EKAR ST Jerôme Anosibe

EKAR ST Jerôme Anosibe "Ny tsy fahalalana ny Soratra Masina, tsy fahalalana an'i Kristy"

https://www.facebook.com/share/p/1EtpPyYqwT/
14/08/2026

https://www.facebook.com/share/p/1EtpPyYqwT/

𝐓𝐑𝐈𝐃𝐔𝐔𝐌 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐒𝐎𝐌𝐏𝐓𝐈𝐎𝐍-𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐈𝐀

➡ANDRO VOALOHANY: NY “ENY” NATAON’I MARIA
Fanetren-tena sy fahatokiana an’Andriamanitra.

Teo anatrehan’ny sitrapon’Andriamanitra, dia nanolotra ny tenany tamim-panetren-tena sy fahatokiana tanteraka i Maria. Io “ENY” feno finoana io no nanova ny tantaran’ny famonjena. Hoy àry izy :
" Inty aho ankizivavin'ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao." (Lk. 1,38)

Amin’izao andro voalohan’ny Triduum izao, dia mibanjina an’i Masina Maria, ilay Virjiny feno fanetren-tena sy fahatokiana an’Andriamanitra, isika. Rehefa nanambara taminy ny Anjely Gabriela fa voafidy ho Renin’ny Mpamonjy izy, dia tsy nitady ny voninahiny, fa nanaiky tamim-pinoana ny sitrapon’Andriamanitra, ka nanao ny "ENY".

Ry Masina Maria, ampianaro izahay hahay hankatoa an'Andriamanitra tahaka ny nataonao, na dia tsy takatray aza ny drafiny rehetra hitondrany ny fiainanay.

Indraindray isika matahotra rehefa miatrika zavatra tsy fantatra, fitsapana, fahasahiranana na lalana sarotra. Te hahalala mialoha ny zava-drehetra isika vao manaiky. I Maria kosa dia nampianatra antsika fa ny finoana dia fahatokiana an’Andriamanitra, na dia tsy hitantsika aza izay hiafaran’ny lalana.
Tahaka an’i Maria, aoka isika hahay hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra.

➡VAVAKA

Ry Maria Virjiny Masina, Renin’Andriamanitra sy Reninay, ianao izay nanaiky tamim-panetren-tena sy finoana ny sitrapon’Andriamanitra, ampianaro izahay hanana fo manetry tena sy fahatokiana mafy o***a, na eo aza ny fitsapana sy ny fahasarotan’ny fiainana.
Ry Maria, apetrakay eo am-pelatananao ny fiainanay, ny fianakavianay ary ny fangatahanay rehetra. Ento eo anatrehan’i Jesoa Zanakao izahay, ary ampio hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo feno finoana sy fahatokiana.

Masina Maria, Renin’Andriamanitra, mivavaha ho anay.
Masina Maria, ohatry ny fanetren-tena sy fahatokiana, mivavaha ho anay.
Masina Maria, tariho izahay ho any amin’i Jesoa.

✅Famaranana

Arahaba ry Maria…×3
Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina…

Masina Maria, ampianaro izahay hiteny “ENY” amin’Andriamanitra, tahaka anao.

Amen🙏

©Ekipa Fianakaviana Masina Tontolo Katolika

FANKALAZANA OLOMASINA ANIO 11 AOGOSITRA : MB CLAIRE avy any ASIZY: mpiaro ny Faritra Avaratsena sy ny kristianina rehetr...
11/08/2026

FANKALAZANA OLOMASINA ANIO 11 AOGOSITRA : MB CLAIRE avy any ASIZY: mpiaro ny Faritra Avaratsena sy ny kristianina rehetra ao aminy.

Nampiavaka an’i Claire d’Assise ny faharetana tamin’ny fahantrana, ny fanokanany tena dieny mbola tanora ho an’Andriamanitra, ny faharetany niaritra aretina 30 taona nefa mbola nanome hery ny hafa, ary fahitana ara-panahy nahafahany nahita lavitra ny lamesa tamina andron'ny Noely iray izay nahatonga azy ho olomasin’ny fahitalavitra.

Teraka teo anelanelan’ny taona 1193 sy 1194 i Claire d’Assise. Tamin’ny 1210, raha nihaino ny toritenin’i Md François tao amin’ny fiangonana Saint-Georges izy no nanapa-kevitra hanaraka ny fiainana ny fahantrana. Tamin’ny 20 Martsa 1212, nandositra izy mba hanatevin-daharana an’i Md François tao amin’ny Portioncule, nahazo ny akanjo rebareba volon-tany ary noboriana ny volony. Nifindra tany amin’ny mpitoka-monina bénédictines izy satria tsy afaka niara-nipetraka tamin’ny lehilahy. Ary tonga nanaraka azy tany koa ny rahavaviny Catherine (Agnès d’Assise), na dia nisy aza ny fanoheran’ny fianakaviana izany.

Maty tamin’ny 1253 izy, ary tamin’ny 26 Septambra 1255 dia natsangan’ny Papa Alexandre IV ho olomasina.

Olomasin’ny fahitalavitra, ny fifandraisan-davitra, ny mpanenona lamba, ny mpanasa sy mpanjaitra akanjo, ary ny jamba, noho ny fahitana ara-panahy sy ny asany tamin’ny fanjairana lamba masina.

10 Aogositra fankalazana an'i Md LAURENT, Diakra Martiry; izay mpiaro ireo Mpiservy lamesa rehetra eto amin'ny paroasint...
10/08/2026

10 Aogositra fankalazana an'i Md LAURENT, Diakra Martiry; izay mpiaro ireo Mpiservy lamesa rehetra eto amin'ny paroasintsika.

I Md Laurent dia anankiray anisan’ny malaza amin’ireo martiry rômanina fahiny. Amin’ny maha-Diakra azy dia raharaha lehibe no nampiandraiketin’ny Papa Sixte II azy fahavelony: manampy ny Papa amin’ny Lamesa, mizara Kômonio ary miandraikitra ny fananan’ny Fiangonana, ka mizara azy amin’ny mahantra.

Ny fahalalan’ny mpanenjika an’izany raharaha lehibe izany no nisamborany sy namonoany azy ka nampandriany teo amin’ny farafara vy mahamay izy ary nodorana tsikelikely mandra-pahatapitry ny ainy (10 aogositra 258). Fijaliana mangidy sady maharitra no nandrotidrotika ny nofony, fa fanantenana sy fitiavana an’Andriamanitra kosa no nameno ny fo amam-panahiny, ka tsy nampihontsona azy velively ireny.

Bazilika iray ao Rôma, mitondra ny anarany, no misy ny fasana ilevenany.

🙏Enga anie mba ho faty ny afon’ny filan-dratsy ao amintsika, ka ho vatana sy fo madio no hanjaka; ary koa mba hanana fo antra toa an’i Md. Laurent isika rehetra.🙏

08/08/2026

✨🕊Ny Evanjely anio Asabotsy 08 Aogositra 2026
Matio 17, 14-19
"Raha manam-pinoana ianareo, tsy hisy tsy ho azonareo atao".

07/08/2026

✨🕊Ny Evanjely anio Zoma 07 Aogositra 2026
Matio 16, 24-28
"Inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?"

06/08/2026

✨🕊Ny Evanjely anio Alakamisy 06 Aogositra 2026
Matio 17, 1-9
"Ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro".

Address

Antananarivo

Telephone

+261202231526

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when EKAR ST Jerôme Anosibe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share