Ho an'i Jesosy

Ho an'i Jesosy Manomana ny fiavian'i JESOSY

16/02/2024
16/10/2023

Dieu révèle sa gloire à travers nos vies. L'épreuve vient nous émonder, nous tailler, nous donner la mesure qu'il faut pour être à l'image de Dieu.
Quelles que soient les souffrances que vous traversez, le Seigneur vous accordera sa faveur pour révéler la force qui est en vous.
Non, il ne vous abandonne pas, il ne vous délaisse pas. Mais il manifeste sa puissance au sein de l'épreuve afin que les autres voient sa gloire.

15/10/2023

1 Petera 4:12.,13.
12. Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany, 13. fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.

15/10/2023

Salamo 107:9.
9. Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.

15/10/2023

ANDRIAMANITRA NO HAMATSY

Raha nasain' Andriamanitra hanao fanatitra hodorana an' Isaka zanany lahitokana tany amin'ny tendrombohitr'i Moria i Abrahama , mba ho fizahana toetra azy , dia hoy Isaka tamin'ny rainy :

" Indreto ny afo sy ny kitay , fa aiza kosa indray izay ondry hatao fanatitra hodorana ? " Genesisy 22 : 7 .

Dia tsy nihambahamba i Abrahama namaly azy hoe : " Andriamanitra no hamatsy izay ondry hatao fanatitra hodorana . "
Genesisy 22 : 8 .

Taorian'ny fankatoavana mamaivay ny baikon' Andriamanitra , dia nanome an'i Abrahama ondrilahy hisolo ny zanany ny Mpamonjy . Genesisy 22 : 13 .

I Kristy no " Ilay Zanak'ondry hita " hisolo ny mpanota . Jaona 1 : 29 . Ny tsara indrindra no nomeny ho an'izao tontolo izao .

Andriamanitra ihany koa ry sakaiza no hamatsy izay tsy tsy misy. Izy no hanampy izay tsy ampy eo aminao . Afaka mampisy ny tsy misy Ilay mahay ny zavatra rehetra, araka izay fantany fa mahasoa ny zanany .

Anio , amin'izay zavatra mampiady saina anao , dia sahia mino ka hiteny hoe :
" Andriamanitra no hamatsy . "

Mahereza , matokia

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ho an'i Jesosy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share