra dia tsy mila fanamelohana fa mila olona hanampy azy, hivavaka ho azy, hihaino azy ary hitarika azy hiverina amin’ny làlana marina.
Izany no antompisian’ny Sampana Vokovoko Manga:
💙 Hijoro amin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina.
🤍 Hanampy ireo voafatotra mba afahany amin'ny fatorana mangeja azy.
💛 Hitory fa mbola misy fanantenana sy fiainam-baovao ao amin’i Kristy.
Ry namako, raha mbola eo am-pelatananao ny safidy:
Aza omena ny zava-mahadomelina ny fiainanao.
Aza amidy amin’ny fahafinaretana vetivety ny hoavinao.
Aza avela hisy hangalatra aminao ny zavatra nomen’ Andriamanitra anao.
Mialà amin’ny zava-mahadomelina.
Miverena amin’ Andriamanitra.
Mitadiava fanampiana ary atombohy anio ny fiainam-baovao.
Satria raha afaka nanova an’i Paoly ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia mbola afaka manova anao koa.
⚓ Sampana Vokovoko Manga:
✅ Tsy fanamelohana, fa famonjena.
✅ Tsy famoizam-po, fa fanantenana.
✅ Tsy fahafatesana, fa fiainam-baovao.