16/01/2026
✨"Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina"✨. ➖ Salamo 1️⃣2️⃣7️⃣ : 1️⃣
⭐"Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy"⭐. ➖ 1️⃣ Korintiana 3️⃣ : 1️⃣1️⃣
🌱"Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa. Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo. Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko. Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona"🌱. ➖ Jaona 1️⃣5️⃣ : 1️⃣ - 5️⃣
👑 VONINAHITR'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY.
⛪ Notanterahina teto amin'ny FOKOTANY MIAKADAZA (Kaominina Imerintsiatosika) ny hady fototry ny trano hanangonan'i JESOSY ny ondriNY, oloNY hampahereziNY sy hampiadaniNY, ho tahiNY sy hambiniNY, handrotsahaNY fahasoavaNY, hamindràNY fo sy havelaNY heloka, hampifaliaNY amin'ny TeniNY marina sy SakramentaNY madio, dia ny FIANGONANA LOTERANA MALAGASY FANANTENANA, miray amintsika FLM Fitandremana Androhibe. Ny Alakamisy 1️⃣5️⃣ janvier 2️⃣0️⃣2️⃣6️⃣.
🙏 JESOSY IRERY IHANY 🙏