02/10/2024
: II KOR 5.16-19
: II KOR 5.17
Raha misy olona ao amin'i Kristy,
Lasa olom-baovao, tena kanto ery,
Lasa zavatra taloha, efa tonga hadino,
Fiainam-baovao ny fiainanao ry mino.
Ao amin'i Kristy, ovaina zavatra rehetra,
Tapaka fatorana, nirodana ny fetra,
Miala ny haizina, mitombo ny hazavana,
Levona avokoa ireo asan'i satana.
Ny ota tamin'ny lasa voafafa avokoa,
Fiainam-baovao mikoriana anaty fo,
Fiadanana indray no manjaka ao anaty,
Santarina an-tany sy lovaina na dia maty.
Tena hafa loatra izany ateraka indray,
Fahasoavana tokoa, azo avy tamin-dRay,
Ireo lasa ratsy tsy mba tiana hiverenana,
Efa nibebahana, eny, efa nanenenana.
Andao isika handeha amin'ity mazava,
Efa voasasa, ny vovok'ota efa lasa,
Lalam-baovao, fiandohana vaovao,
Fanantenana velona no ao anaty ao.
Ny ho avinao indro azo antoka tanteraka,
Ho an'ny olom-baovao izay efa nateraka,
Ny fiainana rehetra efa ao amin'i Kristy,
Tsy hisaraka Aminy isika ho doria.
Nirinan'i Jesoa.